MIVAVAKA …

“Tompoko, mampianara anay hivavaka”

  Lioka 11.1

 

S. Fayard

 

“Prier”

Bibles et Publications Chrétiennes

30, rue Châteauvert — F-26000 Valence


FIZAHAN-TAKILA

Fampidirana

 

4

  1. Ireo toetoetran’ny vavaka

5

                        Ny tanjony

5

                        Ireo vokany

7

                        Amin’iza no tokony hivavahantsika?

 

7

  1. Ahoana no fomba ivavahana?

9

                        Amin’ny fahatsapana ny tsy fahampiantsika

9

                        Amin’ny fitiavana sy amin’ny finoana

9

                        Amin’ny fo sy amin’ny saina

11

                        Omban’ny toetra ara-môraly mifanaraka amin’izay andrasan’Andriamanitra

 

11

Amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa ary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

 

 

12

  1. Ireo endrika samihafa isehoan’ny vavaka

14

                        Ny fiderana sy ny fitsaohana

14

                        Ny fiandrandrana an’Andriamanitra

15

                        Ny fiaiken-keloka sy ny fanetrentena

16

                        Ny fangatahana

18

                        Ireo fisaorana

19

                        Ny fanelanelanana

20

                        Ny fiaretan-tory, ny fahononantena sy ny fifadian-kanina

 

 

21

  1. Ny fanatanterahana ny vavaka

23

                        Manokana fotoana ivavahana

23

                        Mampitodika ny fontsika amin’Andriamanitra

24

                        Mandresy ireo fisalasalana sy ny tsy fahazoana                         antoka

 

24

                        Mitoetra ao amin’ny fiankinana mandrakariva                             amin’ny Tompo

 

25

                        Mandinika sy misaintsaina ny tenin’Andriamanitra

 

26

                        Manoa sy manao izay ankasitrahana eo imason’ny Tompo Jesoa 

 

 

27

  1. Ny ohatra nomen’i Kristy 

 

29

  1. Fehiny: ireo fihevitra mikasika ny vavaka

34

 

 

 

 

Fampidirana

 

Zava-dehibe iankinan’aina ny vavaka, ho an’ny mpino. Izy no aina mamelombelona ny fanahy, fanehoana ny finoana, hetsipo noho ny fitiavana, ady ara-panahy. Amin’ny alalan’ny vavaka no anatonan’ny mpino an’Andriamanitra mba hitalaho ny fanampiany, nefa koa mba hisaotra sy hidera Azy. Ny vavaka no anehoan’ny mpino ny fiankinany amin’Andriamanitra. Mbola amin’ny alalany ihany koa no ijoroany ho vavolombelona fa tsy irery tsy akory ny olombelona eo anivon’izao tontolo izao, fa misy Andriamanitra ary miasa.

 

 


Ireo toetoetran’ny vavaka

 

Resaka atao amin’Andriamanitra ny vavaka. Mety hitranga ny hoe olona iray mbola tsy niova fo no mivavaka, ary mamaly azy Andriamanitra[1]. Saingy, raha halalinina kokoa, ny vavaka dia fanehoana ny fiainam-baovao atolotr’ Andriamanitra ho an’ny olona manankim-po aminy. Ny teny hoe: “Indro, efa mivavaka izy”[2], dia porofon’ny fiovam-pon’i Paoly. Fifandraisana manokana amin’Andriamanitra izany ny vavaka, miorina amin’ny finoana sy ny fitokiana amin’Andriamanitra. Tsy asa natao ho mendri-pankasitrahana ny vavaka, noho izany. Tsy ny hamaroan’ny teny[3] tononina no ilaina, fa ny fanatonantsika an’Andriamanitra amim-panajana sy amim-pitiavana.

Tsy asa mifono hery majika tsy akory sanatria, ny vavaka kristiana. Tsy karazana teny majika ilaina averimberina tsy tapaka mba hahazoana fahefana. Ny fomba toy izany, izay tsy misy ifandraisana amin’ny tenin’Andriamanitra, dia mitovitovy kokoa amin’ny fomban’ireo fivavahan’ny mpanompo sampy. Tsy karazana fampifantohan-tsaina ihany koa ny vavaka, tsy ikatsahana ny hahatafidirana any anaty lalin’ny tena any, mba hahatrarana an’izay “tendro avo indrindra” mety ho tratra ao. Ho ny “izaho” mibanjina ny “izaho” ihany izany. Tsia, mametraka antsika ho eo anatrehan’Andriamanitra ny vavaka. Tsy irery tsy akory ny mpino iray rehefa mivavaka; miaraka amin’ny Andriamaniny izy. Tsy mibanjina ny tenany izy, fa mibanjina an’Ilay Andriamaniny.

 

Ny tanjony

 

Mivavaka isika, voalohany indrindra, mba hahazo voninahitra Andriamanitra. Mitombo ao anatintsika ny hetaheta hanaja an’Andriamanitra, rehefa tena manatona Azy marina tokoa, amin’ny alalan’ny finoana, isika. Noho izany, satria mifamatotra akaiky amin’io hetaheta io isika, dia mivavaka mba hahay hamantatra sy hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa mivavaka isika dia mianatra, tsy ny hanery an’Andriamanitra hanaraka izay heverintsika, fa ny hanoa Azy kosa. Amin’ny alalan’ny vavaka no itadiavantsika izay ankasitrahin’Andriamanitra, ary manaiky ny hanatanteraka izany isika. “Hatao anie ny sitraponao!”: izany no nampianarin’i Jesoa holazaintsika, ao amin’ilay vavaka modely nomeny ny mpianany.[4] Izy ihany moa no naneho ny ohatra fara tampon’izany, tamin’ny alalan’ny fanekeny ny hazofijaliana.[5]

Mbola ny fifamatorantsika amin’io hetaheta ny hanome voninahitra an’Andriamanitra io ihany, no ivavahantsika mba hahazo fampaherezana manoloana ny ady kristiana sedraintsika,[6] ady ho an’ny filazantsara, ady ho soa ho an’ny Eglizy sy ny olombelona rehetra.[7]

Mivavaka isika satria mila an’Andriamanitra, mba hanatona Azy sy hitady ny tavany[8]. Faniriana an’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, hetaheta ny hiombona Aminy.[9] Samy avy amin’Andriamanitra avokoa na io hetaheta io, na io faniriana io.

 

 

 

Ireo vokany

 

Mamaly ny vavaka asandratr’ireo zanany Andriamanitra. Fomba roa sosona no anatanterahany izany. Voalohany, omeny azy ireo aloha ny fiadanany ary afahany amin’ny fahoriana izy ireo.[10] Azontsika apetraka Aminy ny entantsika rehetra, satria Izy no miahy antsika.[11] Rehefa izany, valian’Andriamanitra amin’izay ny zavatra tena nangatahintsika taminy, raha mifanaraka amin’ny sitrapony.[12] Indraindray, tsy mamaly izany eo no ho eo Izy, mba hanamafisana ny finoantsika. Izany no tsy maintsy ananantsika faharetana amin’ny vavaka. Ary farany, “tsia” no avalin’Andriamanitra antsika, rehefa tsy araka izay ankasitrahiny ny fangatahana nataontsika. Ataony mazava ao an-tsaintsika izany fandavany izany, omban’ny fampaherezana hatrany ny finoantsika.[13]

 

Amin’iza no tokony hivavahantsika?

