JESOSY

NY FIAINANY, NY FAMPIANARANY

 

Boky 3 FANOMPOANA AMPAHIBEMASO NATAON'I JESOSY KRISTY

 

Ny Kristy Jesosy dia tonga teo anivon'ny Israely vahoakany, mba hametraka ny fanjakany, haneho an'Andriamanitra, "hitory fahazavana aminíny olona Israely sy aminíny jentilisa" (Asan'ny Apostoly 26. 23). Mba hanatanterahany izany, dia nanao asa fanompoana mifototra amin'ny fahasoavana, fahamarinana ary fitiavana Izy, "lehilahy nasehoníAndriamanitra ... taminíny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaoviníAndriamanitra Azy teo aminareo" (Asan'ny Apostoly 2. 22).

 

Ny fampianaran'ny Kristy Jesosy dia nanakiana ny fomba nampiharan'ny Jiosy (indrindra ireo mpitarika ara-pivavahana) ny fombafomba sy fady tamin'ny lalŗnan'i Mosesy. Nanjary nihatsaravelatsihy izy ireo, satria ny zavatra ivelany no nomeny lanja, fa tsy ny toe-po. Ny tanjon'ny asa fanompoan'i Jesosy dia ny hanekena Azy ho Ilay Kristy, ho Ilay Zanak'Andriamanitra nambara tao amin'ny Testamenta Taloha.†

 

Ny Kristy (na ny Mesia) dia tokony ho mpanjakan'ny Israely, nefa tsy te hampiasa hery toy ny mpitondra jadona Izy, mba hanekena Azy ; ny notadiaviny dia ny handraisan'ny vahoakany Azy an-tsitrapo, araka ny Tenin'Andriamanitra voasoratra (dia ny Testamenta Taloha, tamin'izany fotoana izany). Amin'ny maha Zanak'Andriamanitra Azy, dia Andriamanitra ihany koa Izy, "naseho teo aminíny nofo" (1 Timoty 3. 16), saingy tsy tiany nodradradradraina izany, satria ny fo tsirairay no tiany ho voakasika. Tokony ho namonjy ny mpanota ihany koa Izy, satria mpanota avokoa ny olona rehetra, toy ny amin'izao fotoana izao.†

 

Fa Jesosy, raha "nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azoníny heriníny devoly" (Asan'ny Apostoly 10. 38), dia nifanehatra ihany koa tamina fanoherana, fankahalana ary fifandirana, tamin'ny manampahefana jiosy indrindra indrindra, nefa koa tamin'ny ampahan'ny vahoaka jiosy izay nihevitra Azy ho olona tsotra fotsiny, dia ilay zanak'i Josefa. Koa nandritra ny fiainany teto an-tany izany dia tsy nisy nahatakatra ny Kristy Jesosy, ary ny lalany dia feno fandrika sy fijaliana, araka ny efa nambara mialoha tao amin'ny Teny, tamin'ny kisarisary hoe : "Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy (ny Kristy)" (Salamo126. 6).†

 

 

 

TANJON'NY ASA FANOMPOAN'NY KRISTY :

HAMPISEHO AMIN'NY JIOSY, AMIN'NY FIAINANY SY NY TENINY, FA IZY, JESOSY, NO ILAY KRISTY, ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA ; HAMONJY NY MPANOTA ; HAMETRAKA NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA ETO AN-TANY

 

n  Nony nampidirina am-ponja i Jaona Mpanao batisa, vao tena nanomboka ny asa fanompoan'i Jesosy.

 

Marka 1. 14-15

14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaraníAndriamanitra

15 ka nanao hoe : Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakaníAndriamanitra ; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.

 

n  Tany Kana any Galilia i Jesosy, ary nanasitrana, na dia tsy nanatri-maso aza, ny zanakalahin'ny tandapa iray, zanaka efa teo am-bavahoanan'ny fahafatesana.

 

Jaona 4. 43-54

43 Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.

44 Fa ny tenaníi Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo aminíny taniny.

45 Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema taminíny andro firavoravoana ; fa izy ireo koa mba niakatra taminíny andro firavoravoana.

46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany aminíilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.

47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.

48 Dia hoy Jesosy taminy : Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.

49 Hoy ilay tandapa taminy : Tompoko, midžna re, dieny tsy mbola maty ny zanako.

50 Hoy Jesosy taminy : Andeha mody ; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazainíi Jesosy taminy, ka dia lasa nody.

51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.

52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy : Omaly taminíny ora fahafito no nialaníny tazo taminy.

53 Koa fantatry ny rainy fa taminíizay indrindra no ora nanaovaníi Jesosy taminy hoe : Velona ny zanakao. Dia nino izy mbaminíny ankohonany rehetra.

54 Izany no famantarana faharoa nataoníi Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.

 

Tsara hotadidiana :

Raha nanasitrana ny zanak'ilay tandapa Jesosy, dia nampiseho fa manana ny aina ao anatiny Izy, ary noho izany, manana ny fahefana rehetra handresena ny fahafatesana. Manoloana io fanasitranana mahagaga io, dia tokony ho nino ny vahoaka fa Izy, Jesosy, no Kristy. Indrisy fa ny tsy finoan'ny Galileana dia nahatonga an'i Jesosy hanakiana azy ireo hoe : "Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy !"

Ho antsika ankehitriny, tsy hita maso ara-batana eto an-tany intsony Kristy, nefa misy fitahiana manokana ny finoana izay rehetra lazaina momba Azy ao amin'ny Baiboly, araka ny nambaran'Izy Tompo mihitsy hoe : "Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino" (Jaona 20. 29).

 

FIFANDIRANA TEO AMIN'I JESOSY SY NY MPITONDRA FIVAVAHANA JIOSY MOMBA NY SABATA

 

n  Tany Jerosalema, teo akaikin'ny farihy antsoina hoe Betesda (karazana dobo filomanosana), Jesosy dia nanasitrana lehilahy malemy iray, tamin'ny andro Sabata. Nampangain'ny Jiosy ho nandika ny Lalŗna Izy, ka nanomboka teo dia notadiaviny hovonoina.

 

Jaona 5. 1-16

1 Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoaníny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.

2 Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikiníny vavahadiníondry, izay atao aminíny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.

3 Tao no nandrianíny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny maty ila.

4 Fa nisy anjely nidina tany amin'ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano ; koa izay niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona no aretina nanjo azy.

5 Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telopolo taona.

6 Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy : Te ho sitrana va ianao ?

7 Ilay marary namaly Azy hoe : Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto aminíny farihy ; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.

8 Hoy Jesosy taminy : Mitsangŗna, ento ny fandrianao, ka mandehana.

9 Ary niaraka taminíizay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.

10 Dia hoy ny Jiosy taminíilay efa sitrana : Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao.

11 Fa ralehilahy namaly azy hoe : Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe : Ento ny fandrianao, ka mandehana.

12 Ary ireo nanontany azy hoe : Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe : Ento ny fandrianao, ka mandehana ?

