L’ASSEMBLÉE DE DIEU  
OU
LA PLEINE SUFFISANCE DU NOM DE JÉSUS

NY FIANGONAN’ ANDRIAMANITRA

NA

NY MAHA-AMPY TANTERAKA
NY ANARAN’I JESOA

C. H. MACKINTOSH

ÉDITIONS BIBLES ET TRAITÉS CHRÉTIENS, VEVEY

NY FIANGONAN’ANDRIAMANITRA

NA

NY MAHA-AMPY TANTERAKA NY ANARAN’I JESOA

Amin’izao vaninandro iainantsika izao, dia efa saika ny hevitra vao­vao tsirairay mihitsy no manjary ivo na antony ifamoriana, anorenana fikambanana vaovao. Izany toe-javatra izany dia tokony haha­tsa­pan­tsika hoe hatraiza ny maha-sarobidy ny ho resy lahatra avy amin’An­dria­manitra momba izay tena atao hoe Fiangonany. Miaina ao anatina fotoana tena iasan’ny sain’olombelona isika izao, hany ka ilaina dia ilai­na ny ianarantsika ny tenin’Andriamanitra, am-pahatoniana sy ao ana­ty vavaka. Io Teny io  —hisaorana anie Ilay nanome azy!—  dia toy ny va­to­lampy eo afovoan’ny ranomasimben’ny fihevitry ny olombelona; tsy mihontsona, na dia mahery aza ny tafio-drivotra ary na dia tsy misy fara­ny aza ny fikapokapoky ny alon-drano. Ary tsy vitan’ny hoe tsy mi­he­tsika io vatolampy io, fa manjary mitombina tsara tahaka azy koa izay rehetra mitoetra eo amboniny. Fahasoavana lehibe ny ahafahana mia­la amin’ny hotakotaka sy ny fanozongozonan’ny ranomasina misa­fo­to­foto, sady ahitana fahatoniana sy fitsaharana eo amin’io vatolampy mitoetra mandritra ny taonjato mifandimby io!

Tena fahasoavana lehibe tokoa izany. Raha tsy nanana “ny lalàna sy ny teny vavolombelona” isika, dia aiza ho aiza ny toerana ho nisy an­tsika? Aiza ny lalana ho nalehantsika? Inona no ho nataontsika? Hai­zi­na re izany! Fisavoritahana re izany! Tena sanganehana tokoa! Feo mi­fa­ma­hofaho, miisa an’alina, no tonga eo am-poto-tsofintsika: ny feo re­he­­tra, nefa, toa manana fahefana izany, hany ka raha tsy voaofana tsa­ra sy miorina amin’ny Teny, dia hitataovan-doza lehibe, ka mety ho voa­zera, na fara fahakeliny hampalahelo fa ho voahozongozona sy hi­ko­rontan-tsaina. Ny iray hiteny aminao hoe ity no tsara; ny iray hafa ko­sa hiteny hoe itsy no tsara; ny fahatelo hilaza fa tsara daholo izy re­he­tra; ny fahefatra hanizingizina fa tsy misy tsara. Raha ny momba ny fa­na­­ra­ha­na ny rafitra ara-pivavahana misy indray, dia hahita kristiana man­ketsy ianao; ny sasany mankerỳ; misy ny mandeha hatraiza ha­trai­za; misy ihany koa ny tsy mandeha na aiza na aiza.

Koa raha izany no zava-misy, inona no azo atao? Tsy voatery ho tsa­ra daholo ny zava-drehetra. Nefa na izany aza, misy zavatra tsara. Tsy azo heverina hoe voatery hiaina ao anaty fahadisoana isika, ao anaty hai­zina mikitroka na ao anaty fisalasalana. Hisaorana anie An­dria­ma­ni­tra, fa “misy ny lalana”, na dia “tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hi­tan’ny mason’ny voromahery” aza izany. “Tsy nodiavin’ny zanaky ny bi­bi­dia ary tsy mba nalehan’ny liona masiaka” izany lalana izany. Aiza io lalana azo antoka sy nomen’Andriamanitra io? Henoy ny valin-tenin’ An­driamanitra: “Indro, ny fatahorana ny Tompo no fahendrena, ary ny fia­làna amin’ny ratsy no fahalalàna” (Joba 28. 28).

Koa ndeha isika handinika ilay lohahevitra erỳ am-boalohany, am-pata­horana ny Tompo, amin’ny fanazavana tsy mety diso avy ami­ny, ary hankatò tanteraka, am-panetrentena, ny fampianaran’ny Fa­na­hy Masina; ary enga anie isika tsy hitoky amin’izay mety ho eri­tre­ri­tsi­ka, na amina eritreritr’olon-kafa, fa kosa hanaiky amin’ny fo ma­dio ny hampianarin’Andriamanitra irery ihany.

Nefa mba hahafahana mamakafaka sy hahazoana voka-tsoa mi­ka­si­ka io lohahevitra lehibe sady mafonja momba ny Fiangonan’An­dria­ma­ni­tra io, dia ndeha aloha hampitoetra zava-misy; ary manarakaraka iza­ny, ndeha hametraka fanontaniana. Ny zava-misy dia izao: misy ny Fian­gonan’Andriamanitra etỳ an-tany. Ny fanontaniana dia ny hoe: Ino­na izany Fiangonana izany?

I

Ndeha àry hojerentsika aloha ilay zava-misy. Misy zavatra etỳ am­bo­nin’ny tany izay antsoina  —ary tena izany tokoa—  hoe “Fian­go­nan’ Andriamanitra”. Zavatra tena mafonja izany: manana Fiangonana etỳ ambonin’ny tany Andriamanitra. Ny tiako holazaina amin’izany, dia tsy rafi-pivavahana nataon’olombelona, toy ny hoe eglizy grika, na egli­zy romana, na eglizy anglikana, na eglizin’i Ekosia; na iray amin’ireo ra­fi­tra isan-karazany, izay nivoaka avy amin’izany, naorina sy nam­boa­rin’ ny tanan’olombelona, ary miankina amin’ny harenan’olombelona. Ny tia­ko holazaina eto dia ilay Fiangonana, novorian’ny Fanahy Masina ma­no­di­dina ny Persona-n’ny Zanak’Andriamanitra, mba hitsaoka an’An­dria­ma­nitra Ray, ary hiombona aina Aminy. Zavatra hafa tanteraka ny fahai­zantsika mamantatra sy mankafy io Fiangonana io; ary miankina amin’ny toetrantsika ara-panahy izany, miankina amin’ny fanda­van­tsi­ka ny tenantsika, amin’ny fanapotehantsika ny sitrapontsika, amin’ny fan­ka­toavantsika ny fahefan’ny Soratra Masina, toy ny fankatoavan’ny zaza­kely. Raha toa ka saina feno fitsarana an-tendrony, hevitra mialoha sy fironana manokana no hanombohantsika ny fikarohana ny momba ny Fiangonan’Andriamanitra na izay mety ho endrika isehoan’izany Fian­go­na­na izany; na koa isika, mandritra izany fikarohana izany, mi­ta­dy fanazavana mitsilopilopy avy amin’ireo foto-pinoana misy, ireo he­vi­tra sy riban’ny olombelona, dia azo antoka fa tsy ho tonga any amin’ny fahamarinana mihitsy. Mba hahafantarana ny Fian­go­nan’An­dria­ma­nitra, dia tsy maintsy ny tenin’Andriamanitra irery no mam­pi­a­na­­tra antsika, tsy maintsy ny Fanahin’Andriamanitra no mitarika an­tsi­ka; satria izay nolazaina momba ny zanak’Andriamanitra dia mitombina koa, raha ny mi­ka­sika ny Fiangonan’Andriamanitra: “Fa izao tontolo izao tsy ma­ha­la­la azy.”

