Ny Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona

1 Timoty 3:15

 

 

Gibert André

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

Fandaharana

 

1       Fanoloran-Tenin’Andriamanitra

2       Fizarana voalohany : FOTO-KEVITRA MOMBA NY FIVORIANA KRISTIANA

2.1        Ny Eglizy araka ny fihevitr’Andriamanitra

2.1.1         Ny hasarobidiny

2.1.2         Ny ambaran’Andriamanitra momba azy

2.1.3         Ny toerany manokana

2.1.4         Ny firafiny

2.1.5         Fanoharana mampiseho izany maha iray izany amin’ny lafiny samihafa

2.1.5.1     Ny vady

2.1.5.2     Ny Tena

2.1.5.3     Ny tranon’Andriamanitra

2.1.5.4     Ny tanàna masina

2.1.6         Nahoana no misy Eglizy etỳ an-tany?

2.1.6.1     Maneho an’i Kristy amin’ny firaisana

2.1.6.2     Maneho an’i Kristy amin’ny fahamarinana

2.1.6.3     Mivavaka

2.1.6.4     Mitsaoka

2.1.6.5     Miandry ny Tompo

2.1.7         Ny hatsaran’izany tombontsoa manokana izany

2.1.8         Fampitaovana sy fomba ahatanterahana izany

2.1.9         Andraikitra

2.2        Ny nanaovan’ny olombelona ny Eglizy

2.2.1         Ny fiandohana

2.2.2         Nanomboka tamin’ny andron’ny Apostoly ka mandrak’ankehitriny

2.2.3         Ny tontolo kristiana sy ny Eglizy

2.3        Inona no hatao manoloana izao toe-java misy izao?

2.3.1         Ireo karazana vondrona kristiana

2.3.1.1     - Eglizy mitonona ho katolika

2.3.1.2     Eglizy tsy feno

2.3.1.3     Ivelan’ny toby (Hebreo 13:13)

2.3.2         Nofinofy: ny fiverenan’ny tontolo kristiana amin’ny toetrany toy ny tamin’ny andron’ny apostoly

2.3.3         Ny zavatra mitoetra

2.3.4         Ny toetra tsy miova ananan’ny fiangonan’Andriamanitra

2.3.5         Toerana raisina aterak’izany toetra izany

2.4        Raha fintinina:

3       Fizarana faharoa : Ny fomba hivoriana araka an’Andriamanitra

3.1        Ny anarana

3.2        Ny “asa fanompoana”

3.2.1         Ny mpitondra fivavahana sy ny fanompoana ofisialy

3.2.2         Ny “fanomezam-pahasoavana” (*)

3.2.3         Ny “andraikitra” na fanompoana ao amin’ny fiangonana isan-toerana

3.2.4         Fahafahana sy fiankinan-doha

3.2.5         Ny fanompoan’ny vehivavy

3.3        Ny fivoriana

3.3.1         Ny fivoriana antsoina sy ny fivoriam-piangonana

3.3.2         Ny Fiangonana miresaka amin’Andriamanitra

3.3.2.1     Ny vavaka

3.3.2.2     Ny fanompoam-pivavahana

3.3.3         Ny Fiangonana mandray avy amin’Andriamanitra

3.4        Ny fizotran’ny fiangonana

3.4.1         “Marina ao amin’ny fitiavana”

3.4.2         Ny fiangonana mampiasa fahefana amin’ny anaran’ny Tompo

3.4.2.1     Ny sahan’asa tantanin’ny fiangonana

3.4.2.2     Ny fanasàna eo amin’ny Latabatry ny Tompo

3.4.2.3     Ny “fifehezana”

3.4.2.4     Ny fanoavana eran’izao tontolo izao ny fanapahan-kevitry ny fiangonana

3.4.3         Ny “fisaraham-bazana”

4       Fehiny

 

 

 

 

1  Fanoloran-Tenin’Andriamanitra

 

Hoy i Jesosy: “Izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka”  (Matio 12:30)

 

Ity bokikely ity dia natao hampahatsiahivana ny Kristiana ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra momba ny “fiangonan’Ilay Andriamanitra velona” (1 Timoty 3:15), araka ny filazan’ny apostoly Paoly, izay notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra, azy. (*)

 

(*) Ny voambolana hoe eglizy  sy ny hoe fiangonana dia mitovy ihany. Ny iray amin’ireo no ampiasaina ao amin’ireo pejy manaraka. Tsaratsara kokoa ny hoe fiangonana satria mampahatsiahy lalandava ny dikany ifotony, izay mora adino kokoa amin’ny voambolana hoe eglizy.

Mba tsy hisian’ny fahadisoan-kevitra, dia marihina fa ireo voambolana roa ireo dia bodoina antokom-pivavahana miavaka: “Eglizin’Andriamanitra” sy “Fiangonan’Andriamanitra” (“Eglises de Dieu” sy “Assemblées de Dieu”). Saingy tsy ara-drariny izany anarana izany.

 

Ela no tsy dia nahafantarana loatra ity fampianarana ity, ary naverina nasongadina izany tamin’ny fifohazan-dehibe izay nataon’ny Fanahin’Andriamanitra teo anivon’ny tontolo kristiana tamin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-19. Tamin’io fotoana io dia mpino avy amin’ny tany samihafa no nivory tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo tsotra fotsiny ihany, tsy nanaiky fahefana hafa ankoatry ny Baiboly. Fa na ankehitriny aza, dia maro ireo olona maniry hankatò ny Tenin’Andriamanitra, ka mitady ny toerana sy ny fomba hivoriana ivelan’izay mety ho fombafomba ara-pivavahana, amin’ny maha mpiray tam-po azy ireo ao amin’ny finoana kristiana. Koa dia mbola ara-toetr’andro hatrany ity lohahevitra ity.

 

Marina koa fa ny toetry ny tontolo kristiana ankehitriny dia tsy tena mitovy intsony amin’ny taloha, raha nisy mpanompon’Andriamanitra narani-tsaina nampisongadina indray ireo fahamarinana tsy dia fantatra resahintsika ireo. Etsy andaniny, ireo fahamarinana vao nohazavaina indray ireo dia matetika loatra no nolaroina an-kafetsena tamin’ireo fampianaran-diso samihafa; koa tsy mora ny manavaka izay tena avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy izay tsy azo eken’ireo te-hanoa izany Tenin’Andriamanitra izany. Etsy ankilany, ireo “zava-baovao”, izay matetika tsara tarehy, dia manafika antsika hatraiza hatraiza, na amin’ny resaka, na amin’ny boky, na amin’ny toriTenin’Andriamanitra, hany ka ilaina dia ilaina hatrany ny mitandrina ny fifampianarana sy ny fifampirisihantsika, mba hitehirizana “ilay zavatra tsara natolotra, amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika” (2 Timoty 1:14). Niova ny endriky ny tontolo kristiana, fa ny fahamarinana dia mitoetra, ary tsy miova. Nefa tokony hiezaka isika hitady azy, ary hihazona izany amin’ny fo feno fitiavana an’i Kristy.

 

Soritana ihany koa fa matetika loatra no antitranterina ny “fampiharana” ny fizotra nefa adino ny manamafy orina izany. Koa tandidomin-doza isika hanaraka amin’ny ankapobeny fombafomba heverina ho marina, satria izany no nataon’ireo teo aloha, ary mianona amina karazana didy aman-dalàna fotsiny, na dia tsy miaiky izany aza isika. Ny zava-dehibe dia tsy maka tahaka fotsiny ny nataon’ireo mpitondra taloha fa miverina any amin’ny loharano nantsakainy. Ny “finoany” no tokony alaintsika tahaka, ary “ny niafaràn’ny fiainany” no tokony heverina (Hebreo 13:7). Ny fiainany, ny fitondrantenany dia vokatry ny finoany. Azontsika hamarinina lalandava amin’ny Tenin’Andriamanitra ve —amin’ny Fanahy fa tsy hoe ara-bakiTenin’Andriamanitra ihany— ny fomba amam-panao izay, na dia tena tsara aza, dia nentim-paharazana fotsiny raha tsy izany, ary mitondra ho amin’ny fahazarana?

Enga anie io Tenin’Andriamanitra io sy io Fanahy io no hampianatra antsika ankehitriny amin’ity fandalinana ny fihevitr’Andriamanitra momba ny fiangonan’ny mpino ity.

 

 

2  Fizarana voalohany : FOTO-KEVITRA MOMBA NY FIVORIANA KRISTIANA

 

Ny fiangonana araka ny fihevitr’Andriamanitra

Ny nanaovan’ny olombelona ny fiangonana

Inona no atao manoloana izao toe-javatra ankehitriny izao?

 

Mahalana dia mahalana ny fampianarana sy ny fampirisihina ao amin’ny Testamenta Vaovao no mikasika kristiana amin’ny maha-olo-tokana azy, fa kosa amin’ny maha-isan’ny fikambanana iray azy, dia ny fikambanan’ny “olo-masina” (*). Izany maha “masina” azy izany moa dia tsy vokatr’izay mety ho fahamendrehana eo aminy; masina izy noho ny antson’Andriamanitra sy noho ny maha tanteraka ny asan’i Kristy. Izy rehetra dia “rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra” (Hebreo 3:1). Miantefa kokoa amin’ny vondrona ireny fampianarana ireny. Na dia mandidy an’iza na iza miantso ny anaran’Andriamanitra aza i Paoly mba hiala amin’ny ratsy, na mampirisika an’i Timoty amin’ny famerimberenana hoe: “Fa ianao kosa…” dia mampitodika ny sain’ny mpino any amina fikambanana azony sy tokony iarahany mba hanompoana ny Tompo izy: ny voambolana ampiasainy amin’ilay didy omeny ao amin’ny 1 Timoty 6:11 “mandosira… miezaha” dia mbola miverina ao amin’ny 2 Timoty 2:22, saingy ampiarahiny amin’ity torolalana sarobidy ity, ho amin’ny andron’ny faharavana izay mbola hiha-mafy: “amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio”.

 

(*) Romana 1:7; 1 Korintiana 1:2; 14:33; 16:1; Joda 3, sns

 

Misy lanjany lehibe tokoa izany ny ahafantarana hoe nahoana, aiza, ahoana, miaraka amin’iza, isika no hivory araka ny fiheveran’Andriamanitra azy.

Matetika loatra no anarahana fotsiny ny fombam-pianakaviana momba izay lohahevitra izay, na ny fomban’ny tontolo misy anao na ny fomban’ny taninao. Ny tontolo kristiana dia voarafitra vondrona maro  dia maro samy mitonona ho kristiana, ary ny sasany amin’izy ireny aza dia minia mitondra, ara-panjakana aza, ny anarana hoe eglizy (na fiangonana), misy fanampiny kely mampiavaka azy: eglizy katolika isan-karazany, eglizy anglikana, protestanta, loterana, presbyteriana, metodista, ara-pilazantsara tsy miankina, batista, fiangonan’Andriamanitra, fiangonana ara-pilazantsara, sns. Lava raha ho tanisaina daholo izany anarana izany.

Maro ny olona mahitsy fo no onena amin’izany fitsitokotokoana izany, ka miasa amin’ny lafiny samihafa mba ahatanterahana ny atao hoe maha-iray ny fiangonana. Ny ataony amin’izany dia mampivory olona avy amina “eglizy” samihafa mba hitady izay hifanarahana amin’ny foto-kevitra sasantsasany izay iraisana. Mampalahelo anefa fa ireny foto-kevitra ireny dia tsy ny tena zava-dehibe, izany hoe ny tena foto-kevitra amin’ny foto-pinoana. Moa ve ireo mpanandratra tena resy lahatra an’io hetsika iraisam-pinoana io (izany hoe eran-tany), mba mety hifanaraka tanteraka amin’ny famaritana ny atao hoe “kristiana”? Koa ahoana izany no hamaritana ity atao hoe “Eglizy eran-tany” izay lazain’ny litorjia maro fa iankinany ity? Inona no holazaina manoloana ny tsy fitovian-kevitra momba ny tsindrimandry nahazoana ny Soratra Masina, ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy, ny fahamarinan’ny nitsanganany tamin’ny maty? Moa mety hitovy aza ve ny fandraisana ny atao hoe Andriamanitra? Inona izany sisa tavela?

Marina fa te hifaly isika amin’izay mety hampiray ny olona am-pilaminana. Manaiky isika fa tsara tokoa, eo imason’ny olombelona, ny fanambaràna hoe samy mifantoka amin’ny fampianaran’i Kristy, manantena fa mba hanatsara izao tontolo izao izany, raha toa ka azo hatsaraina izao tontolo izao. Vao mainka faly kokoa isika raha mieritreritra fa maro ireo olona mifantoka amin’izany asa izany ary tsy azo lavina fa manao izany an-kitsim-po, no tena zanak’Andriamanitra tiany. Nefa amin’ny lohahevitra toy itony, tsy ampy ny fahitsim-po. Raha ny marina mantsy, ny olona dia mikaroka izay hanaovana marimaritra iraisana fa tsy manova ny tena faharesen-dahatra anaty; miezaka ny hanorina Eglizy iray fa avela eo ihany ireo eglizy samihafa sasany. Nefa ny azo lazaina dia izao:  ireny ezaka feno fahalalahana ireny dia tsy miankina an-kitsim-po amin’ny Tenin’Andriamanitra momba ny tena maha-iray ny kristiana sy momba ny fiangonana araka ny heviny.

Amin’io Tenin’Andriamanitra io no tokony hitodihantsika.

Ny zavatra voalohany sady mafonja indrindra hitantsika ao dia tsy miresaka “eglizy” samihafa na oviana na oviana izy, eglizy izay iparitahan’ny mpino ary tokony hampiraisina. Aminy ny mpino dia ao anaty Eglizy iray ihany: mety ho maro ny fisehoan’izany isan-toerana, marina izany, saingy ny tsirairay amin’ireny fiangonana isan-toerana ireny dia fanehoana ny fiangonana iray ihany. Tsy mahalala Eglizy hafa ankoatran’io ny Tenin’Andriamanitra. Io no tena atao hoe “Eglizy eran-tany”.

Ny mahatonga ny fisavorovoroana lehibe dia ny fampifangaroana foana foto-kevitra roa samihafa mihitsy: an-daniny, ny Eglizy araka ny maha-izy azy eo imason’Andriamanitra, ankilany ny toetra nomen’ny olombelona io Eglizy io etỳ an-tany. Ny fikasana sy ny fihevitr’Andriamanitra an-daniny; ny andraikitry ny olombelona sy ny vokatry ny asany, ankilany. Fa mba hahafantarantsika hoe ahoana no tokony hitondrantsika tena ao anatin’ny Eglizy amin’izao toerana misy azy izao etỳ an-tany, dia tsy maintsy mamaritra marina ny atao hoe Eglizy eo imason’Andriamanitra aloha isika.

 

2.1  Ny Eglizy araka ny fihevitr’Andriamanitra

2.1.1  Ny hasarobidiny

Alohan’ny zava-drehetra, dia tsara raha mitombina aloha ny saintsika manoloana ny Tenin’Andriamanitra manambara ny hasarobidin’ny fiangonana ho an’i Kristy, ny hasarobidiny ho an’Andriamanitra.

 

Hoy Kristy miantso azy: “ny Fiangonako” (Matio 16:18), ary na dia io ihany aza dia maneho ny ambo diso toeran’ny olona rehefa te-hamorona ny Fiangonany izy. Eglizin’i Kristy io. Izy no mamorona azy. Manana fahefana aminy Izy, Azy izany. Ny Efesiana 5:25 no mamaritra izany fahefany izany, dia ny fahefan’ny fitiavana; lazainy amintsika ny vidiny nahazoany io Fiangonana io: “Ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”. Ilay mpandranto  ao amin’ny fanoharana dia nivarotra izay rehetra nananany mba hividianana ilay vatosoa sarobidy (Matio 13:46), nefa be noho izany no naloan’i Kristy: ny ainy no nomeny ho an’ny Fiangonana.

 

Ao amin’ny Soratra Masina anefa, dia vitsy kokoa ny anarana hoe Fiangonan’i Kristy noho ny hoe Fiangonan’Andriamanitra. Mbola manandratra avo kokoa ny toerana misy azy — raha azo atao izany — ao amin’ny fihevitra sy ny fitiavan’Andriamanitra izany, satria “Andriamanitra no Lohan’i Kristy” (1 Korintiana 11:3). Nanafatrafatra ny loholona tao Efesosy i Paoly mba “hiandry ny fiangonan’Andriamanitra”, ary ampiany eo no ho eo hoe: “izay novidiny tamin’ny rany” (Asan’ny Apostoly 20:28).

 

Aoka ny tsirairay handanjalanja izany fomba fitenenana izany. Ny lohahevitra momba ny Eglizy dia tsy navela ho an’ny fiheverantsika manokana, ary izay adihevitra momba azy dia misy fiantraikany tokoa. Izany no vidin’ny Eglizy hanombanan’i Kristy azy, hanombanan’Andriamanitra azy. Ka tsy ho malina tanteraka ve isika hikatsaka hoe inona no maha-izy azy, ahoana no tokony hitondrantsika tena manoloana azy, inona no anjara asa sy ny toerana omen’ny Tenin’Andriamanitra azy etỳ an-tany, inona ny fanantenany, inona no hoaviny? Dia ny olombelona ve no hamolavola azy araka izay sitrapony?

 

Zava-doza tokoa izany hoe “manao tsinontsinona ny Fiangonan’Andriamanitra” izany (1 Korintiana 11:22). Izay mety ho fanamaivanana sy tsy firaharahiana azy dia manaporofo fa tsy liana amin’izay zavatra tian’Andriamanitra isika, amin’izay zavatra tian’i Kristy (Apokalypsy 3:9). Ny ran’ny Zanak’Andriamanitra, ny sorona nataon’i Kristy, ny fitiavan’i Kristy ve dia tsy hahatohina antsika? Sa faly fotsiny isika, amin’ny fitiavan-tenantsika, mahalala fa voavonjy, ka tsy manisy vidiny izay sarobidy amin’ny fon’ny Mpamonjy antsika?

 

2.1.2  Ny ambaran’Andriamanitra momba azy

Aoka tsy hatahotra ny hanitatra io lohahevitra io isika. Tsy ho mari-pototra mihintsy ny fijerentsika izay rehetra mahakasika ny Eglizy raha tsy marihintsika tsara izay lazain’ny Soratra Masina momba ny tanjon’Andriamanitra mikasika azy, mba hanehoana ny voninahiny.

 

Hatrizay ary ho mandrakizay, ny Eglizy dia natao hiara-hizara ny voninahitr’i Kristy aminy, ilay Olona neken’ny Zanak’Andriamanitra halaina endrika, mba ho faty ho antsika ary mipetraka any an-danitra eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra ankehitriny, rehefa natsangana tamin’ny maty. Tsy ho ela, araka “ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony”, dia hangonin’Andriamanitra “ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy…” (Efesiana 1:9-10). Hiray amin’io manam-pahefana io ny Eglizy. Nomena ny Eglizy i Kristy mba “ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra”, ary mba hiraisan’ny Eglizy Aminy toy ny tenany mihitsy, “dia ny fahafenoan’Izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ny rehetra” (and 22-23). Tsy tanteraka i Adama raha tsy nisy i Eva. Ilay Nitsangana tamin’ny maty am-boninahitra koa dia tsy tanteraka raha tsy misy ny Eglizy. Izany hoavy izany no namoronana azy.

 

2.1.3  Ny toerany manokana

Izany no mahatonga ny toerana manokana nomena ny Eglizy etỳ an-tany. Tsy naman’izao tontolo izao ny mpino satria tsy naman’izao tontolo izao i Kristy (Jaona 17:14); noho izany, ny Eglizy koa dia tsy naman’izao tontolo izao.

 

Izany fisarahana izany dia nampiharina mazava tokoa ao amin’ny Asa 2:47 sy 5. 14, momba an’i Jerosalema; ary momba ny Jiosy amin’ny ankapobeny ao amin’ny 18. 7 sy 19. 9; ny fisarahany tamin’ny jentilisa moa dia mandeha ho azy (Galatiana 1:4; 1 Korintiana 12:2; sns) . Ao amin’ny 1 Korintiana 10:32 no ahitana tsara izany fanavahana izany: “Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy, na ny jentilisa, na ny fiangonan’Andriamanitra”. Ny Jiosy no vahoakan’Andriamanitra tetỳ an-tany, nefa tsy hoekena ho izany intsony mandritra ny fotoana voafetra; ny Grika no misolo toerana ny olombelona sisa; ny ao amin’ny “fiangonan’Andriamanitra” kosa dia tsy Jiosy, tsy Grika intsony, fa “iray ao amin’i Kristy Jesosy” (Galatiana 3:28).

 

2.1.4  Ny firafiny

Ireo olona manana ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy, ny fiainan’Andriamanitra, ary ireo irery ihany, no mandrafitra ny Eglizy. “Fa fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy, na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroana ny Fanahy iray” (1 Korintiana 12:13). Mazava ho azy fa io “isika” io dia ny apostoly sy ireo izay andefasany ny taratasy, izany hoe ireo “izay nohamasinina ao amin’i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina” (1 Korintiana 1:2). An’i Kristy izy ireo, Izy no “Tompony sy tompontsika”. Novidiny ho an’Andriamanitra tamin’ny rany ireo, ary ny Fanahiny no mitoetra ao anatin’izy ireo. “An’i Kristy” (Galatiana 3:29) izy ireo. Mitovy ny handraisan’Andriamanitra azy rehetra, dia toy ny zanany. Ny toerany manoloana an’Andriamanitra dia mitovy amin’ny toeran’i Kristy: ahoana moa Andriamanitra no handray olon-kafa ivelan’i Kristy?

 

Na iza na iza mpino dia isan’ny Eglizy ho mandrakizay. Azo antoka izany toerany izany, toy ny maha-azo antoka ny famonjena azy. Nefa rehefa tsy mpino no mitonona ho Eglizy kristiana, na “eglizy” mitonona ho kristiana no manaiky sy mampandray anjara amin’ny fiainany olona izay mibaribary fa tsy niova, dia andraikitra mampahatahotra tokoa izany. Tsy ny fombafomba na fisehoana ivelany, toy ny batisa, tokoa tsy akory no mahavonjy, fa ny finoana manokana an’i Jesosy Kristy (Romana 10:9). Manisy tombo-kase amin’izany finoana izany ny Fanahy Masina ary mampibaribary azy (Efesiana 1:14).

 

Ny mpino rehetra izany no mamorona ny Eglizy. Azontsika jerena amin’ny hafenoany izy izany, dia fikambanan’ny mpino rehetra, hatramin’ny nanirahana ny Fanahy Masina tamin’ny Pentekosta ka mandra-piavin’ny Tompo; izay fikambanana feno izay no horaisin’i Kristy ho an’ny Tenany, ho Fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany (Efesiana 5:27). Fa mandram-pahatongan’izany, ny omen’ny Testamenta Vaovao dia fampianarana ho an’ny Eglizy etỳ an-tany, Eglizy izay voarafitr’ ireo kristiana miaina etỳ an-tany, nefa karakarain’ny Tompo (Efesiana 5:26): ny Eglizy raisina ho toy izany dia ny fikambanan’ny mpino rehetra eran-tany amin’ny fotoana iray. Tsy àry hifankahalala daholo akory izy ireo, fa Andriamanitra mahalala ny zanany rehetra, ary mitovy lenta daholo izy ireo amin’ny fandrafetana ny Fiangonany. Ny maha-iray io Fiangonana io dia satria mitovy ny fiainana ananan’izy rehetra, dia ny fiainan’i Kristy natsangana tamin’ny maty, ary izy rehetra dia samy nasiana tombokase tamin’ny Fanahy iray ihany.