13 Fa ilay sitrana tsy nahalala Azy ; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.

14 Rehefa afaka izany, dia hitaníi Jesosy teo an-kianjaníny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy : Indro, efa sitrana ianao ; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.

15 Dia lasa ralehilahy ka nanambara taminíny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.

16 Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika aníi Jesosy, satria nanao izany zavatra izany taminíny Sabata Izy.

 

Tsara hotadidiana :

Ny Sabata no andro farany amin'ny herinandro (izany hoe ny asabotsy). Midika hoe "fitsaharana" izany. Tamin'io andro io dia tsy niasa ny Israelita, ho fahatsiarovana ny nitsaharan'Andriamanitra rehefa avy nanao ny lanitra sy ny tany. Izao no voasoratra ao amin'ny Didy folo : "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabataníi Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito ; koa aza manao raharaha akory ianao aminíizany, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovaníi Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbaminíizay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy taminíny andro fahafito ; izany no nitahianíi Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy (izany hoe natokany)" (Eksodosy20. 8-11).

 

Nefa dia andro Sabata indrindra no nanaovan'i Jesosy asa : nanasitrana lehilahy nalemy efa ho 38 taona Izy, tamin'ny teny indraim-bava fotsiny ! Io "asam-pahasoavana" tamin'ilay lehilahy mahantra io dia nampirehitra ny hatezeran'ireo mpitondra fivavahana jiosy, izay nitady ny hamonoana Azy nanomboka teo, "satria nanao izany zavatra izany taminíny Sabata Izy".

Nefa raha dinihina akaikikaiky kokoa, dia tsy nandika ny lalŗna momba ny Sabata Jesosy, satria ny Lalŗna dia tsy nanakana velively ny hanaovan-tsoa tamin'io andro io !

Ary Jesosy koa dia nisafidy ny hanao fahagagana tamin'ny andro Sabata, mba hampisehoany fa ny ota dia manakana tsy hisian'ny tena fitsaharana eto an-tany, hany ka Andriamanitra mihitsy, Izay nandidy ny hitandremana ny fitsaharan'ny Sabata, no voatery miasa hamonjy ny olona.

 

Fanamarihana

Ho antsika ankehitriny, dia tsy lalŗna intsony ny manaja ny Sabata, satria tsy eo ambany Lalŗna isika ; nefa hitantsika ao amin'ny Testamenta Vaovao (ao amin'ny Asan'ny Apostoly 20. 7) fa Andriamanitra dia nanendry andro iray, ny andro voalohany amin'ny herinandro, ny Alahady, andro nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty† óandron'ny Tompo Jesosyó †mba hanokanana io andro io ho Azy sy mba hivorian'ny kristiana manodidina ny Tompo, hahatsiarovana Azy sy hitsaohany an'AndriamanitraÖ " Ary taminíny andro voalohany aminíny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitoriteny taminy, fa nikasa handeha maraina izy ; dia naharitra nitoriteny mandra-pahamamatonalina izyÖ" (Asan'ny Apostoly 20. 7).

 

FIFANDIRANA TEO AMIN'I JESOSY SY NY MPITONDRA FIVAVAHANA JIOSY, SATRIA JESOSY NILAZA TENY MIDIKA HOE MITOVY AMIN'ANDRIAMANITRA IZY

 

n  Tamin'ny nanasitranan'i Jesosy ilay lehilahy malemy, dia nilaza Izy fa Andriamanitra no Rainy, ary ambarany amin'izany fa mitovy amin'Andriamanitra Izy. Izany dia mbola antony hafa indray koa itadiavan'ny mpitondra fivavahana hamonoana Azy.

 

Jaona 5. 17-20

17 Fa Jesosy namaly azy hoe : Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.

18 Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny aminíny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy aminíAndriamanitra Izy.

19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataoníny Ray ; fa na inona na inona no ataoníny Ray dia toy izany koa no ataoníny Zanaka.

20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataoníny tenany ; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo.

 

n  Satria mitovy amin'Andriamanitra Izy, dia mihoatra noho ny fanasitranana no ataon'i Jesosy : mamelona ny maty Izy, manome malalaka ny fiainana mandrakizay.

Jaona 5. 21

21 Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no amelomaníny Zanaka izay tiany.

 

n  Satria Kristy no hitsara ny velona sy ny maty, dia tsy tokony hangataka andro ny olona rehetra, fa hanaja Azy. Ireo izay mino fa Jesosy no Ilay Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra, dia manana ny fiainana mandrakizay ao anatiny, ka manaja Azy amin'ny fony manontolo. Fa ireo izay tsy mino kosa, dia ho avy ny andro hahatonga azy ireo ho voatery hiankohoka eo anoloan'i Jesosy.

 

Jaona 5. 22-23

22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,

23 mba hanajaníny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.

 

n  Nanomboka tamin'ny nahatongavan'ny Kristy teto an-tany ka mandraka ankehitriny, ireo izay mandre ny feon'ny Zanak'Andriamanitra ka mandray Azy ao am-po dia manana ny fiainana mandrakizay.

 

Jaona 5. 24-27

24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala taminíny fahafatesana ho aminíny fiainana izy.

25 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesaníny maty ny feoníny ZanakíAndriamanitra ; ary izay mandre dia ho velona.

26 Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy ;

27 ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanakíolona.

 

 

Tsara hotadidiana :

Jesosy dia manana ny ain'Andriamanitra ao anatiny, aina omeny izay rehetra mino fa Izy, Jesosy, no Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra. Izay mandray izany ain'Andriamanitra izany, ny fiainana mandrakizay, dia ho any an-danitra. Tsy hiseho mba hotsaraina eo imason'Andriamanitra izy :

-         na amin'ny andro hitsarana ny velona eto an-tany, rehefa handray ny fanjakany arivo taona ny Kristy ;

-         na amin'ny andro fitsarana farany, rehefa homelohina ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay, dia ny helo, izay rehetra miseho eo.

 

Fanamarihana

Marina fa tsy hiseho eo anatrehan'Andriamanitra mba hotsaraina ny kristiana† ófitsarana ny velona eto an-tany (Matio 25. 31-46), fitsarana farany (Apokalypsy 20. 11-15). Nefa hiseho eo amin'ny tribonalin'i Kristy izy, araka ny voasoratra ao amin'ny 2 Korintiana 5. 10 hoe : "Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo aminíny fitsaraníi Kristy, mba handraisaníny olona rehetra izay zavatra nataoníny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy". Io tribonaly io dia tsy natao hitsarana ny mpino, fa hampisehoana ny asany. Kristy Tompo no hitsara ny fandehantsika ka hamaritra ny valisoa.

 

AMBARAN'I JESOSY FA NY MATY REHETRA DIA HITSANGANA, SAINGY AMINA FOTOANA SAMY HAFA

n  Ambaran'i Jesosy fa hisy karazany roa ny fitsanganan'ny maty :

Ė fitsanganana ho fiainana, ho an'ireo izay nino fa Jesosy no Ilay Kristy, Ilay Mpamonjy †ótsy hisy homelohina izy ireo ;

Ė fitsanganana ho fahamelohana, ho an'ireo izay nandŗ tsy hino †óizy rehetra ireo dia homelohina.