Noho izany, raha toa ka ny fisainan’izao tontolo izao no mitondra an­tsi­ka, na inona na inona fisehon’izany; raha toa ny olona no tiantsika hasandratra avo; raha toa mitady sitraka amin’ny olona isika; raha toa ka ny hahatratra izay zavatra heverintsika ho anisan’ny mahasarika an­tsi­ka indrindra, dia ny toerana feno haja, izay ho lasa fandrika ho an­tsi­ka, no tafalatsaka ao am-pontsika, dia aleo ajanona dieny izao ny fi­ka­ro­han­tsika momba ny Fiangonan’Andriamanitra, ary aleo mialokaloka any amin’ireo rafitra nataon’olombelona, izay mifanaraka indrindra amin’ny saintsika na amin’izay maharesy lahatra antsika ao anatintsika.

Fanampin’izany, raha toa koa ka fikambanana ara-pivavahana izay ama­kiana ny tenin’Andriamanitra no hany tadiavintsika, na fikam­ba­na­na misy zanak’Andriamanitra, dia mora ny ahazoana fahafaham-po, sa­tria sarotra ny hahitana sampana ao amin’ireo fikambanana mitonona ho kris­tiana tsy ahatanterahana ny iray na izy roa ireo.

Farany, raha toa isika tsy mikatsaka afa-tsy ny hanao izay soa rehe­tra azontsika atao, ka tsy mandinika izay fomba anatanterahana izany; raha toa “amin’ny fomba rehetra” no teny filamatra arahintsika, na ino­na na inona atao; raha vonona ny hamadika ny teny mavesatra nam­ba­ran’i Samoela isika, ka hanao hoe: “Ny fanatitra no tsara noho ny ma­na­raka, ary ny saboran’ondrilahy no tsara noho ny mihaino”, dia tsy misy ilàna azy mihitsy ny handinihantsika ny momba ny Fian­go­nan’An­dria­manitra, indrindra moa fa ny olona hany afaka hahita sy han­ka­si­tra­ka io Fiangonana io, dia olona nianatra ny handositra ireo lalana ana­li­­na­liny miravaka voninkazo, maha-diavolana ny fon’ny olombelona, sy ny hametraka ny feon’ny fieritreretany, ny fony, ny fahaizany, ny toe-tsaina amam-panahiny manontolo ho eo ambanin’ilay fahefana fara­tam­pony hoe: “Izao no lazain’i Jehovah”.

Raha lazaina indraim-bava, izany, ny mpianatra mankatò dia ma­ha­la­la fa misy ny Fiangonan’Andriamanitra; ary izy koa no ho afaka hahita azy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, ary hamantatra fa eo ny toe­ra­ny. Raha saina mahay mandinika no ianarana ny Soratra Masina, dia tsa­pa tokoa ny fahasamihafana misy eo amin’ny rafitra naorina, nam­boa­rina ary tapahin’ny fahendrena sy sitrapon’olombelona, sy eo amin’ io Fiangonana io, mivory manodidina an’i Kristy, izay Tompo, ary an­ja­ka­ny. Fahasamihafana lehibe tokoa! Io indrindra no fahasamihafana mi­sy amin’Andriamanitra sy ny olombelona.

Mety hisy nefa hangataka porofo ara-tSoratra Masina hoe misy Fian­go­nan’Andriamanitra etỳ an-tany, ary omentsika azy ireo izao anke­hi­tri­ny izao izany; satria azontsika lazaina fa izay rehetra ambara momba ny foto-kevitra tahaka io, dia tsy misy dikany raha tsy ombàn’ny fahe­fan’ny Teny. Inona àry no ambaran’ny Soratra Masina?

Ny holazainay voalohany dia ilay tsongandahatsoratra diso fantatra loatra ao amin’ny Matio 16: “Rehefa tonga tany amin’ny faritanin’i Kai­sa­ria-filipo Jesoa, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa ny Zanak’olona? Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jao­na Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia na anankiray amin’ny mpaminany. Ary hoy Jesoa taminy: Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Dia namaly Jesoa ka na­nao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra. Ary Iza­ho milaza aminao koa: Ianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy ha­ha­resy azy” (and 13-18).

Eto ny Tompo dia manambara fa manana fikasana hanorina fian­go­na­na, ary mampahafantatra ny tena fototra iorenan’izany fiangonana iza­ny, dia: “Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona”. Zava-dehibe to­koa izany, amin’ity lohahevitra dinihintsika ity. Eo ambony Vatolampy no hisy ilay fanorenana, ary io Vatolampy io dia tsy ilay i Petera, izay me­ty ho diso, ho tafintohina, fa i KRISTY, ilay Zanaka man­dra­ki­zain’ilay Andriamanitra velona; ary ny vato tsirairay amin’izany fanorenana iza­ny dia mandray anjara amin’ny fiainan’ilay Vatolampy tsy azo levonina, sa­tria naharesy izay rehetra mety ho fahefan’ny fahavalo.

Ankoatra izany, ao amin’io filazantsara araka an’i Matio io ihany, arỳ aoriana kely kokoa, dia hitantsika ilay tsongandahatsoratra izay fan­ta­tra tsara koa: “Raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fa­ha­disoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra, amin’ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia am­ba­rao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany, dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahànareo etỳ ambonin’ny tany, dia hovahana any an-danitra. Ary la­zai­ko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambo­nin’ny tany, na amin’inona na amin’inona, ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza ian­go­nan’ny roa na ny telo amin’ny Anarako, dia ao afovoany Aho” (18. 15-20).

Mbola hotsahivintsika izany andininy izany, any amin’ny tapany fa­ha­roa amin’ity lahatsoratra ity. Lazaintsika izy eto, satria mason-drojo iray izay omen’ny Soratra Masina, momba ny fisian’ny Fian­go­nan’An­dria­manitra etỳ an-tany. Tsy anarana io fiangonana io, tsy fomba, tsy fihamboana ho zava-misy, tsy vinavina. Zava-misy avy amin’An­dria­ma­ni­tra io, naorin’Andriamanitra, ary manana ny tombo-kase sy ny fan­ka­toa­va­na avy Aminy. Io Fiangonana io no itodihana, raha toa ka misy fa­ha­tafintohinana sy fifandirana izay tsy voaravina eo amin’ny olona roa. Io Fiangonana io dia mety ho “olona roa na telo” ihany  —izay kely in­drin­dra azo ilazana maro, raha tianao; fa na izany aza, dia misy izy, eken’Andriamanitra, ary ekena any an-danitra ny fanapahan-kevitra rai­si­ny.