 

2.1.5  Fanoharana mampiseho izany maha iray izany amin’ny lafiny samihafa

Kisarisary isan-karazany no ampiasain’ny Testamenta Vaovao hanehoana amintsika ny Fiangonana. Izy rehetra ireo dia maneho ny maha iray ireo “nateraka indray” (Jaona 3:7), ireo “naterak’Andriamanitra” (Jaona 1:13), fa amin’ny fomba fijery samihafa.

 

2.1.5.1  Ny vady

Iray amin’i Kristy izy, ilay vady niaviany toy i Eva avy amin’i Adama, “taolana avy amin’ny taolany sy nofo avy amin’ny nofony”, ary ifantohan’ny fitiavany. Tsy misy fifandraisana lalina sy mamy kokoa noho izany. Saritsariny matroka ihany ny mpivady etỳ an-tany miohatra amin’izany; mpivady etỳ an-tany ihany ireo (Jereo Matio 22:30), fa ny Eglizy kosa dia ilay vadin’i Kristy ho mandrakizay any amin’ny tontolo vaovao, araka ny fanambaràna misongadina tokoa ao amin’ireo toko farany ao amin’ny Apokalypsy (*). Ny fikarakaran’i Kristy ny Fiangonana ankehitriny dia toy ny ataon’ny Mpampakatra izay miandry ny fotoana hakany ny Ampakarina, amin’ny fitiavana masina izay tiany koa mba ho valian’ny Ampakarina (Efesiana 5:25-30). “Ary aoka izay mahare hanao hoe: avia” (Apokalypsy 22:17).

 

(*) Singanina ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry ao amin’ny Apokalypsy 19:7-9 sy ny ampakarina  mihaingo ho an’ny vadiny any amin’ny mandrakizay ao amin’ny Apokalypsy 21:2.

 

2.1.5.2  Ny Tena

Fa ny lehilahy dia ampirisihina ho tia ny vadiny, satria izy dia “tenany” tahaka ny maha-tenan’i Kristy ny Eglizy. Izany voambolana izany, izay manaitra tokoa ny fampiasana azy ao amin’ny Efesiana 1 (and 23), ary koa ao amin’ny toko faha-4 (and 12) sy ao amin’ny toko faha-5, dia manaitra koa ao amin’ny 1 Korintiana 12 (and 12 sy 27), ary ao amin’ny Romana 12, na dia tsy dia izany loatra aza no dikany ao amin’ity farany ity (and 5). Voambolana manokana ao amin’ny fampianaran’i Paoly io; io apostoly io no voafidy hanazava io foto-kevitra io, noho ny lanjany manokana. Marina tokoa fa tsy misy voambolana manan-kery mitovitovy amin’ny herin’io voambolana io: ny tenan’i Kristy. Milaza mihoatra noho ny fifandraisana mantsy izany, na dia fifandraisana tena akaiky aza; manambara firaisana aina, asan’ny Fanahy iray mampiray ny loha sy ny vatana. “Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo” (Efesiana 4:4). Midika fiainana izany: izay isan’ny tena dia manana ny fiainan’Andriamanitra, ny fiainan’i Jesosy ao amin’ireo olony, ary ny fanantenany dia ny ahatongavan’ilay fotoana izay handevonan’ny fiainana izay rehetra mbola mety maty ao aminy. Raha nandavo (nikasika) an’i Paoly i Kristy, izay efa nampakarina am-boninahitra, dia efa nasongadiny sahady izany firaisana izany: “Izaho no Jesosy izay enjehinao”, raha manenjika ny oloko ianao. “Ary ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy” (1 Korintiana 12:27). Tsy miresaka olona isan’ny Fiangonana izy, ary vao mainka tsy olona isan’ny fiangonana iray manokana, fa ny ratsam-batan’ny tenan’i Kristy. “Zava-miafina lehibe izany…”

 

2.1.5.3  Ny tranon’Andriamanitra

Ilay Fanahy izay manamafy orina sy mikolokolo ny firaisana aina amin’i Kristy nasandratra sy ny tenany izay mbola etỳ an-tany, ao amin’ny olona tsirairay isan’ny tenany sy amin’ny fikambanan’izy ireo, dia mitoetra marina etỳ an-tany. Ny mpino tsirairay dia “tempolin’ny Fanahy Masina”, izay ao anatiny ary azony tamin’Andriamanitra (1 Korintiana 6:19). Ary ny Eglizy iray manontolo no “tempolin’Andriamanitra” (1 Korintiana 3:16). Izy no “fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy” (Efesiana 2:22). Izy no Tranon’Andriamanitra (1 Timoty 3:15). Mafy ny fanorenana azy, dia ny Vatolampin’ ilay olona be voninahitra neken’i Petera ho Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra velona; Izy ihany no nanorina azy, vita amin’ny vato velona izy io, ary i Petera no vato voalohany, fa miaraka aminy koa ireo mpino rehetra (1 Petera 2:5). Na rehefa miresaka ny Tranon’Andriamanitra, na rehefa miresaka ny Tenan’i Kristy, dia tsy azo isalasalana na adinoina fa tena misy tokoa ny ain’Andriamanitra ao amin’ireo isan’ny Fiangonan’ Andriamanitra.

 

Ny hoe trano dia midika zavatra miorina tsara, ary mafy tokoa ny Eglizy hany ka na “ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita aza tsy haharesy azy” (Matio 16:18) -  — ny fahefana ambony indrindra etỳ an-tany izany, ny fahefan’ny fahafatesana. Rehefa ny Tompo no manorina, tsy misy zavatra atahorana.

 

Nefa tranon’Andriamanitra izany, tempoly masina ao amin’ny Tompo. Noho izany, tsy maintsy mendrika an’Andriamanitra izay rehetra ao; fantatra ao ny anaran’Andriamanitra, omen-kaja sy deraina, ary ambenan’Andriamanitra ny fomba fiainan’ireo izay ao, mba ho mendrika ny fahamasinan’io anarana io. Ao no atao ny fanompoana an’Andriamanitra, io no toeram-pisoronana masina.

 

2.1.5.4  Ny tanàna masina

Raha vao niforona ny Fiangonana, dia efa ilay Vady, Tena ary Tranon’Andriamanitra izy. Ny mpino kristiana tsirairay dia efa “tanteraka ao amin’ny Tompo” etỳ ambonin’ny tany, koa efa mendrika ny voninahitra, saingy mbola amboarina tsikelikely mandritra ny fiainany ahazoany miseho amin’ny andron’i Kristy: toy izany koa, ny Eglizy, izay fitambaran’ny mpino, dia efa hita ao amin’i Kristy amin’ny fahatanterahany, nefa dia mbola amboarina tsikelikely ihany, amin’ny asa rehetra ataon’ny Fanahy Masina mandritra ny fotoanan’ny fahasoavana, mba ho mendrika ny lanitra. Fanasana rano amin’ny alàlan’ny Tenin’Andriamanitra no hanadiovan’i Kristy ny Fiangonana; mitombo ny tenan’i Kristy, noho ireo fanomezam-pahasoavana avy amin’i Kristy Izay Lohany, ary satria “akambana sy ampiraisina tsara noho ny fifanompoan’ny isan-tonony” io tena io, dia  mampandroso “ny tenany amin’ny fitiavana” (Efesiana 4:15), araka ny fiasan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara asany avy. Ary farany, satria “ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra”,  dia “mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo” izany trano izany (2:21). Ny fahatanterahana dia ho hita any an-danitra, nefa efa azo atao hoe efa ao izany. Ny mpandrafitra mahay dia efa mahita sahady an-tsaina ny ho vokatry ny asany, ary efa mahalala ihany koa izay rehetra ilaina ahavitana izany.

Rehefa tena haka ny toerany any an-danitra miaraka amin’i Kristy ny Eglizy, dia hitafy tena mitovy amin’ny an’i Kristy ny mpino tsirairay ao aminy. Amin’izay fotoana izay, ny Eglizy dia hiseho ho toy ilay vady miray Aminy, toy ny tenany, “fahafenoan’Izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ny rehetra” (Efesiana 1:23). Ary ilay trano, fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy, dia ho tonga ilay “tanàna masina”, ilay Jerosalema vaovao, mitondra ilay anarana hoe “ilay Ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry”. Izany no hanehoana ny fahatanterahany mandrakizay, vokatry ny asa sy ny fitiavan’i Kristy, eo imason’izao tontolo izao amin’ny Fanjakana arivo taona, ary avy eo, eo imason’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao (Apokalypsy 21:2-6, 9-27).

Mandram-pahatongan’izany anefa, dia vahiny ihany izy eto amin’izao tontolo izao izay nandà ary mbola mandà an’i Kristy. Ny fahariana vaovao misy azy dia zavatra sampona ho an’ity fahariana tranainy ity. Tsy araka ny fieritreretan’ny sasany azy, fa ny Eglizy dia tsy isan’izao tontolo izao —ny ampahany ambony indrindra, araka ny eritreriny; notsoahina avy tao izy, ary noho ny toetrany amin’ny maha-any an-danitra azy, dia mifanohitra amin’izao tontolo izao izy, toa an’i Kristy fony Izy tetỳ an-tany.

Raha fintinina izany, dia tsy Eglizin’ny olona izy, fa Fiangonan’Andriamanitra.

 

2.1.6  Nahoana no misy Eglizy etỳ an-tany?

Voatarika hanontany tena isika hoe nahoana ny Fiangonana no avela etỳ an-tany toy izany, ary inona no asa niantsoana azy ho tanterahiny etỳ.

Azo lazaina indraim-bava fa napetraka tetỳ an-tany ny Fiangonana mba hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanomezany voninahitra ny Tompo. Tahaka ny niantsoana ny mpino tsirairay, izay tempolin’ ny Fanahy Masina, dia toy izany koa no niantsoana ny Eglizy, izay fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy. Eo izy “mba ampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren’Andriamanitra, amin’ny fitondrany ny fiangonana” (Efesiana 3:10). Mialoha ny hatao any amin’ny fiainana mandrakizay izy. “Ary ho an’Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ao amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena” (and 20).

Maro ny andraikitry ny fiangonana mba hahatratrarana izany tanjona lehibe izany.

 

2.1.6.1  Maneho an’i Kristy amin’ny firaisana

Voalohany, mampiseho ny maha iray azy ao amin’i Kristy, firaisana avy amin’Andriamanitra ary tsy manan-tsahala etỳ an-tany. Ny fisian’ny Eglizy fotsiny dia tokony haneho ny fahasoavana sy ny herin’Andriamanitra.

 

Izany fijoroana ho vavolombelona izany no tao an-tsain’i Jesosy, raha nangataka Izy, tamin’ny vavaka nataony tao amin’ny Jaona 17, hoe: “mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy” (and 21). Ho lehibe tokoa ny vokatra antenain’ny Tompo amin’ny fanehoan’ny olony izany firaisan’ny fianakavian’ny Ray izany: hino izao tontolo izao. Rehefa hasehony amin’ny voninahitra izany, dia ho fantatr’izao tontolo izao, ary hazava ho azy (and 23) na dia ho an’ny fahavalo aza; fa mandra-pahatongan’ny hoe “mba ho tanteraka ho iray izy”, dia apetrany eo anivon’izao tontolo izao isika, mba hahitan’izao tontolo izao ny fiainam-baovao, amin’ny porofo mazava entiny, dia ny maha iray ny fianakavian’Andriamanitra, mba hitadiavany ny loharanon’izany, ary mba hinoany. Tsy misy fitoriana ny filazantsara mahery mihoatra noho izany.

Tsy ny maha iray ny fianakaviana ihany anefa no tokony hiseho, fa ny maha iray ny tena indrindra indrindra; miseho izany raha mitana “ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana” (Efesiana 4:3) ny mpino. Izany no anjara asan’ny mpino rehetra, satria iray ihany ny antso niantsoana azy rehetra, isan’ny tena iray ihany izy rehetra, ary iray ihany ny Fanahy manetsika azy ireo.

Izany fijoroana ho vavolombelona amin’ny fitiavana (Efesiana 4:2)  izany dia tsy efa raha tsy miala amin’ny ratsy. Mitaky izany fahamasinana iainana izany izay rehetra mitondra ny anaran’Andriamanitra: “Ho masina ianareo, satria masina Aho” (1 Petera 1:16). Ny kisarisary milaza izany, momba ny Fiangonana, dia ny “mofo tsy misy masirasira” ao amin’ny 1 Korintiana 5:7.

 

2.1.6.2  Maneho an’i Kristy amin’ny fahamarinana

Vavolombelon’ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra, izay mampiray amin’ny fahamasinana, ny Fiangonana ary izy no nanankinana ny fahamarinana etỳ an-tany: Ny fiangonan’Andriamanitra velona dia “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” (1 Timoty 3:15). Izany no nanorenana azy. Tsy izy no loharanon’ny fahamarinana, tsy avy amin’ny Eglizy ny fahamarinana: ny Tenin’Andriamanitra no fahamarinana, Jesosy no fahamarinana, ny Fanahy Masina no fahamarinana (Jaona 17:17; 14:6; 1 Jaona 5:6); fa tsy ny Fiangonana. Nomena azy ny fahamarinana; anjarany ny maneho izany am-pahibemaso sy mitandrina izany tsy hanimbinana. Monina ao amin’ny Fiangonana izay tranony Andriamanitra, fa tokony ho hita eo amin’izany Fiangonana izany ny fahamarinana, entiny toy ny andry. Anjaran’ny Fiangonana ny mitandro izany fahamarinana izany tsy hiha-halemy, na hosimbana na ho adinoina.

 

2.1.6.3  Mivavaka

Ny tranon’Andriamanitra dia tranom-bavaka. Marina izany ho an’ny vahoakan’Andriamanitra tetỳ an-tany, ary marina koa ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra. Izany no lazain’ny Matio 18:19, izay mampanantena ireo roa na telo miangona amin’ny anaran’i Jesosy, fa henoina ny vavaka ataony, satria Izy mihitsy no eo afovoany.

 

2.1.6.4  Mitsaoka

Ny Fiangonana, izay fisoronana masina, dia manao ny asa fiderana (1 Petera 2:5). Mitsaoka ny Tompony toy ny mety ataon’ny vadin’ilay Mpanjaka be voninahitra izy (Salamo 45:11), fa Ilay nitsangana tamin’ny maty dia eo afovoany, midera ny Ray (Hebreo 2:12) Amin’ny alalany no hideran’ny Fiangonana an’Andriamanitra Ray. Manao fanompoam-panahy izy. “Ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy” (Efesiana 3:21). Ny fifandraisan’ny fanahy iray amin’Andriamanitra rehefa midera sy misaotra Azy, na dia sarobidy aza, dia sarona rehefa mikambana ao amin’io fanompoana iraisana izay tsy azo tombanana io.

Ny ivon’io fanompoam-panahy io dia ny fahatsiarovana ny fahafatesan’ny Tompo. Ao amin’ny Fiangonana no hamelarana ny Latabatry ny Tompo, eo no hankalazany ny Fanasan’ny Tompo (1 Korintiana 10:16-21; 11:20-34). Rehefa mandray io sakafo io ny Eglizy dia mitory ny asan’i Kristy, maneho ny hasarobidin’izany ho famonjena sy ho fampivoriana. Fahatsiarovana ny Tompo nanome ny ainy no hanaovany izany, fahatsiarovana aseho ho hita maso amin’ny endrika tsangambatom-pahatsiarovana izay nodidian’ny Tompo Izy tenany mihitsy. “Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy”. Mbola fijoroana ho vavolombelona ihany izany: manambara ny fahafatesan’ny Tompo.

 

2.1.6.5  Miandry ny Tompo

Raha mitodika amin’ny lasa ny Fiangonana hahatsiarovana ilay sorona tsy manam-paharoa, dia mitodika koa amin’ny hoavy mba hiandry ny Tompo. Anjarany ny miTenin’Andriamanitra am-pitiavana hoe “Avia, Jesosy Tompo”, noho ny Fanahy Masina eo anivony sy ao aminy (Apokalypsy 22:20).

 

Ireo no anisan’ny andraikitra sarobidin’ny fiangonana nametrahana azy etỳ an-tany. Azo antoka fa mbola misy hafa. Tokony hotanisaina ny fampirisihana sy ny fampaherezana hitan’ny olona ao aminy, amin’ny firaisan’ny mpirahalahy izay mipoitra avy amin’ny fitiavan’ny Tompo ny olony. Izy no iantorahan’ireo olona rehetra mitady ny fitsaharana eo akaikin’ny Mpamonjy rehefa lanak’izao tontolo izao. Mahafantatra, manaiky ary manampy ireo mpiasa alefan’ny Tompo izy. Ny epistilin’i Paoly rehetra dia manambara fa io mpanompon’Andriamanitra, izay manana fahefana lehibe tokoa io ary tsy miankina na amin’iza na amin’iza, dia manantena fatratra ny fanampiana ara-panahy ataon’ny Fiangonana eran-tany, ary mankasitraka tokoa ny fikarakarana ara-materialy nataon’izy ireo. Ahoana no hanehoany ny hafaliany noho ny anjara raisin’ny Filipiana amin’ny Filazantsara, miaiky ny olona fa ny fitondrantenan’ny Tesaloniana dia manamafy eran-tany ny fitoriany!

 

2.1.7  Ny hatsaran’izany tombontsoa manokana izany

Fa rehefa miresaka ny andraikitry ny Eglizy isika, sy ny adidy miaraka amin’izany, tokony ho tombontsoa no tenenina. Ny olo-masina tamin’ny Testamenta Taloha dia tsy nahalala izany, satria alohan’ny ahazoana malalaka izany harena sarobidy izany, dia tsy maintsy nasandratra tamin’ny voninahiny aloha i Kristy rehefa avy maty ka natsangana tamin’ny maty. Tsy anjaran’izy ireo ny tena iray, na Fanahy iray, na fanantenana iray tamin’ny fiantsoana. Ankehitriny, “isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra” (Efesiana 1:3).

Naorina ny fiangonana, satria rehefa misitraka ireo tombontsoa manokana avy any an-danitra ireo izy, dia mitondra etỳ ambonin’ny tany ny hazavana sy ny hanitry avy amin’izany, amin’ny fijoroana ho vavolombelona manome voninahitra ny Lohany izay fantany sy tiany, nahatanteraka ny famonjena ary hany ivon’ny fivorian’ny rehetra.

 

2.1.8  Fampitaovana sy fomba ahatanterahana izany

Mba hizakana marina izany tombontsoa manokana izany, ary mba ho fijoroana ho vavolombelon’izany, dia nomena ny Eglizy etỳ an-tany ny fampitaovana rehetra ilaina, toy ny tsy amelana ny mpino tsirairay ho irery, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.

Izany no “fahasoavan’Andriamanitra samy hafa” (Jereo 1 Petera 4:10). Manaiky marina ny fahefan’ny Tompo, mamela ny Fanahy Masina hiasa malalaka, satria hankalaza an’i Jesosy nasandratra no nanirahana io Fanahy (Jaona 16:14) io, mankatò ny Tenin’Andriamanitra, izany no zavatra tokony ho ampy na inona na inona vaninandro iainana.

I Kristy nasandratra dia “manome” izay rehetra ilaina amin’ny fahasoavany, ny fanompoana samihafa ilaina mba hanatevenana sy hamahanana ny Fiangonana (Efesiana 4:7-16); am-pahendrena no hizaran’ny Fanahy ny fanompoana samihafa (1 Korintiana 12). Izany foana ny zava-niseho nandritra ny tantaran’ny Eglizy. Hasehon’i Kristy —ary voninahitra ho Azy izany— fa mahatoky hatrany Izy amin’ny fikarakarana ilay efa notiaviny.

Manoloana izany fiasan’Andriamanitra izany anefa dia indrisy fa mitombo koa ny fanafihan’i Satana sy izao tontolo izao mba hanaparitaka, handrava ary hanimba. Ady tsy misy fitsaharana ho an’ny kristiana izany. Ny Fiangonana kosa dia manana fiadiana manokana mba hiarovan-tena: ny fahefana napetraka ao aminy, satria eo afovoany ny Tompo.

Vao any amin’ny Matio 18:17-20 izany dia hitantsika, mba hitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny mpirahalahy —ny zanak’Andriamanitra. Anterina ao fa eo afovoan’ny olony ny Tompo raha misy roa na telo mivavaka eo, nefa izany vavaka izany koa dia mifandraika amin’ny fahefana “mamehy na mamaha” ny fifandraisan’ny samy mpirahalahy. Ny tanjona moa dia ny hoe “mpirahalahy no miara-monina”, satria “tsara sady mahafinaritra” (Salamo 133:1) izany, loharanom-pitahiana sy fijoroana vavolombelona amin’ny maha iray ny fianakavian’Andriamanitra.

Ny fahefana nomena ny Fiangonana dia voalaza antsipiriany sy manetriketrika kokoa ao amin’ny 1 Korintiana 5. Tokony hesorina ny masirasira ela, ny masirasiran’ny ota, mba ho lasa vongana vaovao. Izany hoe ny Fiangonana, izay didiana mba hanadio tena hiala amin’ny ratsy, dia tokony hampihatra fifehezana izay mety ho tonga hatramin’ny fanesorana ny “ratsy”. Nefa, toy ny ao amin’ny Matio 18, ny fahefana napetraka ao amin’ny Fiangonana dia mifamatotra tanteraka amin’ny fanatrehan’ny Tompo sy ny fahefan’ny anarany (1 Korintiana 5:4). Avy amin’ny Tompo, ary amin’ny anaran’ny Tompo no hampiasana izany fahefana izany, ary tsy toy ny tribonalin’olombelona, fa hitsinjovana ny soa ho an’ny daholobe ary indrindra ho an’ilay lavo (2 Korintiana 2:5-9).

 

2.1.9  Andraikitra

Ny haben’izany tombontsoa izany, ny fahamarinan’izany fampitaovana izany, izay mihoatra noho ny an’ireo vavolombelona tamin’ny Testamenta Taloha, dia mampitambesatra amin’ny Eglizy andraikitra lehibe mihoatra noho ny andraikitra hafa. Tsy voavaliny izay nangatahina taminy. Tsy hainy ny nampiasa izany fampitaovana izany. Voaporofony indray fa tsy vitan’ny olombelona ny hitandrina izay nankinin’Andriamanitra taminy tsy hanimbinana. Ny zavatra (2 Timoty 1:14) napetraka teo am-pelatanan’ny Eglizy dia sarobidy mihoatra noho ny zavatra hafa, nefa navariny tamin’ny tany izany. Ny anaran’i Kristy nasandratra no tiana ho lazaina eto. Izany angamba no nisy dia ny mba hanomezana any am-parany ny voninahitra rehetra ho an’Andriamanitra, Izay hahatanteraka ny tanjony amin’ny alalan’i Kristy, na dia tsy nahatoky aza isika: Izy irery no “olona hankasitrahany” (Lioka 2:14). Nefa raha mbola tsy tapitra ny tantaran’ny Eglizy etỳ an-tany, izay rehetra mitady ny tombontsoan’i Kristy amin’ny fony dia tokony hikaroka ny làlan-kombany mba tsy hiodinana Aminy.

