NY FIAINAM-BAOVAON’NY MPINO AO AMIN’I KRISTY

 

Avy amin’ny fahateraham-baovao mankany amin’ny voninahitra

 

Georges André

 

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

 

TOPIMASO

1        Voavonjy

1.1        Voavela heloka

1.2        Voadio

1.3        Voavidy

1.4        Nohamarinina

1.5        Nampihavanina

1.6        Nohamasinina

1.6.1        Ny toeram-pahamasinana, eo imason’Andriamanitra

1.6.2        Ny fiainana ny fahamasinana

2        Ny ankohonan’Andriamanitra

2.1        Zanaka

2.2        Zanaka natsangana (Fananganan’anaka)

2.3        Mpandova

2.4        Ny Ray

3        Miray amin’i Kristy

3.1        Iray aminy, “miara-maniry” aminy

3.2        Nafahana

3.3        Natolotra

3.4        Ao amin’i Kristy

3.5        Kristy ao anatintsika

4        Vatana iray

4.1        Natao batisa tamin’ny Fanahy iray

4.2        Samihafa nefa iray

4.3        Mpitsaoka

5        Omem-boninahitra

5.1        Ny fitsanganana amin’ny maty

5.2        Ny tribonalin’i Kristy

5.3        Ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry

5.4        Ny voninahitra

 

 

1  Voavonjy

Fa tonga ny Zanak’olona hamonjy ny very” (Matio 18:11).

Toa inona ny hafalian’ny mpiandry ondry, izay nitady fatratra ny ondriny, afaka miteny nony tonga ao an-trano hoe : “Avia hiara-mifaly amiko ; fa efa hitako ilay ondriko very” (Lioka 15:6). Ny hoe very, dia nandositra ny feon’ilay mpiandry ondry, ny antson’ny Filazantsara, ary nanao tsinontsinona ny fahasoavan’Andriamanitra. Manolo-tena hiseho eo anatrehan’ny

sezafiandrianana fotsy lehibe”, ka tataovan-doza ho “natsipy tany amin’ny farihy afo” (Apokalypsy 20:11, 15).

Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho ?”, hoy ilay mpiambina ny tranomaizina tany Filipia tamin’i Paoly sy Silasy. Tsotra ny valiny : “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:30-31).

Saingy tsy tsianjery averimberina foana akory io valinteny io. Midika io, araka ny nanizingizinan’i Paoly azy tany Efesosy, fa misy “ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Asan’ny Apostoly 20:21).

Marihina fa ny fibebahana amin’Andriamanitra aloha no lazaina mialoha (jereo Lioka 24:47, ara-bakiteny dia hoe fibebahana mitondra amin’ny famelan-keloka). Ny hoe mibebaka, dia miova fisainana, na ny momba an’Andriamanitra, na ny momba ny tena, na ny momba ny fahotana. Modiana tsy fantatra Andriamanitra : “Raha mba misy tokoa moa izao Andriamanitra izao...”, na mihevitra hoe “Tsy hojeren’Andriamanitra ve izao fiainako milamina sy hendry izao ka horaisiny any an-danitra aho...”. Saingy Andriamanitra dia maneho ny tenany ho Ilay Andriamanitra masina, Andriamanitra marina; Andriamanitra, izay fitiavana, dia fahazavana ihany koa.

Raha manazava ny saiko ny fahazavan’Andriamanitra, tsy hieritreritra intsony aho hoe “milamina sy hendry ny fiainako” ka ampy hankasitrahin’Andriamanitra ahy ary hahatonga ahy ho any an-danitra. Rehefa hazavain’ny Teniny aho dia hiova hevitra hoe : “fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:22-23). “Matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo” ianareo (Efesiana 2:1). “Fa fahafatesana no tambin’ny ota”(Romana 6:23), tsy fahafatesana ara-batana ihany, fa ny fisarahana amin’Andriamanitra ho mandrakizay.

Tsy mijanona eo anefa ny fibebahana, fa mitarika ho “amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy” :Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ”(Efesiana 2:8). Ny finoana ny tenin’Andriamanitra dia manaiky fa “fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8), izany hoe maty Izy nisolo toerana antsika : Jesosy dia “natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika”(Romana 4:25). “Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao”(Romana 10:9).

Tsy ny asa soa natao no hahavoavonjy : “Tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika” (Titosy 3. 5). Fahadisoan-kevitra lalina ihany koa ny mieritreritra fa tokony ampiana ny asan’i Kristy namafa ny fahotantsika, amin’ny fanaovana asa soa, mba hahazoantsika fankasitrahana (Efesiana 2:9). Mazava tsara ny Tenin’Andriamanitra : “Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy” (Efesiana 2:10).

Voalohany aloha izany ny fibebahana sy ny finoana, miaraka amin’ny “fahateraham-baovao” (Jaona 3:3-6) ; avy eo, ireo asa soa efa nomanin’Andriamanitra, izay atao noho ny fankasitrahantsika ilay Andriamanitra fitiavana : “Izao no fitiavana : tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika” (1 Jaona 4:9-10).

 

Lafiny telo no ijerena ny famonjena :

  • ny taloha : “fahasoavana no namonjena anareo” (Efesiana 2:5, 8) ; “Andriamanitra namonjy antsika” (2 Timoty 1:9). Ny fahazoana antoka fa voavonjy dia noho ny finoana ny Tenin’Andriamanitra ihany.

  • ny ankehitriny : ny mpino dia voavonjy noho ny “fahavelomany ankehitriny”(Romana 5:10), noho ny fanelanelanan’i Kristy (Hebreo 7:25).

  • ny hoavy : lazaina amintsika, ao amin’ny Romana 13, “fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika”. Miandry “ny fanavotana ny tenantsika” isika (Romana 8:23). “Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” (Filipiana 3:20-21).

 

Fa ny famonjena dia misy lafiny samihafa izay hojerentsika.

 

1.1  Voavela heloka

Mba ho voavela heloka, dia tsy maintsy miaiky aloha fa diso (Romana 3:19).

Ao amin’ny Levitikosy 4. 27-35, raha misy olona miaiky fa meloka izy, dia tsy maintsy mitondra biby atao fanatitra, ary eo ambony lohan’io biby io no ametrahany ny tànany, toy ny milaza hoe : ity biby ity no hiharan’ny famaizana ny fahotako. Izy mihitsy no tsy maintsy namono ilay biby, ary ny ra dia nararaka teo am-pototry ny alitara, ny jabora nodorana teo ambony alitara. Aorianan’izay ihany vao lazaina hoe “Dia havela ny helony”. Io sorona io dia tsy inona fa kisarisarin’i Kristy eo ambony hazofijaliana : “Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 2:24). Ny Isaia 53 dia milaza hoe : “Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry ...  ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra” (and 6).

Ny sorona nataon’i Kristy ihany no afaka “mahaisotra” ny ota. Ny ran’ireo sorona tao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy “mahaisotra ny ota” (Hebreo 10:4, 11) na oviana na oviana, “voasarona” (Salamo 32:1) fotsiny izany. Fa Kristy kosa “nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota” (Hebreo 10:12), hany ka afaka miteny ny Fanahin’Andriamanitra hoe : “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony” (and 17).

 Rehefa mamela ny heloka natao taminy ny olona iray, dia tsy misy famaizana ho an’ilay nanao heloka. Tsy avelavelan’Andriamanitra foana kosa ny fahotana. Tsy maintsy ampiharina ny famaizana ; saingy olon-kafa no iharan'izany, dia Kristy : “Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3:18). Dia ahoana izany ny momba ny fahotan’ny mpino aorianan’ny niovany fo ? Mazava ny lazain’ny 1 Jaona 1:9 : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky (tsy miova amin’ny Teniny) sy marina (momba an’i Kristy) Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra”. Ny Ohabolana 28:13 dia efa nilaza hoe : “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo”. Tsy mitady fanonerana ny fahotantsika Andriamanitra, na famaizan-tena ivelany, fa fiaikena heloka, amin’Andriamanitra aloha (Salamo 32:5), ary raha ilaina, amin’ilay olona nanaovana fahadisoana. Ny Jakoba 5:16 aza dia milaza mihitsy fa ilaina ny fifampiaikena heloka (tsy imasom-bahoaka akory), mba hahafahana mifampivavaka. Mety ho fanampiana lehibe mihitsy izany eo amin’ny fizotran’ny kristiana, raha voatandrina ny tsiambaratelo (and 20).