 

Jaona 5. 28-29

28 Aza gaga aminíizany ; fa avy ny andro izay handrenesaníny olona rehetra any am-pasana ny feony ;

29 dia hivoaka izy : izay nanao tsara dia ho any aminíny fitsanganana ho fiainana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any aminíny fitsanganana ho fahamelohana.

 

AMBARAN'I JESOSY FA TSY NY SITRAPONY NO ATAONY, FA NY AN'ANDRIAMANITRA RAINY

Jaona 5. 30

30 Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona ; araka izay reko no itsarako ; ary marina ny fitsarako ; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitraponíIzay naniraka Ahy.

 

Fanamarihana

Io andininy faha-30 io, toy ny andininy faha-19 ihany koa, dia ampiasain'ny sekta sasany hilazana fa Jesosy dia tsy Andriamanitra. Raha ny marina anefa, dia mampiseho fotsiny ihany ny tena maha Olona lavorary Azy izany ; Jesosy dia Andriamanitra, "Andriamanitra Ö naseho teo aminíny nofo" (1 Timoty 3. 16), "Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay" (1 Jaona 5. 20).

 

FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA EFATRA MILAZA FA JESOSY TOKOA NO ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA, ILAY KRISTY EFA NAMBARA MIALOHA TAO AMIN'NY TESTAMENTA TALOHA

 

Na dia teo aza ny fahagagana nataon'i Jesosy sy ny teniny, dia tsy nino ny Jiosy fa Izy, Jesosy, no Ilay Kristy efa nambara mialoha tao amin'ny Testamenta Taloha. Ny namalian'i Jesosy ny tsy finoan'izy ireo dia fitanisana fijoroana ho vavolombelona efatra mahakasika Azy :

-         ny an'i Jaona Mpanao batisa ;

-         ireo asa nataony ;

-         ny an'ny Ray, Izay nilaza fa Izy no Zanaka malalany, tamin'ny nanaovana batisa Azy tao amin'ny ranon'i Jordana ;

-         farany, ny an'ny Soratra Masina.

 

n  Jaona Mpanao batisa, izay noraisin'ny vahoaka Jiosy ho mpaminany, dia nijoro ho vavolombelona fa Jesosy no Ilay Kristy.

 

Jaona 5. 31-35

31 Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako.

32 Misy Anankiray Izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.

33 Ianareo naniraka tany aminíi Jaona, ary nanambara ny marina izy.

34 Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy aminíolona ; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo.

35 Izy dia jiro nirehitra ka nazava ; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety taminíny fahazavany.

 

n  Ireo asan'i Jesosy (ny fampianarany, ny fahagagana nataony, ny fiainany lavoraryÖ) dia nanaporofo† fa Izy, Jesosy, no Ilay Zanak'Andriamanitra tonga amin'ny anaran'ny Ray.

 

Jaona 5. 36

36 Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona ; fa ny asa nomeníny Ray Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahiníny Ray.

 

n  Andriamanitra Izy tenany mihitsy no nanambara fa Jesosy no Zanany, raha niteny tamin'ny feo mahery Izy, nandritra ny batisan'i Jesosy, hoe : "Ianao no Zanako malalako" (Lioka 3. 22).

 

Jaona 5. 37-38

37 Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny,

38 ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.

 

n  Ny Jiosy dia nanana ny Soratra Masina (ny Testamenta Taloha) ; ary ireo no manambara fa Jesosy, Ilay Lehilahy hitan'izy ireo maso, dia tena Ilay Kristy.

 

Jaona 5. 39-40

39 Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.

40 Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.

 

 

VOKATRY NY FANDAVANA FA JESOSY NO KRISTY, ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA

 

n  Na teo aza ireo fijoroana ho vavolombelona ireo, ny Jiosy dia tsy nandray an'i Jesosy ho Ilay Kristy, na ho Ilay Zanak'Andriamanitra tonga amin'ny anaran'ny Ray. Nefa kosa, ho vonona izy ireo handray ny irak'i Satana, ilay Antikristy, rehefa ho tonga amin'ny anarany izy io ary hiseho ho Kristy eo anatrehan'izy ireo.

 

Jaona 5. 41-43

41 Tsy mandray laza avy aminíolona Aho.

42 Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana aníAndriamanitra ao am-ponareo.

43 Izaho dia avy aminíny anaraníny Raiko, nefa tsy raisinareo ; raha misy hafa avy aminíny anaraníny tenany, dia horaisinareo ihany izy.

 

NY NANAKANA NY JIOSY TSY HINO FA JESOSY NO ILAY KRISTY, ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA

 

n  Hazavain'i Jesosy fa ny mahatonga ny Jiosy tsy hino dia satria izy ireo mitady ny voninahitra avy amin'ny olona sy ny fankasitrahany, fa tsy ny avy amin'Andriamanitra.

Jaona 5. 44

44 Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy aminíny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo ?

 

n  Ny Baiboly, ny Tenin'Andriamanitra voasoratra, no hanameloka, indray andro any, ireo izay tsy mino fa Jesosy no Ilay Kristy.

 

Jaona 5. 45-47

45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo aminíny Ray ; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo.

46 Fa raha mba nino aníi Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.

47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko ?

 

Fanamarihana

Mosesy (izany hoe, raha ny tena izy, ireo boky dimin'i Mosesy : Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, Deoteronomia) dia manao safeli-teny manambara an'i Kristy, amina† tsongan-dahatsoratra maro ao amin'ny Testamenta Taloha. Ohatra :

-         Genesisy 3.15 : ny teny fampanantenana hoe ny taranaky ny vehivavy dia hanorotoro ny lohan'ny menarana, manambara ny Kristy, Izay ho tarana-behivavy, ary handresy an'i Satana eo amin'ny hazofijaliana ;

-         Genesisy 6 : ny sambofiaran'i Noa, manambara ny Kristy Izay hiaro ny rehetra mino tsy hiharan'ny fitsarana, satria hampiakariny ;

-         Genesisy 22 : Isaka tokony natao sorona, nosoloina ondrilahy, manambara ny Kristy Izay ho faty hisolo toerana antsika ;

-         Genesisy 28. 10 : ny tohatr'i Jakoba, manambara ny Kristy, Ilay lalana mankany amin'Andriamanitra ; koa hoy ny Kristy Jesosy : "Izaho no lŗlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany aminíny Ray, afa-tsy aminíny alalako" (Jaona 14. 6) ;

-         Eksodosy 12 : ny zanak'ondrin'ny Paska, manambara ny Kristy ho Ilay "ZanakíondriníAndriamanitra, Izay manaisotra ny fahotaníizao tontolo izao" (Jaona 1. 29) ;

-         Eksodosy 16. 9 : ny mana, manambara ny Kristy, Izay ho mofon'aina, "ny tena mofo avy any an-danitra ... ka manome fiainana ho aníizao tontolo izao" (Jaona 6. 32, 33) ;