 

Zava-dehibe ny hahalalana hoe iza amin’ireo Persona ao amin’Andriamanitra moa no itodihantsika rehefa mivavaka isika.

Tonga avy any an-danitra i Jesoa mba hampahafantatra antsika an’Andriamanitra ho toy ny Raintsika.[14] Noho izany, dia afaka miresaka amin’Andriamanitra toy ny firesaky ny zanaka amin’ny rainy isika ankehitriny, ao anatin’ny fiombonana aina akaiky dia akaiky sy feno hafaliana. Amim-panajana sy amim-panetrentena no anaovantsika izany, kanefa amim-pahazoana antoka koa fa mandre antsika Izy, eny fa na miambakavaka be ihany aza ny feontsika. Mivavaka amin’ny Ray isika amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa[15], ary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.[16]

Fa mivavaka amin’ny Tompo Jesoa ihany koa isika.[17] Izy no Ilay sakaiza “mifikitra noho ny rahalahy”[18], miombom-pahoriana tanteraka amin’ireo olony.[19]

Tsy manome ohatra, na ahitana fitaomana hivavaka amin’ny Fanahy Masina, ny Testamenta Vaovao. Ampifandrohiziny akaiky dia akaiky kosa anefa ny vavaka sy ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no manome fahalalahana ny mpino ho afaka miantso an’Andriamanitra ho Ray. Izy no manome ny fahazoana antoka fa zanak’Andriamanitra marina tokoa izy ireo.[20] Izy no manampy[21] sy manohana azy ireo, ao anatin’ny fiainam-bavak’izy ireo. Izy no mametraka ao am-pony ny hetaheta holazaina. Izy no mampiboiboika fiderana an’Andriamanitra avy ao anatin’izy ireo. Ary mbola Izy ihany koa no manome teny hoenti-milaza izany[22], ka mahatonga ny vavaka ataontsika hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.


 

2. Ahoana no fomba ivavahana?

 

Hivavaka amin’Andriamanitra “amin’ny fanajana sy fatahorana”[23] isika raha tena mahatsapa ny fahalehibeazany, ny fiandrianany, ary ny fahamasinany. Ny fanetrentena, ny fahatsiarovan-tena ho tsinontsinona, nefa koa ny fahazoana antoka fa tiana sy henoin-teny, ireo no toetra manamarika izay olona mahalala an’Andriamanitra ho Ray.

 

Amin’ny fahatsapana ny tsy fahampiantsika

 

Ny fananana ny fahatsapana ny tsy fahampiantsika no iray amin’ireo fepetra voalohany indrindra takina raha hivavaka. Tsy mahatsapa ny tokony hiantsoany an’Andriamanitra izay olona milaza hoe: “Manan-karena... aho, ka tsy manan-java-mahory.”[24] Manatona ny Ray an-tsitrapo kosa ny mpino mahatsapa ny fahantrany ara-panahy. Miantso an’Andriamanitra mandrakariva izy, dia Ilay Andriamanitra loharanon’ny soa rehetra[25], amin’ireo trangan-javatra rehetra eo amin’ny fiainany. Ary tsy Andriamanitra Izy tenany mihitsy ve moa no zavatra lehibe indrindra ilaintsika?

 

Amin’ny fitiavana sy amin’ny finoana

 

Misy antson’Andriamanitra mandrakariva mialoha ny vavaka. Tsy isika tsy akory no mandray voalohany ny fanapahan-kevitra hivavaka, fa Andriamanitra no mitaona antsika hivavaka. Araka izany, dia fahasoavana atolotr’Andriamanitra antsika ny mivavaka. Tsy mitsahatra ny manatona antsika Andriamanitra, ary manasa antsika hanatona sy hitia Azy. Io didy ho tia an’Andriamanitra io[26] no manamontsana ny fiheverantsika ho mahavita tena ary miantoka ny fiandohan’ny tena vavaka marina.

“Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha”.[27] Tsy maintsy mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra isika, raha mivavaka, ka mandray izany amin’ny finoana eo amin’ny fiainantsika. Toy inona tokoa moa ny fahasambarana amin’ny fahafantarana fa tia antsika Andriamanitra, fa afaka matoky Azy isika, afaka manaiky hotarihiny! Ny fitokiana amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia mitarika antsika hiantso Azy mandrakariva amin’ireo zavatra tsirairay ilaintsika, hamela Azy hiditra an-tsehatra amin’ny antsipiriam-piainantsika.

Ampirisihina hangataka amin’ny finoana isika,[28] izany hoe amin’ny fanaovana fanazarana ara-panahy hamela an’Andriamanitra hiditra an-tsehatra, mba “handray an-tanana” izay zavatra, araka ny fiheviny. Ny hoe mangataka amim-pinoana izany dia mangataka omban’ny fahafantarana fa te hamaly sy afaka mamaly Andriamanitra, ary noho izany, dia hamaly. Tsy maintsy miorina tsara eo ambony vatolampy isika amin’izany, dia ny vatolampin’ny tenin’Andriamanitra, ary mametraka ny tokintsika manontolo ao amin’i Jesoa Ilay Vatolampintsika. Ilaina ny ananantsika fahatokiana ny sitrapon’Andriamanitra manontolo, fa tsy hametraka fiahiahiana ao an-tsaintsika.[29] Mametraka ny fandresen-dahatra ao anatintsika ny Fanahy Masina, rehefa mangataka amin’ny finoana sy araka ny sitrapon’Andriamanitra isika, fa efa novalin’Andriamanitra ireo fangatahantsika. Eny, efa novaliny sahady izany na mbola tsy tanteraka akory aza ilay zavatra nangatahana.[30]

 

 

 

 

 

Amin’ny fo sy amin’ny saina

 

Rehefa mivavaka isika dia tsy maintsy manao izany amin’ny fo.[31] Tsy hoe fanomezana vahana ny fihetseham-po tsy akory no tiana hambara amin’izany, fa fanehoana ny zavatra tena ilaina marina sy tsapa. Tsy voatery manambara izay lalina indrindra ao anaty fontsika ao ireo teny aloaky ny vavantsika, ary mety ho fanakonana ny fandavantsika tsy hisokatra amin’Andriamanitra mihitsy aza izy ireny. Tsy ny hevitra tsy akory no entina mivavaka, fa ny tena; tsy izay zavatra fantatra, fa izay zavatra iainana. Tsy maintsy ahitana taratra ny maha izaho ahy ny vavaka, misy fifandrohizana eo amiko sy eo aminy.

Mifanindran-dalana amin'ny hoe “mivavaka amin’ny saina”[32] ny hoe “mivavaka amin’ny fo” sy ny hoe “mivavaka amin’ny fanahy”. Tsy hoe ampanginintsika tsy akory ilay saina nomen’Andriamanitra antsika,[33] rehefa mivavaka isika, fa kosa avela hiasa hanompo ny Tompo mba hahatakatra, amin'ny alalan’ny fanampian’ny Fanahy Masina, ny hevitr’Andriamanitra sy ny sitrapony. Ny hoe mivavaka amin’ny saina dia midika hoe fantatsika tsara izay teny tenenintsika, ary mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny vavaka ataontsika.