Ary isika koa dia tarihina mba hifamela heloka, araka ny Efesiana 4:32. Ny fanoharana ao amin’ny Matio 18:23-35 dia mampiseho ny maha zava-doza ny tsy famelana heloka ny rahalahiny, satria toa fanadinoana ny trosa goavana navelan’Andriamanitra tamintsika izany.

 

1.2  Voadio

Misy ny fahotana-trosa, ny fahamelohana (Romana 3:19), izay hazavain’i Jesosy amin’ny fanoharana iray ao amin’ny Lioka 7:41-42 sy 47-48 ; fa misy koa ny fahotana-fahalotoana, izay tsy maintsy “anasana” antsika.

Mika mpaminany dia efa nilaza hoe : “Fa tsy eto no fitsaharana, satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy” (2:10). Raha misalasala ny amin’izany, dia jereo ny manodidina anao ! Nefa momba ilay tanàna masina hitan’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 21, dia voalaza fa “tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina (izay voaloto)” (and 27). Izay voaloton’ny ota, ny fahalovana misy eo aminy sy amin’ny manodidina azy, dia antsoina mba hisasa. Ahoana anefa no hahavitany izany ? Izany no angatahan’i Davida amin’Andriamanitra hoe : “Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana... Sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka” (Salamo 51:2, 7). Ny ran’i Jesosy Kristy irery ihany no “manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7). Momba ireo olona izay nentin’ny Zanak’ondry “ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina ” (Apokalypsy 7:17, 14), dia voalaza fa “ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”. Koa mazava amintsika ny dikan’ilay hira fiderana hoe : “Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany ... ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena” (Apokalypsy 1:5-6).

Ny 1 Korintiana 6:9-10 dia mitanisa ireo antsoina hoe boka folo. Saingy ampian’ny apostoly hoe : “Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika”.

Ao amin’ny Zakaria 3, dia nijoro teo anoloan’Andriamanitra ny mpisoronabe. Nony notarafin’ny fahazavana izy dia toa “nitafy fitafiana maloto”. Raha amin’izao, dia tsy hita io fahalotoana io, saingy rehefa “nitsangana teo anoloan’Ilay Anjely”, dia hita tsara ; asan’Andriamanitra irery ihany vao nahafaka ny heloka.

Isaia, fony mbola tanora, angamba latsaky ny roapolo taona, dia niditra tao an-tempoly ka nahita ny Tompo nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany (6:1). Manambara ny fahamasinany ireo anjely. Hoy ilay tovolahy : “Lozako ! maty aho ! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ny firenena maloto molotra no itoerako”. Dia nalaina ny vainafo teo ambony alitara, vainafo izay avy nandoro ny sorona ; nokasihina ny molony, kisarisarin’ny finoana ny asan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana ; dia nilaza taminy ilay irak’Andriamanitra hoe : “Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io ; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao” (and 7).

 

1.3  Voavidy

Ny hoe mividy olona indray, dia manafaka azy, satria nandoa ny vidiny. Ny andevo dia vidiana eny amin’ny tsenan’andevo ; rehefa esorina ny gadrany, dia afaka izy, voavidy indray. Izany no antsoin’ny Baiboly hoe fanavotana (avy amin’ny hoe avotra).

Ny Galatiana 3:13 dia milaza amintsika hoe : “Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy”. Aoriana kely eo, dia hoe : “Nirahin’Andriamanitra ny Zanany ... hanavotany izay ambanin’ny lalàna” (Galatiana 4:4-5). Tsy nisy olona  afaka nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny Lalàna, indrindra moa ny didy fahafolo : ny faniriana hanao ny ratsy, na dia tsy manatanteraka izany aza, dia efa fahotana ! Novesarana ny fahotantsika i Kristy nandritra ireo ora maizina teo amin’ny hazofijaliana, voaozona nisolo toerana antsika Izy, ary nitondra fitahiana ho antsika tamin’izany (Galatiana 3:14).

Voavidy  isika, amin’ny :

  • ota rehetra (Titosy 2. 14);

  • fitondrantena adala (1 Petera 1:18);

  • fanandevozan’ny ota (Jaona 8:34; Romana 6:17, 20). Izany no mahatonga ilay teny teny tsara dia tsara hoe : “Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka” (Galatiana 4:7).

 

Ao amin’i Kristy  “no ananantsika fanavotana amin’ny rany” (Efesiana 1:7). Kristy no “niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay” (Hebreo 9:12).

 

1.4  Nohamarinina

Andriamanitra dia “manamarina ny ratsy fanahy... izay manana finoana an’i Jesosy” (Romana 4:5; 3:26).

Rehefa voavela heloka ny olona iray, dia tsy misy sazy ampiharina aminy intsony ; raha famelan-keloka omen’olombelona, dia tsy jerena intsony ilay fahadisoana ary tsy asiam-bokany. Raha Andriamanitra no mamela heloka, dia efa nonerana ilay fahotana, Kristy no niharan’ny famaizana izany (Isaia 53:5).

Azo lazaina hoe ny mamela heloka dia zavatra miiba (tsy dia tsara) : adino ilay fahotana, tsy misy famaizana ilay meloka. Ny hoe nohamarinina indray dia miabo (tsara) : ambara fa marina ilay voampanga, tsy misy fanamelohana azy.

Ahoana moa no hahatonga izany ? Kristy no efa nataon’Andriamanitra ho “fanononam-pahatezerana” : Kristy no “nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana ...  mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy” (Romana 3:25-26).

Ndeha hiezaka hahatakatra izay lazaina amin’izany.

Ny fanavotana (fanononam-pahatezerana) dia tsy natao hampitony andriamanitra tia mamaly faty, fa mba hahafahan’Andriamanitra ho marina rehefa manamarina ny mpanota.

Ary ho an’izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana” (Romana 4:4-5).

Indray alina, feno kintana ny lanitra, ary nasain’Andriamanitra nivoaka avy tao an-dainy i Abrahama, mba hanisa ny kintana, “raha mahisa azy ianao”. Ary hoy Andriamanitra taminy : “Ho tahaka izany ny taranakao” (Genesisy 15:5-6). Tsy nanan-janaka i Abrahama, ary raha araka ny fijerin’olombelona, dia tsy nanantena ny hanana intsony. Saingy “nino an’i Jehovah izy ; ka dia nisainy ho fahamarinany izany”. Koa tahaka ny ao amin’ny Romana 4, dia ny finoana no isaina ho fahamarinana (and 19-22). Ny finoana no manaiky fa marina Andriamanitra raha manamarina ny meloka ; tsy isaina ho an’i Abrahama ihany izany, fa ho antsika “izay mino Ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty, Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (and 23-25).

Toa zava-miafina no fahitantsika izany. Nefa mazava ny Teny. Noho ny asan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, dia marina Andriamanitra raha manamarina izay mino an’i Jesosy. Ny mpino izay manaiky izany fanambarana izany amin’ny finoana, na dia tsy takany loatra aza ny tena dikany sy ny akon’izany, dia ambara fa marina : “Nisaina ho fahamarinany ny finoany”.

Kristy Jesosy, Izay nataon’Andriamanitra ... fahamarinana ... ho antsika” (1 Korintiana 1:30).

Hamarinina maimaimpoana [isika] :

amin’ny fahasoavany

noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy,

tamin’ny rany” (Romana 3:24; Titosy 3. 7; Romana 5:9), amin’ny alalan’ny finoana.

 

Ndeha oharina amin’ny tribonaly iray, ary marobe ny zavatra iampangana ilay olona tsaraina. Saingy ny mpitsara, izay tsy iza fa Andriamanitra, dia manambara fa marina ilay voampanga, satria ny asa nataon’i Kristy no hiarovany tena ; mivoaka ny tribonaly izy, tsy vitan’ny hoe voavela heloka, fa nambara ihany koa hoe marina, nohamarinina. Tsy misy na inona na inona intsony hiampangana azy.

