Fanehotoky, fanantenana: voambolana mampitony ny fo amin’izao tontolo feno fahoriana izao. Voambolana mampitodika antsika amin’ny hoavy, izay irina ho tsaratsara kokoa noho izao ankehitriny izao. Nefa raha toa manjavozavo ny hoavy, dia tsy mahagaga raha vao mainka koa tsy voasoritra mazava ny dikan’ireo voambolana ireo. Eny, arakaraka ny zavona manarona ny hoavy no mahadiso ireo voambolana ireo. Amin’ny fitenintsika mahazatra, ny hoe manantena zavatra iray, dia midika fa raha ny marina, tsy azontsika antoka ny hisehoany. “Tsy maintsy miaina amin’ny fanantenana”, izany no tsoakevitra farany lazain’ireo olona izay tofoka amin’ny fiainana ka tsy manam-panantenana intsony.

 

Inona no antenaintsika?

 

Azo antoka fa ny hisian’ny rariny kokoa eo amin’ny fiaraha-monina, fandriampahalemana amin’ireo firenena isan-karazany, fivoarana amin’ny ady atao amin’ny herisetra, ny fandotoana ny tontolo iainana, ny aretina. Fanantenana tahaka izany no manosika ny olona hanao ny ankabeazan’ny asa malala-tànana sy fiantrana.

Samy manantena zavatra manokana hanatsara ny fahasalamany, ny fiainam-pianakaviany, ny anton’asany ny tsirairay. Ilaintsika ny miandry zavatra: fialam-boly, fisotroan-dronono, “andro mihiratra kokoa”..., “mampahatanjaka ny saina amam-panahy izany”, araka ny fitenenana. Dia tonga ny fahadisoam-panantenana: zavatra tsy nampoizina, kajy tsy nahomby, tsy fahombiazana, na ... fahafatesana izay manafoana tampoka ny lamin’asa efa voamboatra fatratra.

 

Tsy fahafaham-po

 

Ireny fanantenana rehetra ireny dia manaporofo ny tsy fisian’izay tadiavina, manantitra fa ny olombelona dia voary tsy mety ho afa-po mandrakizay. Ary ireny fahadisoam-panantenana rehetra ireny dia manaporofo fa tsy afaka ny hiantoka ny ampitsony izy, manantitra fa tsy afaka hahita vahaolana amin’ny zavatra rehetra manjo azy izy.

Samy mahatsapa daholo ny tsirairay fa fahadisoam-pahitana no hameno ny hoaviny, ary fahadisoam-panantenana no nanefy ny lasany, kanefa dia mbola mampiasa, ary mampiasa be fahatany aza, ireo voambolana sady majika no tsy misy ventiny ireo: fanehotoky, fanantenana.

Ny mpandinika ny saina dia hilaza aminao fa izany no fanoitra amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona, ary manosika ny olona hihetsika ny fanantenana; ampy ny mijery ny mifanohitra amin’izany, dia ny tsy fisiam-panantenana intsony, sy ny vokatra mazàna mahatsiravina aterany.

Tsy misalasala izahay mandiso izany hevitra mahazatra izany ka manantitra izao: tsara raha mitsahatra tsy mamita-tena intsony ny olona tsirairay, ary manary tanteraka izay fatokisan-diso nananany momba ny tenany sy ny olona toa azy ihany.

Satria amin’izay fotoana izay, dia vonona ny hanaiky izay tian’Andriamanitra homena ho solon’izany izy, dia:.

 

Ny fanantenana kristiana

 

Amin’ny fomba fiteny kristiana, ny fitenin’ny Baiboly, dia hafa mihitsy ny dikan’ny voambolana hoe fanantenana. Voalohany indrindra, satria Andriamanitra no mampiasa izany, ary Izy tsy afaka ny hamitaka antsika. Ny tenany mihitsy no manambara Azy ho “Andriamanitry ny fanantenana” (Romana 15:13).

Tsy misy sombina fisalasalana mihitsy ao amin’ny fanantenana kristiana. Izy ihany no azo antoka, satria miorina amin’ny fampanantenàn’Andriamanitra, ka noho izany, dia mifandraika amina hoavy izay efa fantatra. Izany no antsoin’ny Soratra Masina hoe fanantenana tanteraka.

Antenao tsara ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy (amin’ny fiverenany)” (1 Petera 1:13).

Ary koa, mifanohitra amin’ny fahadisoan-kevitra manintona ny fon’olombelona, ny fanantenana kristiana dia manambara fa izay manana izany dia afa-po aminy; nahita antom-piainana izy.

 

Ny fampanantenàny

 

Tsy misy azontsika atao afa-tsy ny mitanisa ny teny fampanantenàn’Andriamanitra sasantsasany iorenan’izany fanantenana kristiana izany:

Ny fiainana mandrakizay, izay azo amin’ny finoana an’i Jesoa Mpamonjy, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana hanonitra ny fahotantsika (Titosy 1:2).

Ny fiverenan’ny Tompo Jesoa mba haka ny Fiangonany, izay voarafitr’ireo rehetra azy tanteraka noho ny finoana, na inona na inona tontolo kristiana misy azy ireo (Filipiana 3:20).

Ny lova any an-danitra, hiarahan’ireo rehetra nino an’i Kristy misitraka aminy (1 Petera 1:4).

Ny voninahiny, hiarahany mizara amin’ny olony (Romana 5:2).

Fa ny tena lehibe indrindra amin’ny fanantenana kristiana dia ilay Olona mihitsy izay ifantohan’ireo fitahiana rehetra ireo, ilay antsoin’ny Baiboly hoe: “Kristy Jesoa fanantenàntsika” (1 Timoty 1:1).

 

Hahita Azy, hiaraka Aminy, no hahatanteraka ny zavatra rehetra nirin’ny olony.

 

Inona no vokatr’izany?

 

Ny fanantenàn’ny kristiana no mahatonga azy ho afaka miatrika ny zava-manahirana amin’ny fiainana, misaina ny momba ny fahafatesana sy ny manaraka azy, tsy halahelo toy ireo olona tsy manana fanantenana... Ny kristiana dia miandry “ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesoa Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra .. .” (Titosy 2:13-14).

 

Ary izao no vavaka ataony:

“Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty” (1 Petera 1:3-4).

 

Izany fanantenana izany, anananao ve?