-         Eksodosy 21 : ilay mpanompo notevehina sofina, manambara ny Kristy Izay hanompo an'Andriamanitra ho mandrakizay ;

-         Eksodosy 25 : ny tabernakely manambara ny Kristy Izay hasandratra any an-danitra, Kristy any an-danitra, Mpisoronabe, miasa ao amin'ny "tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tŗnana, izany hoe, tsy isaníizao zavatra ary izao" (Hebreo 9. 11) ;

-         Eksodosy 25. 31 : ny fitoeran-jiro manambara ny Kristy Izay ho "fahazavaníizao tontolo izao" (Jaona 8. 12) ;

-         Nomery 21 : ilay menarana varahina manambara ny Kristy Izay hasandratra eo amin'ny hazofijaliana, mba hitondra amin'ny tenany ny fanamelohana sahaza ny fahotantsika ;

-         Deoteronomia 18. 15, izay hahitana hoe : "Mpaminany avy eo aminao, dia avy aminíny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsanganíi Jehovah Andriamanitrao ho anao ; izy no hohenoinareo" ; milaza tokoa izany fa Kristy no ho io Mpaminany io, JESOSY, IZAY TOKONY HOHENOIN'NY OLONA REHETRA.

 

AMBARAN'I JESOSY AMPAHIBEMASO FA IZY NO ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA, ILAY KRISTY EFA NAMBARA TAO AMIN'NY TESTAMENTA TALOHA

 

n  Nandritra ny toriteniny voalohany tao amin'ny synagoga tao Nazareta, tanŗna niaviany, dia nambaran'i Jesosy mazava hoe Iza moa Izy : Ilay Kristy, resahin'ny Soratra Masina. Nolavina Izy ary noroahina hivoaka ny tanŗna mba hovonoina.

 

N.B. : Ny synagoga dia toerana iray nivorian'ny Jiosy, isaky ny tanŗna, indrindra ny andro Sabata, mba hamakiana ny Testamenta Taloha.

 

Lioka 4. 14-30

14 Ary Jesosy niverina taminíny heriníny Fanahy nankany Galilia ; dia niely taminíny tany rehetra manodidina ny lazany.

15 Ary Izy nampianatra teny aminíny synagoganíny olona ka nankalazainíizy rehetra.

16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy ; ary araka ny fanaony dia niditra tao aminíny synagoga taminíny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.

17 Dia natolotra Azy ny bokiníIsaia mpaminany ; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe :

18 ďNy Fanahiníi Jehovah no ato amiko,

Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly aminíny malahelo Izy ;

Naniraka Ahy hitory fandefasana aminíny mpifatotra Izy,

Sy fampahiratana aminíny jamba,

Hanafaka izay nampahorina,

19 Hitory ny taona ankasitrahiníi JehovahĒ (Isa. 61. 1, 2).

20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny taminíny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny masoníizay rehetra teo aminíny synagoga.

21 Ary Jesosy niteny taminy hoe : Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.

22 Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny teniníny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy : Tsy Zanakíi Josefa va Ity ?

23 Ary hoy kosa Jesosy taminy : Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe : ĎMpanao fanafody, sitrano ny tenanaoí : izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto aminíny taninao koa.

24 Ary hoy koa Izy : Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy misy mpaminany izay ankasitrahina ao aminíny taniny.

25 Fa lazaiko aminareo marina tokoa : Maro no mpitondratena teo aminíny Israely taminíny androníi Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy taminíny tany rehetra ;

26 nefa tsy mba nirahina ho any aminíny anankiray taminíireo Elia, fa ho any Zarefata any aminíny tany Sidona ihany, dia ho any aminíizay vehivavy mpitondratena.

27 Ary maro no boka teo aminíny Israely taminíny androníi Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza, fa Namŗna Syriana ihany.

28 Dia tezitra loatra izay rehetra teo aminíny synagoga, raha nandre izany,

29 ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanŗna ary nitondra Azy ho any an-tamponíny havoana niorenaníny tanŗna, mba hazerany aminíny hantsana.

30 Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.

 

Fanamarihana

Ao amin'io tantara io dia noroahina avy tao amin'ny tanŗnan'i Nazareta Jesosy, ary saika novonoina Izy, satria nitory teny fahasoavana ; ny fahasoavana anefa dia manolotra famonjena avy amin'Andriamanitra irery ihany (tsy misy voninahitra ho an'ny olombelona), fa ny famonjena noho ny asa vita kosa, izay tadiavin'ny fivavahana rehetra, dia manome karazam-boninahitra ho an'ilay olona nanao asa.

 

n  Nailika sy noroahina avy tao Nazareta Jesosy, Ilay Kristy, ka nanorim-ponenana tao Kapernaomy (any Galilia, taniníny jentilisa), tao amin'ireo tsy noheverina ho Jiosy zato isan-jato, ary tsy nahalala an'Andriamanitra †ósatria lavitra an'i Jerosalema, ilay ivon-toeram-pivavahanaó †ka tao anaty haizina ara-toe-panahy. Tany Jesosy no niantso ho amin'ny fibebahana, mba hahafahana mametraka ny fanjakana.

 

Matio 4. 13-17

13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao aminíny zarataniníny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,

14 mba hahatanteraka izay nampilazaina aníIsaia mpaminany hoe :

15 ďNy taniníny Zebolona sy ny taniníny Naftaly,

Ao aminíny tany amoron-dranomasina, any an-dafiníi Jordana,

Galilia, taniníny jentilisa,

16 Ny olona izay nitoetra tao aminíny maizina dia nahita mazava lehibe ;

Ary izay nitoetra tao aminíny tany aloky ny fahafatesana no niposahaníny fahazavanaĒ (Isa. 8. 23 ; 9. 1).

17 Ary taminíizany andro izany dia nanomboka nitoriteny Jesosy ka nanao hoe : Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakaníny lanitra.

 

n  Nampianatra tao amin'ny synagoga tao Kapernaomy Jesosy, ary nanasitrana lehilahy nitoerana fanahy maloto. Nasehony tamin'izany fa Izy no Kristy, Ilay manana fahefana sy hery handroaka ny fanahy maloto mampitahotra ny olona, mampijaly, manandevo sy mamotika azy ireo.

 

Lioka 4. 31-37

31 Ary nidina tany Kapernaomy, tanŗna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona taminíny Sabata.

32 Dia talanjona ny olona taminíny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.

33 Ary nisy olona tao aminíny synagoga, izay nanana ny fanahiníny demonia maloto, dia niantso taminíny feo mahery izy

34 ka nanao hoe : Indrisy ! moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesosy avy any Nazareta ? avy handringana anay va Ianao ? Fantatro fa Ilay MasiníAndriamanitra Ianao.

35 Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe : Mangžna ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoaníny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.

36 Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe : Manao ahoana izao teny izao ! fa aminíny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.

37 Ary niely teny aminíny tany manodidina rehetra ny lazany.

 

Fanamarihana

Teny iray ihany no nolazain'i Jesosy mba handroahany ilay demonia ; tsy mila manao fombafomba saro-takarina hamoahana demonia Izy.