Koa nahoana àry ny Jakoba 2:17 no milaza hoe : “Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy” ? Mijery araka ny mason’olombelona i Jakoba, fa ny ao amin’ny epistily ho an’ny Romana kosa dia araka ny mason’Andriamanitra : marina Andriamanitra raha manamarina. “Fa angamba hisy hanao hoe : ... asehoy amiko tsy amin’ny asa ny finoanao ; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako” (Jakoba 2:18).Ny asa ataon’ny mpino (Efesiana 2:10) no hampiseho amin’ny olona fa tena manana finoana izy ary efa nateraka indray. Eo anatrehan’Andriamanitra Izay mamaky ny ao am-pony, dia isaina ho fahamarinany ny finoany. Eo anatrehan’ny olombelona, dia ireo asa ataon’ny olona nateraka indray no mampiseho fa manana finoana. Vokatry ny Fanahy izany (Galatiana 5:22).

Ndeha hofaranana amin’ilay fanambarana tsy iadian-kevitra, ambara intelo misesy hoe : “Ny marina amin’ny finoana no ho velona” (Romana 1:17 ; Galatiana 3:11 ; Hebreo 10:38).

 

1.5  Nampihavanina

Fony mbola fahavalo ... isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany” (Romana 5:10). “Efa nampihavaniny (nampihavanin’i Kristy) ankehitriny [isika] tao amin’ny tenan’ny nofony, tamin’ny fahafatesana” (Kolosiana 1:22).

Tsy fahavalontsika Andriamanitra ; Andriamanitra dia fitiavana : nomeny ho antsika ny Zanany. Ny mpanota no fahavalon’Andriamanitra, lavitra Azy, feno fahatezerana aminy, na mody tsy mahalala Azy, na milaza fa “maty” izany Andriamanitra izany, ary fitenenan-dratsy Azy izany.

Rehefa mihavana ny olona anankiroa, dia averiny amin’ny laoniny ny fifandraisany taloha. Fa rehefa Andriamanitra no mihavana amin’ny mpanota, dia ampidiriny amina fifandraisana vaovao mifototra amin’ny fahafatesan’i Kristy io mpanota io.

Tsy ny fankasitrahantsika ny asa nataon’i Kristy no mahatonga ny fihavanana, fa Andriamanitra no mankasitraka izany. Ny finoana no manaiky izay ataon’Andriamanitra, amin’ny famerenany antsika ho iray aminy, hihavana aminy.

Tsy fiovan’ilay olona taloha tsy akory izany, fa toerana vaovao misy azy, noho ny fihavanana ; io toerana io no ahafahantsika manakaiky an’Andriamanitra, misitraka ny fitiavany, mahafantatra Azy ho toy ny Ray, ho feno ny fahasoavany, hitovy saina aminy. “Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy” (2 Korintiana 5:17-18).

Misy tombontsoa vokatry ny fifandraisana toy izany amin’Andriamanitra : Izy no “nanome anay ny fanompoana fampihavanana... ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana. Koa dia iraka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo”(2 Korintiana 5:18-19).

Faranan’ny apostoly amin’ny fanoritana izay rehetra nataon’Andriamanitra mba hampisy ny fihavanana : “Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika”(2 Korintiana 5:21). Izay no hafatra fampihavanana ; ny finoana dia manaiky fa “nitondra ny fahotantsika” i Kristy, nefa tsy izany ihany, fa “natao ota” nisolo toerana antsika, mba ho marina Andriamanitra, noho ny asan’i Kristy, raha manamarina antsika sy mampihavana antsika aminy.

Efa raiki-tampisaka ny tsy fifankahazoan’ny olombelona amin’Andriamanitra (azo atao hoe fahavalo) ; fa mety hisy koa izany eo amin’ny samy olombelona, eo amin’ny mpirahalahy, eo amin’ny mpivady, eo amin’ny samihafa firazanana, eo amin’ny mahantra sy manankarena, ary noho ny fahasamihafana maro ihany koa. Raha eo ny fanahy feno fahasoavana sy fanetrentena, dia azo atao ny mihavana amin’ny rahalahy, amin’ny vady, amin’ny mpiara-monina.

 

1.6  Nohamasinina

Natokana ho an’Andriamanitra, ao amin’i Kristy.

 

1.6.1  Ny toeram-pahamasinana, eo imason’Andriamanitra

Izay nanaiky amin’ny finoana ny asan’i Kristy dia nohamasinina ho an’Andriamanitra, natokana ho Azy. Ireo “malalan’Andriamanitra” dia “ sady voantso no masina ” (Romana 1:7), izany hoe masina noho ny antson’Andriamanitra. Izany no ahitan’Andriamanitra azy ireo ao amin’i Kristy.  “Amin’izany sitrapo (sitrapon’Andriamanitra) izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha...

Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10:10, 14). Andaniny, ny sitrapon’Andriamanitra, ankilany ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy. Ny finoana ihany no afaka mahazo izany. Ireo izay miala “amin’ny maizina ho amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra” dia mahazo “famelan-keloka sy lova eo amin’izay nohamasinina noho ny finoana Ahy (an’i Jesosy)” (Asan’ny Apostoly 26:18).

 

1.6.2  Ny fiainana ny fahamasinana

Tsy hoe tokony ho masina ny mpino : efa masina izy. Saingy antsoina izy mba hampiseho izany. Ny fampirisihana ao amin’ny Efesiana 5:3 dia miorina amin’ny fitondrantena “mahamendrika ny olona masina”. Io fahamasinana io dia mandeha tsikelikely. Ny mahatonga azy dia ny Tenin’Andriamanitra vakiana sy raisina isanandro, tiavina ary ampiharina.Io no vavaka farany nataon’i Jesosy ho an’ny olony : “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17). Manazava ny Efesiana 5:26 hoe manamasina ny fiangonana i Kristy “amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny”. Asan’Andriamanitra ao anatintsika izany, fa ny famonjena kosa, amin’ny lafiny samihafa, dia asan’Andriamanitra ho antsika.

Satria isika matetika dia tsy miaina io fahamasinana io, dia mihatra amintsika ny famaizan’ny Ray : ny tanjony amin’izany “dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany” (Hebreo 12:10).  Amin’ny andro hiharan’io famaizana io, “dia tsy mba atao ho mahafaly {izy]... fa mampahory ; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana (tsy ho an’ny olon-drehetra, fa) ho an’izay nanaovana azy izy” (and 11).

Misy koa ny fifehezan-tena manokana : “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra” (2 Korintiana 7:1). Ny rivotra iainana manodidina antsika dia tsy maintsy misy fiantraikany eo amin’ny nofo sy ny fanahy. Ny Romana 13:14 dia manampy hoe : “Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany”.

Ny 1 Korintiana 9:24-27 dia mampirisika antsika hihazakazaka mba hahazo ny loka. Nefa mitaky koa izany, toy ny ady, ny “mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra”. “Miezaha mitady ... fahamasinana ” hoy ny Hebreo 12:14, ary azo ampiana ilay fampirisihana nataon’i Barnabasy tany Antiokia hoe “... haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra” (Asan’ny Apostoly 11:23).

 

2  Ny ankohonan’Andriamanitra

2.1  Zanaka

Ampidirin’Andriamanitra amin’izany fifandraisana vaovao izany ny mpino, nataony ho zanaka isika. Ho an’i Abrahama, dia Izy no Ilay Andriamanitra Tsitoha. Tamin’ny Israely, dia nampahafantatra ny tenany ho Jehovah Izy, Ilay tsy miova (Eksodosy 6:2). Amin’ny vanimpotoanan’ny fahasoavana, dia mampahafantatra ny tenany ho Ray Andriamanitra : “Fa izay rehetra nandray Azy (an’i Kristy) dia nomeny hery (zo) ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay ... naterak’Andriamanitra” (Jaona 1:12-13). Marihina fa “nateraka” izy ireo, izany hoe nampidirina tao amin’ny tontolon’ny fianakavian’ny finoana, tontolo feno fitiavana. Izany no fahateraham-baovao lazain’ny Jaona 3:3 sy 5. Mba hitondrana ilay olona lavitra an’Andriamanitra ho tonga amin’izany fifandraisana zanaka izany, dia tsy maintsy nateraka ho amin’ny fiainam-baovao izy, tsy maintsy navaozina.