 

2.2  Ny nanaovan’ny olombelona ny Eglizy

2.2.1  Ny fiandohana

Nanomboka niforona tamin’ny andron’ny Pentekosta ny Eglizy, raha nidina tetỳ ambonin’ny tany ny Fanahy Masina ka nameno ny apostoly. Petera no voalohany nahazo ny fahefana hitory ny Filazantsara tamin’ny nanambaràny ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy ny voninahiny. Tsy niseho anefa ny maha-izy azy ny Eglizy raha tsy taorian’ny fanambaràna natao tamin’i Paoly, arakaraky ny fiparitahan’ny Vaovao Mahafaly tany amin’ny jentilisa (Jentilisa na firenena : olona na vahoaka tsy jiosy) sy ny fanokanana ny mpianatra: ny Jiosy tokoa mantsy dia “nandà ny fampianaran’Andriamanitra ho azy”, nitsipaka ny tenin’Andriamanitra ary noho izany, dia nanao ny tenany ho “tsy mendrika hahazo fiainana mandrakizay” (Asan’ny Apostoly 13:46; jereo koa Lioka 7:30) .Tsy nazavaina tao amin’ny Testamenta Taloha ny zava-miafina momba ny tena iray izay mampiombona ny lavitra sy ny akaiky, na jentilisa na Jiosy, izay samy afaka mifandray amin’ny Ray amin’ny alàlan’ny Fanahy iray. Nisy ihany tsipi-Tenin’Andriamanitra sasantsasany nataon’ny mpaminany, nisy tandindona, izay tsy fantatra ny dikany mandram-pahatongan’i Kristy, izay nanafina tao amin’ny Soratra Masina ny zavatra izay natokana hambaran’i Paoly (Efesiana 3:2-9).

 

Tsy hitanisa ny tantaran’ny Eglizy tetỳ an-tany akory isika: efa be no nanao izany teo aloha. Izay nolazain’ny Tenin'Andriamanitra dia ampy ahafantarana sy anambaràna ny làlan-kombany. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, ny epistilin’i Paoly na ny an’i Petera, Jakoba, Jaona, Joda dia efa manambara mialoha ny fihemorany, ary tsy izany ihany, fa hoe efa nanomboka izany.

 

Efa hita soritra tamin’izany ny toetry ny faharatsiana izay tsy nitsaha-nitombo tatỳ aoriana, ary hitantsika ankehitriny. Tany am-piandohana, dia tena nampiseho ny fihevitr’i Kristy ny fiangonana tao Jerosalema: ireo izay nino dia nampiseho ny maha iray ny Fanahy, naharitra tamin’ny fampianarana sy ny fiombonana tamin’ny Apostoly, namaky ny mofo sy nivavaka (Asan’ny Apostoly 2:42). Ny fifankatiavana tao amin’ny Fanahy (Kolosiana 1:8) dia niasa mahery tamin’izy ireo, ary nahatonga azy ireo hanambatra izay fananany rehetra. Fo iray sy saina iray ihany izy ireo. Nefa tsy ela akory dia voasembana izany fiandohana mahafinaritra izany. Marina fa nofaizina ny fitiavam-bola sy ny lainga, ny tsy fitsinjovana ny mpitondra tena sy ny fimonomonomana noho izany, satria niasa mahery ny Fanahy Masina, nefa fotoana kely ihany no nisian’izany, ary ny epistilin’i Jakoba dia ampy hampiseho izany. Manarak’izany, sarotra tamin’ireo mpino Jiosy ny hanaiky hitovy laharana amin’ny jentilisa, hany ka saika nahatonga fisarahana izany. Nisy rahalahy mpamadika tafiditra tao amin’ny fiangonana (epistily ho an’ny Galatiana, epistily nosoratan’i Joda sy Jaona). Nandripaka ireo mpampianatra sandoka, ireo mpandala ny maha-Jiosy, ireo izay miseho ho mahalala ny zava-miafina ao amin’Andriamanitra na ireo izay tsy miankina afa-tsy amin’ny sainy. Nisy kristiana niodina tamin’ny hazofijalian’i Kristy ka nanao izay mahasoasoa azy (epistily ho an’ny Filipiana sy ho an’i Timoty). Saiky ny rehetra no nahafoy an’i Paoly raha nogadraina izy. Nanambara ny faharatsiana amin’ny andro farany ity apostoly ity, nefa efa niseho izany. Hoy i Jaona hoe efa tonga ny sain’ny antikristy ary efa ora farany izao.

 

2.2.2  Nanomboka tamin’ny andron’ny Apostoly ka mandrak’ankehitriny

Taonjato roapolo izay no lasa, ary indrisy fa zavatra tsy miova iray no voamarina hatrany, amin’ny fomba samihafa, dia ny hoe manimba izay rehetra ankinin’Andriamanitra aminy ny olombelona.

 

Marina fa tsy tapaka mihitsy ireo vavolombelona najanon’Andriamanitra, nisy koa —ary soa ihany— ireo navelany hiverina aminy, nasehony hatraiza hatraiza ny hatsaran’ny fahasoavany, nahatoky foana Izy. Miasa hatrany Izy izao, tsy tohina ny Teniny ary mbola mitohy ny fiparitahany, voatory ny Filazantsara ary misy olona miova fo.

 

Fa naparitakin’ny amboadia masiaka tokoa ny zanak’Andriamanitra, satria nisy mpiandry ondry mpanao tsirambina na tia vola namela azy ireo hiditra. Avy amin’ireo mpiandry ondry ihany no nitsanganan’ny olona mitondra fampianaran-diso izay mahatarika mpianatra (Asan’ny Apostoly 20:29-30). Nohitsakitsahina ny fahefan’ny Tompo Jesosy. Nolavina Izy. “Nangidihidy sofina izy”, ka tsy nahalala intsony ny feon’ilay Mpiandry tsara, ary mbola “namory mpampianatra ho azy araka ny filàny” (2 Timoty 4:3) koa.

 

Mety hahasodoka ny fisehon’ny tontolo kristiana –ary ankehitriny mihoatra noho ny taloha amin’ny lafiny sasany– saingy navelan’ilay “trano be” hiditra malalaka sy hanam-pahefana ao aminy izao tontolo izao. Ny akora nentin’ny olona (1 Korintiana 3:12-15) dia nafangaro hatraiza hatraiza tamin’ireo “vato velona”, ary nitombo isa hatrany ny mpanimba ny tempolin’Andriamanitra. Olona marobe izay tsy manana akory sombintsombin’aina ao aminy no antsoina hoe kristiana. Miara-dia ny mpino sy ny tsy mpino ary araka ny fitsipiky ny  fikambanana rehetra nataon’olombelona ihany ny rafitra misy azy ireo. Vao mainka nifangaro tamin’ny voa tsara ny tsimparifary (Matio 13: 24-30).

 

Efa voambara taloha daholo izany rehetra izany ka tsy misy tokony hahagaga antsika. Ny taratasy fito ao amin’ny Apokalypsy (toko 2 sy 3) ihany dia efa manambara faminaniana momba izany, ary manamarina tanteraka izany ny zava-misy. Nefa tokony hijanona amin’izao ve? Tsia! Mandram-pahatongan’ny farany, ny antson’ny Tompo dia te-hamoha olona “mpandresy”. Ny antony, dia satria Izy nandresy, ary hanisy olona ho vavolombelony Izy hatramin’ny farany. Efa ela no ho potika sy ho tsy azo narenina intsony ny asan’Andriamanitra noho ny nataon’ny olombelona, raha tsy asan’Andriamanitra izany.

 

2.2.3  Ny tontolo kristiana sy ny Eglizy

Nefa na inona na inona fikorontanana ankehitriny, misy fahamarinana iray mankahery antsika: ankehitriny toy ny tamin’ny taloha, Andriamanitra dia manana etỳ an-tany zanaka maro, olom-boavidin’i Kristy, ary ankehitriny toy ny tamin’ny taloha, izy rehetra ireo no mandrafitra ny Fiangonan’Andriamanitra. Misy tenan’i Kristy etỳ an-tany, dia ny fikambanan’ireo izay nateraka indray ka miray aina aminy amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina.

 

Tsy misy miova, na ny fomba ahatongavana ho zanak’Andriamanitra —“izay mino ny anarany” (Jaona 1:12)— na ny fomba amahanan’i Kristy sy itiavany ny fiangonana izay tenany. Aoka tsy havelantsika hanjavozavo izao hevitra izao: toy ny tamin’ny andron’ny apostoly, ny Fiangonan’Andriamanitra dia mbola ny fikambanan’ireo tena mpino ihany, na katolika izy na protestanta na hafa. Maro tsy àry ho fantatsika daholo izy ireo, maro tsy araka ny eritreretintsika, ary ny maha iray azy dia tena misy tokoa, ho an’i Kristy sy eo anatrehan’Andriamanitra. Aoka tsy havahantsika ao am-pontsika izy ireo, ary aoka tsy hampiasa ny anarana hoe Eglizy isika raha tsy mieritreritra ireo rehetra voavidin’i Kristy.

 

Nefa aiza no ahitana etỳ an-tany io Fiangonan’Andriamanitra io? Mazava ho azy fa raha ny fisehoany feno no tadiavintsika, dia tsy hahita izany isika. Efa very hatry ny ela izany. Hatrany am-boalohany, vetivety foana dia tsy fantatra intsony ny isa marin’ireo tena ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra; izany indrindra no lazain’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 2:19: “Ny Tompo mahalala ny azy”. Andaniny, an’alin-kisa ireo izay natao batisa nefa tsy nampiseho ny ain’Andriamanitra mihitsy, ary ankilany, ny tena mpino dia miparitaka amin’ny fikambanana maro samihafa.

 

Be ny mihambo mitonona ho kristiana, na ho ny Eglizy, na Eglizy kristiana nefa mandray ny olona tsy niova fo ho toy ny kristiana. Fahavetavetana maharikoriko ho an’Andriamanitra izany. Tsy tokony handraindray foana ny anarany. Raha milaza ianao fa mandrafitra ny Eglizin’i Kristy na isan’izany, dia afatotr’Andriamanitra amin’izany fanambaràna izany ny andraikitra rehetra miaraka aminy, ary tsy azo hialàna. Na dia i Laodikia izay ho haloan’i Jesosy aza, dia natao hoe Fiangonana (Apokalypsy 3). Toy ny miTenin’Andriamanitra ny Tompo amin’ny tontolo mitonona ho kristiana, amin’ireo fikambanana ao aminy milaza azy ho fiangonana kristiana, hoe: Eny àry, raisiko ho toy ny egliziko ianareo, nefa andeha ho jerena ny zavatra rehetra mifamatotra amin’izany. “Fantatro ny asanao”, inona ny tolo-tsaina nanaovana izany? Aiza ny finoana, ny fitiavana, ny fanantenana? Nataonao inona ny Teniko? Nataonao inona ny anarako izay isaloranao io? Nataonao inona ny fahasoavako? Nataonao inona ny fahatsiarovana ahy? Inona no notadiavinao nandritra ny fiainanao tetỳ an-tany?

 

Mbola miandry am-paharetana Izy. Ahoana no tsy ho tohina isika raha mahita ny faharetany mampitandrina an’i Sardisy, na miTenin’Andriamanitra amin’i Laodikia manao hoe: “Mananatra anao aho… Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko”33? Mbola manohy mandray io tontolo kristiana io araka izay tadiaviny ihany Izy, izany hoe tontolo mitondra ny anaran’i Kristy na dia tsy mahatsapa akory aza fa miezinezina izany. Nefa Izy no Ilay vavolombelona mahatoky sy marina. Tsy ho ela dia haloany amin’ny vavany io. Nikarakara azy Izy anefa nandritra ny tantarany iray manontolo, nanafay, nananatra, nankasitraka izay tsara, nampirisika ny mpino mahatoky, nefa milaza koa izay tsy azony ankasitrahana: manomboka ao amin’ny tranon’Andriamanitra ny fitsarana. Tsy ho ela dia ho feno sy tanteraka io fitsarana io. Tsy ho antsoin’ny Tompo hoe “fiangonany” intsony ilay efa niodina taminy sy nandroaka Azy. Rehefa halainy ho any Aminy ny olony, rehefa ho entin’ny Mpampiakatra any an-danitra, izay hanaovana ny fampakaram-bady, ilay Ampakariny, dia tsy hisy intsony etỳ ambonin’ny tany afa-tsy ilay “vehivavy janga”, izay nangalatra io anarana tsara hoe Ampakarina io. Mandram-pahatongan’izany, dia mizaka zavatra tena mahatsiravina Izy, nefa satria natao tsinontsinona io fahasoavana io, dia ho masiaka kokoa ny fitsarana. Ao amin’ny fanoharana ny amin’ny talenta, dia tsy mandà ny maha-mpanompo an’ilay mpanompo ratsy ny Tompo, fa kosa ampihariny aminy ny hamafin’ny sazy mendrika ny “mpanompo tsy mahasoa” (Matio 25:30)

 

Koa, andaniny, ny tena Fiangonan’Andriamanitra, izay asan’ny tànany, dia tsy hitan’ny olombelona taratra intsony amin’ny maha-iray azy, ary ankilany, tsy mbola nesorina tamin’ny mitonona ho Eglizy, izay asan’ny olombelona, ny anaram-boninahiny.

 

Aoka isika tsy ho lasan’eritreritra eo anoloan’izany toa fifanoheran-javatra izany. Ny lafiny roa amin’ny “tombokase” ao amin’ny 2 Timoty 2:19 ihany foana no mampahery sy mampianatra antsika izay tokony atao manoloana ireo zavatra roa sosona ireo. Ho an’ny voalohany: “Ny Tompo mahalala ny azy”; ny finoana no matoky fa Andriamanitra no hikarakara ny asany. Ho an’ny faharoa: “Mialà amin’ny ratsy, izay rehetra manonona ny anaran’ny Tompo”; io finoana io ihany no mankatò ary miala amin’ny ratsy. “Mitoetra tokoa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra”.

 

Hisintaka mba ho irery? Tsia: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy” (Ohabolana 18:1); fa miala ka manatevin-daharana ireo izay miantso ny anaran’ny Tompo amin’ny fo madio, izany hoe tsy mifanaraka amin’izay manala-baraka io Anarana io. Izay tia ny Tompo dia hahita foana lalana efa nomaniny hifanenana amin’ny mpino hafa mitovy firehana aminy. Izany koa dia asan’Andriamanitra. Na fotoana inona na fotoana inona — ary efa nahita an’izany i Elia taloha raha nieritreritra fa irery izy— dia hain’Andriamanitra foana ny manokana mpino sy mamory azy ireo ho “sisa”. Angatahin’Andriamanitra amin’ireo sisa tavela ireo (ary amin’ izany, dia omeny izay ilaina hahavitana izany izy) ny hiara-higoka ny tombontsoa, ny hiara-mandray andraikitra hahatontosa ireo asa sarobidy anjaran’ny Fiangonan’Andriamanitra. Manan-kery hatrany ny fampanantenana lehibe, na dia niodina aza ny olombelona, fa raha misy roa na telo mivory amin’ny Anarany, dia eo afovoany ny Tompo (Matio 18:20). Mety tena io isa ara-bakiTenin’Andriamanitra io no ao amin’ilay fivoriana, saingy tsy ho io irery tsy akory ny totalin’ny Eglizy etỳ an-tany, fa fanehoana azy fotsiny io, ary hankasitrahan’Ilay miaraka foana amin’ny “olona ory sy malahelo” izay matoky ny anaran’Andriamanitra (Zefania 3. 12).

 

Nilaina ny nametrapetraka izany fijerena an-kapobeny izany alohan’ny hijerentsika akaikikaiky kokoa ny toerana misy ny tontolo kristiana amin’izao fotoana izao.

 

2.3  Inona no hatao manoloana izao toe-java misy izao?

2.3.1  Ireo karazana vondrona kristiana

Azo zaraina telo ny vondrona kristiana misy ankehitriny.

Ny roa voalohany dia izay mitondra anarana ofisialy hoe “eglizy”. Fikambanana misy rafitra ireo, manana ny didy aman-dalànany, samy manana ny mpitondra fivavahana ao aminy izay miavaka amin’ny mpino tsotra. Roa karazana tokoa izy ireo.

 

2.3.1.1  - Eglizy mitonona ho katolika

Ny Eglizy romana dia milaza fa tsy eglizy iray ao anatin’ny maro izy, fa kosa ny Eglizy, izy irery, ary nobodoiny ny mpamaritra hoe katolika, izay midika hoe eran-tany. Nefa torak’izany koa, na dia misy somary maha samihafa azy aza, ny fitakian’ireo Eglizy lehibe tatsinana izay tsy manaiky ny papa romana. Izay tsy ao aminy dia mpanaraka hevi-diso: zara raha ekena ireo mandeha am-pahatsorana mba hiombom-panahy amin’ny Eglizy, fa tsy ekena kosa ny maha-isan’ny tenany azy ireo. Ny zavatra kendren’ireto eglizy milaza ho katolika ireto dia ny mba ho izy irery ihany no tena Eglizy kristiana, ary ireo izay diso lalana dia tsy maintsy miverina ao aminy. Lazainy mantsy —ary zava-dehibe io— fa tsy maintsy mila azy ny olona tsirairay ahazoana famonjena; ny fanaovana ireo sakramentany no manome ny fahasoavan’Andriamanitra, ka amin’ny fanatanterahana izany dia tsy maintsy mila mpitondra fivavahana manana fahefana mihoatra noho ny an’ny olona tsotra, fahefana izay nolovaina avy tamin’ny apostoly amin’ny alàlan’ny fanokanana ho mpitondra fivavahana. Tsy ny hanazava ny foto-pampianarany na hanangana adihevitra no ataontsika eto. Tsy ho sarotra ny hahita fa io firaisana dradradradraina io dia mandrakotra tsy fitovian-kevitra sy fombafomba tena maro karazana tokoa. Fa, ambonin’izany rehetra izany, aoka ho marihintsika fa ny fampianaran'ny Tenin'Andriamanitra dia tsy milaza na oviana na oviana hoe vondrona manome famonjena ny Eglizy, fa kosa vondrona misy ny voavonjy rehetra, ary tsy mitovy mihitsy izany.

 

2.3.1.2  Eglizy tsy feno

Ny Eglizy sasany dia fikambanana ara-pinoana nisaraka tamin’iretsy voalohany, indrindra hatramin’ny Reformasiona protestanta tamin’ny taonjato faha-16, nanangana eglizy mahaleotena, izay mitonona mazava fa tsy feno, ary miavaka tsara ao anatin’ny tontolo kristiana. Tsy miova ny fototra ijoroany na eglizim-pirenenana izy na tsia. Ny ankabeazan’izy ireo dia manaiky ny atao hoe “Eglizy tsy hita maso”, izay naorin’i Kristy, ary Andriamanitra irery ihany no mahalala izay ao aminy, fa mieritreritra kosa izy hoe fikambanana ilaina, naorina arak’izay nampety azy arakaraky ny vaninandro sy ny firenena, mba hanangonana ireo olona resy lahatra faran’izay be indrindra, hampianarana azy ireo ary hitarihana azy hanao fanompoam-pivavahana. Ny fototra hivondronan’ny tsirairay dia faneke-pinoana manokana izatsy na izaroa. Voasoratra amin’ny boky ny anaran’ny mpino. Azo lazaina fa manamafy orina ny fitsitokotokoana ireo Eglizy ireo. Samy manana ny fiainany manokana izy ireo, na dia samy manaiky aza fa misy ny olona tena kristiana tsy ao aminy. Na manao ahoana na manao ahoana ny fiainana manokan’ireo pretra na pastora na mpino tsotra ao aminy, izay matetika fiainana mahitsy, ny foto-kevitra ametrahany mpitondra fivavahana, ny “rafitra”, dia mandà ny maha-iray ny kristiana rehetra.

 

Ireo sokajy roa noresahintsika ireo, ny iray milaza firaisana, ny iray mandrava izany, dia samy manana olona tena kristiana ary olona milaza ho izany tsy manana ny ain’Andriamanitra. Ho an’ny sasany, ny batisa na ny “kominio voalohany” no tena mahatonga olona ho isan’ny eglizy iray.

 

2.3.1.3  Ivelan’ny toby (Hebreo 13:13)

Ny sokajy fahatelo dia ireo fikambanana, vitsy an’isa lavitra kokoa, misy ireo kristiana niala tao amin’ireo vondrona roa voalohany, mba hivory araka ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, tsy misy mpitondra fivavahana na didy aman-dalàna manokana, fa amin’ny anaran’ny Tompo Jesosy. Mety ho efa nisy mandrakariva izy ireo hatramin’izay, fa tamin’ny fiandohan’ny taon-jato faha-19, raha nitsoka ny Fanahin’Andriamanitra mba hamoha ny Eglizy, nampahatsiahy azy fa ho avy tsy ho ela ny Mpampakatra, dia be ireo nametra-panontaniana hoe: Aiza ho aiza ny Eglizy amin’izao fisavorovoroana misy ankehitriny izao? ary nahatonga azy ireo nivoaka nankany amin’i Kristy, ivelan’izay mety ho toby misy mpitondra ara-pivavahana.

 

Mampalahelo anefa fa tao koa, dia niasa mafy i Satana, ary nahomby izy namafy ahiahy sy nampisara-bazana, hany ka be ny olona mahitsy fo no manontany tena hoe: inona no hatao? Aiza ny lalana?

 

Saingy aoka hatoky isika fa misy foana ny lalana izay tsy hitan’ny maso sy tsy niditra tao am-pon’ny olona, nefa namboarin’Andriamanitra ho an’ireo izay tia Azy (1 Korintiana 2:9) .

 

2.3.2  Nofinofy: ny fiverenan’ny tontolo kristiana amin’ny toetrany toy ny tamin’ny andron’ny apostoly

Inona no atao? Tsy ny hoe hamorona Eglizy indray toy ny tamin’ny niantombohan’ ny Asan’ny Apostoly tsy akory. Tsy vita izany. Amin’ny ankapobeny, ao amin’ny Soratra Masina iray manontolo, dia tsy averin’Andriamanitra amin’ny laoniny izay nosimbain’olombelona. Manome zavatra tsaratsara kokoa Izy hanolo ny zava-misy, izay ailiny rehefa noleferiny ela dia ela tokoa.