 

Omban’ny toetra ara-môraly mifanaraka

amin’izay andrasan’Andriamanitra

 

Tsy maintsy omban’ny toetra ara-môraly mifanaraka amin’izay andrasan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, mba hohenoin’Andriamanitra. Hitahiry antsika ao anatin’ny fanetrentena[34] ny fahatsapana ny fahasoavan’Andriamanitra, ka hahatonga antsika tsy hitoky amin’ny herin’ny tenantsika fa hiantoraka kosa amin’Andriamanitra.

Tsy maintsy mivavaka amin-kitsimpo[35] ihany koa isika, omban’ny faniriana hankatò sy hiaina mifanaraka amin’izany. Azontsika atao mihitsy ny manontany ny tenantsika hoe: “Moa zavatra tena iriko tokoa ve ity angatahiko ity? Moa zavatra tena andrasako tokoa ve izany?”. “Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko”.[36] Mahatonga antsika ho mpiombona amin’ny asan’Andriamanitra ny vavaka. Mety hotakian’Andriamanitra ny fandraisana anjara mavitrika avy amintsika, mba hamaliany ny vavaka ataontsika. Fampiasana ny vavaka ho fitaovana handosirantsika tsy hanao izay andraikitra tandrify antsika ny tsy fanekentsika an’izany. I Nehemia, ohatra, dia sady nivavaka ho an’ny mandan’i Jerosalema no nirotsaka an-tsehatra mihitsy koa tamin’ny asa fanarenana izany.

Anisan’ny iray tena manana ny lanjany amin’ireo toetra ara-môraly takian’ny vavaka ny fahaizana mamela heloka.[37] Misy fiantraikany amin’ny vavaka ataontsika ny fanaovantsika an-dolompo, sy ny fananana faka mangidy. Ny fiainantsika manontolo mihitsy, aza, no misy akony eo amin’ny fiainam-bavaka ananantsika.[38]

 

Amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa

ary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

 

Amin'ny anaran’i Jesoa Tompo no tokony ivavahantsika.[39] Mihaino antsika Andriamanitra, noho ny Tompo Jesoa. Midika ho firaisana amin’i Jesoa ny hoe mangataka “amin’ny anaran’i Jesoa” : iray fisainana aminy, iray faniriana aminy, iray sitrapo aminy. Midika ihany koa ho fanekentsika ny maha Tompo Azy izany, na eo amin’ny sehatry ny fihetsehampontsika, na amin’ny fisainantsika, na eo amin’ny fanapahan-kevitsika, eny, eo amin’ny fiainantsika manontolo mihitsy. Amin'ny alalan’i Jesoa irery ihany no ahazoantsika mivavaka amin’Andriamanitra.

Farany, tsy maintsy mivavaka amin’ny alalan’ny Fanahy isika[40]. Mifanaraka tsara amin’ny fisainan’ny Fanahy ireo fisainana sy ireo faniriantsika, rehefa mivavaka amin'ny alalan’ny Fanahy isika. Ireo zavatry ny Fanahy no mibahana ao amintsika, ary misitraka ny fiombonana aina aminy isika.[41] Tokony hampifantoka ny fijerintsika amin’Andriamanitra isika rehefa miditra eo anatrehany, mba hiasa ao am-pontsika ny Fanahiny, hanafana ny fontsika sy hanetsika azy hivavaka. Afaka ny hivavaka amin-kalalahana amin’izay isika, rehefa izany, vavaka tsy miolakolaka, amin’ny fo mafana, ary vavaka manan-kery.


 

3. Ireo endrika samihafa isehoan’ny vavaka

 

Zava-dehibe tokoa ny handinihana tsara ny hoe ahoana moa no fomba ivavahantsika, fa zava-dehibe toy izany koa ny fandanjalanjana ny votoatin’ny vavaka asandratsika. Ny fiainam-bavaka voalanjalanja dia miseho amin’ny endrika maro. Voalohany :

 

Ny fiderana sy ny fitsaohana

 

Mampifantoka ny saintsika amin’Andriamanitra 

 

Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany (Jesoa) ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.[42]

 

Tsy misy zavatra sarobidy indrindra ao am-pon’Andriamanitra mihoatra ny fitsaohana sy ny fiderana aterin’ireo zanany. Mitady olona mpivavaka Aminy (mpitsaoka Azy) ny Ray.[43] Izany no tombontsoa manokana ho antsika mandritra ny mandrakizay, ary efa migoka izany sahady isika dieny et an-tany.

Ota iray monja mitambesatra amin’ny fieritreretantsika anefa dia efa ampy ho sakana tsy ahafahantsika mitsaoka an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy.

Ny hoe midera an’Andriamanitra dia maneho ny fiaikena fa mampitolagaga antsika tokoa Andriamanitra, dia ny momba Azy sy izay ataony. Rehefa manomboka mahatsapa isika fa lehibe sy tsara Andriamanitra, mahagaga ny voninahiny, dia feno fiderana Azy ny vavantsika![44] Mifamatotra amin’ny fifaliana ny fiderana, fifalian’ny lanitra, izay avy amin’Andriamanitra, ary mahatonga hidera Azy hatrany, eny na ao anatin’ny toe-javatra mifanohitra amin’izay mampifaly aza.[45]

Mifanakaiky ihany ny fiderana sy ny fitsaohana. Amin’ny fiderana, dia ireo zava-mitranga sy ireo zava-tsoa azontsika no tsiahivintsika, fa ao amin’ny fitsaohana kosa, dia miankohoka eo anatrehan’Andriamanitra isika noho ny maha Izy Azy, dia ireo toetrany sy fahatsaràny; hadinontsika ny momba antsika ary babo ny amin’Andriamanitra sy ny fanambaràny ao amin’i Kristy isika. Toy ny entanin’ny fifaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra isika. Ndeha isika hitanisa vitsivitsy amin’ireo anton-javatra tokony hiderana sy hitsaohana an’Andriamanitra: ny fahalehibeazany sy ny fiandrianany hita taratra eo amin’ny fahariana; ny voninahiny ao amin’ny asa Fanavotana; ireo fikasàny hatramin’izay ka ho mandrakizay, izay mifono fahasoavan-dehibe ho an’ny mpino; ny fiainan’ny Tompo Jesoa, ny voninahiny ara-môraly, ny fitiavany, ireo fahoriana niaretany, ny nahafatesany, ny nitsanganany tamin’ny maty, ny nanandratana Azy am-boninahitra ho eo an-kavanan’Andriamanitra.

Ny fiderana, toy ny fitsaohana, dia sady azo ataon’olon-tokana no azo iarahana amin’ny besinimaro, satria ny tena kristiana marina dia isan’ny Eglizy, izay tsy hafa fa vadin’i Kristy. Ny Eglizy no mitsaoka an’Andriamanitra, indrindra indrindra mandritra ny fanompoam-pivavahana, rehefa tafavory manodidina ny Tompo Jesoa ireo kristiana. Ny fitsaohana dia setrin’ny fitiavana izay miboiboika avy ao am-pontsika, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, omban’ny fisaintsainana ny fitiavan’Andriamanitra. Mametraka an’Andriamanitra ho ivon’ny fiainantsika.