Ny fifandraisan’ny Israely tamin’Andriamanitra dia ny maha vahoakan’Andriamanitra azy, fa ny fifandraisan’ny mpino amin’Andriamanitra kosa ankehitriny dia fifandraisan’ny zanaka amin’ny Rainy.Tsy hoe namboamboarina tsy akory ny toetran’olombelona, ilay toetra taloha, fa Andriamanitra mihitsy no nahary olona vaovao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina miasa amin’ny Teniny. Hoy Jakoba hoe : “Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana” (1:18). Ary hazavain’i Petera hoe : “Fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” (1 Petera 1:23).

Ny Tenin’Andriamanitra dia sady rano no voa.

Manambara Jesosy hoe : “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:5). Ny Efesiana 5:26 dia miresaka momba ny fanadiovana amin’ny rano fanasana amin’ny teny ”. Titosy dia manoritra ny “fanasan’ny fiterahana indray”, ampiana ny “fanavaozan’ny Fanahy Masina” (3:5), izay mahatonga ny mpino ho tena hafa tanteraka miohatra amin’ny toetrany teo aloha (Romana 12:2) : “Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy” (2 Korintiana 5:17). Manampy ny Efesiana 2:10 hoe “voaforona tao amin’i Kristy Jesosy” isika.

Fa ny Tenin’Andriamanitra dia voa ihany koa. Jesosy mihitsy no miteny izany, raha nanazava ilay fanoharana momba ny mpamafy : “Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra” (Lioka 8:11), voa “tsy mety ho lo”, araka ny efa hitantsika tao amin’ny 1 Petera 1:23.

Fa ao amin’ny Jaona 3, dia misy fepetra roa napetraka : “Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:14-16). Marihina ny hoe “izay rehetra” —izany hoe tsy misy ailika— sy ny hoe “mino” —finoana Ilay sady Andriamanitra tanteraka no Olona tanteraka nasandratra teo amin’ny hazofijaliana, ary nanome ny ainy teo mba hanavotana ny maro. Misy fahazoana antoka anaty ateraky ny Fanahy Masina : “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika” (Romana 8:16). Ny ray aman-dreny mpino dia afaka mivavaka ho an’ny famonjena ny zanany, ny namana iray dia afaka mivavaka ho an’ny namany, fa tsy misy afaka mahatonga ny fahateraham-baovao. Asan’Andriamanitra izany, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny Fanahy Masina. Ny ray aman-dreny dia nampiseho ny Teny tamin’ny zanany ; notezainy ho an’ny Tompo izy, fa Andriamanitra irery ihany no afaka manome ny fiainana mandrakizay ho an’izay mino : “Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika !” (1 Jaona 3:1). “Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana” (1 Jaona 5:11-12). Nataony “mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra” (2 Petera 1:4) isika, ary mitarika antsika hanana fiombonana amin’Andriamanitra izany, hifandray akaikaiky kokoa amin’ny Ray, mihaino ny feony izay manambara ny Zanany. Ary mba hananantsika fahatokiana tanteraka, dia ampian’ny apostoly Jaona hoe : “Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13).

 

2.2  Zanaka natsangana (Fananganan’anaka)

Araka ny Efesiana 1:4-5, “fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” dia efa nofidian’Andriamanitra isika “mba ho Azy amin’ny fananganana anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony”.

Ny zanaka dia mifandray amin’ny Ray. Ny hoe zanaka dia manana toerana maha zanaka. Ny fihevitr’Andriamanitra hatrizay hatrizay dia ny hananany zanaka manoloana Azy. Izay no faniriany, notadiaviny. Misy fifandraisana amin’ny Ray sy ny Zanaka. Ny Zanany dia masina teo anatrehany, koa ho masina ihany koa ireo zanany hafa ; ny Zanaka dia tsy misy hokianina, tsy hisy hokianina koa ireo zanany hafa ; ny Zanaka dia Malala, malala ihany koa ireo zanaka hafa ; ny Zanaka dia ankasitrahana, ireo zanaka hafa ihany koa dia ankasitrahana ao amin’ilay Malala (and 6).

Mba hahatanteraka izany, dia tsy maintsy tonga tetỳ an-tany i Kristy, tamin’ny fotoana nahamety izany, mba hanatanteraka ny fanavotana amin’ny rany, ny famelana ny fahadisoana (and 7). Noho izany, voary lavo, maloto, no hanjary zanaka eo anoloan’ny Ray.

Ny Galatiana 4:1-7 no mampiseho amintsika fa ny fananganan’anaka dia asan’Andriamanitra mandray ho toy ny zanaka tonga taona ny olona iray afaka amin’ny lalàna, amin’ny fanarahana ny lalàna. Rehefa tonga ny fotoana , “dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna, hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganana anaka” (Galatiana 4:4-5). Ary “satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe : Aba, Ray ô. Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka”(and 6-7).

Fiovan-toerana tanteraka izany. Ao amin’ny Galatiana, dia esorina amin’ny didy fanarahan-dalàna isika ; ao amin’ny Romana 8, dia afahana amin’ny “izaho” isika : “Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô” (and 14-15). Ilay zanaka adala dia saika hiteny tamin-drainy hoe “Ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho” (Lioka 15:19). Nefa nony nahita azy ny rainy dia ontsa ka nihazakazaka nitsena azy, nanoroka azy ; ary tsy afaka nangataka intsony ilay zanaka hoe ataovy ho toy ny mpanompo aho ; nasain’ilay ray nalaina ny akanjo tsara indrindra ; niomana ny hihinana hanim-pitoloha ny rehetra, fisakafoanana tsy misy fahataperany, fiombonana natomboka teto an-tany ary hitohy any an-danitra.

Ankehitriny isika dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy, fa miandry ny fananganan’anaka isika, “ny fanavotana ny tenantsika”. Mandra-pahatongan’izany, dia “ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika” (Romana 8:23, 26).

 

2.3  Mpandova

Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka”, hoy ny apostoly ao amin’ny Galatiana 4:7. Fa ampiany koa hoe : “ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’Andriamanitra”. Mbola anterin’i Paoly amin’ny Romana izany : “Ary raha zanaka, dia mpandova ; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa” (Romana 8:17). Nampahafantarin’Andriamanitra antsika “ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony isika, araka ny safidiny ... hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy ; ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany” (Efesiana 1:9-11).

Sarotra amintsika ny mahatakatra ny tena lanjan’izany teny izany. Ny Teny dia milaza hoe : “Ao aminy koa ianareo ... no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika” (Efesiana 1:13-14). Ny Fanahy no manome antsika santatra avy amin’io lova mbola ho avy io. Hoy Jesosy tamin’ny mpianany ao amin’ny Jaona 16:13-14 : ny Fanahin’ny fahamarinana no hanambara aminareo ny zavatra ho avy.  Izy hankalaza Ahy ; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. Ny epistily no mamelabelatra izany kokoa amintsika.

Tamin’ilay fotoana nangirifiry izay namadihan’i Jodasy Azy, nandritra ireo resaka faramparany nataony tamin’ny mpianany, dia hoy ny Tompo Jesosy hoe : “Aza malahelo ny fonareo ” (Jaona 14:1). Naviliny ny eritreritr’izy ireo tsy hijery ny ankehitriny maizina tokoa, fa hibanjina kosa ilay fonenana any an-danitra hizorany, “ny tranon’ny Raiko”. Mizotra mankany an-danitra ireo mpivahiny ireo. Manantena ny lova izy ; efa manana santatr’izany izy ; hoy Petera momba izany hoe “ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo” (1 Petera 1:4), nefa ny lova eto an-tany dia matetika manjavona na tsy ampiasaina tsara. Fa ho an’ny mpino kosa, mandra-piandry ny lova, dia “arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana”(1 Petera 1:5) izy ireo.