Fa isika kosa dia tsy tokony hanaiky ampitahorina na ahodina amin’ ny fahamarinana momba io lohahevitra io, satria ny eglizy romana dia nanandrana nampiorina ny hambony tamin’ireo tsongandahatsoratra roa voalazantsika ireo. Io eglizy io dia tsy ny Fiangonan’Andriamanitra, naorina teo ambony Vatolampy, Izay i Kristy, sy miangona amin’ny anaran’i Jesoa; fa fialàn’ny olombelona tamin’ny foto-pinoana marina io, naorina eo amina olona marefo sy mety maty, ary tapahin’ireo riba sy foto-pinoana najoron’olombelona. Tsy tokony hanaiky hanalana izay faha­ma­ri­nana avy amin’Andriamanitra isika, amin’ny fisandohana na­taon’i Satàna. Manana ny Fiangonany etỳ ambonin’ny tany An­dria­ma­ni­tra, ary anjarantsika ny mamantatra izany sy mandray ny toe­ran­tsi­ka ao anatiny. Ho sarotra izany, amin’izao vaninandro feno fi­sa­fo­to­fo­toana toy ny ankehitriny izao. Mila fijery tsotra —sitrapo mankatò— fo to­ro­to­ro. Nefa aoka ny mpamaky hino fa tombontsoany manokana ny matoky izay avy amin’Andriamanitra, na ny momba ny toerany eo amin’ny Fian­gonan’Andriamanitra, na ny momba ny fahamarinana hoe voavonjy tamin’ny ran’ny Zanak’ondry izy; ary tsy hianina raha tsy mahazo anto­ka izany. Tsy ho faly ny ho velona adiny iray akory aho, raha tsy ma­to­ky fa isan’ny Fiangonan’Andriamanitra, ara-panahy sy ara-poto-kevitra. Marihiko hoe ara-panahy sy ara-poto-kevitra, satria aho mety ho any amina toerana iray izay tsy misy fanehoana ny Fian­go­nan’An­dria­ma­ni­tra; amin’izay fotoana izay, mianina amin’ny fiom­bo­na­na ara-panahy fotsiny amin’ireo olona rehetra izay eo amin’ny sehatry ny Fian­go­nan’ Andriamanitra aho, ary matoky fa Izy no hisava ny lalana hahazoako mankafy ny tombontsoa amin’izany, amin’ny fanatrehan’ny vatako eo, miaraka amin’ny vahoakany, mba higoka ny fahasoavana raisin’ny Fian­gonany, ary mba hizara ny adidy masina momba izany.

Manatsotra tanteraka ny zava-misy izany. Raha tsy ao amin’ny Fian­go­nan’Andriamanitra aho, dia tsy hahazo na inona na inona amin’izany. Tsy ampy ny hoe mandeha amina fivoriana ara-pivavahana iray, izay misy kristiana vitsivitsy, misy fitoriana ny Filazantsara sy fizaràna ny Sakra­menta. Tsy maintsy resy lahatra aho, noho ny fahefan’ny Teny sy ny Fanahin’Andriamanitra, fa io fivoriana io dia atao amin’ny foto-kevitry ny Fiangonan’Andriamanitra, ary manana ny toetrany rehetra; raha tsy izany, tsy afaka manaiky azy aho. Azoko ekena ireo zanak’An­dria­manitra izay ao, raha manaiky ahy hoe ivelan’ny fefin’ny rafi-piva­va­han’izy ireo; fa io rafitra io kosa dia tsy azoko ekena na toavina, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Raha manao izany aho, dia toy ny hoe manamafy fa mitovy ihany na ao amin’ny Fian­go­nan’Andriamanitra ny toerako na ao amin’ireo rafitra nataon’olom­be­lo­na, na manaiky ny maha-Tompo an’i Kristy aho na manaiky ny fahe­fan’ olombelona, na miondrika eo anoloan’ny tenin’Andriamanitra aho na eo anoloan’ny hevitr’olombelona.

Mety ho maro ny ho tafintohina, amin’ireo fanambaràna ireo. Hola­zaina hoe fivavahana tery saina izany, na fitsarana an-tendrony, na faha­teren-tsaina, na tsy fandeferana, na zavatra toy izany. Nefa tsy tokony hampalahelo antsika loatra izany. Ny hany tokony hataontsika, dia ny manambara hentitra ny fahamarinana momba ny Fian­gonan’An­dria­ma­ni­tra, sy ny mitoetra mifikitra amin’izany, amin’ny fo sy amin’ny fanahy, na ino­na na inona miseho. Raha manana Fiangonana An­dria­ma­nitra  —ary iza­ny no lazain’ny Soratra Masina—, dia ao no tsy main­tsy toerako, fa tsy any an-kafa. Mazava ho azy, ary tokony hanaiky iza­ny ny tsirairay, fa eo amina toerana misy rafi-pivavahana maro mi­fa­nan­drina, dia tsy izy rehetra, tsy akory, no avy amin’An­dria­ma­nitra. Ino­na no tokony hataoko? Tokony hionona amin’ny fisa­fi­dia­na­na izay tsy dia ratsy indrindra ve aho? Azo antoka fa tsia. Koa inona àry? Tso­tra ny valiny, ary voalaza mazava tsara: na ny Fian­go­nan’An­dria­ma­ni­tra, na ny tsy misy. Raha misy fanehoana izany fiangonana izany eo amin’ny faritra misy anao, dia tsara izany; manatòna any. Raha tsy izany, dia mionòna amin’ny fiarahana miombona ara-panahy fotsiny, am-panetrentena sy am-patokiana, amin’ireo rehetra izay manai­ky sy maka izany toerana masina izany. Mety horaisina ho fala­la­han-tsaina ny fivononana hana­ma­si­na ny zavatra rehetra sy handeha etsy sy eroa ary hiaraka amin’ny rehetra. Mety hoheverina ho tena mora sy ma­ha­fi­na­ritra tokoa izany hoe eo amina toerana izay anekena ny sitrapon’ny tsi­rairay ary tsy misy famerana ny feon’ny fie­ri­tre­re­tan’ny olona  —a­ha­zoana mandray izay tiana, miteny izay tiana, manao izay tiana, man­de­ha any amin’izay tiana. Mety ho azo heverina ho tena marina avokoa iza­ny rehetra izany  —tena tian’ny olona—, ary tena ma­ha­sarika; nefa hisy tsy faha­vo­ka­ra­na sy fangidiana any am-parany; ary amin’ny andron’ny Tompo dia ho­do­rana daholo izany, toy ny hazo, ny ahitra sy ny mololo, izay ho levona amin’ny andro fitsaràny.