 

n  Ny jono mahagaga tao aminíny Farihiníi Genesareta, izay nampisongadina ny fahefan'i Kristy, Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany, dia nahatonga an'i Petera ho resy lahatra tanteraka fa mpanota izy ary nahatonga azy hanaiky fa Jesosy dia Andriamanitra.

 

Lioka 5. 1-10

1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny teniníAndriamanitra, dia nijanona teo amoroníny Farihiníi Genesareta Jesosy ;

2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisiníny farihy Izy ; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.

3 Ary niditra teo aminíny sambokely anankiray izay aníi Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely aminíny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.

4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy taminíi Simona : Mandrosoa ho any aminíny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.

5 Fa Simona namaly ka nanao hoe : Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona ; kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.

6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.

7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo aminíny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.

8 Ary rehefa hitaníi Simona Petera izany, dia niankohoka taminíny tongotríi Jesosy izy ka nanao hoe : Tompoko, mialŗ amiko, fa olo-meloka aho.

9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny habeníny hazandrano izay azony.

10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanakíi Zebedio, izay niombon-draharaha taminíi Simona.

 

n  Nambaran'i Jesosy tamin'i Petera ny asa hanirahany azy : hitarika olona hahafantatra Azy Jesosy, ho Ilay Kristy. Dia nandao ny zavatra rehetra i Petera, Jakoba ary Jaona.

Lioka 5. 10-11

Dia hoy Jesosy taminíi Simona : Aza matahotra ; hatraminíizao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.

11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka aníi Jesosy.

 

n  Jesosy dia manana hery sy fahefana amin'ny aretina : nositraniny ny rafozambavin'i Petera.

Marka 1. 29-31

29 Ary niaraka taminíizay, raha nivoaka avy tao aminíny synagoga izy, dia niditra tao an-tranoníi Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.

30 Ary ny rafozambaviníi Simona nandry teo nanaviníny tazo ; ary niaraka taminíizay dia nilaza azy taminy izy ireo.

31 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tŗnany ary nanarina azy ; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.

 

n  Nanasitrana marary maro Jesosy ary namoaka demonia.

Marka 1. 33-34

33 Ary ny tao an-tanŗna rehetra dia tafangona teo anoloaníny varavarana avokoa.

34 Ary nahasitrana olona maro izay narariníny aretina samihafa Izy sady namoaka demonia maro ; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.

 

Tsara hotadidiana :

Ny demonia (na fanahy ratsy) dia anjely nanaraka an'i Satana raha nikomy tamin'Andriamanitra izy, ary manosika ny olona hanao ratsy izy ireo ; indraindray izy dia mandrombaka ny fanahy sy ny vatan'ireo olona izay manjary antsoina hoe "demoniaka". Taorianan'ny nandroahan'i Jesosy ireo demonia, dia tsy navelany hiteny intsony izy ireo, satria tsy tiany ho izy ireo no hanambara Azy. Mampianatra antsika izany fa ny mpino dia tsy tokony hanan-draharaha amin'ny tontolon'ny fanahy baikoin'i Satana.

Lioka 4. 40-41

40 Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary taminíny aretina samihafa dia nitondra azy teo aminy ; ary dia nametra-tŗnana taminíizy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.

41 Ary nisy demonia nivoaka taminíny maro ka niantso hoe : Ianao no ZanakíAndriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.

 

Matio 8. 16-17

16 Ary nony hariva ny andro, dia nentiníny olona tany aminy ny demoniaka maro ; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,

17 mba hahatanteraka izay nampilazaina aníIsaia mpaminany hoe : ďIzy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsikaĒ (Isa. 53. 4).

 

n  Nandao an'i Kapernaomy Jesosy ary nitety an'i Galilia niaraka tamin'ireo mpianany, mba hanambara amin'ireo tanŗna hafa koa fa efa akaiky ny fametrahana ny fanjakan'Andriamanitra, ka tokony hibebaka izy ireo.

 

Marka 1. 35-39

35 Ary nifoha marainalinakoa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.

36 Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.

37 Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe : Ny olona rehetra mitady Anao.

38 Fa hoy kosa Izy taminy : Andeha isika hiala hankany aminíny tanŗna akaiky, mba hitoriako teny any koa ; fa izay no nahatongavako.

39 Dia nandeha Izy ka nitoriteny tao aminíny synagoganíny olona eraníi Galilia sady namoaka ny demonia.

 

Fanamarihana

Ny andininy 35 dia mampiseho amintsika fa na dia Andriamanitra aza i Jesosy, dia niaina sy nitondra tena tanteraka toa olona Izy ; nahery nivavaka Izy, indraindray aza ela dia ela tokoa, ary matetika raha mbola maizina ny andro. Ny faharetany mivavaka dia modely ho antsika !

 

n  Nanasitrana boka iray i Jesosy ; nandositra ny fitiavan'ny vahoaka Izy ka nitokana tany an-tany foana mba hivavaka.

 

Marka 1. 40-45

40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe : Raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.

41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tŗnany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe : Mety Aho ; madiova ianao.

42 Ary niaraka taminíizay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.

43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka taminíizay

44 ka nanao taminy hoe : Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na aminíiza na aminíiza ; fa mandehana, misehoa aminíny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidianíi Mosesy, ho vavolombelona aminíireo.

45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanŗna intsony Jesosy ; fa nitoetra tany ivelany taminíny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.

 

Fanamarihana

Tsy nitady izay laza avy amin'ny olona Jesosy, satria ny niriny dia ny hikasika ny fanahy sy ny fieritreretana. Izany koa no tokony hokatsahintsika rehefa mampiely ny Filazantsara ankehitriny.

 

Lioka 5. 15-16

15 Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina taminíny aretiny.

16 Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany aníefitra ka nivavaka.

 

Tsara hotadidiana :

Ny habokana dia aretina tsy hay nositranina tamin'izany fotoana izany, hany ka raha nisy fahasitranana, dia tsy maintsy hoe avy amin'Andriamanitra ihany. Ny fanasitranana ilay boka izany dia nikendry ny hanaporofo eo imason'ireo mpanapaka ara-pivavahana jiosy fa Jesosy dia tena avy amin'Andriamanitra : Izy no Kristy, Andriamanitra tonga eto an-tany, eo anivon'ny olona, noho ny fahasoavana, mba hamonjy sy hanasitrana. Koa rehefa nahita ny fahasitranan'ilay boka ny mpisorona, dia tsy maintsy niaiky fa Andriamanitra no tao amin'ny Jesosy† óna Jesosy mihitsy aza no Andriamanitraó, miasa eo anivon'ny Israely.

 

FIFANDIRANA TEO AMIN'I JESOSY SY NY MPITONDRA FIVAVAHANA JIOSY, MOMBA NY HOE : IZA NO AFAKA MAMELA HELOKA ?