 

Ny fiandrandrana an’Andriamanitra

 

Manokatra ny fontsika amin’Andriamanitra

 

Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô.[46]

 

Ny hoe miandrandra an’Andriamanitra dia miandry Azy amin’ny zavatra rehetra, na ny sakafo izany na ny toerana honenana, na ny tolo-kevitra na ny fiarovana. Tsy inona ny hoe miandrandra an’Andriamanitra fa ny fahalalana fa Izy irery ihany no afaka hameno an’ireo tsy ampy eo amintsika, hampahery antsika, hanome fifaliana, hanome antsika fanantenana havaozina mandrakariva.

Manaraka izany, dia midika ho fampanginantsika ny ao anatintsika sy ny manodidina antsika mba hifantoka amin’Andriamanitra izany[47], ka hisokafantsika amin’ny fitiavany. Mitaky fotoana sy fisaintsainana lalina[48] ny fidirana ho eo anoloan’Andriamanitra. Mitaona antsika hisintaka lavitra an’ireo resadresaka fanao andavanandro sy ny fiahiana an’ireo filàntsika ara-nofo, izany fiandrasantsika amim-panginana an’Andriamanitra izany. Izany indrindra no maha-tsara ny ananantsika fotoana mangina, amin’ny fiantombohan’ny fotoana ivavahantsika, mba hitodihan’ny saintsika hifantoka amin’Andriamanitra.

 

Ny fiaiken-keloka sy ny fanetrentena

 

Mamboraka ireo fahotantsika amin'Andriamanitra

 

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.[49]

 

Mety misy ireo fahotana vitantsika no mitsingerina ao an-tsaina, rehefa mivavaka na mamaky ny tenin’Andriamanitra isika. Manana vonjy isika, dia ny fibabohana izany. Ny fibabohana dia fiaraha-manaiky amin’Andriamanitra ny amin’ny fahadisoantsika, ary milaza izany amin’ny teny. Ilaina ny fanondroana mazava ny fahadisoana natao, rehefa miaiky heloka. Ny hazofijaliana nikorianan’ny ra sarobidin’i Kristy no mitamberina ao an’eritreritsika, rehefa manatona an’Andriamanitra mba hiaiky Aminy ny fahotantsika isika.

Raha vao mahatsapa isika fa misy zavatra nataontsika tsy mahafaly an’Andriamanitra, dia tokony ifonana aminy izany, ary miato tsy manohy izany intsony.[50] Ny fiaikena heloka no lafiny mampietry antsika indrindra eo amin’ny fiainam-bavaka. Koa matetika isika, noho izany, no miezaka ny hanitsy tena, mialoha ny hanatonantsika an’Andriamanitra. Midika tsy fahalalana ny fahasoavan’Andriamanitra izany! Aoka isika hiverina amin’Andriamanitra amin’io maha isika antsika io, ary hanetry tena tanteraka eo anatrehany rehefa izany. Mahatoky sy marina Izy, ka hanadio antsika ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra.[51] Ny fitsaharan’ny fanahintsika sy ny fiadanan’ny Tompo no vokatra entin’ny fiaikena amin’Andriamanitra ny heloka vita: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany”.[52]

Ny fanetrentena[53], izay mifanakaiky amin’ny fiaiken-keloka, dia toe-po izay mitarika antsika hiankohoka eo anatrehan’Andriamanitra, mahatsapa ny tsy fahatanterahana ary manaiky amim-pahatsorana ny vokatr’izany. Rehefa manetry tena isika, dia mitsara ny ratsy ary mitsara koa ny tenantsika, mitovy fijery amin’Andriamanitra. Tsy tokony hitarika ho amin’ny famoizam-po ny fanetrentena, fa mainka hahatonga antsika hitoky tanteraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany aza.[54]

 

Ny fangatahana

 

Milaza amin’Andriamanitra an’izay zavatra ilaintsika

 

Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra, amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesoa.[55]

 

Tsy isalasalana fa ity endri-bavaka iray ity no tena fanao matetika. Ahitana fitalahoana[56], noho ny zavatra mahatery ny tena, ao anatin’ireo hataka. Ahitana fangatahana, izay amelarana eo anatrehan’Andriamanitra an’ireo zavatra mba tiana ho azo ihany koa izy ireny. Mitondra hafaliana ny fahazoana valiny amin’izay fangatahana natao[57], satria mahatonga antsika hahatsapa mantsy izany fa tena tia antsika tokoa Andriamanitra. Tokony hazava tsara ny hataka ataontsika amin’Andriamanitra. Tokony ho amin’ny fomba tsotra no hanaovana izany ary amin’ny fitokisana tanteraka. Aoka isika tsy hangataka zavatra mba “holaniantsika amin’ny filàntsika”[58], fa hangataka kosa mba hiaina ilay tena fahantrana, andraisantsika avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra ka ahatsapantsika fa fahasoavana avy Aminy avokoa ireny.

Ny taraina dia maneho ny fanaintanana izay entintsika eo amin’ny Tompo.[59] Ary ny sento dia manambara ny fihetseham-pon’ny olona difotry ny alahelo lalina. Ren’Andriamanitra izany sento izany, ary raisiny ho toy ny vavaka.[60] Mety ho faniriana miredareda ihany koa no anton’ny sento, faniriana lalina.[61] Ny hiaka dia antso maika dia maika ataon’izay mahatsiaro ny tenany ho tapi-dàlan-kaleha, ary ny fanantenana tokana ho famonjena azy dia Andriamanitra.[62] Hontsa isika rehefa mahatsiaro an’ilay hiaka nataon’ny Tompo Jesoa teo amin’ny hazofijaliana.[63]

 

Ireo fisaorana

 

Misaotra an’Andriamanitra

 

Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana.[64]

 

Mifamatotra tanteraka amin'ny hataka ny fisaorana. Moa misaotra ny Tompo isika rehefa mamaly antsika Izy? Ny fisaorana dia tokony ho lafiky ny vavaka ataontsika.[65] Eny, tokony handrafitra ny fiainantsika manontolo mihitsy aza. “Misaotra an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra”.[66] Toetra anaty io, fiainana mitondra mandrakariva ny mariky ny fankasitrahana an’Andriamanitra, sy ny fiderana vokatr’izany. Izany no niainan’ny Tompo Jesoa fony tonga olona tet an-tany Izy. Tamin’Andriamanitra no nandraisany ny zavatra rehetra, eny fa na ny teny naloaky ny vavany aza.[67] Tsy nisy fitsaharana ny fanandratany tamin’ny Rainy ny fanehoam-pitiavana sy ny fisaorana Azy.[68]

“Andriamanitry ny fahasoavana rehetra” Izy.[69] Mandray fahazavana hafa ny fiainantsika, raha manaiky io fanambaràn’ny tenin’Andriamanitra io. Teo amin’ny tranga izay tsy nisy dikany tamintsika teo aloha, no indro isehoan’ny asan’Andriamanitra sy ny fiheverany feno fitiavana ankehitriny. Mitondra ny voan’ny asa mahatalanjona ataon’Andriamanitra avokoa ny andro mifandimby, ary samy misarika antsika hitodika Aminy am-panetrentena sy am-pitiavana avokoa ireny.

Misaotra an’Andriamanitra rehefa mamaly antsika Izy, misaotra Azy noho ireo soa atolony. Na dia ao anatin’ny zava-tsarotra aza isika, na dia ao anatin’ny fijaliana aza, dia tokony hianatra hisaotra an’Andriamanitra noho ny fitiavany, izay tsapa ao anatin’ireo alina lalovantsika.