Fa ndeha hotohizana ny porofo araka ny Soratra Masina. Hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly, na koa hoe Asan’ny Fanahy Masina, ny Fiangonana efa niorina tanteraka. Tsongandahatsoratra iray na roa dia ampy: “Ary dia niray saina isan’andro izy, ka nazoto nankeo an-kian­jan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy ny fahatsoram-po, nidera an’Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena (na ireo izay notsim­bi­ni­ny) dia nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’ireo” (Asan’ny Apos­toly 2. 46-47). Izany no fandaminana tamin’ny andron’ny Apostoly, tso­tra, ary ifotony. Rehefa niova fo ny olona iray, dia naka ny toerany tao amin’ny Fiangonana; tsy nisy olana ny fandraisana azy, tsy nisy sekta na antoko mihambo isanisany horaisina ho toy ny fiangonana iray, ma­na­na ny zavatra arovany, na ny tombontsoany manokana. Tsy nisy afa-tsy zavatra iray, dia ny Fiangonan’Andriamanitra, izay nitoerany, niasa­ny ary nofeheziny. Tsy rafitra nataon’ny sitrapon’olombelona io, na ny fi­tsaràny na koa ny sainy. Mbola tsy nanandrana namorona fiangonana ny olombelona. Asan’Andriamanitra io. Anjaran’Andriamanitra irery iha­ny, ary fahefany manokana, ny namory ny voavonjy sy namonjy ny mi­pa­ritaka[1].

Koa hoy isika hoe, nahoana moa no ho hafa noho izany ny zava-misy ankehitriny? Nahoana moa ireo olona nateraka indray no hitady zavatra hafa ivelan’ny Fiangonan’Andriamanitra, na tsy mitovy amin’ny Fiangonan’Andriamanitra? Tsy ampy ve ny efa ao anatin’ny Fian­go­nan’ An­driamanitra? Tsy ny toerana efa misy Azy ve, izay iasany sy an­ja­ka­ny, no toerana tokony hisy ny olony rehetra? Marina izany. Tokony hio­no­na amina zavatra hafa ve izy ireo? Tsia dia tsia. Mbola averintsika ma­za­va ihany fa: “Na io, na tsy misy.

Indrisy anefa! Marina fa nitranga ny fahalavoana, ny faharavana ary ny fialàna tamin’ny foto-pinoana. Maro tamin’ireo tsatòka namaritra ny Fiangonana no nopaohin’ny onjan’ny fahadisoana. Ny fahendren’ny olom­belona sy ny sitrapony, na, raha tianareo kokoa, ny fahaizany, ny fitsa­ràny ary ny fisainany no nampiasainy, tamin’ny fitondrana ny raha­ra­ha ara-pivavahana, ary hitantsika ny vokany amin’izao fotoana izao, amin’ireo sekta sy antoko tsy tambo isaina intsony. Nefa sahinay ny milaza fa ny Fiangonana dia mitoetra ho Fiangonana, na dia eo aza ny fahalavoana, ny fahadisoana ary ny fisaritahana vokatr’izany. Mety ho sarotra tokoa ny hahafantatra hoe aiza io Fiangonana io; nefa rehefa hita izy, dia tsy azo ovàna ary tsy afaka hiova ny fahamarinany. Tamin’ ny andron’ny Apostoly, dia nipoitra tamim-pahasahiana tokoa ny Fian­go­nana, ary nilaozany ny haizina nateraky ny fivavahana ara-pomba jiosy ankilany, sy ny fanompoan-tsampy andaniny. Tsy afaka ny ho diso mihitsy ny olona; teo izy, ary zava-misy lehibe! fikambanana olona velo­na, mivory, itoeran’ny Fanahy Masina, feheziny sy tarihiny, hany ka raha nisy tsy mpino na olona tsy mahalala, tafiditra tao, dia resy lahatra tamin’ny fitondrantenan’ny rehetra, ary tsy maintsy nanaiky fa nanatrika teo Andriamanitra (diniho tsara ny 1 Korintiana 12 sy 14).

Ao amin’ny Filazantsara, izany, no anambaràn’ny Tompontsika ny fika­sàny hanorina ny Fiangonana. Ara-tantara no anehoana amintsika io Fiangonana io, ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Ary rehefa tonga ao amin’ireo epistily nosoratan’i Paoly indray isika, dia hitantsika izy, mire­sa­ka amin’ny Fiangonana, any amina toerana fito samy hafa, dia tany Roma, tany Korinto, tany Galatia, tany Efesosy, tany Filipia, tany Kolo­sia ary tany Tesalonika; ary farany, amin’ny fiantombohan’ny bokin’ny Apokalypsy, dia misy epistily nosoratana ho ana fiangonana fito sami­hafa. Nefa tamin’ireo toerana rehetra ireo, ny Fiangonan’Andriamanitra dia zavatra mazava, azo tsapain-tanana, tena misy, naorina sy note­hi­ri­zin’Andriamanitra mihitsy. Tsy rafitra nataon’olombelona, fa fano­re­nan’Andriamanitra, fijoroana ho vavolombelona, fanaovan-jiro iray ho an’Andriamanitra, isaky ny toerana tsirairay.

Izany rehetra izany dia porofo, ao amin’ny Soratra Masina, fa mana­na ny Fiangonany etỳ an-tany Andriamanitra, Fiangonana izay iray, onenana sy tarihin’ny Fanahy Masina, Izay hany Solontena marin’i Kris­ty etỳ an-tany. Ara-paminaniana no anambaràn’ny Filazantsara ny Fiangonana; ara-tantara no anehoan’ny Asan’ny Apostoly ny Fian­go­nana; ary ara-pitsipika no itenenan’ny epistily amin’ny Fiangonana. Mazava izany rehetra izany. Ary tokony homarihina, fa amin’izay nola­zai­na teo, dia ny Soratra Masina ihany no henointsika. Aoka tsy hiteny ny saina, satria tsy ekentsika izany. Aoka tsy hanandra-peo ny fisai­na­na nentim-paharazana, satria tsy raharahaintsika izany. Aoka ny fomba metimety amintsika na izay zavatra miseho ho fanalana faha­sa­hi­ra­na­na, tsy hiandry hojerentsika akory. Mino isika fa ampy tanteraka ny Soratra Masina  —ampy hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tan­te­ra­ka—  ho vonona tsara amin’ny asa tsara rehetra (2 Timoty 3. 16-17). Ampy ny tenin’Andriamanitra; raha tsy izany, tsy tenin’Andriamanitra izy. Mino isika fa ampy tanteraka izy, momba izay ilaina mikasika ny Fian­gonan’Andriamanitra. Tsy maintsy ho izany, satria Andriamanitra no nanoratra azy. Na isika mandà ny maha-avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, na isika manaiky fa ampy izy. Tsy misy antenatenany; tsy ho nanoratra boky tsy ampy na tsy tanteraka Andriamanitra.