 

Mbola mandefitra amin’ny tontolo kristiana ihany Andriamanitra, ary tokony handroso miaraka amin’ireo fampitaovana nomeny sy ny lalana tondroiny isika, fa tsy hanonofinofy famerenana amin’ny laoniny, izay handiso ny fampianaran’ny apostoly, araka ny efa voalaza teo ambony. Na dia te-hanao izany aza isika, tsy eo ireo zavatra tena ilaina nisy tamin’izany fotoana izany, dia ny apostoly sy ireo famantarana manaraka ny asa fitoriany (Hebreo 2:4; 2 Korintiana 12:12). Nametraka ny fanorenana ny apostoly, vita ny asany, tsy nosoloina izy ary tsy misy eritreritra momba izany mihitsy. Ny Eglizy no tokony ho natoky. Koa misy zavatra tsy afaka hiverina intsony. Raha milaza isika fa mivory toy ireo kristiana voalohany, dia tsy tena marina izany.

 

2.3.3  Ny zavatra mitoetra

Fa ny zavatra tokony ataon’ny mpino ankehitriny, toy ny nataon’ireo kristiana voalohany, dia ny manoa izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, izay navelan’ireo apostoly efa nodimandry ela ary nampitainy am-pitokisana araka ny tsindrimandry noraisiny. Tsy voahozongozona ny fanorenana napetrany, ary io no tokony hiorenantsika koa, dia i Kristy, ilay Kristy ambaran’ny filazantsara sy ny epistily, fa tsy hiorina amin’ny fisainan’olombelona, na foto-pampianarana teolojika na foto-pisainana filozofika. “Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy” (1 Korintiana 3:11)

 

Tsy nitsahatra niasa Andriamanitra, manohy ny fanorenany i Kristy, ary mandroso mitombo amin’ny fahalavorariany ihany ny trano fanahy voalaza ao amin’ny 1 Petera 2:5. Ary mandritra izany dia ankinina amin’ny olombelona ihany ilay trano hita etỳ an-tany (1 Korintiana 3:12). Na tiantsika kristiana na tsia, dia “mandrafitra eo ambonin’io fanorenana” io isika. Koa tokony hitandrina ny  fomba hanorenana isika. Inona ny akora ampiasaina, inona ny lalana aleha, inona ny hery? Inona amin’ny asantsika no hahatanty ny fisedrana amin’ny afo?

 

Ho kivy ve isika manoloana ny zavatra takiana amintsika? Tsarovy anefa fa mbola eo am-pelatanantsika mandrakariva ireo fampitaovana telo lehibe izay tsy miova mihitsy:

ny tenan’i Jesosy, izay ivon’ny fivoriana

ny Tenin’Andriamanitra

ny Fanahy Masina, Fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena (2 Timoty 1:7)

 

Nampahatsiahivina matetika fa ny mpaminany Hagay, dia tonga nampirisika ireo vahoaka nanamboatra ny tranon’i Jehovah (tsy hoe nitovy tanteraka tamin’ny tempoly nataon’i Solomona, fa ny alitara ihany no teo amin’ny toerana nisy azy taloha) ka nilaza hoe: “… Mahereza… fa Izaho no momba anareo… araka ny Tenin’Andriamanitra fanekena… ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany” (Hagay 2. 4-5). Tsy hihoatra noho izany ve ny fitoerany eo anivon’ireo kristiana izay te-hanoa! Izany maha-eo an’Andriamanitra izany dia toy ny tamin’ny andro voalohany, ary tsy ho foana mihitsy raha mbola etỳ an-tany ny Eglizy. “Mahereza, ka miasà”.

 

2.3.4  Ny toetra tsy miova ananan’ny fiangonan’Andriamanitra

Ampirisihana isika tsy hahafoy ny fiaraha-mivavaka, “mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro” (Hebreo 10:25).

 

Tsy afaka hihambo hamorona indray ny Eglizy isika, na hilaza fa isika no Eglizy. Nefa tokony ho resy lahatra isika ny amin’izay nomen’ny Tompo azy hatrizay hatrizay, dia ny anjara asany izay efa noresahintsika teo aloha, sy ny tombontsoany manokana. Na dia tsy tanterany an-tsakany sy an-davany aza izany iraka nampanaovina azy izany, dia tsy mbola nesorina taminy io andraikitra nomena azy io: manome voninahitra an’i Kristy, mijoro ho vavolombelona amin’ny firaisana naorin’i Kristy, miandry ny fiavian’ny Tompo.

 

Raha tiana hisalotra ny tena toetran’ny Fiangonan’Andriamanitra ny fivorian’ny roa na telo amin’ny anaran’ny Tompo, dia tsy maintsy resy lahatra tsirairay momba izay tadiavin’ny Tompo ireo roa na telo ireo. Raha tsy ananan’ny Fiangonana izany toetra izany, inona no antony hivoriana? Fa raha ananany kosa, dia ho hita maso indray eo amin’ireo roa na telo mivory ireo ilay Fiangonan’Andriamanitra efa tsy hita tamin’ny fahafenoany intsony noho ny fahadisoan’ny olombelona. Tsy ny isan’ny mpivory no zava-dehibe, fa ny toetr’izany fivoriana izany. Tsy resaka hamaroana io fa resaka fanahy.

 

Inona izany ny toetra mahatonga sy tokony hanekena ny fivoriana iray ho fiangonan’Andriamanitra?

 

Azo fintinina toy izao manaraka izao ny zavatra tsy maintsy misy:

 

1°- mpino ny olona ao anatin’io fivoriana io (2 Korintiana 6:14-18);

 

2°- mivory amin’ny anaran’ny Tompo Jesosy (Matio 18);

 

3°- manaiky ny fahefan’ny Tompo Jesosy ho fahefana tokana (Apokalypsy 1);

 

4°- tsy manaiky mpitarika hafa ankoatra ny Fanahy Masina (1 Korintiana 12:13);

 

5°- manaiky ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, ary ny Tenin’Andriamanitra azo tanteraka

 

6°- tsy manaiky ny hampiray ny anaran’ny Tompo amin’ny ratsy mibaribary (1 Korintiana 5:5-9; 2 Timoty 2).

 

Tsy ho voahazona ny toetra toy izany raha tsy feno “ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy” (1 Timoty 1:5) ny fon’ny rehetra. Tsy fombafomba ivelany fotsiny izany.

 

2.3.5  Toerana raisina aterak’izany toetra izany

Mitarika fandraisan-toerana izay tsy maintsy voakiana sy tsy azon’ny olona, na dia ireo kristiana aza, izany toetra izany. Tsy misy dikany koa anefa izany fandraisan-toerana izany raha tsy atao amin’ny fankatoavana, amim-panetrentena ary amin’ny fitiavana lalina ny Eglizy iray manontolo.

 

Tsy ho tafiditra mihitsy amin’ireo sokajim-pivavahana roa voalohany noresahina izany toerana izany, satria ny iray dia miambo ho ny Eglizy iray manontolo, ary ny iray kosa manao fanahy iniana hampivaky azy. Ny zavatra tokony ho izy anefa dia ny hanehoana ny maha-iray tsy mivaky ny Eglizy, ary koa miala amin’ny vondrona izay fantatra tsara fa mbola misy olona isan’ny tenan’i Kristy.

 

Araka ny Tenin’Andriamanitra, ny foto-kevitra ijoroan’izany fivoriana izany dia ny maha-iray ny tena, ary ny fanehoana izany firaisana izany dia ny latabatry ny Tompo (*)(1 Korintiana 10:16-17). Eo no mizara ny mofo iray, “ny tenan’i Kristy”, ary maneho amin’izany fa ny mpino, na dia maro aza, dia mofo iray ihany, tena iray ihany. Ny maha-eo na tsy maha-eo daholo ny mpino dia tsy mampiova ny tombontsoan’izay manatrika, afaka mieritreritra ny rehetra. Tsy an’izay tena manatrika azy eo akory ny latabatry ny Tompo, fa navelatra ho an’ny rehetra, raha ny Tompo tokoa no namboatra azy. Raha lasa latabatry ny vondrona kristiana iray izy, na latabatry ny sekta, dia mandà ny maha-iray ny tena. Tokony ho eo daholo ny rehetra, ary tokony halahelo noho ny maha-banga ny toeran’ny tsy eo izay rehetra manatrika. Rehefa miresaka ireo vao niova fo isika, izay “mangataka ny handray ny toerany”, dia mitombina tokoa izany fitenenana izany; fa diso ny miTenin’Andriamanitra hoe isan’ny fiangonana izatsy na izary, nefa io fiangonana io dia mahaleotena miohatra amin’ireo fiangonana sasany misy eo an-toerana. Manaiky izahay fa betsaka ny kristiana izay mankafỳ ny Fanasan’ny Tompo ho toy ny tsangambato fahatsiarovana ny nahafatesany, na inona na inona fivondronana ankalazana izany, nefa kosa ny “Latabatry ny Tompo” dia tsy azo aorina afa-tsy amin’ny maha-iray ny tenan’i Kristy, ary mitovy lenta ny zanak’Andriamanitra isan’io tena io.

 

(*) Ny latabatry ny Tompo dia tsy milaza ilay fanaka ametrahana ny mofo sy ny kapoaka tsy akory, fa fomba fiteny maneho ny foto-kevitra na ny fanorenana ny fankalazana ny fanasan’ny Tompo.

 

Noho izany, ny fivoriana atao amin’ny toerana samihafa izay hamelarana ny latabatry ny Tompo amin’io foto-kevitra io dia miray antoka, satria samy “miombona” amin’ny tena sy ny ran’i Kristy. Ny fivoriana isanisany dia fanehoana ny fiangonana isan-toerana, izay isan’ny firaisan-dehiben’ny Fiangonana eran-tany. Raha niresaka tamin’ny fiangonan’i Korinto na ny fiangonan’i Efesosy i Paoly apostoly, dia toy ny niresaka tamin’ny Fiangonan’Andriamanitra iray manontolo.

 

Adidin’ny Fiangonana ny miaro ny latabatry ny Tompo amin’ny fahalotoana. Nomen’ny Tompo fahefana amin’izany izy. Ampihariny izany satria eo ny Tompo. Raha tsy eo Izy, dia tsy ho Fiangonana io fivoriana io.

 

Koa hisy hilaza hoe ianareo izany miseho ho fivorian’olona efa tanteraka? Tsia, ary mampalahelo izany. Nefa araka ny fampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 11:28-34, ireo izay manatona handray ny fanasan’ny Tompo eo amin’ny latabatry ny Tompo dia tokony hitsara ny tenany. Ary andraikitry ny Fiangonana ny manaisotra ny “masirasira ela” raha toa misy olona nanao tsirambina io fandinihin-tena io, ka hita fa miaina ao anaty fahotana ary mifikitra amin’izany na dia efa teo aza ny fampitandremana sy ny fifampifehezana ara-pirahalahiana. Tsy hoe mampiasa fahefana hitsara tsy akory (tena mampalahelo tokoa raha izany!) fa manome ny Tompo izay tokony ho Azy, amin’ny fitandrovana ny hajan’ny Anarany, ary ho soa ho an’ny Fiangonany.

 

Ankilan’izany, io foto-kevitra io hoe iray ihany ny tena, dia midika fa izay ataon’ny Fiangonana amin’ny toerana iray dia manan-kery hatraiza hatraiza, ary tsy mamela antsika hanaiky fivoriana izay tsy manaja izany fifampifehezana izany, ary hita fa manaiky ampahibemaso faharatsiana ara-panahy na ara-poto-pampianarana ao aminy. Io no loharanon’ny “fisaraham-bazana” nisy teo amin’ireo izay nivory tany am-boalohany ivelan’ireo drafitra ara-pinoana nisy. “Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa” (Galatiana 5:9). Marina fa vetivety isika dia tsy manana faharetana sy tsy mahatanty, mety ny fomba fijerintsika foana no asolontsika ny fihevitry ny Tompo, ka ny sitrapontsika no avelantsika hanjaka; fa ny Tompo kosa tsy afaka ny hanaiky ny fampifangaroana amin’ny ratsy ny anarany, izay antsoina eo amin’ny latabany.

 

2.4  Raha fintinina:

1. Raha tsy te-ho sekta isika, dia tsy maintsy mibanjina lalandava ny maha-iray ny Tenan’i Kristy, izay tononina eo amin’ny latabatry ny Tompo,ary na dia malahelo aza isika eo anoloan’ny toe-javatra misy eo amin’ny tontolo kristiana ankehitriny (izay misy antsika, aoka tsy hadinoina), dia tokony handray sy hankasitraka ny tombontsoa manokana mifamatotra amin’ny Eglizy araka ny fihevitr’Andriamanitra, mandram-pahatongan’ny farany.

 

2. Raha tsy te-ho “diso eo anoloan’ny tena sy ny ran’ny Tompo” isika, dia tokony hiambina, amin’ny fitsarana ny olona tsirairay sy ny daholobe, mba hihazona ny fiombonantsika Aminy ho ao amin’ny fahamarinana. Izany no atao hoe “mitazona ny firaisan’ny Fanahy”.

 

Iza no mahavita izany? Iza no tena afaka manao izany? Ny tsiambaratelo dia ny fo tsy mikatsaka afa-tsy izay tombontsoan’ny Tompo, tia izay Azy; fahaizana manetry tena koa ary fahatokiana amin’ny zavatra rehetra.

 

Aoka isika tsy ho gaga raha mitontongana daholo ny zavatra rehetra ao amin’ny tontolo kristiana izay misy antsika. Jesosy Kristy no hany “Vavolombelona mahatoky sy marina” (Apokalypsy 3:14). Aoka tsy hihambo ho ilay fiangonan’i Filadelfia, izay nohamarinin’ny Tompo Jesosy hoe nitandrina ny Tenin’Andriamanitra ary tsy mba nandà ny anarany (Apokalypsy 3:8). Fa aoka kosa isika hangataka ny hanomezany antsika ilay toe-tsaina sy toe-po nisy tao amin’ilay nilazan’ny Tompo izany, na dia malemy dia malemy aza izy.

 

3  Fizarana faharoa : Ny fomba hivoriana araka an’Andriamanitra

Ny mivory amin’ny fomba hafa noho izay lazain’ny Soratra Masina dia tsy inona fa fombafombam-pivavahana tsotra ihany. Tsy hilaza tsy akory isika hoe ny fanahy mandeha an-kitsim-po, na dia tsy nahazo fampianarana tsara aza, dia tsy hahita na inona na inona amin’izany ary tsy hankasitrahan’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 10:35). Fa tsy ho vavolombelon’ny maha-iray ny tenan’i Kristy izy ary tsy hahafantatra ny fitahiana “nodidiana teo”, toy ny tany Ziona ho an’ny vahoaka Israely, tahaka ny ando mirotsaka avy any Hermona, sy ny diloilo sarobidy mitsororoka amin’ny lohan’ilay tena Arona (Salamo 133). Tsy ho fantany ny fiasa-malalaky ny Fanahy Masina izay mampiray ny “mpirahalahy miara-monina” amin’i Kristy natsangana tamin’ny maty.

 

Fa ny mivory ivelan’ireo rafitra marobe natsangan’ny olombelona ao amin’ny tontolo kristiana ve tsy vao mainka koa manampy trotraka ny fitsitokotokoany? Izany hatrany no fanakianana atao amin’ireo olona izay nahatsiaro tena ho voatery, noho ny fankatoavana ny Tompo, hivoaka hankany Aminy “ivelan’ny toby”, mba hivory manodidina Azy irery.

 

Tsy afaka ny hanakana izany fiampangana izany isika. Nefa kosa tokony ho mailo mba tsy ho sahaza antsika izany, ka noho izany, hanala ao am-pontsika izay mety ho saina mpanavakavaka. Miantso antsika ny Tompo, tsy ny ho ampahana Eglizy miseho ho manao tsaratsara kokoa noho ny hafa tsy akory, fa ny mba hanaraka ny lalana izay tokony halehan’ny Eglizy iray manontolo, toy ny hoe izy manontolo no eo, manodidina an’i Kristy.

 

3.1  Ny anarana

Koa aleo aloha isika hanomboka amin’ity lohahevitra izay matetika hamaivanina ity: tokony ho halavirintsika izay mety anarana, satria hamorona antoko iray hafa indray isika ao amin’ny Eglizy. Raha toa mitonona ho katolika, protestanta, kalvinista, loterana, metodista, batista, sns, ny kristiana sasany, dia mandeha ara-drafikevitra izy, mitondra ny anaran’ny egliziny. Isika nefa tsy mahalala Eglizy afa-tsy ny Fiangonan’Andriamanitra irery ihany. Tsy afaka hitondra anaran-kafa tsy azon’ny zanak’Andriamanitra rehetra entina isika. Raha izao tontolo izao, na mivavaka izy na tsia, no miantso ny mpino amin’izany anarana izany, dia azy ny azy, ny anaram-bositra rahateo, izay somary manaraby, dia nisy foana teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra. Fa ny hanaiky anarana miavaka dia fandàvana ny foto-kevitra ijoroan’ny fivoriana kristiana, dia ny maha-iray. Raha nanakiana ny Korintiana ny apostoly Paoly tamin’ny nilazany hoe izaho an’i Paoly, izaho an’i Apolosy, izaho an’i Kefasy, izaho an’i Kristy, dia hoy izy hoe: “Voazarazara va Kristy?” (1 Korintiana 1:12).

 

Miresaka ny “kristiana” (Asan’ny Apostoly 11:26; 26:28; 1 Petera 4:16) ny Testamenta Vaovao. Io anarana io anefa dia nomen’ireo izay ivelany, angamba fanarabiana aza. Enga anie ny fijoroantsika ho vavolombelona mba hahatonga ny olona hiantso antsika amin’izany anarana izany, anaran’ireo izay manara-dia an’i Kristy!

 

Voalaza matetika ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny hoe “mpianatra”. Aoka isika mba ho mpianatra mahatoky amin’ny fanarahana ny Tenin’Andriamanitra, manoa an-kitsim-po ny fampianarana izay nanolorana antsika (Romana 6:17), dia ny “fampianaran’i Kristy” (2 Jaona 9).

 

Miresaka ny “olona masina” ny epistily. Zara raha ho sahy ampiasa io voambolana io isika, na dia nampiasain’ny apostoly, izay notsindrian’ny Fanahy Masina, aza io ilazana ny mpino tao Korinto sy tamin’ireo fiangonana tany an-toeran-kafa, ny “fiangonan’ny olo-masina” (*). Indraindray dia misy olona mampiasa io voambolana io tsy dia am-pandinihana loatra; ohatra, rehefa ampiasaina eo anoloan’ireo izay tsy mbola niova fo izy io, dia mety ho raisiny ho zavatra hafa, na mety hiteraka “fanafintohinana” mihitsy aza. Tadidio ny nataon’ny Tompontsika tao amin’ny Matio 17:27. Noho ny fahasoavana anefa, dia masina daholo ireo voavidin’i Kristy, masina noho ny antson’Andriamanitra sy noho ny asan’i Kristy: izany no antony ampirisihina antsika mba hiaina araka “izay maha-mendrika ny olona-masina” (Efesiana 5:3).

 

(*) 1 Korintiana 14:33; Romana 1:7; 1 Korintiana 1:2; 2 Korintina 1. 1; Efesiana 1:1; Filipiana 1:1; sns

 

Fa mandritra ny tantara taterina ao amin’ny Asan’ny Apostoly, ary tsy an-kitsahatra ao amin’ny epistily, dia ny voambolana hoe “mpirahalahy” no miverimberina. Tsy menatra ny hiantso ho izany ireo olona nohamasininy i Kristy: ireo no “rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra” (Hebreo 2:11; 3:1). Ny anarana hoe rahalahy sy anabavy dia mety amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ary tokony hahazatra ny fampiasana azy eo anivon’ny zanak’Andriamanitra. Tsy tokony hitady voambolana hafa isika. Ary vao mainka tsy tokony hihazona ho antsika irery izany voambolana izany: raha manao izany isika, dia tsy hanadino ireo olona marobe, izay zanak’Andriamanitra toa antsika koa, saingy tsy fantatsika satria miparitaka eran’ny tontolo kristiana, ary hahatsapa alahelo am-po isika —fa alahelo ilaina— satria tsy tafangona tanteraka ny fianakavian’Andriamanitra.

 

Ny fiainana ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fivorian’ny mpino dia tsy midika velively ho famoronana fikambanana vaovao atao hoe “ny mpirahalahy” na “fiangonan’ny mpirahalahy”, fa kosa mivory amin’ny maha-“mpirahalahy” antsika, akamban’ny fahasoavan’Andriamanitra, amin’izao vaninandro iparitahan’ny zanak’Andriamanitra izao.

 

3.2  Ny “asa fanompoana”

3.2.1  Ny mpitondra fivavahana sy ny fanompoana ofisialy

Ny tsy fisian’ny “mpitondra fivavahana” sy ny “mpanompon’ny fiangonana” notokanana ara-pomba ofisialy no azo lazaina fa zavatra manaitra indrindra amin’ireo fivoriana ivelan’ny rafitra samihafa misy mpitondra fivavahana. Manaitra, ary matetika aza mampametra-panontaniana ireo olona mahitsy fo nefa zatra ny fombafombam-pivavahany. Fa angaha moa ao amin’ny Testamenta Vaovao tsy misy miresaka momba ny mpanara-maso, ny loholona, ny mpanompo, ny mpitandrina, ny evanjelista, ny mpampianatra toy ny niresahana ny apostoly sy ny mpaminany?

 

Tsy azo lavina izany. Nefa alohan’ny hirosoantsika lalindalina kokoa, dia aoka isika hanamarika fa tsy misy mihitsy ao amin’ny Testamenta Vaovao ahitana ireo olona ireo, na sokajin’olona amin’izy ireo, lasa vondrona miavaka amin’ny mpino tsotra mba hanao ny asam-pisoronana, hitarika ny fanompoam-pivavahana, hanatontosa irery ny fombafomba sasantsasany. Ny mifanohitra amin’izany aza, ny kristiana rehetra dia raisina ho mpisorona avokoa ao. Tsy manavaka ny apostoly Petera raha manoratra hoe: “Ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (1 Petera 2:5). Ivelan’ny fampianarana kristiana mihitsy ny hoe mpitondra fivavahana miavaka. Tsy misy koa ao amin’ny Soratra Masina fanambaràna na faminaniana fa hisy ao amin’ny tontolo kristiana ny fifandimbiasan’ny pretra na mpitandrina, atao amin’ny  fanamasinana na fanokanana, nefa ny “eglizy” samihafa dia mitandrina izany, na dia maro aza —indrindra ireo eglizy nisintaka— no tsy manaiky ny mpitondra fivavahana toy ny amin’ny fomba katolika. Ny momba ny apostoly, dia mazava fa ny Tompo no nanendry azy ireo ary tsy nisy napetrak’izy ireo taoriany. Raha nisy nanolo ny “fanompoana izay nialan’i Jodasy”, tsy izy iraika amby folo lahy no nifidy azy (Asan’ny Apostoly 1:24). I Paoly indray dia manamafy hatraiza hatraiza fa avy tamin’Andriamanitra no no nandraisany ny maha apostoly azy fa tsy avy amin’ny olona, ary tsy nanendry na iza na iza ho solony izy. Mitovy ihany ny foto-kevitra mikasika ny fanompoana rehetra. Tsy hahita zavatra hafa noho izany ao amin’ny Testamenta Vaovao ianao.