 

n  Nony niverina tany Kapernaomy Jesosy, dia nanasitrana lehilahy malemy iray nentina ho eo aminy ary nampidinina avy teo an-tampontrano. Talohan'izany anefa dia nambarany tamin'ilay malemy fa navelany ny helony : nasehony tamin'izany fa ny asa voalohany nanirahana Azy eto an-tany dia ny hamela heloka. Koa nampirehitra ny hatezeran'ny Jiosy izany, ary nampangainy ho naniratsira an'Andriamanitra Izy, satria heverin'izy ireo fa Andriamanitra irery ihany no manana fahefana hamela heloka.

 

Marka 2. 1-12

1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,

2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloaníny varavarana aza ; ary Izy nitory ny teny taminy.

3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray marariníny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjainíefa-dahy.

4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahaníny vahoaka, dia nanesorany ny tafoníny trano nitoeraníi Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrianíilay narariníny paralysisa.

5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoaníireo, dia nanao taminíilay marariníny paralysisa hoe : Anaka, voavela ny helokao.

6 Ary nisy mpanora-dalŗna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe :

7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany ? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra ?

8 Ary niaraka taminíizay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy : Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo ?

9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao aminíilay marariníny paralysisa hoe : Voavela ny helokao, sa ny manao hoe : Mitsangŗna, betao ny fandrianao, ka mandehana ?

10 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanakíolona manana fahefana etỳ amboniníny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy taminíilay marariníny paralysisa) :

11 Mitsangŗna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.

12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka taminíizay ary niala teo anatrehaníny olona rehetra ; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza aníAndriamanitra nanao hoe : Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.

 

Tsara hotadidiana :

Ny famelana heloka, ary koa ny fanasitranana, dia avy amin'i Jehovah, ao amin'ny Salamo : "Jehovah [no] mamela ny helokao rehetra, ... manasitrana ny aretinao rehetra" (Salamo 103. 3). Koa raha namela ny helok'ilay lehilahy malemy sy nanasitrana azy Jesosy, dia mampiseho fa Izy mihitsy no Andriamanitra, ary izany no nitarika, andaniny, ny fahatezeran'ny mpanora-dalŗna izay niampanga Azy ho mpaniratsira, ary ankilany, ny fitolagagan'ny vahoaka, izay mankalaza an'Andriamanitra.

 

n  Nantsoin'i Jesosy mba ho mpianany i Levy mpamory hetra (antsoina ihany koa hoe Matio).

 

Lioka 5. 27-32

27 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra ; dia hoy Izy taminy : Manaraha Ahy.

28 Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.

29 Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho aníi Jesosy ; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.

30 Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalŗna izay teo aminy dia nimonomonona taminíny mpianatríi Jesosy ka nanao hoe : Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro aminíny mpamory hetra sy ny mpanota ?

31 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ;

32 tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.

 

Tsara hotadidiana :

Ny mpamory hetra dia Jiosy nanangona ny hetra omena ny mpanjanaka romana. Nohambanian'ny Jiosy izy ireo, nankahalainy mihitsy aza, satria noheveriny ho mpamadika tanindrazana. Nefa dia mpamory hetra no nantsoin'i Jesosy ho mpianany ! Ambonin'izany, neken'i Jesosy ny fanasan'io mpamory hetra io hisakafo any aminy ! Noho izany, ny Fariseo (fikambanana ara-pivavahana jiosy izay nifikitra mafy tamin'ny fomban-drazana) sy ireo mpanora-dalŗna dia niampanga an'i Jesosy ho mifandray amin'olon-dratsy. Nefa novalian'i Jesosy izy ireo fa ny olona mila vonjy no karakarainy óireo izay mahatsapa ny fahantrany ka te hibebaka amin'ny fahotanyó, olona tsy toy ny Fariseo, izay nihevi-tena ho marina sy afa-po tamin'ny toetrany, ka tsy nahatsapa ho mila izany.

 

n  Adihevitra momba ny fifadian-kanina
Nandritra ny fisakafoanana tao an-tranon'i Matio mpamory hetra, dia nanontany an'i Jesosy ireo mpitondra ara-pivavahana hoe nahoana ny mpianany no tsy mifady hanina. Novaliany fa tsy tokony hifady hanina izy ireo, satria amin'izao fotoana izao dia mbola faly manana an'i Jesosy hita vatana eo afovoany, toy ny olona nasaina hanatrika fampakarambady, izay faly manana ny mpampakatra miaraka aminy.

 

Lioka 5. 33-35

33 Ary hoy izy ireo taminy : Ny mpianatríi Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny aníny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.

34 Ary hoy Jesosy taminy : Mahay mampifady ny havaníny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra ?

35 Fa ho avy ny andro ; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia aminíizany andro izany vao hifady izy.

 

n  Zava-baovao no ambaran'i Jesosy : ny fivavahana kristiana dia hanolo ny fivavahana jiosy. Ny fivavahana kristiana dia hitondra fahafahana tsy ho afaka hifanaraka amin'ny fivavahana jiosy, izay fivavahana mifototra amina fombafomba, fandrarŗna, faneriterena. Ny hanazavan'i Jesosy izany dia ny fanoharana momba ny lamba vaovao sy lamba tonta, momba ny divay vaovao sy ny siny tonta.

 

Lioka 5. 36-39

36 Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe : Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta ; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina taminíny vaovao dia tsy hifanaraka aminíny tonta.

37 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta ; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra ;

38 fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.

39 Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao ; fa hoy izy : Ny ela no tsara.

 

Tsara hotadidiana :

Ampisehon'i Jesosy fa ny fahasoavana nentiny (kisarisarin'izany ny lamba vaovao sy ny divay vaovao óny fivavahana kristiana) dia tsy afaka hifanaraka amin'ny Lalŗna (kisarisarin'izany ny lamba tonta sy ny siny tonta óny fivavahana jiosy), ilay rafitra henjana notadiavin'ny Jiosy hohazonina.†

Ny fivavahana kristiana sy ny fivavahana jiosy dia tsy afa-miara-dalana. Noho izany, ny kristiana dia tsy tokony hanaiky hotarihina "ho jiosy", izany hoe hankatÚ ny fombafomba sy ny faneriterena ao amin'ny Lalŗnan'i Mosesy, na lalŗna hafa, izay manolo ny fiainam-panahy amina fivavahana tsy misy aina, feno fitsipika fotsiny, mikendry izay hahazoana ny fankasitrahan'Andriamanitra.

Hazavain'i Jesosy tokoa fa ny olombelona, amin'ny maha izy azy, dia tia kokoa ny lalŗna (ny divay taloha) izay mitaky asa, ka manome lanja ny nofo, noho ny fahasoavana (ny divay vaovao), izay mihevitra ny mpanota ho olona very, tsy manan-kery, ka tonga mba hamonjy azy.

 

FIFANDIRANA VAOVAO INDRAY TEO AMIN'I JESOSY SY NY MPITONDRA FIVAVAHANA JIOSY, MOMBA NY SABATA IHANY

 

n  Indray Sabata (asabotsy) dia namakivaky tanimbary ny mpianatra. Noana izy ireo ka nanongotra salohim-bary kely hohanina. Tezitra ny Fariseo, satria araka ny fandraisan'izy ireo ny Lalŗna dia tsy azo natao ny zavatra toy izany tamin'io andro io.