 

2.4  Ny Ray

Ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona no tena hanambaran’ny Tompo Jesosy ny Ray : “Ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jaona 1:18). Tao amin’ny Matio 11:27 Izy dia efa nilaza hoe : “Tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy”. Fa tao amin’ireo teniny farany, izany hoe Jaona 14 hatramin’ny 17, no tena niresahany ny Ray, ny Rainy.

Tamin’ireo filazantsara sasany, dia niresaka Ilay Ray any an-danitra Jesosy, Ray any an-danitra Izay mikarakara ny olony, saingy toa Ray lavitra ihany. Ao amin’ny Jaona 15:15, dia hoy Jesosy hoe : “Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo ... fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo”. Mbola hisy mihoatra noho izany aza : omeny toky izy ireo fa fitiavana tsy manam-petra no itiavany azy : “Ny Ray dia tia anareo” (16:27).

Ny maraina nitsanganany tamin’ny maty vao nahazo izao hafatra izao i Maria Magdalena : “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (20:17). Tsy natokana ho ana kristiana efa nandroso lavitra izany, satria hoy ny apostoly hoe : “Nanoratra taminareo ankizy madinika aho, satria efa mahalala ny Ray ianareo” (1 Jaona 2:13). Ny tena mpitsaoka marina dia mitsaoka ny Ray (Jaona 4:23) ; mampiakatra fiderana ihany koa izy ireo “ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany” (Apokalypsy 1:5). Tamin’ny fiafaran’ny vavaka nataon’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17, dia hoy Izy mantsy ny Rainy : “Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy” (and 26). Tamin’ireo filazantsara, dia niresaka ny Ray Izy, ny Raiko. Fa rehefa vita ny asa teo amin’ny hazofijaliana sy ny fitsanganana tamin’ny maty, dia izao no hafatra hoe “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho”. Tsy miteny Izy hoe ny Raintsika, satria ny fifandraisany amin’ny Ray dia ambony lavitra noho izay mety hananan’ny olony amin’ny Ray ; Izy dia mitoetra ho Ilay “Lahimatoa amin’ny rahalahy maro” ; saingy efa naorina ilay fifandraisana, ary naroso ho fiombonana ao amin’ny 1 Jaona 1 : “ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany” (and 3) : firaisana amin’ny Ray momba ny Zanany ; firaisana amin’ny Zanaka momba ny Rainy ; “Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika” (and 4).

Mba manao ahoana moa ny fisitrahantsika izany fiombonana izany isanandro, fiombonana ananan’ny tsirairay rehefa sendra misy fotoana hitoniana iny mandritra ny andro ; fa indrindra fiombonana ananan’ny rehetra miaraka mandritra ny fanompoam-panahy.

 

3  Miray amin’i Kristy

Tao amin’ny toko voalohany momba ny famonjena, dia hitantsika ny fahasoavan’Andriamanitra ho antsika. Tao amin’ny toko faharoa, dia hitantsika ny nanaovany antsika, nataony ho ankohonan’Andriamanitra. Izao indray, amin’ny firaisantsika amin’i Kristy, dia hitantsika ny asany ao anatintsika.

Inona moa ny vokatry ny fahalavoana ? (Genesisy 3).  —“ Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana” (Romana 5:12). Ny ota no mampisaraka ny olona amin’Andriamanitra, ary ny olona amin’ny olon-kafa ; ny fahafatesana dia fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana hita maso ; ho an’ireo izay tsy voavonjy, ny fahafatesana faharoa dia ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra. Ny fifandraisana nananana taminy talohan’ny fahalavoana dia toy ny tapaka. Nefa noho ny asan’ny Zanany, dia be lavitra no nomen’Andriamanitra ; tsy naveriny ny fifandraisana taloha, fa nampiraisiny amin’i Kristy isika.

Satria isika iray amin’i Kristy, dia mitoetra ao anatintsika Izy ary isika ao aminy. Zava-miafina izany taloha (Kolosiana 1:26-27), fa ambaran’ny Fanahy ankehitriny.

Eo imason’Andriamanitra isika dia “ao amin’i Kristy”, ary loha-hevi-dehibe ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana izany ; eto amin’izao tontolo izao, Kristy dia “ao anatintsika”, araka ny hanoritan’ny epistily ho an’ny Kolosiana azy. Ny fahatakarana izany dia manova ny fiainana (Galatiana 2:20).

Ny Romana 6 no manome antsika ny ambangonvangon’io asan’Andriamanitra ao anatintsika io.

 

3.1  Iray aminy, “miara-maniry” aminy

Midika izany fa niara-maty tamin’i Kristy isika (and 6-7) ary niara-nitsangana tamin’ny maty taminy (and 8) (jereo koa Efesiana 2:5-6). Misy ohatra manazava izany ahatakarana azy bebe kokoa : ny “hazo dia” dia mitondra voa tsy misy vidiny na tsy azo hohanina mihitsy aza. Tapahina ny rantsan’ilay hazo, avela ny vatany sy ny fakany. Dia hanisihina sampany avy amina hazo nambolena tsara ilay “hazo dia” teo, asiana grefy. Dia hiova io “hazo dia” io, ka hanjary hitovy amin’ilay hazo nanaovana grefy azy.

Ny resahina izany eto dia ny finoana fa nampiraisina tamin’i Kristy isika, tamin’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty. “Ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy” (and 11). Avy eo dia tsy maintsy aseho ny toetrantsika ao amin’i Kristy, na, araka ny filazan’ny apostoly, “handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao” (and 4).

Hazavain’ny Efesiana 4:22-24 kokoa io fiovana io : “mba hialanareo ny toetranareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka ”. Ilay hoe “mba hialanareo” amin’ny teny grika dia “aoriste”, izany hoe milaza zavatra natao tamin’ny fotoana voatondro efa lasa. Ny naha isika antsika taloha dia nialantsika, na mbola ao anatin’ny mpino ihany aza ilay toetra mpanota. Ny tambin’izany dia “mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana”. Ny hoe “mba hotafinareo” ihany koa dia “aoriste”, zavatra efa vita. Eto izany dia tsy hoe mamerimberina “hitafy” foana, fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra, ilay olona “ao amin’i Kristy” dia efa nitafy ny toetra vaovao. Andriamanitra no namorona io olom-baovao io.  Fa ny hoe “mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo” dia enti-milaza ny ankehitriny : isanandro ny fanahin’ny saintsika, izany hoe ny loharanon’ny eritreritsika, dia tokony havaozina amin’ny alalan’ny Teny sy ny asan’ny Fanahy Masina izay manazava izany teny izany kokoa amintsika, ao anatin’ny fiombonana amin’Andriamanitra. Izany no lazain’ny apostoly ao amin’ny 2 Korintiana 4:13 : “havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny”.

Ny epistily ho an’ny Kolosiana no manatsoaka hevitra hampiharina andavanandro avy amin’io fahafatesantsika sy fitsanganantsika miaraka amin’i Kristy io : “Ary raha niara-maty tamin’i Kristy ianareo ... nahoana no ... mety hodidiana hoe : Aza mandray, aza manandrana, aza manendry ... araka ny didy sy ny fampianaran’olona ?” (2:20-22). Nahoana moa isika no hametraka didy, fitsipika, lalàna, izay natao ho an’ny olona mbola tsy navaozina indray ? Izany no atao hoe fatra-pandala lalàna (fanarahan-dalàna diso tafahoatra). Fa “raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony... Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra” (3:1-3). Natsangana tamin’ny maty isika : ny fahasoavan’Andriamanitra no nanao izany. Anjarantsika izany ny mitady ny zavatra tsara, ny zavatra any ambony, ny misaintsaina izany, ny mikolokolo io fiainana ananantsika ao amin’i Kristy io.