 

Hitantsika tsara ao fa, talohan’ny hahafeno ny Tenin’Andriamanitra, raha mbola vao niforona ny Eglizy, dia nihevitra ireo apostoly tao Jerosalema fa mety ny hanendren’ny fiangonana sy ametrahany olona hitandrina raharaha (Asan’ny Apostoly 6:1-3) ary hifidianan’izy ireo loholona tao amin’ireo fiangonana tany amin’ny tanin’ny jentilisa (Asan’ny Apostoly 14:23) toy izay efa fomba fanao hatrizay tany Israely (Jereo Asan’ny Apostoly 11:30; Jakoba 5:14-16). Ny apostoly Paoly, noho ny fahefana nananany amin’ny maha apostoly azy, dia nanendry an’i Titosy hanao izany tany Kreta (Titosy 1. 5) ary angamba koa, na dia tsy voalaza mazava aza, an’i Timoty tany Efesosy (1 Timoty 3). Voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:1-4 koa fa ny mpaminany sy ny mpampianatra tao amin’ny fiangonana tao Antiokia dia nametra-tànana tamin’i Paoly sy Barnabasy, nefa tsy hoe hanankinana asa fanompoana taminy, satria ny Fanahy Masina no niantso azy ireo; nijoro ho vavolombelona amin’ny firaisana sy ny fankasitrahana tanteraka fotsiny izy ireo. Singanintsika koa fa i Timoty, izay nahazoana faminaniana manokana (1 Timoty 1:18), dia nandray fanomezam-pahasoavana “tamin’ny fametrahan-tànan’ny loholona” (1 Timoty 4:14)  ary tamin’ny fametrahan-tànan’ny apostoly Paoly (2 Timoty 1:6): nanaiky ny loholona fa ny apostoly irery ihany no nanana fahefana hanome izany, ary tsy afaka manome izy raha tsy nahazo didy mazava avy amin’ny Fanahy Masina tamin’ny faminaniana. Zavatra tsy azo lavina izany; nefa tsy azo hanatsoahana fitsipika na lalàna velona hanaovana fanamasinana ofisialy izany. Tsy vitan’ny hoe tsy nisy mpandimby ny apostoly, ary mangina tanteraka ny Tenin’Andriamanitra momba izay famindrana ny fahefan’ny apostoly, fa mangina tanteraka koa izy momba izay fanendrena olona handray andraikitra ofisialy, na inona izany na inona. Tsy misy olona ankehitriny afaka hilaza fa avy amin’Andriamanitra ny fahefany.

 

Mifanohitra amin’izany, ny Tenin’Andriamanitra aza dia manantitra fa asan’ny Fanahy Masina ny mizara ny fanomezam-pahasoavana sy ny anjara fanompoana (Asan’ny Apostoly 13:2; 1 Korintiana 12). Ary izay asa izay indrindra no tsy eken’ny tontolo kristiana amin’ny ankapobeny. Ahoana moa no hamelàna ny Fanahy Masina hiasa malalaka sy am-pahefana raha matetika no tsy ekena akory ny fisiany amin’ny maha-isan’ny Telo Izay Iray (leo be ny hoe Persona na Olona aho) azy etỳ an-tany? Noho izany, tsy maintsy ny fitsipiky ny fikambanan’olombelona no mihambo haka ny toerany, ary mila fanokanana vao afaka manao asa ao amin’ny Eglizy. Na dia lazaina aza fa olona nantsoin’Andriamanitra ihany no atokana ho amin’izany asa izany, ny manao io fanokanana io dia fahefana ofisialy sy tsy manam-paharoa, nefa tsy mahita taratra an’izany isika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Kanefa izy dia mirakitra toro-lalana maro tokoa sy mazava momba ny filaminana sy ny fanorenana ao amin’ny Fiangonana. Izao ihany no lazainy: “Ireo rehetra ireo dia asan’ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony” (1 Korintiana 12:11). Tsy anjaran’ny Fiangonana, ary indrindra tsy an’ny mpitondra fivavahana avy ao aminy, no “mizara” ireo.

 

Mila arovana mafy isika, tsy amin’ireo fisehoana ivelany ihany, fa amin’ilay toe-tsaina mpankasitraka ny mpitondra fivavahana: io toe-tsaina io mantsy dia tsy mampisy ny fahatsiarovan-tenan’ny daholobe, fa avela amin’olom-bitsy, ary ho azy ireo ihany, ny fampandehanana ny raharahan’ny fiangonana. Ho afaka amin’izany isika raha mino tsotra fotsiny fa manatrika ao amin’ny Fiangonana ny Fanahy Masina. Miasa ao Izy amin’ny “fanomezam-pahasoavana”.

 

3.2.2  Ny “fanomezam-pahasoavana” (*)

(*) Io no dika mifanakaiky indrindra amin’ny teny grika hoe charismata (ny manondro tokana charisma, avy amin’ny hoe charis, fahasoavana). Ny teny frantsay ampiasaina matetika dia ny hoe “charisme”. Ao amin’ny Soratra Masina, dia matetika iray ihany ny “fanomezam-pahasoavana” sy ny olona manana izany (Efesiana 4:8,11)

 

Tsy afaka ny hiaina tokoa ny Fiangonana raha tsy mampiasa ireo antsoin’ny Tenin’Andriamanitra hoe “fanomezam-pahasoavana”. Ny “talenta” dia fahafahana manokana na fahaizana, omen’Andriamanitra olona iray hiasàny amin’ny olombelona. Tsy avelan’i Kristy ho tsy ampy izany ao amin’ny Eglizy. Nanome Izy, manome, ary mbola hanome amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay rehetra ilaina mba hamahanana azy, mba hitondrana sy hanorenana azy raha mbola etỳ an-tany izy.

Maro karazana ny fanomezam-pahasoavana. Ny andinin-tSoratra Masina maro milaza izany dia mitanisa karazany samihafa, samy arakaraka izay ilàna azy, nefa tsy misy ny famerana.

 

Misy ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny fiangonana iray manontolo, “ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy” (Efesiana 4:11-12). Izy, Izay nasandratra ho Lohan’io tena io, no “nanome ny sasany ho apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra”. Hita amin’izany fa ny tena lazaina eto dia ny “fampianarana” (Asan’ny apostoly 6. 4) (sao atao () hoe asa fitoriana ny Tenin’Andriamanitra?), ary izany no tiana ambara rehefa mampiasa ny voambolana hoe “fanompoana” ka tsy asiana fameno. Mitohy ny fanompoan’ny apostoly, satria ireo zavatra nambarany dia tafiditra ao amin’ireo soratra nomen’ny tsindrimandrin’ny Fanahy Masina, ary mameno ny Tenin’Andriamanitra (Kolosiana 1:25). Ny mpaminany, arakaraka ny vaninandro iainany, dia mampihatra ny Tenin’Andriamanitra amin’ireo filàna izay asehon’Andriamanitra azy ao amin’ny Eglizy sy ny valiny tian’Andriamanitra omena; azo lazaina hoe mampifandray ny olona amin’Andriamanitra mihitsy izy (Jereo 1 Korintiana 14). Ireo evanjelista dia miasa ao amin’ “izao tontolo izao” mba hisintona avy ao ny olona izay entin’Andriamanitra ho ao amin’ny Fiangonana. Ny mpitandrina dia mikarakara ny fanomezana ny sakafo ara-panahy ilaina, ary miambina ny andian’ondry izay tandidomin-doza mandrakariva amin’ny asan’izao tontolo izao sy Satana. Ny mpampianatra dia mampiseho ny marina amin’ny fomba mazava ary tsy mampiditra hevi-diso.

Ny toko faha 12 ao amin’ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana, izay manamafy indrindra ny fahefana tsy refesi-mandidin’ny Fanahy Masina amin’ny fizarana ny talenta, dia milaza amintsika fa “Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-manasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiTenin’Andriamanitra samihafa tsy fantatra” (1 Korintiana 12:28). Na dia tsy miseho ho toy izany intsony etỳ amintsika aza ireo talenta tena nankafizin’ny Korintiana, dia ny fahagagana sy ny fiTenin’Andriamanitra amin’ny Tenin’Andriamanitra tsy fantatra, izay “famantarana” ho an’ny tsy mpino (Jereo 1 Korintiana 14:22), dia mbola misy ny fanomezam-pahasoavana hafa. Tsy misy miresaka evanjelista eto satria io toko io dia manazava ny “fisehoan’ny zava-panahy” ao amin’ny fiangonana isan-toerana iray, ao amin’ny fiainany manokana, izay tarihin’ny Fanahy Masina.

Ao amin’ny Romana 12, tsy ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra ihany no aseho amintsika, fa koa ny fitambaran’ny "fanompoana" kristiana, ary toy ny “fanomezam-pahasoavana” no anehoana azy rehetra amintsika. Manomboka amin’ny faminaniana izany, izay anjaran’olona vitsivitsy ihany, ka hatramin’ny famindrampo, izay tokony hataon’ny mpino rehetra, na lahy na vavy. Samy nandray ny tsirairay. Ampirisihina ny tsirairay hanome. Nefa ampahatsiahivina koa ny tsirairay fa tokony hihevitra “izay oniny araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy”, tsy hihoatra izany, mba ho afaka hirindra ny fiasan’ny tena iray manontolo.

 

Ao amin’ny 1 Petera 4:10-11, hoy ny apostoly hoe ny fahasamihafan’ny talenta araka “ny fahasoavana maro samihafa izay an’Andriamanitra”, dia voazara ho aminareo, ary ianareo no “mpitandrina tsara” izany. Koa “raha misy olona miTenin’Andriamanitra, dia aoka izy hiTenin’Andriamanitra toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy”. Ilay fitiavana miredareda, izay ampirisihina ny mpino mba hananany, no mahatonga azy ireo hampiasa ny fanomezam-pahasoavana izay noraisin’ny tsirairay, na lahy na vavy, “mba hifanompoana”.

 

Tsy tokony hijanona ho zavatra vakiana fotsiny izany fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra izany. Misy fiantraikany manan-danja be mihitsy ny fampiharana azy.

 

Be ny karazana “fanomezam-pahasoavana”. Izay manaitra ihany anefa matetika no antsointsika ho toy izany, ohatra ny fanompoana amin’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra, ary ankafizintsika raha aseho amin’ny fomba maningana na mahasarika. Eo imason’Andriamanitra, dia tsy misy fanavakavahana toy izany. Ny mifanohitra amin’izany aza, ny fanomezam-pahasoavana “madera” indrindra dia mifandraika amina zavatra maivan-danja sy tsy dia sarobidy ka voatery nomentsika voninahitra bebe kokoa etỳ ivelany (1 Korintiana 12:23-24). Ny mpanompo mitondra ny Tenin’Andriamanitra dia fantsona ihany, izay mamindra fo kosa dia hitoeram-pitiavana. Ny fanompoana izay heverina ho bitika indrindra ao amin’ny Fiangonana dia matetika manan-danja kokoa noho ny hafa izay tena mahasarika.

 

Ireny “fanomezam-pahasoavana” ireny izay natao “hampandrosoana ny asan’ny fiangonana” amin’ny lafiny rehetra dia tsy manome fahefana ofisialy ho an’ireo izay manana azy fa kosa andraikitra. “Mpanompo”, izany i Kristy tamin’ny fiainany. Misy te-ho lehibe noho ny Mpampianatra azy ve? “Inona no anananao izay tsy noraisinao?” Na dia izay “mitondra” aza, na izay “lohany”, dia tsy mpanapaka araka ny fiheveran’olombelona: mitovy lenta amin’ny rahalahiny ihany izy, saingy nomena toerana misy andraikitra manokana. Ny loza mety hanambana izay nahazo fanomezam-pahasoavana mahatonga azy halaza, indrindra ny fanomezam-pahasoavana hitory ny Tenin’Andriamanitra, dia ny hitsanganany ho filoha ary hanodinany ny sain’olona tsy hifantoka amin’i Kristy, fa aminy, na mahatsiaro izany izy na tsia. Setrin’izany indray, dia loza tsy latsa-danja koa no manambana ny olona hafa izay miankina amin’ireo olona sasantsasany nomen’Andriamanitra, ka tsy manao na inona na inona ary renoka anaty fomba mahazatra, ary mahatonga ny mpitondra fivavahana hitsiry sy hisy, na dia tsy azony an-tsaina aza.

Samy nahazo “fanomezam-pahasoavana” ny tsirairay. Samy tokony hahafantatra izay nomen’ny Tompo azy ny tsirairay, ary hankatoa Azy, amin’ny fiankinana amin’ny Fanahy Masina. Mba hitomboan’ny tena sy hampandeha azy, dia tsy maintsy manao izay anjara asany avy ny isan’ny tena, tsy manao be loatra na kely loatra, araka ny voalaza ao amin'ny 1 Korintiana 12. Mifampiankina isika rehetra, ary ho an’ny soa iombonana fa tsy ho fifalian’ny saintsika tsirairay avy no tokony “haniriana fatratra izay fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra”. Fa misokatra eo anoloantsika “ny lalana tsara indrindra”, dia ny lalan’ny fitiavana.

Faly isika raha mieritreritra fa ny Tompo no manome, mba hamaliana ny filàn’ny Fiangonana izay tiany. Tsy nitsahatra ary tsy hitsahatra hanome ny talenta izay ilain’ny Fiangonana Izy. Nefa ahoana no ampiasana azy ireny, ary ahoana no fomba fandraisan’ireo izay ampiharana izany? Amin’ny zava-misy ankehitriny, maro ireo fanomezam-pahasoavana no very satria tsy ampiasaina, na dia eo aza izy ireo. Io fampiasana ny fanomezam-pahasoavana io no velabelarin’ny Romana 12 amintsika. Aoka isika hiasa araka izay nomena antsika. Raha tsy izany, akory ny fatiantoka ho an’ny rehetra! Ny toetry ny Eglizy ankehitriny dia tsy midika tsy akory hoe tsy misy ny fanomezam-pahasoavana, misy izy ireo saingy tsy ampiasaina na ampiasaina amin’ny tsy tokony ho izy. Nampirisihina i Timoty hamelona ny “fanomezam-pahasoavana” tao anatiny, i Arkipo mba hitandrina ny fanompoana izay nankinin’ny Tompo taminy (2 Timoty 1:6 ; Kolosiana 4:17). Afaka miTenin’Andriamanitra amintsika rehetra ny Tompo hoe: Nataonao inona izay nomeko anao?

 

Lavitra antsika koa ny fieritreretana hoe ny talenta rehetra izay nomen’Andriamanitra ankehitriny dia ao amin’ireo rahalahy miara-mivory amintsika. Ary aoka tsy hiambo hahalala azy rehetra. Fa aoka kosa, eo amintsika, tsy hisy asa ankoatra ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ireo “fanomezam-pahasoavana”, ary aoka ny tsirairay hiasa amin’ny fiankinan-doha, araka izay noraisiny tamin’ny Tompo.

 

3.2.3  Ny “andraikitra” na fanompoana ao amin’ny fiangonana isan-toerana

Matetika koa no lazain’ny Testamenta Vaovao ny momba ireo rahalahy nantsoina hikarakara ny fiangonana isan-toerana, ho “loholona” na “mpitandrina”, “mpanompo” na “diakona” (Asan’ny Apostoly 11:30; 14:23; 20:17,28; Filipiana 1:1; 1 Timoty 3; Titosy 1; 1 Petera 5:1; Jakoba 5:14; ary koa Hebreo 13:17). Ireo “andraikitra” ireo, araka ny iantsoana azy indraindray, dia tsy manakana velively ny fampiasana ny talenta hitory ny Tenin’Andriamanitra, toa ny hita momba an’i Stefana sy Filipo, nefa koa tsy voatery hifamatotra ny talenta sy ny andraikitra. Tsy maintsy tandrovana ny filaminana ao amin’ny Fiangonana, anarinana ireo izay “tsy mitoetra tsara” (1 Tesaloniana 5:14), tsaboina sy ampaherezina ny fanahy. Ilaina koa ny olona —lahy na vavy (Foiby dia diakona tao amin’ny fiangonana tany Kenkrea)— manana fandavan-tena hikarakara ny zavatra materialy, ary ny isanisany amin’ireo, na dia izay bitika indrindra aza, dia samy manana ny lanjany; ny mpanompo napetraka tao amin’ny Asan’ny Apostoly 6 dia nikarakara ny mahantra sy nizara ny sakafo. Raha toa izany asa izany no irin’ny mpino atao, dia “mitady hanao asa tsara izy”.

 

Ny toetra ilaina hanatanterahana ny andraikitra tsirairay dia tanisain’ny apostoly Paoly ao amin’ny toko faha-3 ao amin’ny epistily voalohany ho an’i Timoty sy ao amin’ny epistily ho an’i Titosy (1:7). Mila kristiana miorina, manana traikefa, mivavaka. Ny tsy fisian’ireo toetra tsara ireo amin’izao fotoana izao no ahatsapana mafy, ao amin’ny fiainan’ny fiangonana isan-toerana, ny tsy fisian’ny mpitandrina sy ny mpanompo. Amin’izay toerana misy azy ireo, dia tokony ekentsika izy ary omentsika voninahitra (1 Tesaloniana 5:12).

 

Averina eto indray fa tsy manome toro-lalana mihitsy ny Tenin’Andriamanitra momba izay fanomezam-pahefana, ofisialy sy manaraka fitsipika, olona hanatanteraka ireo andraikitra ireo. “Nanaovan’ny Fanahy Masina anareo… hiandrasanareo ny Fiangonan’Andriamanitra” hoy i Paoly tamin’ireo loholona tao Efesosy. Ara-tantara, ny loholona (presbuteroi, voambolana nahatonga ny hoe pretra), na mpitandrina (episkopoi, nahatona ny hoe eveka) (*), ary ny mpanompo (diakonoi, nahatonga ny hoe diakona) dia niataka tsikelikely tamin’ny sarambaben’ny mpino ka namorona ny fikambanan’ny eklesiastika (na mpitondra fivavahana). Tao amin’ireo eglizy katolika, dia nihevi-tena (ary noheverina) ho izy ireo irery no manana ny “fanomezam-pahasoavana” sy notendrena hiandraikitra izay rehetra mety ho fanompoana, ho fampianarana, ho fanompoam-pivavahana, ho asan’Andriamanitra. Farany dia izy ireo ihany no mampiditra olona ho ao aminy, satria mieritreritra izy fa ity fikambanany hafakely ity ihany no afaka mametraka ny pretra vaovao, araka ny fahefana izay hoe azony tamin’ny apostoly ary nolovainy tsy nisy fiatoana. Ny famakiana ny Testamenta Vaovao dia ampy ahitana mazava fa tsy misy amin’ireo tsangan-kevitra telo ireo no mitombina ao amin’ny Soratra Masina, ary manohitra ny fahefan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana izany. Any an-kafa, ao amin’ny ankabeazan’ireo eglizy protestanta, tsy tena hoe mpitondra fivavahana toy izany “ny loholona”, nefa kosa dia sokajy ofisialy manokana izy ireo, ary fidin’ny mpino rehetra, fomba izay tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina koa: tamin’ny nanendrena ireo diakona fito lahy tao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:1-6, dia “nizaha” azy ireo ny mpianatra, ary narosony teo anoloan’ny Apostoly, dia ireo no nametraka azy tamin’ny toerany araka ny fahefana tsy azo soloina nananan’izy ireo. Raha ny marina, dia tsy misy ankehitriny etỳ an-tany fahefana afaka mametraka loholona na mpanompo.

 

(*) Ao amin’ny Titosy 1. 5-7, dia mitovy ihany ireo andraikitra roa ireo, saingy samihafa fotsiny ny lafiny hijerena azy.

 

Nefa ratsy koa ny mihambo fa tsy ilaina intsony izy ireo, ary tsy fatokisana ny fitiavan’ny Tompo ny Fiangonany ny mieritreritra fa nesoriny izay zavatra tsy maintsy ilaina hanasoa ny fiangonana isan-toerana. Ilaina toy ny ilàna ny fanomezam-pahasoavana izy ireo. Ary toy ny fampiasana ny “fanomezam-pahasoavana” ihany, ny fanaovana ireo “andraikitra” ireo —ankoatra ny fahaizana sy ny toetra tsara izay faritan’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny 1 Timoty 3:8-13 sy Asan’ny Apostoly 6:3, izay azo fintinina amin’ny hoe fitiavam-bavaka— dia mitaky fahendrena sy fitiavana ny olo-masina ary fitiavana ny Tompo manokana. Fanatanterahana adidy masina izany, amin’ny fankatoavana, fa tsy fitadiavan-tseza hampalaza na hanjakazakana (1 Petera 5:1-4).

 

3.2.4  Fahafahana sy fiankinan-doha

Avelao izahay anantitrantitra io foto-kevitra vao novoaboasana io. Ny tsy fisian’ny pretra sy ny mpanompo ofisialy dia tsy midika ho karazana demokrasia ara-pivavahana, izay ananan’ny olon-drehetra zo sy fahefana, tsy akory. Tsy misy manan-jo amin’ny rahalahiny, fa samy manana ny adidy nankinin’ny Tompo taminy ny tsirairay. Ny foto-kevitra lazaina dia ny hoe avela hiasa malalaka ny Fanahy Masina, mba ho afaka hiasa ny tsirairay amin’ny tena, ho tombontsoan’ny rehetra ary araka ny sitrapon’Andriamanitra. Ireo “rafitra” ara-pinoana dia tsy ahazo an-tsaina mihitsy izany fivoriana tsy misy mpitarika voatondro izany, fandaminana efa voafaritra, litorjia izay arahina an-tsipiriany, satria tsy azo fa tena manatrika marina eo amin’ny Fiangonana ny Fanahy Masina. Moa ho hendry na hanam-pahefana mihoatra noho ny Fanahy Masina ve ny olona, na dia tsara dia tsara aza ny fikasàny? Nefa aoka isika hitandrina: tsy hoe afaka amin’ny fanjakazakan’ny olombelona isika dia hiasa tsy miankina amin’ny Fanahy Masina, Ilay efa nandray avy amin’i Kristy ka hanambara izany amintsika (Jaona 16:14; 14:26.), ary mametraka ny fo sy ny saintsika ho eo anoloan’i Kristy. Raha tsy eo Izy, dia tsy misy ny Fiangonana. Raha malahelo Izy na novonoina, tsy misy maha-fiangonana azy intsony. Dia ny Fiangonana ve no hany toerana ahazoan’ny nofo miseho miharihary nefa tsy faizina?

 

Ny fampiasana ny “fanomezam-pahasoavana” dia tsy mila miandry ny faneken’ny Eglizy: izy no tokony hanaiky izany, ary hamantatra na avy amin’Andriamanitra izany na tsia amin’ny fomba fanampiany ny fampandrosoana ny fiangonana (1 Korintiana 14:29; 1 Tesaloniana 5:19-21; 1 Jaona 2:20; 4:1.). Mety mila evanjelista iray eto, mpitandrina iray na roa etsy, mpampianatra iray aroa: atsangan’Andriamanitra izanyolona izany, arakaraka ny filàna izay Izy irery no mahalala azy. Tsy miankina mihitsy amin’ny fahefan’ny olona ny fanomezam-pahasoavana.