 

Ny fanelanelanana

 

Milaza mikasika ny hafa amin'Andriamanitra

 

Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra.[70]

 

Nantsoina hoe “ny fitiavana mandohalika” ny fanelanelanana, na fivavahana ho an’ny hafa. Ny fivavahana ho an’ny hafa no fomba mivantana iainana sy anamafisana ny fitiavantsika ny rahalahintsika[71]. Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izay kristiana mivavaka ho an’ny hafa. Manadino ny tenany izy, amin'izany, ary mihevitra ny hafa. Ady[72] mitaky fitozoana ny fitondrana am-bavaka ny hafa.

Ny fitondrana am-bavaka izay rahalahy nanota dia tsy midika velively ho fanamaivanana ny fahadisoana nataony, na fitserana azy. Tsy maintsy mitoetra ho mpankahala ny ratsy hatrany isika.[73] “Mihinana eo amin'ny fitoerana masina ny fanatitra noho ny ota”,[74] izany no atao hoe mivavaka ho an’ny hafa, izany hoe manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra satria nahatezitra Azy.

Izay mivavaka ho an’ny rahalahiny dia manao izany noho ny fitiavany azy. Manao izany izy satria fantany fa izy koa dia mba mitafy fahalemena.[75] Tsy zavatra atao am-piavonavonana akory io. Zanaky ny famindràmpo ny asa fanelanelanana, ary ohatra nomen’Ilay mpisoronabentsika tsy manam-paharoa, dia i Jesoa Kristy Ilay Zanak’Andriamanitra, izany.[76]

 

Ny fiaretan-tory, ny fahononantena sy ny fifadian-kanina

 

Mifehy tena mba ho azon’Andriamanitra ampiasaina malalaka kokoa

 

Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina.[77]

 

Misy ihany ny fepetra takiana rehefa hivavaka isika. Ilaina ny fananana tontolo tsy misy tabataba, na ao anaty izany na eny ivelany. Ilaina ny fitokanana ho irery tsy misy mpanelingelina.[78] Misarika ny saintsika hifantoka amin’Andriamanitra ny fifohazan’ny ao anatintsika ao, ny fiandrandrantsika an’Andriamanitra, ary ny fiankinana Aminy. Afaka ny hifantoka amin’Andriamanitra toy izany koa isika mandritra ny fiaretan-tory ataon’ny vatantsika et ivelany, mandritra ny fotoana tsy ahitan-tory, mandritra ny fotoana mampandamaka am-pandriana noho ny aretina, mandritra ny fotoana efa napetraka hanaovan-javatra kanefa tratran’ny sampona…

Aoka isika hahay hiato tanteraka rehefa mivavaka. Aoka isika hianatra hametra ny fandaharam-potoanantsika, mba hampifantohana ny saintsika manontolo amin’Andriamanitra.

Ny fahononantena dia miara-dalana amin'ny vavaka. Amin’ny fomba ahoana moa no hanehoantsika fa miankina amin’ny Tompo tokoa isika, raha toa ka be herehina loatra amin’ny fiahiana an’izao fiainana izao? Ilaina ny ananantsika fahononantena mandrakariva. Ilaina ihany koa indraindray ny fanokanana fotoana ifadian-kanina[79], raha toa izany ka mifandraika amina filàna ao anatintsika mba hiantorahan’ny fanahintsika manontolo amin’Andriamanitra[80].

Mahatonga ny tena hanome toerana kokoa “ny zavatra any ambony”[81] ny fifadian-kanina. Mety hahatsiaro tena ho mila fotoana ifadian-kanina ny kristiana, ao anatin’ny fotoana isedrany fakàmpanahy.[82] Manao izany izy mba hikatsahana fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra. Afaka manokana fotoana ifadian-kanina koa izy rehefa handray fanapahan-kevitra iray[83], na mba hanamorana ny vavaka ao anatin’ireo zava-tsarotra sasantsasany diaviny.[84]

 


 

4. Ny fanatanterahana ny vavaka

 

Ndeha àry hezahintsika jerena eto ny sasantsasany amin'ireo vato misakana ny vavaka, sy ireo vahaolana entina misoroka izany.

 

Manokana fotoana ivavahana

 

Zavatra sarotra ny mivavaka, indrindra moa fa ny hoe hanao izany mandrakariva. Tsy maintsy ekentsika tsara izany. “Tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!”[85] Arakaraka ny mampahavesatra ny vavaka no mahatonga antsika hanamaivana azy. Vokany, misy fihemorana ny fiainam-panahintsika. Mba hialantsika amin'izany àry, dia tsy maintsy mahatsapa isika fa Andriamanitra mihitsy no manome antsika ny hetaheta hivavaka.[86] Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vavaka.[87] Aoka horaisintsika izany fanomezana izany, aoka hoekentsika io hetaheta ny hivavaka io, ary aoka isika tsy hihevitra ny hanao zavatra hafa na inona na inona mandritra ny fotoana atokantsika ivavahana.

Aoka isika tsy hihevitra fa hahavita ny hivavaka, raha tsy miezaka ny hanao izany. Tsy vitan’ny fanapahan-kevitra fotsiny io fa tena fandaminantsika ny fiainantsika mihitsy mba hanokanana fotoana ivavahana, ary hanaovana izany ara-potoana. Izany no ohatra hitantsika tamin’i Daniela sy tamin’ireo apostoly, ary hamafisin’ireo fananarana miverimberina ao amin’ireo episitily. Mazava fa ao tokoa ireo sakantsakana, ireo adidy aman’andraikitra, ireo zavatra tokony hatao… Kanefa, aoka isika ho hentitra, omban’ny fanampian’ Andriamanitra, mba hihazona an’io fotoana natokana ivavahana io. Aoka isika hiandry an’Andriamanitra, fa Izy no handamina ireo olana isan-karazany. Amin’ny fotoana ahatsapantsika ny tenantsika ho malemy indrindra no mahatonga antsika hahery, satria mitoetra ao anatintsika ny herin'i Kristy.[88]

 

Mampitodika ny fontsika any amin’Andriamanitra

 

Rehefa mivavaka isika indraindray, dia tsapantsika ny fanatrehan’Andriamanitra, ka mitondra fiadanana sy mampahery ary mampifaly antsika izany. Fa indraindray kosa, zary lasa fahazarana fotsiny ihany koa ny vavaka ataontsika, vavaka mangatsiaka sy tsy misy aina. Toa lavitra antsika Andriamanitra. Zavatra efa nodiavin’ireo mpino ao amin’ny Testamenta Taloha koa izany. Tsy hoe nitsahatra tsy nivavaka intsony izy ireo rehefa tojo izany, fa nizara izany kosa tamin’ny Tompo.[89] Ary eo indrindra no fanafan’io olana io.

Aoka homarihina koa fa tsy azo refesina amin’ny fihetseham-po tsapantsika eo am-pamaranana ny vavaka tsy akory ny toetran’ilay vavaka. Ny fihetsika rehetra baikoin’ny fihetseham-po dia mampivaona ny vavaka tsy hanao an’Andriamanitra ho ivony, fa manao ny tenantsika kosa ho ivony. Tsy hoe ny hahatsapantsika tena ho metimety, aorian’ny vavaka atao, tsy akory, no tanjon’ny vavaka, fa ny mba hahalalantsika kokoa an’Andriamanitra, ny mba hitomboantsika amin’ny fahaiza-mamantatra ny sitrapony, ary ny mba hahaizantsika manaja Azy bebe kokoa. Raha ambara indraim-bava dia io no fiainana an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe fatahorana an’Andriamanitra.