Mba hanaovana an’izany dia zava-dehibe tokoa ny hoe “vonoy ny momba ny tenanareo” (and 5), izany hoe tsy homen-kanina ireo fitondrantena adala araka ny nofo ; dia ilaina ihany koa ny manala ireo fisehoan’ny toetra voajanahary ananantsika (and 8) ; ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra mihitsy no ilaina amin’izany. Dia indreto ny zavatra tsara : “Mitafia...” (and 12-15) ny toetra rehetra vokatry ny aim-baovao. Mba hahatanteraka izany dia “Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo” (and 16).

 

3.2  Nafahana

Milaza mazava ny Romana 6:14 hoe : “Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo ; fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fahasoavana”.

Izany tsy milaza hoe tsy hanota intsony ny mpino, fa hoe afaka amin’ny fanandevozan’ny ota. “Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay” (and 22). Ny olom-boavidin’i Kristy dia niova tompo : “Na dia efa mpanompon’ny ota aza ianareo ... natao afaka tamin’ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana” (and 17-18). Ahoana moa no hahatonga izany? Ny Romana 8:2 no manome ny valiny : “Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana” —ny atao hoe lalàna eto (toy ny ao amin’ny 7. 21 koa) dia tsy ny lalanan’i Mosesy tsy akory, fa fitsipika iray tsy miova fiasa, toy ny lalanan’ny fifampisintonan-kery (na “gravitation”), sns.

 

3.3  Natolotra

Aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ ny tsy fahamarinana ; fa atolory ny tenanareo ho an’Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona” (Romana 6:13). Maty tao amin’ny fahadisoantsika sy fahotantsika isika, sangy efa novelomina miaraka amin’i Kristy (Efesiana 2:1, 5, 13). Amin’ny maha velona antsika, niara-natsangana tamin’ny Tompo, dia antsoina isika hanome izay rehetra an’ny Tompo, hampiasany azy araka izay ilainy : “Tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo” (1 Korintiana 6:19-20).

Ny Romana 12:1 dia mitovitovy amin’izany ihany : “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Rehefa tsapantsika ny fitiavan’Andriamanitra, izay nanao zava-dehibe ho antsika toy izao, ka tsy hisy hahasaraka antsika amin’izany (Romana 8:38-39), dia antsoina isika hanolotra ny tenantsika ho fanatitra velona. Andriamanitra tsy mangataka amintsika mba hanolotra ny tenantsika ahazoana ny fahasoavany, na ny fankasitrahany ; fa isika no manao izany satria Izy efa nitia antsika hatramin’ny nanolorany ny Zanany, Izy nitia antsika hatramin’ny fahafatesana. Izany no isan’ny “fanompoam-panahy” (asa = latreia) tsara mety ataontsika.

Koa tsy hoe tokony hitondra tena araka ny fahazaran’ny tontolo manodidina antsika isika, tsy  “hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao ; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina”, ny eritreritsika anatiny ao, ka tsy hitovy toy ny taloha intsony. Amin’izay isika dia afaka hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, ka hanao izany.

Ny miaina zavatra toy izany isanandro isanandro dia manova tanteraka ny fiainana. Ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra no ilaina amin’izany, Fanahy izay tsy malahelo noho ny fahadisoana tsy notsaraina.

 

3.4  Ao amin’i Kristy

Hoy ny Tompo Jesosy, talohan’ny handaozany ny mpianany, raha nanambara ny fiavian’ny Fanahy Masina : “Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko (jereo 14. 10), ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo” (Jaona 14:20). Koa notarihin’ny Fanahy Masina ireo mpanoratra ny epistily hamelabelatra kokoa izay nolazain’i Jesosy ary mbola tsy takatry ny mpianatra (Jaona 16:12).

Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, ... nitahy antsika tao amin’i Kristy ...  araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (Efesiana 1:3-4). Tsy vitan’ny hoe navelany ny helotsika sy nohamarininy isika, fa koa nasoavany “maimaimpoana ao amin’ny Malala” (and 6).

Ao amin’ny Levitikosy 1 hatramin’ny 7, ny fanatitra noho ny ota dia nifarana tamin’ny famelan-keloka. Ny fanati-pihavanana dia mitondra ho amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra. Ny Israelita dia nanolotra fanatitra ho dorana, fanatitra izay ho an’Andriamanitra manontolo, tsy hoe mba ho voavela heloka, fa “mba hankasitrahina eo anatrehan’i Jehovah izy” (Levitikosy 1. 3).

Araka ny efa hitantsika, “raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra” (2 Korintiana 5:17-18). Mitarika ho amin’ilay tsoa-kevitra ao amin’ny Romana 8:1 hoe : “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy”. Misy lafiny iainana amin’izany izay velabelarin’ny Tompo Jesosy Izy tenany mihitsy : “Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy” (Jaona 15:5).

Ary ny anjara tsaran’ny mpino, amin’ny fiafaran’ny fiainany, dia ny modimandry “ao amin’ny Tompo” (1 Korintiana 15:18).

 

3.5  Kristy ao anatintsika

Zava-niafina izany fa aseho amin’ny mpino ankehitriny ; tian’Andriamanitra ho fantatra ny harena entin’izany, ary fintinina amin’ny hoe : “Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra” (Kolosiana 1:26-27).Tao amin’ny fampianarany, dia nilaza i Paoly fa niady araka ny fiasan’ny herin’ny Fanahy Masina ao anatiny, “mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’i Kristy [ny olona] rehetra” (and 29 sy 28). Andaniny, “tanteraka ao amin’i Kristy”, ankilany “Kristy ao anatinareo”. Izany no tombontsoan’ilay “olom-baovao”, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara, ary “Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra” (Kolosiana 3:10-11).

Ny fiainana izany noho ny herin’ny Fanahy sy amin’ny fiombonana amin’ny Tompo no fahasoavana tsara indrindra omena ny mpino eto an-tany : “mba homeny anareo, araka ny harenan’ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny ny toe-panahinareo ; mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana” (Efesiana 3:16-17). Fankasitrahana toa inona no asehon’ny apostoly raha milaza izany ! “Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).

 

4  Vatana iray

4.1  Natao batisa tamin’ny Fanahy iray

Tsy fihevitr’Andriamanitra ny hijanonan’ny mpino ho irery. Fa nampahatsiahy i Jaona hoe : “Jesosy ho faty hamonjy ny firenena ... mba hanangona ny zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray” (Jaona 11:51-52).

Jesosy mihitsy no efa nilaza hoe : “Ambonin’ity vatolampy ity (Kristy, Zanak’Ilay Andriamanitra velona) no haoriko ny fiangonako ” (Matio 16:18). Nilaza zavatra ho avy Izy. Tsy maintsy tonga teto an-tany tamin’ny Pentekosta aloha ny Fanahy Masina, vao natao batisa ho iray ireo olom-boavidy rehetra : “Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo” (1 Korintiana 12:13).

Tamin’ny fiandohan’ny Asan’ny Apostoly, dia Jiosy avokoa ireo mpino. Nirahina nankany amin’i Kornelio, izay mpifehy miaramila romana, i Petera (Asan’ny Apostoly 10) ; ireo izay voatery niely noho ny raharahan’i Stefana, dia nandalo tany Antiokia ary nanambara ny Filazantsara tamin’ny Grika ; dia nanomboka nisy tsy Jiosy tafiditra tao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, ary nandray ny Fanahy Masina (Asan’ny Apostoly 8).

Noho izany batisa ara-panahy izany, dia nanjary vatana iray ny Jiosy sy ny jentilisa : “... ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny filazantsara” (Efesiana 3:6). Ny Jiosy sy jentilisa dia nihavana “ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana... Fa Izy (Kristy) no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray” (Efesiana 2:16-18).

Betsaka ny boky azo vakiana sy tadidiana momba ny fiangonana, ary ilaina tokoa izany. Saingy tsy ampy izany hahatanterahana ny fivoriana manodidina ny Tompo. Tsy maintsy hambaran’ny Fanahy Masina amin’ny fanahintsika sy ny fontsika ny lanjan’ny Eglizy ho an’i Kristy (grika : ekklesia, ‘nantsoina hivoaka ivelany’, anglisy : church, alema : Kirche ; grika : kuriake ‘ilay an’ny Tompo’; fiangonana : ‘ilay mivory manodidina ny Tompo’).

