Ny fetran’ny siansa

 

Vao tsy ela izay, tao amina gazety lehibe iray mpiseho isan’andro, tamina  lahatsoratra momba ny “Ny fivoaran’ny siansa”, dia nahitana izao fanambaràna manaraka izao :

 

« Tsy manan-kambara ny siansa manoloana ny zava-miafina momba ny fisian’ny aina, izay nanitikitika ny sain’ny olombelona hatrizay hatrizay. Avy aiza tokoa moa ny aina ? Fivoarana tsikelikely ara-tsimika ve, voajanahary sy tsy azo tohaina, izay nitambatambaran’ireo singa mamorona ny aina tsikelikely ? Sa asan’Andriamanitra ? Mbola tsy misy afaka manome valinteny siantifika amin’io fanontaniana io, ankehitriny »

 

Mandiso fanantenana tokoa ny fanambaràna toy izany : mamantatra ny zava-misy eny amin’ny habakabaka ny siansa ary mahita zava-mahavariana amin’ny lafiny rehetra mikasika ny tontolo…mitondra ny olona ho eny amin’ny volana ary mikaroka ny faritra mametra ny tontolo manodidina ny masoandro misy antsika…voavakiny ny ambaran’ireo tara-pahazavana tonga etỳ amintsika avy any amina toerana tsy hita noanoa any…afaka manova ireo lamin’ny selam-pananahana izy…manokatra ny masontsika hahita tontolo mahavariana amin’ny fifamahofahon’ny rafitra misy eo aminy sy ny hatsarany …nefa dia tsy manan-kavaly manoloana ny fanontaniana tsotra sy lojika apetraky ny zanak’olombelona hoe : Nahoana aho no eto an-tany ? Inona no tena fototra iavian’izao zavatra ary rehetra izao ?

 

Misy dikany ve ny fiainako ?

 

Tsy nangataka tamin’iza na iza ny ho tonga etỳ an-tany aho. Eto anefa aho ! Nahoana aho no teraka ? Iza moa aho ? Inona no anton’ny fiainako ? Misy iraka ampanaovina ahy ve ? Fametraky ny olona ary saina rehetra ireo fanontaniana ireo, ary misy lanjany tokoa, satria iray ihany ny fiainantsika, ary tsy afaka ny hamerina izany isika.

 

Samy mangetaheta zavatra azo antoka sy fahasambarana ny olombelona tsirairay : toheriny ny hevitra adala sy ny tsy misy. Ao anatin’ny olona ny fieritreretana ny mandrakizay : te ho velona izy, fa tsy ho faty. Tsapany manjavozavo ihany fa misy valin’izany any ho any, misy fanazavana tena marina, valiny azo ekena, nefa aiza no hahitana izany ?

 

Aiza no hahitana ny dikan’ny fiainana ?

 

Na dia taonjato 16 aza no nanoratana ny BAIBOLY, ary na dia maherin’ny 40 aza ireo nanoratra azy, dia tena mahavariana fa hevitra iray ihany no misongadina ao aminy. Mifameno sy mirindra tanteraka ireo fizaràna ao anatiny, hanambara amintsika drafitra lehibe tsy vitan’ny sain’olombelona. Ny Baiboly dia miseho amintsika ho fanambaràn’Andriamanitra ny tenany amin’ny olombelona, taratasy nalefany ho antsika, toy ny “torolàlana fampiasana” ny fiainantsika. Ireo rehetra izay nanaiky ny hafatra nampitainy dia manenina noho ny tsy nahalalàny izany talohaloha kokoa: be tokoa ireo fotoana lanilany foana nitadiavany tany an-kafa  izay hitany ao amin’ny Baiboly...

 

Miantomboka amin’izao fehezan-teny tsotra izao ny Baiboly: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”. Raha mikatsaka ny hamantatra izao tontolo izao ny siansa, ny Baiboly kosa dia manambara amintsika ilay Nahary izao tontolo izao. Manambara amintsika koa ny fiaviantsika sy ny làlana voasoritra ho antsika izy: ny lehilahy sy ny vehivavy dia nohariana  tahaka ny endrik’Andriamanitra, ary misy tanjona mazava ny amin’izany. Rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia hitantsika mazava ny lamina mahavariana napetrak’Ilay Andriamanitra Nahary ho antsika. Ry mpamaky, voary tsy manam-paharoa ianao eto an-tany, tsy misy olona mitovy tanteraka aminao; liana ny aminao manokana Andriamanitra, tia anao Andriamanitra, tiany ny hameno fifaliana vaovao tanteraka ny fiainanao, tiany ny hanome dikany marina ny fiainanao.

 

Hafatra tokana monja

 

Lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany maro no “tafahaona” tamin’ilay Mpahary azy ka tonga kristiana marina tokoa. Ho an’ireo rehetra mikaroka ny dikan’ny fiainany, mikatsaka “ny fahamarinana”, dia mamaly i Jesoa Kristy ankehitriny, toy ny taloha, hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alàlako” (Jaona 14:6). Iza no tsy hiraika manoloana ny fampianaran’ity lehilahy ity, izay voaporofo marina fa Zanak’Andriamanitra tonga tetỳ an-tany? Iza no tsy hanontany tena ny amin’ny fiainany feno fahafoizan-tena? Nampianatra fitsipi-pitondrantena avo lenta tokoa Izy; nitety tany nanao asa soa, ary avy eo dia nanolotra ny ainy an-tsitrapo.

 

Nilaina dia nilaina tokoa io fanomezany io, havoavonjy antsika; Izy no fanehoana fara tampony ny fitiavan’Andriamanitra. Ny manasaraka antsika amin’Andriamanitra mantsy, dia ilay rindrina naorintsika tamin’ny fahotantsika sy ny tsy fankatoavantsika, ka tsy maintsy narodana. Koa ilay hany Marina nandalo tetỳ an-tany, dia i Jesoa Kristy, no nanaiky hanefa ny sazy mendrika ny otantsika, nanaiky ny hokapohina, Izy izay marina ho antsika tsy marina, mba ho marina tanteraka Andriamanitra raha mandray antsika ankehitriny. Neken’Andriamanitra io sorona nataon’ny Zanany io: nanome porofo mazava ny amin’izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.

 

Fiainana voaova tanteraka

 

Noho ilay asa fanavotana nataon’i Jesoa Kristy, dia afaka mamitram-pihavanana amin’Andriamanitra indray ianao, ka hahafantatra ny dikan’ny fiainanao. Manasa anao Andriamanitra anio, manolo-tànana anao, te hitantana anao ka hanome anao fahasambarana. Tsy am-pihambahambana no nilazan’i Jesoa Kristy tamin’ireo izay nihaino Azy hoe:

 

“Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24).

 

Eny, ny fiainana miaraka amin’i Jesoa no tena fiainana marina tokoa!