Foto-kevitra mavesa-danja tokoa izany, ary mifandraika amin’ny lohahevitra dinihintsika. Betsaka ny mpanoratra protestanta no nana­ma­fy, rehefa nandà ny fisian’ny papa, fa ampy ary manana fahefana ny Baiboly; nefa mazava koa fa tsy mahita holazaina izy ireo rehefa miady aminy ireo mpanohitra azy, ka mangataka porofo ara-tSoratra Masina iankinan’ireo zavatra isan-karazany ekena sy ampiharin’ny fiangonana protestanta. Betsaka ny zavatra ampianarina sy ampiharina amin’ny Rafitra isam-pirenena sy any amin’ireo Fikambanana protestanta hafa no tsy eken’ny Teny; koa raha nanamarika izany ireo mpomba ny papa, izay manan-tsaina tokoa sady mafana fo, ka nanontany hoe inona ny fahefana ao amin’ny Baiboly izay nanorenana ireo zavatra ireo, dia nanaitra tokoa fa mazava ny fahalemen’ny fivavahana protestanta. Raha manaiky isika, indray mandeha, amina lohahevitra iray, fa tsy maintsy mitodika amin’ny fisainana nentim-paharazana sy ny fomba metimety amintsika, iza no hamaritra ny fetra amin’izany? Raha azo atao ny mihataka kely amin’ny Soratra Masina amin-javatra iray, hatraiza no azontsika andehanana amin’izay lalana izay? Raha misy zavatra iray anekentsika ny fahefan’ny fisainana nentim-paharazana, iza no hanapaka ny fanitarana izany? Raha ilaozantsika ny lalana ety sy voasoritra tsara nasehon’Andriamanitra, ka idirantsika ny sehatra mida­da­sika sy tsy ahita-mangirana amin’ny fisainana nentim-pa­ha­ra­zan’ olombelona, tsy ho afaka hifidy izay tiany amin’izany toy ny hafa ve ny tsirairay? Raha fintinina, tsy ho vita mihitsy ny hanohitra ny mpomba ny fivavahana katolika romana, raha any ivelan’ny faritra iorenan’ny Fian­gonan’Andriamanitra, dia ny maha-ampy tanteraka ny tenin’An­dria­ma­nitra sy ny anaran’i Jesoa ary ny herin’ny Fanahy Masina. Izany no toerana tsy azo hozongozonina ipetrahan’ny Fiangonan’Andriamanitra, ary isaorana Azy izany; ka na dia malemy sy tsy misy voninahitra aza izany Fiangonana izany, eo imason’izao tontolo izao, dia fantatsika, satria nolazain’i Kristy, fa “ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita, tsy haha­resy azy.” Azo antoka izany vavahady izany fa haharesy ireo rafitra nataon’olombelona: ireo fivondronana sy fikambanana rehetra naorin’ ny olona. Ary mbola tsy nisongadina ohatra ny amin’izao fotoana izao io fandresen’ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita io, indrindra mikasika ny Eglizy romana, izay nandray am-pihamboana fatratra io tenin’ny Tompo io ho andrin’ny fahamafisany. Tsy misy afaka manohitra izany vava­ha­din’ny fiainan-tsy hita izany, ankoatra ny Fiangonana, naorina teo amin’ ny “Vatolampy velona”; ary ny fanehoana izany isan-toerana dia mety hoe olona “roa na telo mivory amin’ny anaran’i Jesoa”, fikambanana ma­hantra, malemy sy tsy manan-kaja  —fakofakon’ny tany sy nailiky ny rehetra.

Tsara ny hanazavana ny saina sy hanapahan-kevitra, momba io lo­ha­hevitra io. Na oviana na oviana dia tsy afaka ny tsy ho to ny fam­pa­nan­tenàn’i Kristy. Hisaorana anie ny Anarany, fa nidina faran’izay am­ba­ny Izy, mba hahatonga ny Fiangonany ho azo antsoina hoe Fian­go­na­na, na dia olona “roa” aza no ao. Famindràm-po re izany! Tsy miova mi­hitsy Izy! Nomeny ireo izay vitsy kely, tsy hita akory, izay mivory ma­nodidina Azy, ny haja manontolo  —ny soatoavina—  ny fahefan’ny Anarany, izay tsy ho levona mandrakizay. Tokony hazava tsara amin’ny masom-panahintsika, fa raha niresaka ireo “roa na telo” ireo ny Tompo Jesoa, dia tsy nieritreritra mihitsy ireo rafitra mie­zi­ne­zi­na nipoitra tamin’ny andro taloha, tamin’ny Vaninandro ante­na­tenany[2], sy amin’ izao vaninandro môderina izao, any amin’ny tany tatsi­nanana sy tan­dre­fana, izay manisa ny olona manaraka azy kanefa diso, tsy mba tsi­roa­roa na tsitelotelo, fa amina fanjakana, amina fari­ta­ny na amina paroasy. Mazava tsara fa tsy mitovy, ary tsy hety hitovy mihitsy, ny fanjakana iray natao batisa sy ny olona “roa na telo”, izay fanahy velo­na, mivory amin’ny anaran’i Jesoa. Hafa ny tontolo kristiana vita batisa, hafa ny Fiangonan’Andriamanitra. Mbola ho hitantsika atsy ho atsy hoe inona io Fiangonan’Andriamanitra io, fa dieny izao dia amba­ranay ma­za­va tsara fa tsy mitovy ireo, ary tsy mety hitovy. Afan­ga­ro hatrany izy ireo, na dia tsy misy zavatra roa miavaka noho izy ireo aza.

Raha tiantsika ho fantatra ny kisarisary nanehoan’i Kristy ny tontolo vita batisa, dia vakiana ny ohatra ao amin’ny Matio 13 momba ny “ma­si­ra­sira” sy ny “voan-tsinapy lasa hazo lehibe”. Ny voalohany dia ma­nam­bara ny toetra anatin’ny “fanjakàn’ny lanitra”; ary ny faharoa, ny toe­tra ivelany  —fanjakàn’ny lanitra, izay tany am-piandohana dia nao­ri­na tao amin’ny faha­ma­ri­na­na sy ny fahadiovana, toy ny zava-misy, na dia bitika aza, nefa, noho ny asa famitahan’i Satàna, dia nanjary von­ga­na lo tao anatiny, na dia toa tiam-bahoaka aza, etỳ ivelany, tsara bika sy mivelatra tokoa etỳ an-tany, ary manangona karazan’olona sami­hafa eo ambaniny. Izany no lesona  —tsotra nefa lalina tokoa—  azo tsoahin’ny masom-panahy mom­ba ny “masirasira” sy ny “hazo avy amin’ny voan-tsinapy” ao amin’ny Matio 13. Ampianay fa raha azo tsara io lesona io, dia ho mora ny hanavaka ny “fanjakàn’ny lanitra” sy ny “Fiangonan’Andriamanitra”. Ny voalohany dia azo oharina amina hona­hona midadasika, ny faharoa ko­sa, amina renirano mikoriana ma­ma­kivaky io honahona io ary tan­di­do­min-doza mandrakariva ho very izay maha-izy azy sy ny lalana toko­ny halehany, noho izy mifangaro amin’ny rano manodidina izy. Ny mam­­pifangaro ireo zavatra roa ireo dia mamono izay rehetra mety ho fifehezana araka an’Andriamanitra, ary noho izany, dia ny faha­dio­van’ny Fiangonan’Andriamanitra mihitsy no tsy misy intsony. Raha mi­to­vy ny dikan’ny fanjakàna sy ny Fian­go­na­na, inona no tokony ha­taontsika raha sendra ilay “mpanao ra­tsy”, toy ny ao amin’ny 1 Korintiana 5? Hoy ny Apostoly: “Esory.” Dia hataontsika aiza izy? Ny Tompontsika mihitsy no milaza fa “ny ta­nim­ba­ry dia izao tontolo izao”; ary ao amin’ny Jaona 17 Izy dia mbola ma­nam­bara ihany fa ny olony dia tsy naman’izao tontolo izao. Ma­na­za­va ny zava-drehetra izany. Nefa hoy ny olona, manoloana io fanam­ba­ràn’ny Tom­pontsika io, hoe ny tanimbary dia ny Fiangonana, ary ny voan-tsim­parifary sy ny voa tsara, ny tsy mpino sy ny olona tia vavaka, dia tsy maintsy miara-mitombo, ary tsy azo sarahina na inona na inona an­to­ny. Ilay fampianarana mazava sy misy ventiny nataon’ny Fanahy Ma­sina ao amin’ny 1 Ko­rin­tia­na 5, izany, dia ampifanoherina tanteraka amin’ilay fampianarana mazava sady misy ventiny koa, nataon’ny Tom­pon­tsika ao amin’ny Matio 13. Izany nefa no misy, dia satria afangaro ny zavatra roa samy hafa, dia ny “fanjakàn’ny lanitra” sy ny “Fian­go­nan’Andriamanitra”.