Kristy no Lohan’ny tena (Efesiana 1:22; Kolosiana 1:18). Ny olom-boavidy no rantsam-batan’ny tena (1 Korintiana 12:27; Romana 12:5). Ny rantsam-batana dia mifameno, samy manana ny asany tsirairay.

Eo imason’Andriamanitra, ny Fiangonana, ny Eglizy, dia iray ihany. Ny mandrafitra azy dia ireo rehetra efa nateraka indray, nandray ny Fanahy Masina ka noho izany, natao batisa ho tena iray. Zava-dehibe ny mihazona io firaisan’ny Fanahy io, firaisana vokatry ny Fanahy, zava-misy tokoa ho an’ny mason’ny finoana, sy mivory tsotra fotsiny ho toy ny rantsam-batan’io tena io, fa tsy mametraka rafitra hafa (Efesiana 4:3), “ mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy”.

Raha ny tena izy izany, ny fiangonana dia tsy hoe rafitra misy ahy, fa vatana misy aina, vatan’i Kristy, ary anisany aho satria mino, na fantatro izany na tsia. Koa zava-dehibe izany ny mivory amin’ny anaran’ny Tompo, mahazo antoka fa manatrika eo Izy (Matio 18:20), misaraka amin’ny faharatsiana ara-poto-pampianarana sy ara-pitondrantena, fa kosa anisan’io vatana io tsotra fotsiny, na dia tsy mampiseho afa-tsy ampahany kely amin’io vatana io aza ny fivoriana misy ahy. Dia afaka miara-mitsaoka am-pifaliana isika, miara-mivavaka, miara-miorina.

 

4.2  Samihafa nefa iray

Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,  dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra” (Romana 12:4-5). Misy andininy hafa, toy ny ao amin’ny 1 Korintiana 12 sy Efesiana 4, manamafy izany fahamarinana izany.

Izao no hevitra tokony iainana notsoahin’i Petera tamin’izany : “Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samihafa izay an’Andriamanitra” (1 Petera 4:10).

Marihina amin’ireo teny rehetra ireo ny fanomezam-pahasoavana maro samihafa ; samy nandray fanomezam-pahasoavana ny tsirairay ; antsoina isika hampiasa izany ho an’ny hafa, satria tonga saina amin’ny fahasoavana nomen’Andriamanitra antsika. Nefa zava-dehibe ihany koa ny hoe tokony hanana fisainana madio ny tsirairay, “araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy” (Romana 12:3) — “araka ny ohatry ny voafaritr’Andriamanitra ho anjaranay” (2 Korintiana 10:13).

Ny loza, momba ny fanomezam-pahasoavana iray, dia ny tsy hampiasana izany ho fanasoavana ny hafa, satria manambany tena (1 Korintiana 12:15-17) ; na ny mifanohitra amin’izany, mampiasa izany fa mihevi-tena ho ambony noho ny sasany, ka milaza na mieritreritra hoe “Tsy mila anao aho” (1 Korintiana 12:21-25 ; jereo koa Romana 12:3).

 

4.3  Mpitsaoka

Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany”. Izany no asa lehibe indrindra azon’ny mpino hatao eto an-tany, ary io ihany no hitohy any an-danitra (Jaona 4:23 ; Apokalypsy 5). Ny mitsaoka amin’ny fanahy, “manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra” (Filipiana 3:3), dia tsy toy ny tao amin’ny Testamenta Taloha intsony, hoe fanompoam-pivavahana ara-nofo, misy fety lehibe, sorona, fombafomba. Fa atao amina fihirana ara-panahy, vavaka fitsaohana, “vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany” (Hebreo 13:15) : fitsaohana mipololotra avy ao am-po, izay tonga vokatry ny molotra rehefa matotra. Tsy hoe famerimberenana fehezan-teny mitovy foana mandritra ny vavaka, na fihirana hiraina tsianjery, tsy mihevitra izay dikany akory, na Izay iantefany !

Ny mitsaoka ny Ray amin’ny fahamarinana, dia ny manao izany araka ny fanambarana izay nataony, Izy tenany amin’ny maha Ray Azy, fa tsy amin’ny maha Jehovah na Ny Avo indrindra Azy.

Ny tsirairay dia afaka “mandrakariva” (Hebreo 13:15) misaotra an’Andriamanitra manokana noho ny nanavotany sy nitahiany azy. Saingy, araka ny Teny, ny tena fanompoam-panahy dia ataon’ny besinimaro : “Atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (1 Petera 2:5).

Arakaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ny fanompoam-panahy dia hiantefa amin’ny Ray na amin’ny Zanaka, satria Izy namonjy antsika ary nanomana antsika ho amin’ny voninahitra, ary tsy izany ihany, fa mba hiresahana amin’ny Ray ny fahatsaran’ny Zanany sy ny asa nataony, ary mba hampahatsiahivana ny fitiavan’ny Ray hatrany amin’ny fahafatesana, izay hany nahafahantsika nanatona an’Andriamanitra toy ny mpitsaoka.

Fahasoavan-dehibe !

Natao sorona Ianao,

Nafoinao ny ainao,

Latsaka ny ranao,

Ka afaka ny mino,

Ao amin’ny fitoera-masina,

Mitsaoka ny Rainao

Sady Andriamanitray.

(H. Rossier)

 

Ny Fanasan’ny Tompo no ivon’ny fanompoam-panahy. Ny vavaka fitsaohana, ny fihirana ara-panahy, dia miakatra ho any amin’Andriamanitra, mba hanambara izay nataony tao am-pontsika. Ny fandraisana anjara am-pahanginana amin’ny tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesan’ny Tompo dia mampahatsiahy, am-pahatsorana sy araka ny tena dikany lalina, fa tia antsika Kristy hany ka maty teo amin’ny hazofijaliana, ary ny zavatra rehetra nataony dia ho voninahitr’Andriamanitra. “Manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-piaviny” (1 Korintiana 11:26). Ny fanompoam-panahy hitsaohana dia haharitra mandrakizay. Fa ny Fanasan’ny Tompo kosa dia ho an’ny tany ihany !

Rehefa mandray anjara amin’ny mofon’ny Fanasan’ny Tompo isika dia manambara ihany koa fa “tena iray ihany isika na dia maro aza ; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa” (1 Korintiana 10:17). Ataontsika an-tsaina sy am-po avokoa ireo olom-boavidin’ny Tompo rehetra, izay mandrafitra io tena io, araka ny ahitan’ny Tompo azy, na dia tsapantsika aza ny tsy maha eo ireo sasany rehefa mivory ho tahaka ny rantsam-batan’io tena io isika, fa tsy amina anarana hafa.

 

5  Omem-boninahitra

Ao amin’ny vavaka nataon’ny Tompo Jesosy ao amin’ny Jaona 17, dia manavaka zavatra telo samihafa Izy :

eo amin’ny and 11, dia miresaka ireo mpianany aloha Izy : “tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny maha-iray antsika”. Dia mivavaka “ho an’izay mino Ahy koa ...  mba ho iray ihany izy rehetra ... mba ho ao amintsika koa izy ” (and 21). Farany, rehefa miresaka ny voninahitra Izy, dia mivavaka “mba ho tanteraka ho iray izy” (and 23).

Eo imason’Andriamanitra, ary eo amin’ny mason’ny finoana, ny ankohonany, ny zanany rehetra dia iray ao amin’i Kristy. Indrisy fa eo imason’izao tontolo izao izy ireo dia miparitaka. Saingy ny fanantenana mahafaly azy ireo dia ny “ho tanteraka ho iray ao amin’ny voninahitra.

 

5.1  Ny fitsanganana amin’ny maty

Avahan’ny Teny ny fitsanganana amin’ny maty ara-panahy misy amintsika amin’izao fotoana izao —natsangana niaraka tamin’i Kristy isika, araka ny efa hitantsika teo aloha— sy ny fitsanganan’ny vatana rehefa hiverina ny Tompo Jesosy mba haka ny olony hiaraka aminy.