 

Indrisy anefa fa fanaon’ny nofo mandrakariva ny mampiasa ny fahafahana hanandratan-tena. Mety hisy olona hihambo ampiasa fanomezam-pahasoavana na tsy manana izany akory aza, hampiasa ny hananany amin’ny tsy tokony ilàna azy, na hanao mihoatra noho ny tokony ho izy. Iza no afaka hilaza ny fahasimbana eo amin’ny Fiangonan’Andriamanitra vokatr’izany tsy fahatanterahantsika lalandava izany? Ny tenantsika no eritreretintsika mihoatra noho i Kristy sy ny olony, hany ka indraindray dia mandà tsy hanasongadina ilay fanomezam-pahasoavana nomena antsika isika, ary izany no mahatonga rahalahy maro tokony hampiorina ny fiangonana nefa tsy nanoka-bava mihitsy; indraindray, raha ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra ihany no resahina, dia manao kabary lava reny diso toerana sy manolo ny tena Tenin’Andriamanitra tokony hampiorina. Amin’alahelo tokoa no hilazana fa matetika toa mampiavaka ny fivoriana tsy misy mpitarika ofisialy ny fieritreretana fa afaka manao izay tiany atao ny olona rehetra. Tsy misy manohitra tanteraka ny Tenin’Andriamanitra toy izany, ary mampiseho fa tsy fantatra mihitsy ny momba ny atao hoe Fiangonana sy ny zon’i Kristy ary ny toeran’ny Fanahy Masina. Fara-faharatsiny, ny fahafantarana ny Boky Masina, ny fahaizana manazava izany amin’ny sasany, ny fananana hevitra mitombina dia tsy maintsy ilaina: azo lazaina hoe tsy maintsy miaraka amin’ny fanomezam-pahasoavana ireo, toy ny hoe tsy kilemaina no atao iraka na jamba no atao mpitily. Manaraka izany, izay manana andraikitra hampiasa fanomezam-pahasoavana dia tsy hahita vokatra raha tsy misy ny faharisihana, ny fitiavana an’i Kristy sy ny Fiangonana, ny fiankinan-doha. Kanefa koa, tsy ny fahaiza-miTenin’Andriamanitra, na ny fianarana na ny fahalalan’olombelona, no mahatonga ny talenta, satria tsy izay rehetra mahay miTenin’Andriamanitra na mikabary akory no nantsoin’ny Tompo, nefa kosa ny mpino izay manana izany fanomezam-pahasoavana izany dia tokony hanontany tena hoe nahoana izy no nahazo izany, ary raha mety ny ataony mampiasa izany ho an’izao tontolo izao fa tsy ho an’ny Tompo. Tsy manana anjara amin’ny fahamarinan’Andriamanitra ny fahaiza-manaon’ny olona, afa-tsy hoe azon’ny Fanahy Masina ampiasaina, ary ampiasainy amin’ireo izay antsoiny: zavatra samihafa mihitsy izany. Raha tokony hitandrina ireo izay te-ho loha-laharana foana mba “tsy handrava fefy vato” nameran’ilay Andriamanitra mahalala onony ny fanomezam-pahasoavany (MpitoriTenin’Andriamanitra 10. 8), dia tsara kosa raha hampirisihana ireo “saro-kenatra” mba tsy hanaiky ho sakanana raha mahatsiaro ny antson’Andriamanitra hanao fanompoana iray izy. Tokony handroso “amin’ny fahasahiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy” izy(1 Timoty 3:13), fahasahiana izay avy amin’Andriamanitra ary voalaza matetika ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Tokony hikatsaka ny fiombonana amin’ny olo-masina izy, tsy ny fankasitrahana mandokadoka, izay mampieritreritra indraindray ary tokony atahorana foana, fa ny “fanakianana mari-pototra” izay fantatra foana fa avy amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra sy amim-pitiavana.

 

3.2.5  Ny fanompoan’ny vehivavy

Voalazan’ny Testamenta Vaovao fa sarobidy tokoa ny vehivavy amin’ny toerana misy azy — na ny fampianarana ao amin’ny fianakaviana izany, amin’ny dinidinika manokana, toa an’i Prisila nampianatra an’i Apolosy niaraka tamin’i Akoila, na izy efa-bavy zanak’i Filipo, izay naminany — na ny “fanompoana” hafa, toa ny an’i Foiby, “diakon’ny fiangonana tao Kenkrea”, izay maha-sarotra soloina ny vehivavy: fandraisam-bahiny, fikarakarana ny marary, sns. Fa ny tiana ho lazaina eto dia ny fitoriana Tenin’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana, ary hentitra mihitsy ny fampianaran’ny Soratra Masina ny amin’izany, ka ampy ny mandika izany: “Mahamenatra raha miTenin’Andriamanitra ao am-piangonana ny vehivavy... Aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana, fa tsy avela hiTenin’Andriamanitra izy... Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra... fa hangina ihany”. (1 Korintiana 14:34-35; 1 Timoty 2:11-14). Tsy resaka fahaizana, na fahalalana, na fandavan-tena izany: fa kosa fanomezam-boninahitra ny Tompo ao amin’ny Fiangonana amin’ny fanajana ny lamina napetrak’Andriamanitra.

 

Noho izany, ny fitovian-jon’ny zanak’Andriamanitra rehetra mba ho mpisorona dia tsy midika hoe fitoviana ranoiray. Ny “fisoronana eran-tany” tsy midika hoe fitondrana fivavahana eran-tany sy azo hifanolosoloana. Maro karazana ny fanomezam-pahasoavana, fa iray ihany ny Fanahy.

 

3.3  Ny fivoriana

Famporisihina iray sarobidy tokoa no mifehy ny fiainana andavanandron’ny Fiangonana: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana” (1 Korintiana 16:14).Io fitiavana io, izay tsy azo sarahina amin’ny fahamarinana (2 Jaona 3), no mampisy “kofehim-pihavanana” eo amin’ny mpino, amin’ny “fahatanterahana”, indrindra amin’ny fotoana izay mampivory ny fiangonana. Eo mantsy no nandidiana fa “ny zavatra rehetra atao dia ho fampandrosoana”: ny fitiavana anefa no mampandroso (1 Korintiana 14:26). Etsy an-daniny, satria Andriamanitra tsy Andriamanitrin’ny fikotranana, fa Andriamanitrin’ny filaminana, dia tsy maintsy “atao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana” izay “rehetra” (1 Korintiana 14: 40) atao ao.

 

Mivory amin’ny anaran’ny Tompo ny fiangonana. Izy no loharanom-pahasoavana. Raha tsy eo Izy, inona moa no antony hivoriana? Fa raha mivory amin’ny anarany kosa, dia hanatrika eo Izy, mahatoky amin’ny Tenin’Andriamanitra fampanantenany. Ampirisihana isika mba “tsy hahafoy ny fiarahantsika miangona” (Hebreo 10:25).Tsy lalàna apetraka akory izany, fa fampahatsiahivana kosa ny fepetra tsy maintsy ilaina amin’ny fiainan’ny tena. Ny tsy fandehanana mivory, “tahaka ny fanaon’ny sasany”, dia manaisotra ho an’ny tena — sy ho an’ny sasany izay miray amintsika — ny zavatra ilaina ho amin’ny fitomboana miaraka.

 

Nefa aoka isika hitandrina, na mivory aza, mba tsy ho dify ny fahasoavana izay tian’ny Tompo omena antsika, amin’ny tsy fanomezantsika Azy izay tokony ho Azy. Nalahelo ny apostoly satria ny Korintiana dia tsy nivory hihatsara, fa hiharatsy (1 Korintiana 11:17). Mampalahelo ny mieritreritra fa mety hivory isika haharatsy antsika, ho tonga hatrany amin’ny “fanamelohana”(1 Korintiana 11:34), satria tena marina fa “ny fatin-dalitra dia mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra” (Mpitoriteny 10. 1).

 

Toy ny tany Korinto, ny antony voalohany mahatonga izany fahaverezana izany dia ny “fisarahana” (1 Korintiana 11:18-19): tsy fifanarahana ekena sy vao mainka avela hitombo, fialonana, lolom-po aseho na tsia, izany rehetra izany dia manakana ny fiasan’ny Fanahy ao amin’ny fivoriana ary tsy mampisy ny fahafahana manoloana ny Tompo! Aoka ho tsaroantsika ny fampirisihana, izay mbola mitombina foana ankehitriny, nataon'i Jesosy Izy tenany mihitsy ao amin'ny Matio 5:23-24, ary aoka hihavana amin'ny rahalahintsika isika vao manatona ny alitara ary miaraka aminy eo.

 

Misy antony hafa izay tena mahavoa antsika koa: ny tsy fahafantarantsika ny hajan’ny Tompo ao amin’ny fivoriana. Manatrika eo Izy, ary mbola tany masina ihany izany io ka tokony hanala ny kapa eo amin’ny tongontsika isika. Toy izany no nihinanan’ny Korintiana ny Fanasàn’ny Tompo “amin’ny fanahy tsy mendrika”, ary nahatonga ny maro tamin’izy ireo ho marary sy marofy, ary maro no efa nodimandry.

 

Farany, tsy voavaka ao amin’ny fivoriana koa ny “zava-panahy” (1 Korintiana 12-14), fisehoana samihafa toy ny maha-samihafa ny fivoriana ihany.

 

3.3.1  Ny fivoriana antsoina sy ny fivoriam-piangonana

Rahalahy iray na maro dia afaka miantso ny fiangonana hivory: mety nantsoin’ny Tompo ireo hanome fampianarana amin’ny kabary, na fandalinana, na dinidinika (Asan’ny Apostoly 11:26), nefa koa mety mitondra hafatra fampitandremana, fampiononana na hafa (Asan’ny Apostoly 15:30), na manao tatitra momba ny asan’ny Tompo, toy ny hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 14:26; Paoly sy Barnabasy dia niverina nankany Antiokia, “izay efa nanolorana azy ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ho amin’ny asa izay novitainy”, ary namory ny fiangonana mba hitantarana aminy “izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny nombany azy”; sarobidy tokoa ny fiombonana amin’ny fanompoana toy izany, ary mampalahelo fa mahalana dia mahalana ny fisiany.

 

Indraindray toa diso hevitra momba ny toetr’izany fivoriana antsoina izany, ary misalasala ny hilaza fa “amin’ny anaran’ny Tompo” no hanaovana azy, na manodidina Azy. Amin’izany, dia ferantsika, noho ny fahazarana na ny hateren-tsaina manokana, ny fotoana ahazahoan’ny fiangonana mivory amin’ny anaran’i Jesosy ary hanantenany ny fanatrehany. Marina fa ny mpanompon’Andriamanitra izay miantso ny fivoriana, na mampiantso azy, ary izy ihany no taompon’andraikitra amin’izany, dia manao izany mba hanatanterahana ny fanompoana nankinina taminy; enga anie ka handanjalanja foana izany andraikitra izany izy eo imason’ny Tompo; tokony ho resy lahatra izy fa izany fiantsoana fivoriana izany dia avy amin’ny Tompo; hita amin’izany fa manan-danja tokoa ny fanompoan’ny rahalahy izay mitsidika ny fiangonana isan-toerana. Fa mitoetra foana ny foto-kevitra hoe ny Tompo no miasa amin’ny alàlan’ny “talenta” ampiasaina amin’izany, eo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina.

 

Amin’ny fivoriana toy izany, dia misaotra ny Tompo ny fiangonana noho ny fitiavany hampandroso azy amin’ny alàlan’izany mpanompo izany. Ny Tompo no hitokiany. Tokony mangataka am-po mialoha, ary mandritra ny fivoriana, ny tsirairay, mba tsy hisy zavatra nomena ka tsy avy Aminy. Fantsona fotsiny izay miTenin’Andriamanitra, ary tokony hivavaka mba tsy hisaraka amin’ilay loharano izy, mba ahazoany manome rano madio. Tokony hisy ny fanaraha-maso tsy tapaka, noho ny “hosotra avy amin’Ilay Masina” izay ananan’ny mpino rehetra, fa izay rehetra voalaza dia mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary ny fiangonana, izay “andry sy fiorenan’ ny fahamarinana”, dia mahazo ny sakafo ara-panahy ilainy amin-kafaliana, fa tsy sanatria handray na hanarona fampianaran-diso (Asan’ny Apostoly 17:11; 1 Tesaloniana 5:19-21; 2 Jaona 9:10).

 

Mazava ho azy fa asa fampandrosoana ao anatin’ ny fiangonana izany. Mazava fa tsy azo antsoina hoe fivoriam-piangonana ny fivoriana hitoriana ny filazantsara atao eo anivon’izao tontolo izao, izay saha ara-dalànan’ny evanjelista. Marina fa mety manana ny toerany ny fitoriana ny Filazantsara amin’izay mety ho fivoriana, na dia fivorian’ny fiangonana aza, indrindra amin’izao vaninandro iainantsika izao, izay toy ny tamin’ny andron’i Timoty, ka tsy maintsy “hitoriana na amin’ny fotoany na tsy amin’ny fotoany”, ary manao ny asan’ny evanjelista, na dia manana fanomezam-pahasoavana hafa sy andraikitra hafa aza. Nefa tsy ny fitoriana Filazantsara manokana akory no antony hivorian’ny fiangonana. Tamin’i Kornelio niTenin’Andriamanitra tamin’i Petera hoe: “Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan’Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian’ny Tompo anao” (Asan’ny Apostoly 10:33), dia niasa mahery ny Fanahy Masina; nefa tsy mbola azo lazaina hoe fiangonana no nivory teo, satria ankoatra an’i Petera sy ireo rahalahy niaraka taminy, ny mpanatrika teo dia tsy mbola nandray ny Fanahy Masina.

 

Tsy mitovy amin’ireny fivoriana antsoin’ny mpitoriTenin’Andriamanitra ireny kosa ny “fivorian’ny fiangonana” voalaza mazava ao amin’ny Testamenta Vaovao, fivoriana mahazatra sy ara-potoana, izay maneho ny fiainan’ny fiangonana amin’ny fomba mahazatra. Ikambanan’ny mpiangona izany, manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Voantso daholo ny rehetra, tsy hanatrika ihany fa handray anjara. Hoy i Paoly tamin’ny Korintiana: “Raha miangona ao am-piangonana ianareo” na “raha miangona ianareo”, na koa “raha vory ny mpiangona rehetra” (1 Korintiana 11:18,20; 14:23, 26). Tsy misy resaka fampiasana fanomezam-pahasoavana izany, na dia manana ny toerany amin’izany aza ireo.

Ireo no fivorian’ny fiangonana ifotony. Mitady ny fanatrehan’ny Tompo ny fiangonana mba hahavitany ny asa iombonana izay nankinina taminy. Izy irery no banjininy am-pinoana, ary tsy fantany mialoha izay olona entanin’ny Fanahy Masina “hiasa”. Tsy hoe miandry ny fipoiran’ny aingam-panahy tampoka sy misafotofoto — raha izany, dia fanehoana ny asa adalan’ny nofo ihany (1 Korintiana 14:23) — fa ny mifanohitra amin’izany, fizotran-javatra milamina sy voalanjalanja, tsy ahitana ezaka, izay mampiseho ny fahasalaman’ny tenan’ny Tompo, entanin’ny fahefana tsy hita mason’ny fanahy iray ihany, avy ao anaty.

 

3.3.2  Ny Fiangonana miresaka amin’Andriamanitra

Amin’ny fanatontosana ireo asa iraisana ireo, dia ny vavaka sy ny fitsaohana iombonana — izay anisan’ireo tombontsoa manokana sarobidy ananan’ny Fiangonan’Andriamanitra — no hetsika hitodihana sy hiresahan’ny fiangonana amin’Andriamanitra.

 

Amin’ny firesahana amin’ Andriamanitra, na Izy angatahan-javatra (fanompoana amin’ny vavaka), na Izy omena (fanompoana fiderana), dia mitovy lenta daholo ny rahalahy rehetra, mitovy ny anarana entiny, dia ny hoe mpisorona, ary ny fisoronany, na vavaka na fiderana, dia mifamatotra amin’ny an’i Kristy nasandratra. Afaka mivavaka ny tsirairay, afaka manondro fihirana iray izay hirain’ny rehetra, afaka misaotra amin’ny anaran’ny rehetra, fa izany rehetra izany dia atao amin’ny fiankinana amin’ny Fanahy Masina izay miasa ao amin’ny fiangonana. Izay misoka-bava dia misolo vava ny fiangonana.

 

Ny vavaka sy ny fisaorana dia manana ny toerany tokoa amin’ny fivoriana rehetra ataon’ny fiangonana. Nefa, mba hitandroana ny filaminana ao an-tranon’Andriamanitra, dia tokony hisy fivoriana sasany atokana ho an’ny vavaka, ary ny sasany atokana ho an’ny fitsaohana.

 

3.3.2.1  Ny vavaka

Ny vavaka iombonana no mifandraika amin’ny Tenin’Andriamanitra fampanantenana hoe manatrika eo i Jesosy, araka ny Matio 18, ary izany no manome lanja azy. Tsy azo vinavinaina intsony izany fiangonana isan-toerana tsy manao fivoriam-bavaka izany, toy ny tsy azo hieritreretana fa hoe misy mpino tsy mivavaka manokana. Fandàvana ny fanatonana ny loharano raha izany. Aoka tsy ho sasatra ny hiTenin’Andriamanitra fa mampalahelo tokoa ity tsy dia fanarahana ny vondrom-bavaka ity; amin’ny toerana sasany aza, dia tsy dia miraharaha an’io ny ankamaroan’ny rahalahy sy anabavy fa avelany ho an’ny sasantsasany fotsiny izany.

 

Marina koa anefa, indrisy, fa mety hampivaona ilay vondrona ireo izay mandray anjara ao, hany ka mampandositra ny olona fa tsy manintona azy. Be lavitra noho izay heverintsika ny zava-bery rehefa ny zavatra manjavozavo efa voaTenin’Andriamanitra foana no ataontsika vavaka iombonana, rehefa ny fomba fiTenin’Andriamanitra efa mankaleo no betsaka — na rehefa faly ery isika mampiditra amin’izany vavaka izany resaka momba ny foto-pampianarana, mampahatsiahy an’Andriamanitra ny fahamarinana ao amin’ny Teniny, toy ny hoe isika indray no hampianatra Azy an’izany. Ny kabary tsy misy farany sy mankaleo, na dia atao an-kitsim-po aza, dia manakana ny rahalahy mbola tanora na ny rahalahy saro-kenatra hivavaka, satria na tsy omena fotoana intsony izy ireo, na kivy izy amin’izany kabary izany, satria mieritreritra hoe tsy mahavita izany. Aoka isika hanao vavaka lava raha isika irery, fa fohy kosa ao am-piangonana. Efa voalaza daholo izany rehetra izany, nefa toa adinontsika rehefa mandohalika mivavaka ao am-piangonana isika, fa entin'ny fahazarana fotsiny. Mahazo aim-panahy vaovao mihitsy rehefa ny tena filàn'ny fiangonana tsapa ao am-pon’ny rehetra no voalaza amin’ny fomba mazava, fohy nefa feno hafanam-po!

 

Raha ny tena izy, dia tsy atao an-kamehana ny fivoriam-bavaka. Mila fo efa voavoatra izany, mila antom-pangatahana efa voadinika mialoha ary raha azo atao, efa niaraha-nanapaka. Mbola ampiana aza izany: mila fiainana zatra miaraka amin’ny Tompo, mila ny fitiavana Azy sy ny olony, mila ilay fahaiza-mamantatra izay hany azo avy amin’ny “saina efa zatra nampiasaina tsara” (Hebreo 5:14). Midika koa ny vondrom-bavaka fa misy ny fifanarahan-tsaina eo amin’ny mpirahalahy (Matio 18:19): tsy tokony fotoana araraotina hamenoana ny banga amin’izay lafiny izay ve izany?

 

Ambonin’ny zava-drehetra anefa, dia mila ny fiasa malalaky ny Fanahy Masina ny vondrom-bavaka. “Mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina” (Joda 20; jereo koa Efesiana 6:18). Tsy vitan’ny hoe manampy antsika amin’ny fahalementsika Izy, fa mampianatra antsika koa hangataka izay mety, ary manome fahasahiana hanaovana izany amin’ny anaran’ny Tompo Jesosy.

 

Ny tsy faharisihana amin’ny vondrom-bavaka sy ny fanovana endrika azy ireo dia isan’ny famantarana fa mitsitotongana ny fiangonana. Moa ve ny vondrom-bavaka mahantra, na halavaina amin’ny kabary lavareny, tsy porofo fa tsy misy ny aim-panahy? Nefa tsy misy dikany ny faly hijanonana amin’ny fitanisana ny zava-tsy mety. Aleo mifampirisika hitady ny vaha-olana, izay tsotra sy mandaitra tokoa: “Aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4:16). Iza amintsika no tsy afaka hisaotra an’Andriamanitra, fa tamin’ny andro sarotra, dia nahita fampaherezana mahery tokoa tamin’ny vondrom-bavaka, izay bitika sy tsy manan-danja eo imason’ny olona, mampiseho ny halementsika eo imason’Andriamanitra, nefa nahazoantsika nigoka ny fiadanany noho ny fahasoavany (Filipiana 4:7)? Mahatoky Izy.

 

3.3.2.2  Ny fanompoam-pivavahana

Raha “trano fivavahana” ny tranon’Andriamanitra, dia trano fanaovana “fisoronana ara-panahy” koa izy. Tsy azo lavina fa ny fitsaohana no asa ambony indrindra ataon’ny fiangonana. Io no tena fanompoam-pivavahana ara-bakiTenin’Andriamanitra. Toy ny maha-mpisorona ny zanak’Andriamanitra rehetra raha mivavaka, no maha-mpisorona azy rehetra koa amin’ny fanolorana zava-manitra sy fanatitra, manao toy ireo mpivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana izay tadiavin’ny Ray (Jaona 4:24). Omena ho an’Andriamanitra ny dera, amin’ny alàlan’i Jesosy Kristy, Izay manadio izany fanolorana masina izany (Jereo Eksodosy 28:38). Ny foto-kevitra amin’izany dia ireo foto-kevitra mahagaga izay aroson’ny Fanahy Masina ho an’ny mpino: ny fitiavana an’Andriamanitra, ny Personan’i Kristy amin’ny maha- Andriamanitra Azy sy amin’ny maha-olona Azy, ny fijaliany, ny voninahiny tsy misy fahataperany… Voalaza fa ao amin’io fanompoam-pivavahana io, dia Andriamanitra no antony, Jesosy Kristy no votoatiny, ary ny Fanahy Masina no hery.

 

Isika tsirairay avy dia voantso hisaotra an’Andriamanitra “amin’ny fotoana rehetra”, toy ny nolazain’ny mpanao salamo. (Salamo 34:1). Nefa misy ny fiderana iombonana, izay i Kristy nitsangana tamin’ny maty no ivony sy mpamorona azy (Hebreo 2:12). Izy mihitsy no eo “afovoan’ny fiangonana” mba hidera ny “Andriamaniny”, Izay toriany amin’ny rahalahiny. Ny fiangonana no toerana hanaovana ny “fisoronana masina”, ary izany “fisoronana fiderana” izany dia sady manetriketrika no feno fahasambarana sy fiadanana. Tsy misy toeran-kafa ahazoana manolotra izany amin’ny hafanam-po sy fahamarinana bebe kokoa.