Ny lohahevitra dinihintsika etoana dia tsy ahafahantsika mi­va­lam­pa­tra manadihady momba ny “Fanjakàna”, na dia hahaliana tokoa aza izany. Ampy izay nolazaintsika, raha resy lahatra ny mpamaky fa zava-dehibe tokoa ny manavaka tsara ny Fanjakàn’ny lanitra amin’ny Fian­go­nana. Ndeha hojerentsika ity farany ity; ary enga anie ny Fanahy Masi­na no hampianatra antsika!

II

Hovelabelarintsika ity fanontaniana ity: “inona no atao hoe Fian­go­nan’Andriamanitra”, mba hanazavana sy hametrapetrahana tsara ny zava­tra ao an-tsaintsika. Koa ndeha hodinihina ireto lohahevitra efatra ireto:

Voalohany, inona no sehatra ivorian’ny Fiangonana?

Faharoa, inona no ivo ivorian’ny Fiangonana?

Fahatelo, inona no hery manosika ny Fiangonana hivory?

Fahefatra, inona no fahefana ahazoan’ny Fiangonana mivory?

1-  Voalohany, momba ny sehatra ivorian’ny Fiangonan’An­dria­ma­ni­tra, raha fintinina amin’ny teny iray, dia ny famonjena, na ny fiainana mandrakizay. Tsy ny mba ho voavonjy, tsy akory, no idirantsika ho isan’ny Fiangonana, fa kosa satria efa voavonjy isika. Izao no teny mom­ba izany: “Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako.” Tsy milaza i Jesoa hoe: “Eo ambonin’ny Fiangonako no hanorenako ny famonjena ny olona.” Anisan’ny foto-pirehankevitra ihamboan’ny Eglizy romana ny hoe: “Tsy misy mihitsy famonjena, raha ivelan’ny Eglizy.” Mety ho marina izany, nefa raha mandeha lalindalina kokoa isika, dia afaka mi­te­ny koa hoe: “Tsy misy eglizy, raha miala amin’ilay tena Vato­lam­py.” Esory ny Vatolampy, dia tsy hisy intsony afa-tsy fahadisoana sy fahalovana. Famitahana mampalahelo mihitsy ny mieritreritra hoe ho voa­vonjin’izany! Isaorana Andriamanitra, fa tsy izany no zava-misy. Tsy ny Fiangonana no mahatonga antsika any amin’i Kristy, fa i Kristy no mahatonga antsika any amin’ny Fiangonana. Raha avadikao izany fandaminana izany, dia ovanao toerana tanteraka i Kristy, ka tsy misy azonao na ny Vatolampy, na ny Fiangonana, na ny famonjena. Mihaona amin’i Kristy aloha isika, amin’ny maha-Mpamonjy mamelombelona aina antsika Azy, izay vao misy dikany ny ifandraisantsika amin’ny Fian­gonana. Izany no mahatonga antsika ho afaka hanana ny fiainana mandrakizay sy hankamamy ny famonjena, na dia tsy ho nisy Fian­go­nan’Andriamanitra aza tetỳ an-tany[3].

Tsy tokony ho tsotra loatra isika, mandray izany fahamarinana iza­ny, amin’izao vaninandro izao, izay tena ihamboan’ny mpitondra fi­va­va­ha­na fatratra. Ny fiangonana, izay antsoina toy izany  —nefa tsy izy—, dia manokatra ny varavarany amina fitiavana mamitaka, ary manasa ireo fanahy mahantra mibaby fahotana, lanak’izao tontolo izao sy tro­tra­ka, mba hahita fialokalofana ao aminy. Manodoka tokoa ny faha­la­la­ha­na asehony, mamaha ny varavaran’ny haren-tsarobidiny, ary ma­no­me izany ho an’ireo fanahy tsy manana na inona na inona sy mitalaho. Ary marina fa tena mahasarika tokoa izany harena izany, ho an’ireo izay tsy eo ambonin’“ilay Vatolampy”. Misy Fisoronana omban’ny fa­na­ma­sinana ho mpitondra fivavahana, izay mihambo ho mitohy avy amin’ ny Apostoly ary tsy tapaka mihitsy. Mampalahelo nefa, fa tena tsy mi­to­vy mihitsy irerỳ taloha sy ireto farany! Misy sorona tsy tapaka. In­dri­sy nefa, fa sorona tsy misy ra alatsaka, ka tsy manan-danja (He­breo 9. 22). Misy fombafomba tena mirenty tokoa. Indrisy nefa, fa ny nian­do­han’izany dia ny aloka tamin’ny andro taloha  —aloka izay efa nosoloan’ ilay Zanak’Andriamanitra ho mandrakizay, tamin’ny Tenany, ny asany ary ny fisoronany. Hotompoina mandrakizay anie ilay Anarany tsy ma­nam-paharoa!

Manana havaly hentitra tokoa ny mpino, eo anoloan’ny hambo sy ny fampanantenana omen’ny rafitra romana. Azony lazaina fa tao amin’ ilay Mpamonjy nohomboana sy natsangana tamin’ny maty no ahitany ny fahafenoana. Koa inona no tokony hilàny izay sorona atao amin’ny lamesa? Efa voasasa tamin’ny ran’i Kristy izy. Inona no ilàny izay pretra mampalahelo kely, mpanota sy mety maty ihany, izay tsy afaka ma­mon­jy ny tenany akory? Ny Zanak’Andriamanitra no Mpisorona ho azy. Inona no ilàny izay fombafomba mirentirenty sy ireo forongony mam­pi­to­lagaga? Manao ny fanompoam-pivavahany amin’ny fanahy sy ny faha­marinana izy, ao amin’ilay fitoerana masina indrindra, izay idirany amin-kasahiana, noho ny ran’i Jesoa.