Tany Korinto, dia nisy niteny, momba ny vatana hoe : “tsy misy fitsanganan’ny maty” (1 Korintiana 15:12). Dia hoy ny apostoly : “Fa raha tsy misy fitsanganan’ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana ; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” (and 13. 14). Dia ampiany hoe : “dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika” (and 19). Am-pandresena no hamaranany hoe “Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodimandry” (and 20). Ary ampiany hoe : “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy... Kristy no santatra ; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny fiaviany. Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany” (and 22-24).

Ny fitsanganana amin’ny maty no fototry ny Filazantsara. Ny herin’Andriamanitra rehetra no nilaina hananganana an’i Kristy tamin’ny maty (Efesiana 1:19-20). Io hery io ihany koa no miasa “ho antsika izay mino”. “Ny filazantsara ... [no] herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino” (Romana 1:16).

Tsy ny fiainana mandrakizay ho an’ny fanahin’izay mino ihany, fa ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty ihany koa : “... avy any koa (avy any an-danitra) no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiàsan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy” (Filipiana 3:20-21). Ny Tompo Jesosy mihitsy no efa niteny hoe : “Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra ; ary izay mandre dia ho velona” (Jaona 5:25). Eto dia ny fitsanganana ara-panahy miaraka amin’i Kristy no resahina. Saingy manampy ny Tompo hoe : “fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony ; dia hivoaka izy : izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana” (and 28-29). Eto dia ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty. Tsy milaza Izy hoe efa ankehitriny izany.

Ao amin’ilay fanambarana lehibe ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:15-18, dia lazaina mazava hoe : “Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra ... ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika”. Koa raha mieritreritra ireo izay nalevina ka efa tsy misy na inona na inona tafajanona intsony isika, na ireo maty an-dranomasina, na ireo nodorana noho ny fanenjehana azy, ohatran’ny inona ny fotoana ilaina ahatanteraka io fitsanganan’ny tena amin’ny maty io ? —“Toy ny indray mipy maso”, ireo rehetra maty tao amin’i Kristy, na ny olona masina tamin’ny Testamenta Taloha, na ny mpino tamin’ny andron’ny fahasoavana dia “hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana” (1 Korintiana 15:52).

 

5.2  Ny tribonalin’i Kristy

Mazava ny tenin’ny Tompo Jesosy hoe : “Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24). Ary manamafy ny Romana 8:1 hoe : “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy”.

Nefa manambara ny 2 Korintiana 5:10 hoe : “Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy”. Ary ny Romana 14:10 sy 12 dia manazava hoe : “Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra... Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra”. Amin’ireo andininy ireo, dia tsy fitsarana no resahina fa kosa “ho hita toetra miharihary” isika, izany hoe “hiseho”... na amin’ny tsara na amin’ny ratsy. Azo heverina hoe ireo fahadisoana rehetra teo amin’ny fiainany no handalo eo imason’ilay mpino, hazavaina feno noho ny fanatrehan’Andriamanitra. Tsy hoe hohelohina, fa kosa hahatonga saina ilay mpino, mihoatra noho izay efa tsapany teto an-tany, fa manan-danja tokoa ny ran’i Kristy izay namafa ny fahotany rehetra, noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Ary raha toa misy “tsara” hita ka ahazoana valisoa, na satroboninahitra, dia io fahazavana avy amin’Andriamanitra io no hampibaribary fa ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra tao amin’ilay mpino no nahatonga zavatra tsara.

Momba ny asa indray, “haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra ; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy ; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany izy” (1 Korintiana 3:13-15).

Momba ireo valisoa indray, izay nahatoky tamin’ny fiandrasana “ny ondrin’Andriamanitra”, dia “hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba” (1 Petera 5:2, 4).

Izay nahatoky tamin’ny ady sy ny hazakazaka dia handray satroboninahitra “tsy mety ho lo” (1 Korintiana 9:25).

 “Izay rehetra tia ny fisehoany”, izany hoe tsy matahotra ny andro hanehoana mazava ny zavatra rehetra eo anatrehan’Ilay “Tompo, Mpitsara marina”, dia handray “ny satroboninahitry ny fahamarinana” (2 Timoty 4:8).

Izay “olona maharitra fakam-panahy ... rehefa voazaha toetra”, izay “mahatoky hatramin’ny fahafatesana”, dia handray “ny satroboninahitra fiainana” (Jakoba 1:12; Apokalypsy 2:10).

Koa tsy tsara ve raha ankehitriny, na dia amin’ny fahalemena ihany aza, dia efa miaina mialoha ny fahazavan’io andro hahatonga ny zavatra rehetra hibaribary io?

 

5.3  Ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry

Ny Apokalypsy 19:1-9 no hany misy ireo Aleloia (Derao Jehovah) efatra ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary mifandray amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry izany. “Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy ; fa tonga ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry” (and 7). Ilay niharitra fahoriana mafy dia handray ny Vadiny, izay “efa niomana ... ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy ; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon’ny olona masina” (and 8).

Raha niresaka momba ny Fiangonana eto an-tany ny apostoly, dia nilaza hoe : “nataoko fofombadin’ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotro tahaka ny virijina madio ho an’i Kristy” (2 Korintiana 11:2). Raha nantsoina hoe “fofombady” izy teto an-tany; dia hanjary “vady” ao amin’ny voninahitra (Apokalypsy 19:7). Ny Zanak’ondry izay nanolo-tena hamonjy azy dia afaka mifaly. Ilay vady dia nampiankanjoina “rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka” ; ny lazaina eto dia tsy akanjo fotsy, toy ny lazaina matetika hoe nodiovina tao amin’ny ran’ny Zanak’ondry, fa akanjo rongony fotsy madinika, izay “asa marina ataon’ny olona masina”. Azo heverina hoe io akanjo io dia efa nomanina hatrety an-tany, natao tsikelikely, tamin’ireo asa vokatry ny Fanahy Masina (nasaina nitafy izy). Izany no akanjony any amin’ilay fampakaram-bady. Teto an-tany izy dia nanambara ny fahafatesan’i Kristy ; nandray anjara tamin’ny Fanasan’ny Tompo izy, teo amin’ny Latabatry ny Tompo. Fa mandritra ilay fampakaram-bady kosa, Ilay ho banjininy eo anilany dia Ilay “Zanak’ondry...  Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (1 Petera 1:19-20).

 

5.4  Ny voninahitra

Maro ireo fihirana ilazantsika fa amin’ny voninahitra isika dia hahita (marihina fa rehefa miresaka ny “zavatra ankehitriny” ny Apokalypsy 2 sy 3, dia mamarana amin’ny hoe “mihaino”. Manomboka eo amin’ny toko 4, ary efa any an-danitra i Jaona eo, dia averimberina matetika hoe “Ary hitako”).

 

Eo amin’ny endrikao, no hobanjininay

Ny hakanton’Ilay Vady, sy Mpamonjinay ;

Ka dia ho fantatray ny zava-miafin’ny

Fahari-ponao izay tsy mba takatray

Sy ny fahasoavanao ‘zay tsy misy fetra.

(H. Rossier)

 

Ho tanteraka ny vavaka ao amin’ny Jaona 17:24 : “Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy ”, izany hoe ny voninahitr’i Jesosy manokana. Mandritra ny Fanjakana arivo taona, dia hifampizara aminy ny voninahiny amin’ny maha Mpanjaka Azy ny olom-boavidy (2 Timoty 2:12). Io no fahatanterahan’ny “andro fahavalo” amin’ny fetin’ny tabernakely (andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo) (Levitikosy 23. 36), ary mandritra izany dia “hifaly tokoa ianao” (Deoteronomia 16:15).

Fa mbola ho lehibe noho izany ny hafalian’Ilay “nanolotra fanati-panonerana” :  Noho ny fisasaran’ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po” (Isaia 53:10-11).

 

Ivon’ny lanitra ho mandrakizay,

Manana ny voninahitra ambony indrindra,

Hamirapiratra Ianao, ry Kristy.

Ho an’ireo olom-boavidinao rehetra,

Ao an-tranon’ny Ray,

Dia ho hita eo aminao

Ny fahazavan’ny tavany.