 

Mandresy ireo fisalasalana sy ny tsy fahazoana antoka

 

Ny finoana an’Andriamanitra no lohalaharana ao anatin’ny vavaka.[90] Ka inona àry izany no hatao raha tojo fisalasalana? Misy fanavahana tokony hatao eto: karazany roa ny fisalasalana. Ny iray mampanalavitra amin’Andriamanitra, ary ny iray kosa mitarika hanatona Azy. Ao ny fisalasalana noho ny tsy finoana, ilay fisalasalana tsy mety mino,[91] mandà tsy hijery ny zavatra ilaina, ary tsy mety manatona an’i Jesoa. Ota tokony ibabohana sy ialàna izany. Ilay fisalasalana karazany faharoa kosa dia avy amin’ny fahalementsika. Tebiteby lalina anaty izy io, maharary, ary fahalemena manimba ny fanahintsika.[92] Mety ho re maharary na tsia ireo fikorontanan’ny finoana ireo, ary mety haharitra na hielina ihany. Tsy hitondra tebiteby anaty na fikorontanan-tsaina ho antsika intsony io karazam-pisalasalana faharoa io, raha fantatsika fa fizahan-toetra avelan’ny Raintsika, dia Ilay Rain’ny fanahy[93], hianjady amintsika izy ireny. Ho zary lasa fomba ahazoantsika miantoraka amin’Andriamanitra aza ireny. Toetra manokan’ny finoana izany.

 

Mitoetra mandrakariva ao amin’ny

fiankinana amin’ny Tompo

 

Sakana iray koa eo amin’ny fiainam-bavaka ny fironantsika ho amin’ny fahaleovantena. Hadinontsika mora foana ny mivavaka rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra. Manalavitra an’Andriamanitra isika, ary te hiaina amin’ny herintsika samirery. Rehefa tojo tsy fahombiazana isika vao midodododo miverina amin'ny Tompo. Mila Azy isika amin'ny zavatra rehetra.

Miara-dalana ny fahalemena sy ny finoana, araka ny fomba fiteny. Izay mahatsapa ny tenany ho tena malemy ihany no tena mahay mivavaka. Fantany fa tsy ho tafavoaka mihitsy izy raha amin’ny herin’ny tenany samirery, hany ka entiny eo amin’Andriamanitra isan’andro isan’andro ny filàny, na amin’ny sehatra inona izany na amin'ny sehatra inona. Manosika azy hivavaka ny fahatsapany tena ho marefo[94], mba handraisany ny vonjy avy amin’ny indrafon’ny Tompo.

Mety ho tena be herehina koa isika, ka tsy mahita fotoana intsony mba hiarahana amin’Andriamanitra. Tsy voatery hisy hatrany ny fivavahana ao an-tsaina na amin’ny teny, fa ny fanahin’ny vavaka kosa dia tokony ho eo mandrakariva.[95] Tian’ny Tompo hahatsapa lalandava ny fanatrehany isika. Tsy maintsy mitoetra ao amin'ny fitiavany antsika isika, raha te hahatozo mivavaka. Ny fitiavana izay naidin’ny Fanahy Masina ao am-pontsika mantsy no herin’ny fiainam-bavatsika.[96]

 

Mandinika sy misaintsaina ny tenin’Andriamanitra

 

Iray amin’ireo fanoitra lehibe nomena ny kristiana hikolokoloany ny fiainam-bavaka ananany, ny famakiana sy ny fisaintsainana ny Soratra Masina. Tsy azo sarahina, toy ny fifohana rivotra sy ny famoahan’ny avokavoka izany, ny famakiana ny Baiboly sy ny vavaka.[97] Zava-dehibe ny ihazonana an’io fifandanjana misy eo amin’ireo zavatra roa loha ireo io. Ho tonga maina sy tsy misy aina vetivety foana eo ireo izay fatra-pandalina ny Soratra Masina kanefa tsy mivavaka. Ho latsaka tsy ho ela amin’ny fanaovana hataka manjavozavo, tsy hita fototra, ary hanolo ny fisainan’Andriamanitra amin’ny fisainan’ny tenany kosa, ireo izay mivavaka kanefa tsy manokam-potoana amakiana ny tenin’Andriamanitra. “Fifampiresahana amin’Andriamanitra ny vavaka ataonao. Andriamanitra no miteny aminao rehefa mamaky ny Teny ianao, ary Andriamanitra kosa no iresahanao rehefa mivavaka ianao” (Md Augustin).

Ny hamantatra bebe kokoa ny Tompo no katsahintsika rehefa mivavaka sy mandinika ny Teniny isika. Manao izany isika mba hitombo hatrany amin’ny fanaovana an’izay ankasitrahina eo imasony, sy mba hitomboan’ny fitiavantsika Azy. Ny hoe mandinika ny Baiboly dia fanokanana fotoana mba isaintsainana ny teny ao amin’ny Soratra Masina, ny heviny, ny endrika samihafa isehoany, ary ny vokany eo amin'ny fiainantsika. Ny Fanahy Masina no mikasika ny fontsika rehefa mandinika ny Baiboly isika, ka manetsika antsika hanandratra fiderana, fisaorana, nefa koa fiaiken-keloka, fivavahana ho an’ny hafa… Milaza ireo fangatahana vokatry ny famakiana ny Soratra Masina ny vavaka ataontsika, ary mihamahery noho ireo teny fampanantenana avy amin’Andriamanitra.

Ny Soratra Masina dia mitatitra amintsika ny vavaka maro nataon’ireo lehilahy sy vehivavy nanana finoana. Misy boky iray manontolo ao aminy, izay saika tsy mirakitra afa-tsy vavaka fotsiny. Tsy inona io fa ny bokin’ny Salamo, izay antsoina hoe ivon’ny Baiboly. Mampahery antsika ny mamaky sy misaintsaina ireny vavaka voarakitra ao amin'ny Soratra Masina ireny. Ilaintsika mihitsy ny miverina amin’ilay vavaka modely nampianarin’ny Tompo Jesoa ny mpianany,[98] mba hifantoka amin’ny votoatin’io vavaka io koa ny vavaka ataontsika.

 

Manoa sy manao izay ankasitrahana

eo imason’ny Tompo Jesoa

 

Ampifandraisin’ny apostoly Jaona mazava tsara ny valim-bavaka sy ny fitandremana ny didin’ny Tompo.[99] Tsy hoe ny fananantsika fiainam-pankatoavana tsy akory no ianteherantsika mba hamaliana ny vavaka nasandratsika, fa ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany no andrandraintsika amin’izany. Saingy, tsy mamaly ny vavaka ataontsika kosa Andriamanitra, raha toa isika tsy mitady ny hanao izay ankasitrahina eo imasony na tsy mety manoa.[100]

Farany, ny fanoitra lehibe mba hahazoantsika valim-bavaka dia ny fitoerantsika ao amin'i Kristy[101] (ny fiombonana), ny fitoeran’ny Teniny ao anatintsika (fankatoavana), ary ny fivavahana amin'ny alalan’ny Fanahy Masina.