Tsy ny fiangonana katolika romana ihany no resahintsika, momba io lohahevitra voalohany io. Matahotra izahay fa ankoatra ny katolika ro­ma­na, dia alikisa ireo olona miandrandra ny Fiangonana ao am-pony ao, na tsy ho amin’ny famonjena aza, dia ho toy ny dingana iray izay mety hahatongavana any. Izay no maha-zava-dehibe ny fahalalana tsa­ra fa ny sehatra ivorian’ny Fiangonan’Andriamanitra dia ny fa­mon­je­na, na ny fiainana mandrakizay; hany ka na inona na inona anton’io Fian­gonana io, azo antoka fa tsy ny hanome famonjena ho an’ny olona ao aminy no nijoroany, satria ireo olona rehetra ireo dia efa nahazo izany famonjena izany, talohan’ny nidirany tao. Trano fanafahana, amin’ny lafiny rehetra, ny Fiangonan’Andriamanitra. Hisaorana anie ny Tompo, noho izany! Tsy fanorenana natao mba hitondra famonjena ho an’ny mpanota ny Fiangonana, na koa hamaly ny hetahetam-piva­va­ha­ny. Vatana velona ny Fiangonana, voavonjy, naorina sy nampiraisin’ny Fanahy Masina, mba haneho amin’ny fanapahana sy ny fanjakana eny amin’ny rivotra ny fahendrena tena samihafa izay an’Andriamanitra, ary hanambara amin’izao tontolo izao ny maha-ampy tanteraka ny Anaran’i Jesoa.

Ny fahavalo lehiben’i Kristy sy ny Fiangonana, nefa, dia mahalala tsa­ra ny habe sy ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny Fian­go­nan’Andriamanitra etỳ an-tany, fijoroana ho vavolombelona izay niantsoana azy sy natao hasehony. Izany no mahatonga an’io fahavalo io hampiseho ny hery ratsiny rehetra, mba hamotehana io fijoroana ho vavolombelona io. Halany ny anaran’i Jesoa, sy izay rehetra mety hanome voninahitra io Anarana io. Izany no mahatonga ny fanoherany miredareda ny Fiangonana amin’ny maha-iray azy, sy izay mety ho fanehoana ny Fiangonana isan-toerana, na aiza na aiza misy azy. Tsy mampaninona azy izay rafitra ara-pivavahana tsotra, naorina mba ha­ma­ly ny hetahetam-pivavahan’ny olona fotsiny, fanorenana izay tazo­nin’ny fanjakana sy ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ny olona. Aoreno izay tianareo haorina. Akambano izay tianareo hakambana. Izay tiana­reo ihany no ho toetranareo; zavatra sy tontolo ho an’i Satàna, afa-tsy ny Fiangonan’Andriamanitra; satria io no tena halany, ary katsahiny amin’ny fomba rehetra azony atao izay hanaratsiana sy handravana azy. Nefa ny teny fampiononana nataon’i Kristy Tompo dia manaitra ny sofin’ny finoana, noho ny herin’Andriamanitra: “Ambonin’ity Vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita, tsy haharesy azy.”

2-  Dia tonga amin’ny lohahevitra faharoa isika: inona no ivo ivorian’ ny Fiangonan’Andriamanitra? Ny ivony dia Kristy  —ilay vato velona, araka ny vakiantsika ao amin’ny epistily voalohany nosoratan’i Petera (2. 4-5): “Izay hatoninareo toy ny vato velona, “nolavin’ny olona fa voa­fidin’Andriamanitra sady soa”, ka dia atsangana koa ianareo, tahaka ny vato velona, ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.”

Manodidina ilay Kristy velona, izany, no ivorian’ny Fian­go­nan’An­dria­ma­ni­tra. Tsy manodidina foto-pampianarana, na dia marina aza; na ma­no­didina fandaminana, na dia ilaina aza izany; fa kosa manodidina ilay Persona avy amin’Andriamanitra, Izay velona. Io no zavatra lehibe indrin­dra, ary iankinan’ny aina, ka tokony ho azo mazava tsara, hota­hi­ri­zina mafy, ary hotadidiana sy hampiharina am-patokisana man­dra­ka­ri­va. “Izay hatoninareo toy”. Tsy nolazaina hoe “Io zavatra hatoninareo io dia”. Tsy zavatra, izany, no hatonintsika, fa Persona. “Koa aoka isika hivoaka hankeo Aminy” (Hebreo 13. 13). Any amin’i Jesoa irery ihany no itondran’ny Fanahy Masina antsika. Tsy misy mahasoa ankoatra izay. Afaka milaza hoe hanatona fiangonana iray, ho isan’ny fikam­ba­na­na ara-pivavahana iray, hifantoka amina antoko iray, amina firehan-kevi­tra iray na amina tombontsoa iray. Izany fiteny rehetra izany dia manamaizina sy mampisavoritaka ny saintsika, ary manakona tsy ho hitan’ny masom-panahintsika ny hevitr’Andriamanitra momba ny Fian­go­nan’Andriamanitra. Tsy anjarantsika ny miombona amin-javatra hafa. Rehefa novàn’Andriamanitra isika, dia nampiraisiny tamin’i Kristy, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ary tokony ho ampy ho antsika izany. Kristy irery ihany no ivon’ny Fiangonan’Andriamanitra.

Dia hanontany isika hoe: koa tsy ampy ve Izy? Tsy ampy ho antsika ve ny hoe “miray amin’ny Tompo” (1 Korintiana 6. 17)? Koa nahoana no mbola hampiana zavatra hafa ihany?

“Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na ny telo amin’ny Anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18. 20). Inona indray no mbola ilaintsika ankoatra izany? Raha eo afovoantsika i Jesoa, inona no ilàntsika filoha olombelona? Nahoana Izy no tsy ekentsika  —isika rehetra, ary an-tsitrapo—  handray ny toeran’ny filoha, ary nahoana isika no tsy manoa Azy am-panetrentena, amin’ny zavatra rehetra? Nahoana isika no manandratra fahefan’olombelona ao an-tranon’Andriamanitra, amin’ny fomba samihafa? Nefa izany no zava-misy, ary tsara raha mifanazava momba izany. Olona no napetraka ao amin’ny mitonona ho Fiangonana. Ampiharina ao amin’io sehatra io ny fahefan’olombelona, nefa tokony ho ny fahefan’Andriamanitra irery ihany no ekena ao. Tsy dia misy dikany na papa io, na pasitera, na pretra na filoha, raha ny foto-kevitra ifotony no jerena. Olona napetraka hisolo an’i Kristy io. Mety ho ny papa manendry kardinaly, solontena na eveka io, hanao ny raharaha mahakasika azy, na mety ho filoha manendry olona hananatra na hiva­va­ka mandritra ny folo minitra. Mitovy ihany ny foto-kevitra, amin’iza­ny. Ny fahefan’olombelona no ampiharina ao amin’io sehatra io, nefa ny fahefan’Andriamanitra irery ihany no tokony hoekena ao. Raha eo afo­voan­tsika i Kristy, afaka matoky Azy isika, amin’ny zavatra rehetra.