 

N.B. : Rehefa kosehina amin'ny tanana ny salohim-bary (varimbazaha no resahina eto), dia voasaraka amin'ny ampombo ny voam-bary ka azo hohanina.†

 

Matio 12. 1-7

1 Taminíizany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary taminíny Sabata ; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.

2 Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy : Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao aminíny Sabata.

3 Ary hoy Izy taminy : Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataoníi Davida, raha noana izy mbaminíizay nanaraka azy,

4 fa niditra tao aminíny tranoníAndriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany ?

5 Ary tsy mbola novakinareo ao aminíny lalŗna va fa aminíny Sabata ny mpisorona ao aminíny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny ?

6 Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.

7 Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe : ďFamindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-draĒ (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.

 

Marka 2. 27-28

27 Ary hoy Izy taminy : Ny Sabata no natao ho aníny olona, fa tsy ny olona ho aníny Sabata ;

28 ka dia Tomponíny Sabata aza ny Zanakíolona.

 

Fanamarihana

Rariny tokoa raha hanan-danja teo amin'ny Jiosy ny fanajana ny Sabata, satria Andriamanitra no nandidy izany : "Fa Sabataníi Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito ; koa aza manao raharaha akory ianao aminíizany" (Eksodosy 20. 10). Izany no nahatonga an'i Nehemia ho tafintohina tamin'ny fitondrantenan'ireo rahalahiny izay niasa tamin'ny andro Sabata, ka hoy izy : "Ary taminíizany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka taminíny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samihafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema taminíny andro Sabata ; dia nananatra azy mafy ahoÖ" (Nehemia 13. 15). Na izany aza, eto amin'ity tantara ity, tena nanao zava-dratsy, mendrika hohelohina tokoa ve ireo mpianatr'i Jesosy, izay noana tamin'ny andro Sabata ka nioty salohim-bary vitsivitsy hohanina ? TSIA !

 

Tsara hotadidiana :

Raha ny marina, ireo mpitondra fivavahana jiosy, izay nandany andro hitsikilovana ny olona mandika lalŗna, dia tsy nahalala ny tena maha Izy Azy an'Andriamanitra, Izay fitiavana. Ilay Andriamanitra tsara sy be famindrampo dia miteny amin'ny zanany hoe : "Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra", ary mampianatra azy ireo, amin'izany, hamindra fo sy ho tsara fanahy amin'ny namana, toy ny ataon'Andriamanitra amin'ny olona mpanota.

Ry kristiana, Ilay Andriamanitra tompointsika dia Andriamanitra tsara sy mpamindra fo. Noho izany, isika ihany koa, amin'ny fotoana rehetra, dia tokony hampiseho fahamoram-po sy famindrampo amin'ireo namantsika. Ary ny fanaovana izany rahateo no antony ilazana antsika hoe manana an'Andriamanitra ho Ray. "Koa aminíizany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahaníny Rainareo Izay any an-danitra" (Matio 5. 48).

 

n  Tamin'ny andro Sabata iray hafa, dia nositranin'i Jesosy ny lehilahy iray maty tanana ankavanana ; nifandinika ny Fariseo sy ny Herodiana mba hamonoany Azy.

Lioka. 6. 6-11

6 Ary nony taminíny Sabata hafa koa dia niditra tao aminíny synagoga Jesosy ka nampianatra ; ary nisy lehilahy anankiray maty tŗnana ankavanana tao.

7 Ary ny mpanora-dalŗna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana aminíny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.

8 Fa Jesosy nahalala ny hevitríireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tŗnana hoe : Mitsangŗna, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.

9 Ary hoy Jesosy taminíireo : Manontany anareo Aho : Moa ny manao soa va no mety hatao aminíny Sabata, sa ny manao ratsy ? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina ?

10 Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe : Ahinjiro ny tŗnanao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tŗnany.

11 Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny aminíizay hanaovany aníi Jesosy.

 

Marka 3. 6

6 Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka taminíizay dia niray tetika taminíny Herodiana izy hanohitra aníi Jesosy mba hahafaty Azy.

 

Tsara hotadidiana :

Tamin'io fanasitranana tamin'ny andro Sabata io, dia nasehon'i Jesosy miharihary ny tena toetran'ireo mpitondra fivavahana jiosy : ratsy fanahy sy jamba, hany ka tsy afaka hifaly tamin'ny nanasitranana lehilahy iray teo anivon'izy ireo ! Manoloana izany faharatsian-toetra izany, izay mifanohitra amin'ny fon'Andriamanitra óIlay Andriamanitra nihambon'ireo manampahefana ara-pivavahana ireo hoe tompoiny !ó, dia nanambara tamin'ny fomba manetriketrika Jesosy fa azo atao tokoa aminíny Sabata "ny manao soa, ... ny mamonjy aina".

Raha ny marina, toy ny efa hitantsika matetika, dia tsy tantin'ny mpitondra fivavahana jiosy ny hanehoan'ny Kristy fahasoavana sy fahamoram-po amin'ny andro Sabata, satria rehefa zohina, dia ny fahasoavana mihitsy no tsy nilain'izy ireo.

Ambonin'izany, rehefa nanolotra fahasoavana toy izany Jesosy, tamin'ny andro Sabata, dia nampiseho fa amin'ny maha Kristy Azy, dia ambonin'ny rafi-pivavahana jiosy Izy, ary noho izany ambonin'ny Sabata, na dia nolavin'ny Jiosy aza izany : "Ka dia Tomponíny Sabata ny Zanakíolona" (Marka 2. 28).

 

n  Manoloana ny fandavan'ny Jiosy tsy hanaiky fa Izy, Jesosy, no Ilay Kristy, dia niala Izy nankany amin'ny Ranomasin'i Galilia (antsoina ihany koa hoe Ranomasin'i Tiberiasy). Tany Izy dia nanasitrana vahoaka avy any amin'ny manodidina an'i Tyro sy Sidona (Liban amin'izao fotoana izao), ary nasehony tamin'izany fa misy vahoaka hafa ankoatra ny Israely, izay manaiky fa Izy, Jesosy, no Ilay Kristy, ka mametraka ny fanantenany aminy.

 

Matio 12. 15-21

15 Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo.

Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra ;

16 ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,

17 mba hahatanteraka izay nampilazaina aníIsaia mpaminany hoe :

18 ďIndro ny Mpanompoko, Izay nofidiko,

Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra ;

Hapetrako ao aminy ny Fanahiko,

Ary hitory ny rariny aminíny jentilisa Izy ;

19 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy ;

Ary tsy hisy handre ny feony any an-dŗlana ;

20 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro,

Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona,

Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy ;

21 Ary ny anarany no hitokianíny jentilisaĒ (Isa. 42. 1-4).

 

Marka 3. 7-12

7 Ary Jesosy mbaminíny mpianany niala teo ka nankany aminíny ranomasina ; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy ; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia

8 sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafiníi Jordana ary taminíny tany manodidina aníi Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.