 

Momba ny fotoana izay tokony hivorian’ny fiangonana hanao fanompoam-pivavahana indray, dia tsy misy lalàna tena mipetraka, toy ny fivoriana sasany koa. Nefa ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia ny fanokanana ny andron’ny Tompo no tonga aloha ao an-tsain’izay mahalala, sy ao an-tsain’izay mikatsaka ny tadiavin’ny Tompo. Io andro io dia ny voalohany amin’ny herinandro: io no andro nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty, ary ny harivan’io Izy no tonga nankeo amin’ny mpianany izay nivory. Ny andàlan-tsoratra toa ny Asan’ny Apostoly 20:7; 1 Korintiana 16:2, dia manamarika fa tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, dia natokan’ireo kristiana io andro io hivoriana sy hamakiana ny mofo. Raha zohina izany rehetra izany, dia tsy misy ifandraisany amin’ny Sabata ny andro Alahady, ankoatra ny hoe tsy maintsy ankalazaina ny andron’ny Tompo (Isaia 58:13).

 

Ny fanompoam-pivavahana ara-dalàna dia mizotra ao amin’ny fahalalahan’ny Fanahy. Izay mety ho hetsika avy amin’ny nofo, na izany fandaminana mialoha, na izany fitarihin’olombelona, na izany hetsipo tsy voatana, dia tsy manan-toerana ao, mihoatra noho ny any an-kafa aza. Misy riana azon’ny mpino tsirairay tsapaina ao, riana izay ateraky ny Fanahy Masina ary aseho amin’ny antsa, ny hira, ny fanati-pisaorana, ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra: izany rehetra izany dia mizotra am-pirindrana tokoa, ary arakaraky ny aim-panahin’ny fiangonana ny fatrany. Rodon-java-maneno misy mozika samihafa izany, nefa kosa mampiseho firaisana, eo ambany fitarihin'Ilay tsy hita, nefa tena manatrika eo.

 

Tsy tokony hisy olona tsy rototra ao amin’ny fanompoam-pivavahana. Tokony hanana zavatra hentina ny tsirairay avy, raha tsy hoe angaha sahirana amin’ny zavatr’izao tontolo izao ny fony, koa raha izany, ny fahantran’ny “harony” (Jereo Deoteronomia 26:1-11) dia tokony hanosika azy handini-tena ho amin’ny fanavotana azy. Ao anatin’ny fanompoam-pivavahana marina, dia tsy fotoana foana mampihoalahoala akory ny fahanginana, fa kosa, toy ny naha-feno hanitra ny trano tamin’ny nandrarahan’i Maria am-pahanginana ny diloilo manitra teo an-tongotry ny Tompo, dia tokony ho feno vavaka mangina ny rivotra iainana ao am-piangonana. Ny fahanginana dia tsy hoe fakan’aina eo anelanelan’ny hetsika fitenenana; ireny aza no manapaka ny fahanginana, mba hilazana izay nataon’ny Fanahy tao am-po hiderana an’Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Zanaka. Raha toriana ny Tenin’Andriamanitra, dia ny mba hampirisika amin’ny fiderana sy hanoro ny lalana asehon’ny Fanahy Masina momba io fiderana io. Ahazahoan-tombony foana ny tsy fanarahana fombafomba mahazatra sy ny tsy fitokisana amin’ny olombelona. Hoy ny apostoly ao amin’ny Filipiana 3:3: “Isika, izay manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary manao an’i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin’ny nofo”. Tsy toerana fampiasana ny talenta eto, na dia izay talenta tsara indrindra amin’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra aza, afa-tsy ny hoe “hanompo” toy ny Levita sy hanampy ny fiangonana hivavaka. Ny fiangonana no miTenin’Andriamanitra amin’ny vavan’izay mandray fitenenana, ary manapaka ny riana vokatry ny Fanahy io olona io raha milaza zavatra hafa ankoatra izay tsapany, na dia fahamarinana avo dia avo lenta tokoa aza. Raha atsipy amin’ny vitsy an’isa, na indrindra amin’olona iray ihany, ny andraikitra mampahatahotra “hitondra” ny fanompoam-pivavahana, na misy mihambo hitondra azy irery, dia azo antoka fa manafoana ny fahasoavana tokony hirotsaka amin’ny fiangonana izany. Tsy misy koa olona “nohamasinina” hisaotra amin’ny fizarana ny Fanasàn’ny Tompo: rariny raha omena ny rahalahy efa zokiny io fanompoana io, nefa tsy tokony atao fahazarana izany, na koa ho zary lasa fitsipika.

 

Azo atao ny manao fanompoam-pivavahana tsy misy Fanasàn’ny Tompo. Nefa tsy azo eritreretina izany Fanasàn’ny Tompo tsy misy fanompoam-pivavahana izany. Miaraka amin’izany ny fiderana sy ny fisaorana, ary amin’ny vavaka no hankalazana azy. Ny fanasàn’ny Tompo dia mety hatao eo amin’ny fotoana fara-tampon’ny fanompoam-pivavahana, nefa raha ny tokony ho izy, dia izy mihitsy no mahatonga ny fisandratana, ary tokony hitohy aorian’ny fankalazana izany fisandratana izany, amin’ny zotom-po navaozina sy amin’ny fomba faran’izay manetriketrika. Mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana mantsy ny vokatra rehetra azo tamin’ny nahafatesan’i Kristy, ary misy toerana ho an’ny fifaliana amin’ny Pentekosta, na ny fetin’ny Tabernakely ao, fa ny Fanasàn’ny Tompo kosa dia mampahatsiahy ny fahafatesan’i Kristy, ary ny Paska no tandindon’izany; ary tsy misy zavatra manetriketrika mihoatra noho izany. Raha mivory amin’ny andro voalohany isika mba “hamaky ny mofo”, toy ireo olo-masina tany Troasy (Jereo Asan’ny Apostoly 20:7), dia mahatsiaro ny hetsika fara-tampony nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra isika manoloana ny Latabatry ny Tompo. Raha tsapantsika kokoa izany, hatahotra ny hiTenin’Andriamanitra be loatra isika, ary ho fohy kokoa ny fisaorana. Ny Fanasàn’ny Tompo ihany no milaza ny momba Azy.

Io tokoa mantsy no tsangam-bato fahatsiarovana ny fahafatesan’i Kristy, ary mampiasa ny fomba fiTenin’Andriamanitra tsy lmanam-paharoa sy tsy azo soloina isika amin’ireo famantarana nomeny. Amin’ny alàlan’ireo no ampahatsiahiviny antsika ny fahafatesany, nefa tsy izany ihany, fa mampahatsiahy ny tenany amintsika Izy, dia Ilay maty, “efa maty” (Apokalypsy 1:18); ary isika kosa manao izany ho fahatsiarovana Azy…

 

Io no fijoroana ho vavolombelona manan-danja indrindra omena an’i Kristy etỳ an-tany, omen’ireo tsy anisan’izany tontolo izany intsony ary miandry ny Tompony: milaza ny “fahafatesan’ny Tompo mandram-piaviny” isika. Tsy ho ampy mihintsy ny “haja” asehontsika eo, ary isika tsirairay dia tokony “handini-tena”, hitsara ny tenantsika (fa tsy ny zavatra ataontsika ihany), ary tokony miambina ny fiangonana fa miasa feno malalaka ny Fanahy manodidina ny Tompo, eo amin’ny Latabany.

 

Io no Latabatry ny Tompo. Tsy latabatrintsika io. Mampalahelo fa tsy ny olony rehetra no miara-mivory mamaly io fanasany io. Tsy misy olona an’Andriamanitra ka manana antony mitombina tsy hanatonana io Latabatra io: raha misy zavatra manakana azy ao amin’ny fiainan’ny mpino, dia ho tantiny ve hoe io “zavatra” io no handresy ka tsy ahazoany ilay hafaliana fara-tampony, ary handà ny hitsipaka izany ve izy mba hankatoavany ny Mpamonjiny? “Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka” — fa tsy hoe, dia aoka izy hanajanon-tena.

 

Eo koa no ankafizana ny firaisana satria “tena iray” ihany, araka ny 1 Korintiana 10:15-17. Mieritreritra ny zanak’Andriamanitra rehetra izay voadio tamin’io ra io isika, ary isan’io tena io. Na eo izy na tsia, na fantatsika na tsia, dia raisintsika ho iray ao Aminy. Nefa satria ny maha-iray ny tena no ahazoantsika manatrika izany Latabatra izany, dia tsy maintsy mitandro ny maha-iray ny Fanahy koa isika (Efesiana 4:3). Amin’izany fahazavana izany, dia hitantsika ho fahambanian-tsaina ireo adiady izay iniana tsy tsaraina ary manakorontana ny fiombonana! Ankilany koa, ny fahatsapana ny fanatrehana masina dia tokony hanery ny fiangonana hanadio tena amin’ny “masirasira ela”, hatramin’ny fanesorana ny “ratsy” tsy ho eo aminy rehefa vita daholo ny fombafomba rehetra azo natao hamerenana azy! Io fanadiovana io, fanadiovana ny tsirairay sy fanadiovana ny daholobe, dia ilaina amin’ny fanatanterahana ny “fisoronana masina”. Eo no misy ny tavy varahina; nisasa tao i Arona sy ny zanany, “raha niditra tao amin’ny trano lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara” (Jereo Eksodosy 40:31-32).

 

3.3.3  Ny Fiangonana mandray avy amin’Andriamanitra

Manome ny Fiangonana izay mivory amin’ny maha-fiangonana azy ny Tompo. Miasa amin’ny fampandrosoana ny olony Izy, amin’ireo “fanomezam-pahasoavana” natao ho amin’izany. Ireo talenta ireo dia tsy solovavan’ny fiangonana intsony, toy ny hafa, mba hiresahana amin’Andriamanitra, fa kosa solovavan’Andriamanitra mba hiresahana amin’ny Fiangonana (1 Petera 4:11). Manana ny toerany amin’ny fivoriana rehetra izany asa izany: na amin’ny vondrom-bavaka, na amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny Tenin’Andriamanitra no ampiasain’ny Fanahy hanaitra ny fon’ny olona, hanindrotsindrona ny fieritreretany, hitondra ny olona ho eo amin’ny aim-panahy tadiavina, ary mety hiantso olona iray ho “mpaminany” izy hanatanteraka izany.

 

Io asa io anefa dia mampiavaka manokana ireo fivoriana izay antsointsika hoe “vondrona fampandrosoana”, izay velabelarin’ny 1 Korintiana 14. Tsara ny manamarika fa amin’ny fampianaran’io toko io, ny vavaka, ny antsa, ny fisaorana dia manan-toerana amin’ireny fivoriana ireny, ary manampy amin’ny fampandrosoana, toy ny fampiasana ny “fanomezam-pahasoavana”. Misy loza manambana koa ny fitiavana te-hanasokajy loatra ny fivoriana samihafa; fiamboana hamehy ny fiasan’ny Fanahy izany.

 

Ny zava-misy, dia vitsy loatra ireo fivoriantsika izay tena hanantenantsika ny Tompo mba hanomezany antsika. Sady loharano no vokatry ny fahalemena ara-panahy izany.

 

Indraindray, dia tsy misy mihitsy ireny fivoriana ireny. Misy fiangonana izay tsy manao fivoriana hafa ankoatra ny fanompoam-pivavahana, raha tsy hoe angaha sendra misy “rahalahy mitsidika”. Manafoana ny sakafo tokony ho azony izy, ary mety ho tonga mosarena mihintsy izy; inona no azo lazaina amin’ny vatana tsy mihinan-kanina?

 

Ny zava-miseho matetika kokoa, dia nosoloina zavatra hafa mihitsy ireny fivoriana ireny ao amin’ny fiainan’ny fiangonana isan-toerana: nosoloina fivoriana ankinina amin’ny iray na ny iray. Manantena olona iray izany. Toy izany ny ankabeazan’ny fivoriana atao hoe fivoriana fampandrosoana, na mazava tsara ny endriny na tsia. Izany fivoriana izany dia tokony ho ao amin’ny sokajin’ny fivoriana antsoina, nefa atao amin’ny fotoana efa mahazatra sy efa voafaritra. Mety misy ilàna izany. Ny loza mety mitranga amin’izay anefa dia mitovy foana ny fomba famahanana ny fiangonana, ary lasa tsy ampy izany na dia tsara aza ny fampianarana, hany ka mety hiteraka tsy fahatsiarovan-tena mampahatahotra tokoa izany, ka hiankinana amin’ny olona iray, fa tsy amin’ny Tompo intsony, na tsaroana izany na tsia; raha fintinina, dia manamboatra ny fahatongavan’ny mpitondra fivavahana izany. Tsy miasa araka ny maha-tena azy ny fiangonana, ary ny tena tsy miasa dia miha-malemy. Tsy mampihen-danja ny asan’ireo rahalahy manan-talenta akory ny famelàna ny Fanahy Masina hiasa malalaka amin’ireny fivoriana ireny; ny mifanohitra amin’izany aza, hamokatra kokoa ireny asa ireny, ary tsy atahorana hanakenda ny fomba hafa hitondrana fampandrosoana.

 

Na misy fanomezam-pahasoavana mazava na tsia, rehefa mivory manantena ny Tompo fotsiny dia ho afa-po tanteraka. Hanome izay ilaina Izy mba hampaherezana, mba hampirisihana, mba “hampandrosoana”. Amin’ny ilàna azy no ampiasàna ireo talenta efa fantatra, ary tsy ho voatery hanao kabary lavareny rehefa tsy manan-kotolorana. Misy talenta hafa mety hipoitra raha ilaina izany. Asehon’ny Tompo araka izay hitiavany azy ireny “mpaminany” ireny, ary amin’izany, dia miTenin’Andriamanitra amin’ny fomba azon’ny olona sy misy ventiny izy ireo mba ho fampandrosoana. Roa na telo no mety ho antsoina hiTenin’Andriamanitra mandritra ny fivoriana iray: akory ny fahasoavana azo raha betsaka no mifandimby mampiseho lafiny isan-karazany amin’ny foto-kevitra iray! Efa imbetsaka no nolazaina fa Tenin’Andriamanitra dimy, toy ireo mofo dimy nahavoky vahoaka marobe, dia matetika hanan-danja kokoa noho ny kabary lavareny. Be koa ireo fanomezam-pahasoavana no tsy ampiasaina, satria fehezin’ireo manana azy noho ny fanetren-tena diso toerana, na koa noho ny hetsika mihoampampana ataon’ireo rahalahy mana-talenta!

 

Ny mety maharatsy izany, mazava ho azy, dia mety ho lasa fisehosehoan’ny nofo ny fiasa malalaky ny Fanahy Masina, ary ny zava-miseho dia toa manan-jo hiTenin’Andriamanitra daholo ny rehetra. Mampalahelo fa izany mihitsy no miseho indraindray. Efa noresahantsika teo aloha ihany ny momba io, momba ny asa fanompoana. Ny olona faly mihaino ny tenany ao am-piangonana dia tsy mitondra na inona na inona ho an’ny mpihaino azy; mamelatra hevitra amin’ny fotoana sy amin’ny toerana tsy tokony ho izy izy. Anjaran’ny tsirairay ny mamantatra na tena avy amin’ny Tompo, tamin’ny alàlan’ny Fanahy, ny zavatra lazainy, na ny eritreriny manokana no arosony eo; “ny fanahin’ny mpaminany dia manaiky ho zakain’izy mpaminany” (1 Korintiana 14:32). Fa tokony hofohazina foana ny fahaiza-mandray ara-panahin’ny fiangonana. Raha mizotra ara-dalàna izany, izay miTenin’Andriamanitra nefa tsy mampandroso dia hampitandremana, ary raha mbola mikiry ihany izy, dia asaina mangina, hitandrovana ny soa ho an’ny daholobe. Ny fahafahana kristiana dia tsy midika fa hotazonina ho anao irery ny fanakianana mitombina sy ara-potoana; tsy maintsy atao izany rehefa misy miTenin’Andriamanitra foana nefa tsy mampandroso. Marina fa mety mila fanohanana izany, ary tsy maintsy lazaina am-pitiavana sy amin’ny fomba moramora, omban’ny vavaka mafy momba izany toe-javatra mampalahelo ny andian’ondry izany, ary azon’ny Tompo alàna na tsy voatery hitsabahana aza; fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy atao mba hanasoavana ny daholobe, ho voninahitr’Andriamanitra. Matetika loatra no isehoan’ny fanakianana tsy ara-potoana, na ivelany, any amin’ny fianakaviana, tsy misy famindram-po sy fahaiza-manavaka akory, ary loharanom-pikorontanana izany.

 

Tsipihina ihany fa amin’ireny fivoriana ireny, toy ny mandritra ny fanompoam-pivavahana, dia tsy midika ho tsy misy zava-miseho akory ny fahanginana, ary afaka miasa an-kery ny Fanahy Masina mandritra ireny fahanginana ireny; nefa rehefa hita fa lasa vesatra ireny, ary foana tanteraka, dia tokony hanitikitika ny saintsika izany ka hiantorahantsika eo amin’ny Tompo mba hanazavany amintsika ny Teniny.

 

Ny zava-dehibe dia ny fahatsapana fa manatrika eo Izy. Izy no hivoriana. Tsy misy dikany na miTenin’Andriamanitra na tsia, rehefa mahatsiaro ho miray Aminy ny fanahy rehetra. Tsy hisy fahamaikana loatra na fahatarana. Tsy hahatsiaro hila fitsabahan’ny olombelona isika handamin-javatra mialoha na hitandro filaminana. Aoka ho tsaroana tsara ny fampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 14. Nomena antsika izany satria tany Korinto, dia be ny fikorontanana noho ireo fampiasana be loatra ny fanomezam-pahasoavana: tsy hampandrosoana ny fiangonana no nampiasan’ireo izay nanana an’izany azy, fa kosa ho fahafinaretany manokana. Ao amin’io toko io anefa, dia tsy misy Tenin’Andriamanitra indraim-bava akory momba ny rafitra hialàna amin’io fikorontanana io, na momba ny tokony hisian’ny mpitarika hita maso. Napetraka tamin’ny Fanahy daholo ny zavatra rehetra, ary tsy maintsy miankina Aminy ny olona rehetra. Vao niala tamin’ny fanompoan-tsampy ny Korintiana: tamin’ireny anefa dia niseho mibaribary ny hetsika ara-panahy, ka izany no nahatonga azy ho liana ny amin’ny fanomezam-pahasoavana manaitra: nodidian’ilay Andriamanitrin’ny filaminana sy ny fiadanana fotsiny izy ireo hoe “aoka ny zavatra rehetra atao ho fampandrosoana”. Toy ny zaza bodo no fihetsik’izy ireo: “Aoka ho lehilahy tokoa” amin’ny fahalalana, hoy Izy taminy (1 Korintiana 14:26,20). Ny saina mahiratra — ny fahalalana navaozina — no tokony hiara-dia amin’ny “hetsika ara-panahy”. Manamafy izany ny apostoly.

 

Ary isika koa, izay mampiasa izany fampitaovana sarobidy nomen’Andriamanitra ny fiangonana izany toy ny zazakely, enga anie isika mba ho “lehilahy tokoa”!

 

Enga anie, isaky ny mivory isika, mba hohazonintsika mafy amin’ny finoana ny tombontsoa roa manokana fototry ny fivoriana araka an’Andriamanitra: ny fanatrehan’ny Tompo Jesosy manokana, sy ny fiasan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana. Ny pitsopitsony rehetra amin’ny fivoriana, izay tsy tokony ho noresahina teto, dia ho voalamina mialoha, raha ireo foto-kevitra roa ireo no manapaka ho antsika (*).

 

(*) Ohatra, ny fahatongavana ara-potoana: iza no te-ho tara raha eo ny Tompo! Na koa, ny fomba fiakanjo: ho an’ny olona ve no ahatongavantsika eo sa ho an’ny Tompo? Na koa, ny fandaminana ny toerana: trano ratsy noho ny antsika ve no hampandrosoantsika ny Tompo, na, mifanohitra amin’izany, ny fanatrehany ve dia hanaiky ny fandravahana na ny rentirenty izay manome fahafaham-po ny nofo ihany? Dia toy izany momba ny pitsopitsony rehetra

 

3.4  Ny fizotran’ny fiangonana

3.4.1  “Marina ao amin’ny fitiavana”

Tsy ny fivoriana ihany akory no fiainan’ny fiangonana, na dia eo aza, indrindra amin’ny Fanasan’ny Tompo, no hisehoany. Raha ny tena marina, ny fizotrany dia mahafaoka ny fiainan’ny kristiana iray manontolo, amin’ny maha mpino azy. Na mahatsapa izany isika na tsia, ny antsipiriany amin’ny fiainana ara-panahin’ny tsirairay dia misy akony eo amin’ny fiainan’ny Tena, ary marina koa izany amin’ny fomba mifotitra. Raha mieritreritra an’izany fotsiny isika, dia vao mainka mavesatra sy mahamenatra ny mahita ny fiparitahan’ny zanak’Andriamanitra sy ny fampifangaroana ny tontolo kristiana sy izao tontolo izao. Efa hatry ny ela no efa tsy vita intsony izany firaisana aina amin’ny rehetra izany, raha tsy an’eritreritra fotsiny, amin’ny vavaka, ary rehefa manambara ny “tena iray” isika rehefa mandray ny Fanasàn’ny Tompo. Ekena fa faly isika rehefa afaka mankafy ny fifankatiavana kristiana raha miaraka amin’ireo olona hitantsika sy heverintsika fa tena kristiana. Nefa izany firahalahiana izany koa, na dia feno fahasoavana sy mahafaly aza, dia voafetran’ny tsy fahafahana miara-dia amin’ny hafa, rehefa miataka amin’ny fahamarinana ny làlany; nefa aleo hiara-hizotra “amin’ny lalana iray” ihany, izay lavitra indrindra azo atao.

 

Raha tena mikatsaka marina ny tombontsoan’i Kristy ao amin’ny Fiangonana isika, ary raha mampieritreritra antsika ny fiahiana ny “fiangonana rehetra”, toy ny nanjo an’i Paoly isan’andro (2 Korintiana 11:28), dia ho tonga matetika ao am-bavantsika ny Tenin’Andriamanitra mampalahelo nataon’ny mpaminany hoe: “Indrisy! Efa matromatroka ny volamena, efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dàlambe rehetra eny” (Fitomanian’i Jeremia 4:1).Nefa miaraka amin’izany koa, dia hiredareda ny fisaorantsika an’Andriamanitra noho ireo famindrampony izay “tsy nahalany ritra” (Fitomaniana 3. 22) antsika, ary ny fisaorana Ilay nanome Tenin’Andriamanitra fampanantenana hentitra ny fiangonana tany Filadelfia, na dia malemy aza ny fijoroany ho vavolombelona. Aoka isika tsy hitsahatra ny hangataka ny fahasoavany mba ho isan’ireo vavolombelona ireo.