 


 

5. Ny ohatra nomen’i Kristy

 

Tianay ny hamelatra eo anoloan’ny tsirairay ny ohatra nomen’i Kristy, eto am-pamaranana. Namela ohatra mba hotahafintsika Izy[102]. Izy, izay tanteraka, no Ilay olom-bavaka. Noporofoiny tao anatin’ireo fampianarany sy teo amin’ny fiainany manontolo io anjara asa fototra fonosin’ny vavaka io. Nivavaka tamin’ny Rainy Izy, tamin’ny toerana rehetra sy tamin’ny fotoana rehetra,[103] ary nandany alina maro manontolo hivavahana.[104] Ny vavaka no porofon’ilay fahatokiany ny Rainy tsy azo hozongozonina, izay no mampiseho ilay fifamatorana aina misy eo Aminy sy ny Ray. Imbetsaka ny filazantsaran’i Lioka, izay manindry ny maha olona Azy, no maneho amintsika an’i Jesoa mivavaka.

 

Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesoa koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ianao no Zanako malalako, Ianao no sitrako.[105]

 

Mampifandray ny vavaka sy ny Fanahy Masina ireo andininy ireo. Omena an’ireo mpino rehetra izay maniry ny hanompo izany ohatra izany. Mivavaka mba hangataka amin’Andriamanitra ny fanampiany, ary mamela ny Fanahy Masina hiasa ao anatintsika.

 

Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin’ny aretiny. Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an’efitra ka nivavaka.[106]

 

Nitady ny fankasitrahan’ny Ray, fa tsy ny an’ireo vahoaka marobe, ny Tompo. Hahay hitandrina tsy hitady sitraka sy dera mety hahasolafaka azy ny mpanompon’ Andriamanitra mahatoky, na dia misongadina eo amin’ny fanompoana aza. Hivavaka amin-kafanampo izy mba ho tafatoetra mandrakariva ao amin’ny fanetrentena.

 

Ary tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesoa mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy. Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambinifolo lahy, izay nataony hoe Apostoly.[107]

 

Entina manambara ny fiombonana ny tendrombohitra, ao amin’ny Soratra Masina. Nahoana moa no tsindriana fatratra ny matoanteny hoe mivavaka, ao amin’io andininy io? Noho ilay fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy horaisiny ny ampitson’io, angaha: ny fifidianana an’ireo apostoly roa ambinifolo. Toy izany koa, mila miresaka amin’Andriamanitra ny kristiana, mialoha ny handraisana izay rehetra mety ho fanapahan-kevitra, mba ho Izy no hitari-dalana amin’izany. Toy inona ny  fahasamihafana misy eo amin’ny fanapahan-kevitra noraisina vokatry ny fisainantsika samirery, sy ny fanapahan-kevitra noraisina araka ny fitarihan’ny Tompo!

 

Ary raha nivavaka tao amin'ny mangingina Jesoa, sady teo aminy ny mpianany…[108]

 

Nivavaka ny Tompo mialoha ny hanontaniany ny mpianany. Tsy maintsy Andriamanitra mihitsy no miasa ao anatin’izy ireo vao afaka ny hahalala izy ireo hoe iza marina moa ity Jesoa ity, ka haneken’izy ireo ny zara fahoriana tsy maintsy hozakainy. Ny mitory ny Teny dia tokony hiaraka mandrakariva amin’ny vavaka ho an’ireo izay handre izany.

 

Ary rehefa tokony ho havaloana taorian’izany teny izany, dia nitondra an’i Petera sy i Jaona ary i Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.[109]

 

Eo am-pivavahana i Jesoa tamin’ilay fotoana hisehoan’ny voninahiny. Tsy nisy na inona na inona nahasarika Azy hiala tamin’ilay fiankinana sy fitokiana amin’ny Rainy. Tafiditra ao anatin’ilay voninahitry ny Tompo ny fanetrentenany, isika kosa anefa mora latsaka amin’ny fanandratan-tena.

 

Ary Jesoa nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka.[110]

 

Tombontsoa goavana tokoa izany hoe nandre ny Tompo Jesoa mivavaka! Ny hampianatra antsika hivavaka koa no faniriany. Ny fiainam-bavaka dia miantso fiainam-bavaka, manetsika an’ireo mpianany hanahaka Azy izany fihetsiky ny Tompo kanto loatra izany.

 

Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.[111]

 

Ao anatin’izany ady laroina fangorohoroana anaty izany no ampandeferan’ny Zanaka ny sitrapony masina manoloana ny sitrapo masin’ny Ray. Misongadina ny elanelana misy eo amin’ny toetsaintsika sy ny toetsain’ny Tompontsika! Miara-miasa hampamirapiratra ny voninahiny avokoa, dia famirapiratana tsy manam-paharoa, ny zavatra rehetra.

 

Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.[112]

 

Izany no teny voalohany raisintsika avy amin’i Jesoa voahombo teo amin’ny hazofijaliana. Vavaka izany. Tsy mba ny tenany no noheveriny, fa ny nivavaka ho an’ireo mamono Azy no nataony.

 

Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko.[113]

 

Rehefa avy niaritra ny fandaozan’Ilay Andriamaniny Izy, araka ny teny fahefatra naloaky ny vavany,[114] dia nanolotra tamim-piadanana ny fanahiny tamin’ny Rainy. Tenim-pahatokiana tanteraka no teny farany naloaky ny vavany, mialoha ny hahafatesany. Afaka mitoky tanteraka amin’Ilay Andriamanitsika sady Raintsika, tahaka Azy ihany koa, isika. Mitantana ny tsirairay amin’ireo zanany izay mandalo ny fahafatesana Izy.

 

Dia nanandratra ny tanany (Izy), ka nitsodrano azy. Ary raha mbola nitsodrano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.[115]

 

Sady nivavaka no nitso-drano an’ireo mpianany ny Tompo Jesoa raha niakatra tany an-danitra. Izy no mpisoronabentsika tsy manam-paharoa any an-danitra, ankehitriny. Mivavaka ho an’ireo rehetra mametraka Aminy ny tokiny Izy. Ary ny tena zava-dehibe indrindra angamba, ho an’ny fiainantsika am-bavaka, dia ny fahalalana fa mivavaka i Jesoa amin’izao fotoana izao, mivavaka ho anao sy mivavaka ho ahy.[116]

 


 

6. Fehiny: ireo fihevitra mikasika ny vavaka

 

Ny vavaka dia firesahana malalaka amin’Andriamanitra, toy ny firesahan’ny zanakalahy amin’ny rainy, ary fangovitana masin’ny “mety maty” eo anatrehan’Andriamanitra.

A. Monod

 

Tombondahiny lehibe tokoa ny vavaka. “Efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, nefa vovoka sy lavenona”,

hoy i Abrahama.[117]

 

Mora kokoa ny zavatra rehetra rehefa mivavaka,

hoy ny filazan’ity zaza anankiray

 

Anaka, aza hafohezina mihitsy ny fihaonanao amin’Andriamanitra, ny maraina mialoha ny hivoahanao ny trano,

hoy i Wilberforce tamin-janany

 

Tsy misy azo ampitahaina amin'ny hery mampiredareda ny fo hanandratra fiderana, raha te hanafaka azy amin’ireo fatopatotr’izao tontolo izao.