9 Ary Izy nilaza taminíny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahaníny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.

10 Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.

11 Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy, dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe : Ianao no ZanakíAndriamanitra.

12 Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.

 

Tsara hotadidiana :

Ny tsy finoan'ny Jiosy no mahatonga azy ireo tsy hanaiky fa Jesosy no Ilay Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra. Nefa dia tena izany tokoa Jesosy, ary na ny demonia aza dia manaiky izany ; saingy "nandrara azy mafy Izy [Jesosy] tsy hanao izay hahafantarana Azy", satria tsy tiany ho i Satana na ireo anjeliny no hanambara Azy.

 

n  Nivavaka tany an-tendrombohitra iray alina manontolo Jesosy, ary taorianan'izany dia nifidy mpianatra roa ambin'ny folo. Tamin'izany safidiny izany no nampisehoany fa Izy irery ihany no afaka miantso olona hiaraka aminy, mba hirotsaka hanao ny asany.

 

Lioka 6. 12-16

12 Ary taminíizany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka ; ary naharitra nivavaka taminíAndriamanitra nandritra ny alina Izy.

13 Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambiníny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,

14 dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartolomeo

15 sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanakíi Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,

16 sy Jodasy, zanakíi Jakoba, ary Jodasy Iskariota, ilay tonga namadika.

 

n  Nirahin'i Jesosy ireo mpianany 12 lahy : ny tsy maintsy toriny dia ny hoe Jesosy no Ilay Kristy nambara mialoha tao amin'ny Testamenta Taloha, ary tsy izay ihany, fa hoe efa manakaiky ny fanjakan'ny lanitra. Ireo mpianatra ireo no nomeny ny fahefana ilaina hanatanterahana izany iraka goavana izany.

 

Matio 10. 1, 5-18

1 Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambiníny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbaminíny rofy rehetra.

5 Ireo roa ambiníny folo lahy ireo dia nirahiníi Jesosy ka nodidiany hoe : Aza mandeha any aminíny lŗlaníny jentilisa, ary aza miakatra aminíizay tanŗnaníny Samaritana,

6 fa aleo mankany aminíny ondry very aminíny taranakíIsraely.

7 Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe : Efa mby akaiky ny fanjakaníny lanitra.

8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia ; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

9 Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatiníny fehikibonareo,

10 na kitapom-batsy ho aminíizay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina ; fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny.

11 Ary izay tanŗna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay mendrika ao ; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.

12 Ary raha vao miditra ao aminíny trano ianareo, dia miarahabŗ ny ao.

13 Koa raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo ; fa raha tsy mendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.

14 Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala aminíizany trano na tanŗna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka aminíny tongotrareo.

15 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho aminíny tany Sodoma sy Gomora aminíny andro fitsarana noho ny ho aminíizany tanŗna izany.

16 Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoaníny amboadia ; koa hendre tahaka ny menarana, ary morŗ tahaka ny voromailala.

17 Ary mitandrema ianareo noho ny aminíny olona ; fa hatolony ho aminíny Synedriona (fitsarana ara-pivavahana jiosy) sy hokapohiny ao aminíny synagogany ianareo ;

18 ary hoentiny eo anatrehaníny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy aminíny jentilisa.

 

 

n  Mampitandrina Jesosy : mitondra fahoriana ny atao hoe mpianatr'i Kristy.

Matio 10. 19-23

19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny aminíizay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo ; fa homena anareo aminíizany ora izany izay holazainareo.

20 Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahiníny Rainareo no miteny ao anatinareo.

21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany ; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.

22 Ary ho halaníny olona rehetra ianareo noho ny anarako ; fa izay maharitra hatraminíny farany no hovonjena.

23 Ary raha manenjika anareo aminíny tanŗna anankiray ny olona, dia mandosira ho any aminíny hafa ; fa lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy hahatapitra ny tanŗnaníny Israely ianareo tsy akory mandra-pahatonganíny Zanakíolona.

 

n  Hisy valisoa voaomana ho an'ny mpianatra mitoetra ho mahatoky, izany hoe, na rehefa tonga aza ny fizahan-toetra, dia tsy mandŗ fa Jesosy no Kristy.

 

Matio 10. 24-42

24 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.

25 Fa ampy aminíny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba (izany no anarana nomen'ny Jiosy ny lehiben'ny demonia, izany hoe i Satana), tsy mainka va ny ankohonany ?

26 Koa aminíizany aza matahotra azy ianareo ; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.

27 Izay lazaiko aminareo ao aminíny maizina, dia ambarao eo aminíny mazava, ary izay reníny sofinareo, dia torio eo amboniníny tampon-trano.

28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy ; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao aminíny helo (toerana misy ny fijalijaliana mandrakizay).

29 Tsy varidimiventy ihany va no vidiníny tsintsina roa ? nefa tsy misy na dia iray akory aza aminíireny ho latsaka aminíny tany, raha tsy avelaníny Rainareo.

30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.

31 Koa aza matahotra ; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

32 Ary aminíizany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehaníny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehaníny Raiko Izay any an-danitra.

33 Fa na zovy na zovy no handŗ Ahy eo anatrehaníny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehaníny Raiko Izay any an-danitra.

34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana amboniníny tany Aho ; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona aminíny rainy, ary ny zanakavavy aminíny reniny, ary ny vinantovavy aminíny rafozambaviny ;

36 ary ny ankohonaníny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6).

37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.

38 Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.

39 Izay mamonjy ny ainy no hamery azy ; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.

40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy ; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.

41 Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitianíny mpaminany ; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitianíny olona marina.

42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eraníny kapoaka ihany aza hosotroiníny anankiray aminíireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

 

Matio 11. 1

1 Ary rehefa vitaníi Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambiníny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanŗnaníny olona.

 

Fanamarihana

Ny voalaza, indrindra manomboka amin'ny andininy faha 16 †ó"Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoaníny amboadia ; koa hendre tahaka ny menarana, ary morŗ tahaka ny voromailala"ó, dia mampiseho fa ny asa nasain'ny Tompo atao dia tsy ho an'ny lasa ihany, ho an'ireo mpianatra 12 lahy, fa ho amin'izao andro izao koa, ary ho amin'ny andro ho avy mihitsy aza.

 

Tsara hotadidiana :

Nampianarin'i Jesosy ny mpianany, ary ny mpino rehetra aorianan'izy ireo, fa hisy olana hianjady amin'izy ireo amin'ny asa fanompoany, rehefa ho voailika tanteraka Izy.† "Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra " (and 24), ka tsy afaka hanantena horaisina tsaratsara kokoa noho izy. Koa izay tena mpianatra marina dia tokony hanampo hifanehatra amina fanoherana toy ny nahazo an'i Jesosy, Ilay Kristy, Ilay Mpampianatra, avy amina tontolo ratsy sy tsy marina. Nefa izany dia hahatonga azy hahatsapa ny fikarakaran'ny Ray (Izay manisa na ny volon-dohantsika aza !), ary hiaina ny fiadanana sy ny loharanon-kery omeny izay rehetra mitoky aminy.