 

Ireo izay novorian’ny fahasoavan’Andriamanitra, mba ho vavolombelona fa manan-danja mandrakariva ny anaran’i Jesosy hamoriana, dia tokony hiambina mba ho voahaja foana ny zon’ny Tompo ao amin’io fiangonana io, toy izay tokony ho izy hatraiza hatraiza eo amin’ny Eglizy. Azo lazaina hoe tokony hitondra tena toy ny olona mieritreritra fa izy no vavolombelon’ny Fiangonana iray manontolo.

 

Mila ny fiasan’ny fitiavana amin’ny fahamarinana mandrakariva izany. Akory ny hatsaran’ny fijoroana ho vavolombelona, ary ho firifiry akory ireo olona mahitsy fo no hampaherezina, raha izany hery roa izany no mitarika ny fifandraisantsika! “Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary fahamasinana… ary mitandrema tsara , fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra” (Hebreo 12:14-15). Impiry moa ny Tenin’Andriamanitra no tsy manasa antsika hifampirisika, hifandefitra, hifamonjy, ary hifampionona! Izany daholo ny fampianaran’ny Testamenta Vaovao, mifandraika tanteraka amin’ny foto-pampianarana nomena antsika, “mandram-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny hafenoan’i Kristy” Mikasika ny fiangonana indrindra ireo fampirisihina iainana andavanandro hitantsika ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana sy ho an’ny Kolosiana, ary izy ireo no tena mandrakotra ny fiainan’ny kristiana etỳ an-tany, mihoatra noho ny sasany. Io fiainana io dia tsy jerena amin’ny lafiny maha-olon-tokana mihitsy. Izany no tena ilàna izay rehetra napetrakin’ny Tompo ao “amin’ny tena” mba hampandrosoana: “mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’izay Loha, dia Kristy; Izy no hitomboan’ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiasan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana”. (Efesiana 4:15-16). “Miasa” araka ny tokony ho izy ve izay rehetra momba ny tena (ary isika tsirairay dia anisan’izany), ary avelantsika hiasa malalaka ve ny isan-tonony mba hanakambana sy hampiray ary hanome hatraiza hatraiza ny sakafo mahavelona avy amin’Andriamanitra?

 

3.4.2  Ny fiangonana mampiasa fahefana amin’ny anaran’ny Tompo

3.4.2.1  Ny sahan’asa tantanin’ny fiangonana

Manana zo hanara-maso ny fifandraisan’ny olona ny fiangonana amin’ny maha-fiangonana azy: voalaza ao amin’ny Matio 18 fa izy no fahefana fara-tampony etỳ an-tany azon’ny rahalahy hitodihana raha misy rahalahy hafa manao ratsy aminy. Tsy afaka ny hianlangalana izy raha mahita tsy fifanarahana amin’ny olona izay isan’ny tenan’i Kristy. Momba ny Filipiana, dia tian’ny apostoly tokoa ny hahare fa mitoetra tsara maharitra amin’ny fanahy iray izy, “miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara”; “tanteraka” ny fifaliany raha mahita azy ireo miray fo, miray saina, miray fitiavana; ny taratasy nalefany ho an’ny fiangonana iray manontolo no hananarany an’i Eodia sy Syntyke mba hiray saina ao amin’ny Tompo.

 

Ary mihoatra noho izany, tokony ho fantatry ny fiangonana ny fiainana an-davanandron’ny olona tsirairay izay mandray anjara amin’ny fijoroana ho vavolombelona iombonana. Ny fiangonana no tontolo hitomboany sy hamoazany am-piadanana, amin’ny fifalian’ny mpirahalahy miray saina. Nefa izany fifanarahana izany dia zavatra mora tapaka ary tsy maintsy atao foana izay hampivitrana azy. Ny fifampitokisan’ny mpirahalahy sy ny fifanaraha-maso, eo ambany fahefan’ny Tompo sy ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy afa-misaraka.

 

Marina fa tsy misy hetsika manokana ataon’ny fiangonana mba hahatonga olona iray ho isan’ny tenan’i Kristy, na dia milaza izany aza ny Eglizy sasany: isan’ny tena ianao noho ny fahateraham-baovao, izay asan’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny Fanahiny sy ny Teniny.

 

Tsy misy idirany koa, raha ny marina, amin’ny fanambarana ampahibemaso ny maha-kristiana ny olona, sy ny fidirany amin’izany trano be izany, amin’ny alàlan’ny batisa, na inona na inona fomba sy vaninandro hanaovana azy. Tsy hitantsika na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina izany hoe batisa omen’ny Eglizy na atao amin’ny anaran’ny Eglizy izany, fa kosa batisa ataon’ireo mpanompon’Andriamanitra “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”.

 

Fa tombontsoa manokana ho an’ny fiangonana kosa ny manaiky sy mandray ireo noraisin’i Kristy “ho voninahitr’Andriamanitra” (Romana 15:7). Raisiny eo amin’ny Latabatry ny Tompo izy ireo, ary tsy hitsahatra ny hampahatsiahy isika fa eo no anehoana ny maha-iray ny Tenan’i Kristy.

 

Nefa, araka ny efa nolazaina sy mbola hiverenana ihany, andraikitry ny fiangonana ny mitandro ny fahamasinan’io Latabatra io, sy ny fahadiovan’ny Tranon’Andriamanitra. Izany no atao dia mba ho voninahitr’Andriamanitra sy ho soa ara-panahy iombonan’ny olony. Misy filaminana tsy maintsy tandrovana, ary anjaran’ny fiangonana izany. Misy fanapaha-kevitra tsy maintsy raisiny, araka ny foto-kevitra efa nolazain’ny Tompo Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa: na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra, ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra” (Matio 18:18).

 

Io fitondrana ara-panahy io dia andraikitry ny fiangonana iray manontolo eo an-toerana, na, eo anoloan’izao toe-java misy izao, andraikitry ny fikambanan’ireo olona vavolombelon’ny Tompo izay mahafeno ny fepetra mba ho fiangonan’Andriamanitra. Ireo “izay napetrakin’ny Fanahy Masina mba ho mpitandrina”, ary amin’ny ankapobeny, ireo rehetra izay mikatsaka marina ny tombontsoan’i Kristy ao amin’ny Fiangonana, dia tsy hitandro fahasasarana hanao izany; ary araka ny fandaminana tsy azo ovàna izay ao amin’ny Soratra Masina, ny rahalahy no manana anjara amin’ny fampandehanan-draharaha ary tsy tokony hiadian’ireo anabavy aminy izany; fa ny fanapahan-kevitra rehetra kosa dia tokony ho raisin’ny fiangonana iray manontolo, rahalahy sy anabavy, ary raha misy ilàna izany, efa tokony ho nampahafantatra ny eritreriny tamin’ny dinika mitokana ny anabavy. Izany rehetra izany tsy hoe resaka rafitra na fepetra tsy maintsy arahina: ny zava-dehibe dia ny hisedrana mandrakariva ny fisainan’ny fiangonana eo imason’ny Tompo, mba hanao ny zavatra rehetra araka Azy, ho Azy, amin’ny Anarany, amin’ny fiasa malalaky ny Fanahy Masina.

 

3.4.2.2  Ny fanasàna eo amin’ny Latabatry ny Tompo

Ny fitsinjovana ny voninahitry ny Tompo ihany no tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fanasana ny olona ho eo amin’ny Latabany. Ekena fa zanak’Andriamanitra izy, ary izany dia asehony amin’ny teniny — manaiky amin’ny vavany izy fa “Jesosy no Tompo”, ary mino ao am-pony fa “Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty” (Romana 10:9) — sy amin’ny fitondràntenany. Tsy hitaky fahafenoana izay nofinofy ihany akory, fa fizotra misaraka amin’ny ratsy, amin’ny fandinihan-tena: raha hampiarina andavanandro izany, dia fitondrantena mendrika hitan’ny olona, ary tsy fifandraisana amin’izay foto-pampianarana manimbazimba ny Personan’i Kristy (2 Jaona 9,10). Tsy resaka fandalinana fahalalana izany, tsy misy fanadinana hisedrana, fa tokony ho resy lahatra ny fiangonana fa io olona vaovao io dia manam-pinoana madio ary mampihatra izany finoana izany amin’ny fiainany. Tsy mila holazaina akory fa, arakaraky ny fitomboan’ny fampianaran-diso tao amin’ny tontolo kristiana no vao mainka koa mila fahamailona amin’ny fandraisana eo amin’ny Latabatry ny Tompo. Ireo izay mieritreritra ny hanambany ny rahalahany amin’ny fiantsoana azy ireo hoe “tery saina”, dia tokony hahatsapa fa, ho an’ny ankabeazan’izy ireo, dia marary ny fony, nefa resy lahatra tanteraka izy fa miaro ny tombontsoan’ny Tompony no antony hametrahany rindrina ary tsy hamohany ny varavarana midanadana. Indrisy fa tsy ampy aza ny fiambenany!

 

3.4.2.3  Ny “fifehezana”

Ilaina tanteraka koa ny “fifehezana” ao amin’ny fiangonana ho an’ireo izay “ao anatiny”, araka ny lazain’ny apostoly (1 Korintiana 5:12). Manome hevitra, mananatra, manasazy raha ilaina, alohan’ny hahatongavana amin’ny zavatra mampalahelo nefa tsy maintsy atao, dia ny “mitsara” (id). Ny mpino izay tsy mandini-tena — izay zavatra tebna ilaina tokoa — dia miataka tsikelikely amin’ny làla-marina, ary mihazakazaka ho amin’ny fahalavoana, izay handoto ny fijoroany vavolombelona, ary tsy ny azy ihany, fa ny an’ny fiangonana iray manontolo. Eo no tokony hiasa ny fitiavana ny rahalahy ka “hamerina” azy, amin’ny “fanaronana fahotana maro” (Jakoba 5:19,20; 1 Petera 4:8; Galatiana 6:1; 2 Tesaloniana 3:14,15; sns). Olona manetry tena, malahelo noho ny fahadisoan’ny sasany, manasa tongotra araka ny ohatra navelan’i Jesosy tamintsika, dia hahavita be kokoa matetika noho ny fananarana mahery vaika. Enga anie ka mba ho ampitomboin’Andriamanitra ny isan’ireo “mpiandry” sy “mpitandrina” manana fahendrena sy hery hampihatra ny fifehezana toy ny ao amin’ny sehatry ny fianakaviana, tsy manaiky ny fahadisoana, nefa kosa malemy fanahy sy be indrafo amin’ilay diso. Fa ny fiangonana iray manontolo mihitsy, fa tsy hoe olona izatsy na izary irery, no tokony hikarakara ireo izay “mandeha amin’ny filibana”: tsy afaka manao izany amin’ny fitsara marina izy raha tsy “malahelo” (1 Korintiana 5), manetry tena, mandray ny fahadisoan’ny olony ho azy, fa tsy hitsangana ho mpitsara akory. Ary raha tsy misy vokany ny fifehezana, raha miseho tanteraka ny maha-“ratsy” ilay olona, dia mitsahatra tsy mampihatra ny fifehezana intsony izy fa kosa mandroaka io olona tsy nanaiky hiverina io tsy ho eo aminy intsony, any ivelany mba ho “tsarain’Andriamanitra” (1 Korintiana 5:13); amin’ny “fanalàna ny ratsy” tsy ho eo aminy, dia manadio tena izy, am-panetren-tena sy amin’alahelo. Tokony hiasa mba hanarenana ilay olona nesoriny izy; tokony handini-tena eo imason’ny Tompo izy. “Izahay no nanao ratsy”, hoy Nehemia (Nehemia 9. 33).

 

3.4.2.4  Ny fanoavana eran’izao tontolo izao ny fanapahan-kevitry ny fiangonana

Ny fanapahan-kevitry ny fiangonana izay noraisina teo ambany mason’ny Tompo, dia voatombokin’ny fahefany, hany ka izay vita tao amin’ny fiangonana isan-toerana iray dia manan-danja ho an’ny Fiangonana iray manontolo, izany hoe ho an’ny fiangonana isan-toerana rehetra. Izany ohatra no ampiasana ireny taratasy fanamarinana ireny: ny fiangonana isan-toerana iray dia mahazo antoka fa io olona vao tonga io, izay tsy fantany, dia “miombona” amin’ny fiangonana hafa, ary toy izany koa, ny kristiana iray izay “miangona” dia matoky fa ho raisina tsara na aiza na aiza alehany (Romana 16:1; 2 Korintiana 3:1)

 

3.4.3  Ny “fisaraham-bazana”

Tsotra dia tsotra tokoa ny foto-pisainana ampandehanana ny raharaha-mpiangonana, izay miorina amin’ny maha-iray ny Tenan’i Kristy. Ny fampiharana izany anefa dia manahirankirana ihany, amin’izao vaninandro mampikorontana ny drafitra ara-pinoana izao.

 

Eto indray isika dia tonga amin’ny lohahevitra iray izay manahirana tokoa ny olona tena tia an’Andriamanitra: tsy inona izany fa ny hamaroan’ireo Latabatra avelatra ivelan’ny drafitry ny tontolo kristiana. Raha tsy hiresaka ireo “anarana ara-pinoana” izay mazava fa avy amin’ny fisainan’ny olombelona isika — fakàna tahaka an-kafetsena ny asan’Andriamanitra — dia aiza no ahitana ny Latabatry ny Tompo? Aiza no azo antoka fa afaka hivory amin’ny fo madio, amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Tompo?

 

Voalohany aloha, aoka isika tsy ho gaga raha nifofotra mafy tokoa ny fahavalo hanimba ireo fijoroana vavolombelona napoitran’Andriamanitra amin’izao andro farany izao, raha nandresy izy tamin’izany ka nampisaraka ireo izay nivoaka ivelan’ny toby, satria nahay nanararaotra ny tsy fahampian’ny fiambenany izy. Samy manana ny anjara fahotany amin’izany toe-javatra mahamenatra izany isika. Tokony hiaiky izany isika, fa tsy mbola hilaza ihany, amin’ny ambo sy ny hakiviana mifangaro, hoe: “niodina tamin’ny fanekenao izy, naongany ny alitaranao… ary izahay sisa tavela…”

 

Manarak’izany, aoka isika hangataka amin’ny Tompo ny fahaiza-manavaka sy ny risim-po ilaina mba hitadiavana ireo “fito arivo” izay natokany ho Azy (1 Mpanjaka 19. 18), satria Izy “dia mahalala ny azy”: amin’izany anefa, dia tokony hiala amin’ny ratsy isika, satria tsy misy ifandraisan’ny haizina sy ny mazava. Mbola averina eto indray, tokony hatoky isika fa “ny fanorenana mafy izay nataon’Andriamanitra dia miorina tsara” ary mbola manana ireo tombo-kase anankiroa mandrakariva. (2 Timoty 2:19).

 

Ny masom-panahy dia hahay hanavaka raha tena azo raisina hoe an’ny Tompo tokoa na tsia ny “latabatra” izay novelarina, raha mandinika ny foto-kevitra azonina eo izy ary raha mamakafaka ny fomba namelarana ny latabatra. Adidin’ny tsirairay ny hampahazava ny sainy momba io, ary adidin’ny fiangonana rehetra ny mamantatra izay fihetsika tokony atao amin’ny olona izay manatona handray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo.

 

Aleo ho raisintsika ohatra ny fisian’ny latabatra roa tsy misy ifandraisana ao amin’ny toerana iray. Raha manaiky azy roroa ho toy ny Latabatry ny Tompo ianao, ary atao mitovy lenta izy ireo, dia minia mandà ny hihazona ny maha-iray ny Fanahy, ary midika ho fandàvana ny maha-iray ny tena izany. Ilaina izany ny manadihady tsara. Matoa misy izany zavatra roa loha izany, dia mety ho vokatry ny fampianaran-diso, izay tsy maintsy nanadiovan’ny mpino mahatoky ny tenany. Mety ho mifanohitra amin’izany anefa, angamba fisarahana izay tsy misy antony ankoatra ny tsy fifanarahana momba ny fifehezana. Ireo olona vaovao tonga dia namelatra ny “latabany” ary tsy nandraharaha izay latabatra efa nisy: hadisoany izany. Tsy afaka ny hialangalana sy tsy hiraharaha isika. Ankilany, dia fanehoana tsy firaharahiana ny fahamasinan’ny anaran’ny Tompo, ary fahotana izany, andaniny dia fiarahana amin’ny hetsika fanavahan-tena.

 

Ankoatr’izany anefa, tsy tokony hisy Latabatry ny Tompo amin’ny toerana iray ka hahaleo tena miolotra amin’ny sasany any an-toeran-kafa nefa mitovy fanorenana aminy. Ohatra, tsy afaka handray olona izay efa nolavina tany an-kafa isika, na handà olona izay noraisin’ny hafa, raha tsy izany, dia mandà ny maha-iray ny Tena.

 

Tsy Latabatry ny Tompo ny latabatra izay hita fa mampifangaro ny foto-kevitr’izao tontolo izao, ny fahefana sy ny fitsipika nataon’olombelona amin’ny asan’ny Fanahy Masina; toy izany koa, ny latabatra izay iniana handraisana ny ratsy tsy notsaraina.

 

Ny tsifetezan-ko diso ve izany no fepetra takiana hisian’ny fivoriana? Mazava ho azy fa tsia: raha izany, ho azo atao akory ve ny hivory? Indrisy fa mety hisy, ary misy fahalavoana, fahalemena, fahadisoana, izay ho voavela rehefa notsaraina sy nambaran’ny fiangonana ampahibemaso. Ny fandàvana ny fiangonana iray satria nisy hadisoana nataony dia manohitra ara-bakiTenin’Andriamanitra sy ara-panahy ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra. Raha tsy voatsara ireny fahotana ireny, dia mety hiditra an-tsehatra ny Tompo, na hanadio ny fiangonana amin’ny sedra mavaivay, na “hamindra ny fanaovan-jiro hiala amin’ny toerany”. Indraindray aza, mety ho azom-panahy hisolo toerana an’“Ilay mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito” isika. (Apokalypsy 2).

 

Raha toa izany ka hita ho tsy mitombina ny fanapahan-kevitry iray nataon’ny fiangonana — ary mety hisy izany —, na, mifanohitra amin’izany, tsy nanapa-kevitra ny fiangonana tamin’ny tokony hanaovany izany, tsy azo adino fa: “na inona na inona fehezinareo (nareo: ny fiangonana) etỳ ambonin’ny tany, dia voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra” Mampalahelo tokoa ny mahita ny fanakianana matetika atao, tsy am-piheverana na tsy marim-pototra, noho ny fanapaha-kevitra na ny tsy fandraisana fanapahan-kevitry ny fiangonana. Fa ny fanjakàn’ny Tompo kosa dia tsy azo kasikasihina. Ary tsy miova ny fitiavany. Izy no tokony ho banjinina raha misy zavatra natao toa tsy araka ny sitrapony, mba hidirany an-tsehatra; Izy no tokony hankatoavina, amin’ny fahatokiana tanteraka fa hotandrovany ny voninahitry ny anarany. Izy ihany no haneho amin’ny rahalahy sasany avy amin’ny fiangonana hafa, na amin’ny fiangonana hafa mihitsy aza, ny tokony ilàna handefasana “iraka”. Nefa tsy maintsy avy Aminy no hanaovana izany, ary ny fomba fanaovana azy no ahitana na tena izany marina na tsia: amin’ny fitiavana marina ve, ary mihevitra ny fitazonana na famerenana ny fiombonana izay hitondra alahelo lalina tokoa raha very? Ny faharetan’ny famindrampo no hahafahana miandry izay zavatra habaribarin’Andriamanitra fa tokony hotsaraina, ary hahatonga ny fiangonana hitsara izany.

 

Fa hafa kosa ny fipetraky ny olana raha toa ny fiangonana no manaiky ara-poto-kevitra, fa tsy hoe aorian’ny fahalavoana indray miseho, ny handefitra amin’ny ratsy — na ara-panahy izany, na ara-poto-pampianarana, ary ity farany aza dia mbola ratsiratsy kokoa — amin’ny famelàna ny tsirairay handray ny andraikiny ary tsy mihevitra fa ny azy koa dia misy, na ny tsy fahatsiarovana fa tafiditra koa ny andraikiny amin’ny ataon’ny fiangonana hafa. Amin’izay fotoana izay, ny maha-iray ny tena no potika, voazimbazimba ny zon’ny Tompo, ary, araka ny voalaza teo aloha, tsy azo ekena ho fiangonan’Andriamanitra intsony izany fiangonana izany.

 

4  Fehiny

Amin’alahelo lehibe tokoa no tsy maintsy iresahantsika izany zavatra mahadonto fo izany, nefa tokony ho fitiavana, halemem-panahy, hafaliana no iresahana ny Fiangonan’Andriamanitra. Tsy maintsy miady ho an’ireo fahamarinana mikasika azy, nefa tokony hanantena fotsiny ny hahita ao ny toerana tsy azo kasihina ahitana fialokalofana feno fiadanana eo anivon’ity tontolo marary ity. Nefa mionona ny fo ary mahazo hery raha mieritreritra fa, toy ny fisehon’ny masoandro eo ambony zavona matevina, dia tsy miova sy be voninahitra ny lazain’Andriamanitra momba ny Fiangonana. Ny fitiavana izay ambonin’ny fahalalana rehetra no mibaiko ny lalana hitondran’i Kristy azy. Fahanany izy ary tiaviny; kely sisa dia ho alainy ho eo anilany. Aoka isika hatoky izany fahamarinana mamelon’aina izany: Kristy amin’ny voninahiny, ny Fanahy Masina etỳ an-tany, ny Fiangonana iray, ny fanantenana ny antso. Fa tsy anivon’ny fahamarinana mampangatsiam-po akory, na fitsipika tsy mihontsina, toy ny kodia tsy misy fanahy natao hanetsiketsika foana zavatra tsy misy aina, no misy antsika, fa toerana feno fiainana, dia ny fiainan’Andriamanitra. Kristy irery no loharanon’izany fiainana izany, Loha efa nasandratra, Lohan’ny tena izay mbola etỳ an-tany nefa natokana koa ho amin’ny voninahitra any an-danitra. Raha mieritreritra Azy bebe kokoa isika, raha mahatsapa kokoa ny haben’ny fahasoavana ara-panahy izay azontsika “ao Aminy”, tsy mila ezaka akory dia ho tafavory isika — ary isika rehetra — satria iray Aminy, toy ireny poti-by voasinton’ny andriamby ireny. Na maty ao Aminy isika na velona, dia ho avy vetivety ny fotoana hamalian’ireo olo-masina rehetra ny fisintonany azy am-pahefana, ary ho raisin’i Kristy ho an’ny tenany ny Fiangonany, tsy misy pentipentina na fikentronana, amin’ny hatsarany sy ny maha iray azy. Enga anie izany fanantenana izany hahatonga antsika ho mpandresy.

 

“Ary ho an’Izay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahantsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ao amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay! Amena” (Efesiana 3:20-21).