G. V. Wigram

 

Ny fivavahana ho an’ny hafa dia milaza fa akaiky kokoa an’Andriamanitra isika, mba hamantatra ireo filàn’ny Fiangonana.

J. N. Darby 

 

Aza miresaka ny amin’Andriamanitra mihitsy raha tsy efa niresaka tamin’Andriamanitra.

Coleridge


 

Misy asasoratra maro hafa koa manadihady ny lohahevitra izay hitanao tato. Manentana anao izahay hamaky azy ireto:

 

 

Tsy misy valiny ny vavako

 

 

Ny vavaka

 

 

Ireo karazam-bavaka

 

 

Ny fomba famalian’Andriamanitra ny vavaka

 

 

 

 

 



[1] Jona 1. 14

[2] Asa 9. 11

[3] Matio 6. 7

[4] Matio 6. 10

[5] Matio 26. 42

[6] Kolosiana 4. 12; 2 Tesaloniana 3. 1

[7] 2 Tesaloniana 3. 1; 2 Korintiana 11. 28

[8] Hebreo 4. 16; Salamo 27. 8. Tsy hoe fampifantohana ny saina mba hahita ny toetr’endrik’Andriamanitra tsy akory ny hoe “Mitady ny tavany”. Tsia, satria Andriamanitra dia Fanahy. Fanompoan-tsampy indray, raha izany no mitranga (Eksodosy 20. 3). Tsy fiandrandrana fahatsapana fihetseham-po mahagaga ihany koa, izay tsy hafa fa fikarohan-tena ihany. Tsy fanantenana fahitana na fisehoana toe-javatra ara-panahy ihany koa. Tsia! Ny hoe “Mitady ny tavany” dia fikatsahana amim-pinoana ny fanatrehan’Andriamanitra, fisaintsainana ny Tompo ary fiantorahana tanteraka aminy.

[9] Salamo 42. 2

[10] Filipiana 4. 7; 1 Samoela 1. 18; Salamo 34. 17

[11] 1 Petera 5. 7

[12] 1 Jaona 5. 14-15

[13] 2 Korintiana 12. 9

[14] Lioka 11. 2; Matio 11. 27; Jaona 17. 26

[15] Jaona 16. 23

[16] Joda 20

[17] 2 Korintiana 12. 8; Asa 7. 59

[18] Ohabolana 18. 24

[19] Isaia 63. 9

[20] Romana 8. 16

[21] Romana 8. 26

[22] 1 Korintiana 2. 12-13

[23] Hebreo 12. 28

[24] Apokalypsy 3. 17

[25] Jakoba 1. 17

[26] Matio 22. 37

[27] 1 Jaona 4. 19

[28] Jakoba 1. 6

[29] Jakoba 1. 8

[30] 1 Jaona 5. 15

[31] Marka 7. 6

[32] 1 Korintiana 14. 15

[33] Daniela 1. 17

[34] 1 Petera 5. 5

[35] Ohabolana 15. 8

[36] Salamo 27. 4

[37] Matio 6. 12

[38] Ohabolana 21. 13; Isaia 58. 9

[39] Jaona 14. 14

[40] Efesiana 6. 18; Joda 20

[41] Romana 8. 5; 2 Korintiana 13. 13

[42] Hebreo 13. 15

[43] Jaona 4. 23

[44] Salamo 71.8

[45] Asa 16. 25; Matio 11. 25

[46] Salamo 65. 1

[47] Matio 6. 6

[48] Mpitoriteny 5. 2

[49] 1 Jaona 1.9

[50] Ohabolana 28. 13

[51] 1 Jaona 1. 9. Tsy maintsy manatona miaiky heloka amin’izay olona noratraintsika koa isika, omban’ny fanonerana ny tsy nety natao, araka izay azo atao (Levitikosy 5. 5; Nomery 5. 7). Ny fiaikena heloka amin’ny rahalahy (Jakoba 5. 16) dia mety ho tena fanampiana tokoa hisorohana izay mety ho fahadisoana any aoriana.

[52] Salamo 32. 1

[53] 1 Petera 5. 6

[54] 2 Samoela 16. 12

[55] Filipiana 4. 6,7

[56] Salamo 140. 6; Daniela 9. 17,18

[57] Jaona 16. 24

[58] Jakoba 4. 4

[59] 1 Samoela 1. 16, Salamo 55. 2; Salamo 102

[60] Romana 8. 26

[61] Salamo 119. 131

[62] Jona 2. 3; Salamo 18. 6

[63] Salamo 22. 2; 40. 1

[64] Kolosiana 4. 2

[65] Kolosiana 2. 7; Daniela 6. 10

[66] Efesiana 5. 20

[67] Jaona 8. 28

[68] Jaona 11. 41; Marka 8. 6

[69] 1 Petera 5. 10

[70] 1 Timoty 2. 1

[71] 1 Jaona 5. 16

[72] Kolosiana 4. 12

[73] Romana 12. 9

[74] Levitikosy 10. 17

[75] Hebreo 5. 3

[76] Hebreo 5. 10; 8. 1

[77] Matio 6. 6

[78] Lioka 6. 12; Marka 1.35

[79] Asa 13. 2

[80] Loza mitatao amin’ny fifadian-kanina nefa ny mety hahalasa azy ho fireharehana na asa atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Mety ho tafaroboka amin’ilay antsoina hoe “fampahorian-tena” ihany koa isika, ka hamehy ny tena tsy hikasika an’izao na izatsy, kanefa manao izany ho haitraitra ihany (Kolosiana 2. 21-23).

[81] Kolosiana 3. 1

[82] Matio 4. 2

[83] Lioka 6. 12; Asa 13. 2

[84] Marka 9. 29

[85] Matio 26. 40

[86] Filipiana 1. 4; 2. 13

[87] Salamo 40. 3

[88] 2 Korintiana 12. 9

[89] Salamo 10. 1; 13. 1

[90] Hebreo 11. 6; Matio 21. 22; Jakoba 1. 6

[91] Jaona 5. 43

[92] Marka 9. 24

[93] Hebreo 12. 9

[94] Salamo 6. 2

[95] 1 Tesaloniana 5. 17

[96] Romana 5. 5

[97] Jakoba (Genesisy 31. 13; 32. 9); Mosesy (Eksodosy 33. 12-13; Nomery 7. 89); Davida (2 Samoela 7. 27); Daniela (Daniela 9. 2-3); Habakoka (Habakoka 3. 2); Ampitahao ihany koa ny Lioka 10. 38-42 sy ny Lioka 11. 1-13.

[98] Matio 6. 9-13

[99] 1 Jaona 3. 22

[100] Isaia 59. 1-2

[101] Jaona 15. 7

[102] 1 Petera 2. 21

[103] Matio 11. 25-27; Jaona 11. 41-42

[104] Matio 14. 23

[105] Lioka 3. 21-22

[106] Lioka 5. 15-16

[107] Lioka 6. 12-13

[108] Lioka 9. 18

[109] Lioka 9. 28

[110] Lioka 11. 1

[111] Lioka 22. 41-42

[112] Lioka 23. 33

[113] Lioka 23. 46

[114] Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao? (Matio 27. 46)

[115] Lioka 24. 50-51

[116] Hebreo 7. 24-26

[117] Genesisy 18. 27