Te hamonjy anao tsy ho any amin’ny helo Andriamanitra

 

Samy efa nanota ny olona rehetra

« Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. »  Romana 3. 23

Toy izany no fijerin’Andriamanitra ny olona rehetra, ary fijeriny anao koa. Koa fantaro àry fa tsy misy mpanota, na dia iray aza, afaka ho any an-danitra.

Inona no ataon’Andriamanitra hoe « ota » ?

Manota ianao rehefa mangalatra, mandainga, mifetsifetsy, misotro ka mamo, mamono vady, manitsakitsaka azy, manary zanaka, miankohoka amin’ny sampinao, mitahiry ody ao an-tranonao na eny aminao, mandeha mijery mpimasy, mifandray amin’ny fanahin’ny maty, mitsiriritra ny fananan’ny hafa...
Ary mbola loza noho izany aza, mitoetra ao anatinao ny ota, satria ny ota dia efa ao amin’ny olona rehetra raha vao teraka izy.

Izany no niaiken’i Davida mpanjaka tamin’ny nilazany hoe : « Tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. » Salamo 51. 5

Noho izany dia tsy afaka miala amin’ny ota ianao, ka anjakany sy andevoziny.

Mihevitra ianao fa olona afaka, fa tsy azonao an-tsaina akory hoe voagadra anie ianao, na mandà izany aza.

Tena ratsy tokoa ve ny ota ?
ENY, satria « 
Fahafatesana no tambin’ny ota. » Romana 6. 23

Tsy fahafatesan’ny vatana fotsiny no ambaran’izany, fa fahafatesana ara-panahy koa, mahatonga ny fanahy ho tafasaraka mandrakizay amin’Andriamanitra. Raha toa tokoa mantsy maty ao amin’ny fahotanao ianao, sady mbola tsy voavonjy, dia mikatona ho anao ny lanitra, ary mikatona ho mandrakizay.

Tia anao nefa Andriamanitra

« Andriamanitra ... tia ny olona rehetra hovonjena... » 1 Timoty 2. 4

Tia anao Andriamanitra, ary tsy tiany ho any amin’ny helo ianao rehefa maty. Koa nanomana famonjena ho anao Izy, ary fanomezana avy aminy izany : « Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. » Romana 6. 23

Inona no nataon’Andriamanitra, hamonjena anao ?

Ny Zanany mihitsy, dia Jesosy Kristy, no nirahiny avy tany an-danitra.

Tsy nanana ota Izy ary nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana.

Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty nefa Izy. Ankehitriny Izy dia velona any an-danitra. Izy no famonjen’Andriamanitra ho anao. Ampy ho anao ny mino Azy. Resaka finoana izany.

Inona no tokony hataonao izao ?

Tokony hino ao am-ponao an’i Jesosy ho Mpamonjinao sy Tomponao manokana ianao, araka ny lazain’ny Baiboly, ilay Bokin’Andriamanitra, hoe : « Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena. Fa hoy ny Soratra Masina : “Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.” » Romana 10. 9-11

Raha mino an’i Jesosy araka ny lazain’ny Baiboly ianao, dia havelan’Andriamanitra ny fahotanao rehetra. Hambarany ho madio ianao, ka tsy ho any amin’ny helo ny fanahinao, fa ho any am-paradisa. Hafahany amin’izay rehetra mamatotra sy mampatahotra anao ianao, homeny anao ny tena fahafahana sy ny fahazoana antoka hanana ny fiainana mandrakizay any amin’ny paradisan’Andriamanitra.

Lanitra sa helo ? anao ny safidy !

Toerana roa ihany no azon’ny fanahinao aleha, rehefa maty ianao.

Tsy ho any amin’ny razanao efa maty tsy akory ny fanahinao! Fa na izy mankany amin’ny helo, na any am-paradisa.

Raha misafidy ny helo ianao, dia ho lavitra an’Andriamanitra ho mandrakizay ary hijalijaly any anaty lelafo tsy mety maty.

Raha ny lanitra no fidinao, dia ho sambatra mandrakizay eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra any am-paradisa ianao.

Fidio Jesosy, dia ho any am-paradisa ianao rehefa maty.

Miantso anao Andriamanitra, valio Izy hoe : Eny !

Raha manao izany ianao, dia afaka miteny amin’i Jesosy hoe :

« Jesosy ô, vonjeo aho ; dieny izao anio izao dia tiako hiditra ato am-poko Ianao, ka ny ranao latsaka teo amin’ny hazofijaliana no hanadio ny fahotako rehetra.

Miaiky aho fa mpanota, ary mandray Anao izao ankehitriny izao. Tariho ny fiainako, te hianatra hankatò Anao aho, mba ho tafaraka aminao any am-paradisa, indray andro any. »