Raha miteny izany nefa isika, dia tsy maintsy hanohitra ny mpiaro ny fahefan’olombelona, hoe: “Ahoana moa no hampandeha ny fian­go­na­na, raha tsy misy olona mitsangana ho filoha? Tsy ho fisaritahana sy fiko­rontanana fotsiny ve no ho hita ao? Tsy ho afaka hanapaka ao amin’ ny fiangonana ve ny tsirairay, na dia tsy manana fanomezam-paha­soa­va­na manokana sy tsy mahay aza? Tsy hisy hatrany ve olona hitsan­ga­na isaky ny mihetsika ary hanadala antsika amin’ny fibedibedena foana sy ny fianara-kendry mandreraka?”

Tsotra ny valintenintsika: Jesoa ihany no ilaintsika. Afaka matoky isika fa Izy no hitandro ny filaminana ao an-tranony. Azo antoka kokoa ny filaminana eo ambany tàna-maherin’i Jesoa, toy izay eo am-pela­ta­na­n’olona filoha iray, na dia mahay tokoa aza io. Ao amin’i Jesoa no misy ireo fanomezam-pahasoavana rehetra ara-panahy tadiavintsika. Izy no loharanon’ny fahefana rehetra sy izay mety ho fanompoana. “Mitana kintana fito eny an-tànany Izy.” Aoka isika hatoky Azy, dia hilamina ny fiangonantsika, toy ny maha-azo antoka ny famonjena ny fanahintsika. Izany no nahatonga anay hanampy ny lohatenin’ity boki­ke­ly ity hoe: “Ny maha-ampy tanteraka ny Anaran’i Jesoa” an’ilay hoe: “Ny Fiangonan’Andriamanitra”. Mino izahay fa ampy tanteraka ny Ana­ran’i Jesoa, tsy ho an’ny famonjena antsika tsirairay ihany, fa ho an’ izay zavatra ilain’ny Fiangonana  —ho an’ny fanompoam-pivavahana, ny fiombonam-po, ny asa fanompoana, ny fifehezana, ny fitondrana, ho an’ny zavatra rehetra, raha atao indraim-bava. Raha manana Azy isika, dia manana ny zavatra rehetra, ary manana be dia be.

Io no tena tsoka sy votoatin’ny lohahevitra dinihintsika. Ny ha­nan­dra­tra ny Anaran’i Jesoa no hany tanjontsika; ary mino izahay fa nalaim-baraka tao an-tranony Izy. Naongana Izy, ary ny fahe­fan’olom­be­lona no nampanjakaina. Toa tsy misy dikany akory ny anomezany fano­mezam-pahasoavana mba hanompoana; tsy sahy mampiasa io fanomezam-pahasoavana io ny olona manana an’izany, raha tsy misy ny tombo-kase, ny fanekena ary ny alalana omen’olombelona. Ary tsy izany ihany, fa raha toa sitraky ny olona ny hanome tombo-kase, fanekena ary alalana ho an’olona iray, na dia tsy manana sombina fanomezam-pahasoavana ara-panahy kely akory aza izy  —eny, mety hisy izany, tsy manana sombin’aim-panahy kely akory—, dia lasa mpanao fanompoana ekena io olona io. Raha fintinina, ny fahefan’ny olombelona dia mahatonga olona iray ho mpanao fanompoana, na dia tsy manana fanomezam-pahasoavana avy amin’i Kristy aza izy; fa ny fanomezam-pahasoavana avy amin’i Kristy kosa, tsy mahatonga ny olona iray ho mpanao fanompoana, raha tsy misy fahefan’olona. Raha tsy fanalàm-baraka ny Tompo Kristy izany, dia inona kosa?

Ry mpamaky kristiana, miatoa ianao eto, dia lanjalanjao tsara io foto-kevitra momba ny fahefan'olombelona io. Manaiky izahay fa ny han­de­hananao hatrany am-potony no tena irinay, ny hitsaranao izany tan­te­raka, amin’ny fanazavàn’ny Soratra Masina sy ny fana­tre­han’An­dria­manitra. Aoka ianao hatoky fa io foto-kevitra io no tena mam­pia­va­ka ny Fiangonan’Andriamanitra amin’izay rehetra rafitra nataon’olom­be­lo­na, etỳ ambany masoandro. Raha mandinika tsara ireo rafitra rehe­tra ireo ianao, manomboka amin’ny fivavahana romana ka ha­tra­min’ izay fikambanana ara-pivavahana miseho azy ho raitra indrindra, dia ho hitanao hatraiza hatraiza fa ny fahefan’olombelona no ekena sy tadia­vi­na. Raha misy azy, dia afaka miasa ianao, raha tsy misy azy, dia tsy mahazo miasa ianao. Ny mifanohitra amin’izany no miseho, ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra: ny fanomezam-pahasoavan’i Kristy, ary io irery ihany, no mahatonga ny olona iray hanao fanompoana, ary tsy misy idiran’ny fahefan’olombelona mihitsy. “Tsy avy tamin’olona, na tamin’ny alalan’olona, fa tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ny maty” (Galatiana 1. 1). Izany no foto-kevi-dehibe hanaovana ny asa fanompoana ao amin’ny Fiango­nan’ Andriamanitra.

Raha ampitoviana lenta amin’ny rafitra ara-pivavahana hafa rehetra misy ankehitriny ny fivavahana romana, dia aoka hazava tsara, ary tsy hiverenantsika io, fa ny foto-kevitra momba ny fahefana hanao fanom­poa­na ihany no resahina. Andriamanitra anie hiaro antsika tsy hisaina hampitovy rafitra manala ny tenin’Andriamanitra ka mampianatra ha­nom­po sampy, hivavaka amin’ny olo-masina sy ny anjely, mbamina ha­di­soana isan-karazany tsy tambo isaina sy finoanoam-poana ma­na­fin­to­hi­na ary tena maharikoriko aza  —tsy hisaina, na dia kely akory aza, hampitovy izany rafitra izany amin’ireo rafitra hafa izay ampiakarana avo ny tenin’An­dria­ma­ni­tra, izay ampielezana ny fahamarinan’ny So­ra­tra Masina. Tena lavitra indrindra ny eritreritray izany. Mino izahay fa ny rafi-pivavahana mifototra amin’ny papa dia asan’i Satàna, na dia be­tsa­ka aza ireo zanak’Andriamanitra tao sy mbola ao.

Toy izany koa no anambarànay mazava tsara hoe mino izahay fa misy olona manao fanompoana na mpino tsotra, izay olo-masin’An­dria­ma­ni­tra, amin’ireny fikambanana na antokom-pivavahana protestanta ireny; ary ampiasain’ny Tompo amin’ny fomba samihafa izy ireny  —ta­hia­ny ny asany, ny fanompoany ary ny fijoroany manokana ho vavo­lom­be­lona.

Farany, ambaranay koa fa tsy hanetsika rantsantanana iray akory izahay, hikitika ny iray amin’ireny rafitra ireny. Tsy ny rafi-pivavahana no anton-draharahantsika. Aoka ny Tompo no hiandraikitra izany. Ny anja­rantsika kosa, dia izay mikasika an’ireo olo-masina amin’ireny rafi­tra ireny, mba hanao izay asa rehetra ara-tSoratra Masina sy ara-panahy, mikendry ny hia­la­n’izy ireo ao ary mitaona azy ireo handray ny tena toerany ao amin’ny Fian­go­nan’An­dria­ma­ni­tra.

Rehefa voalaza izany rehetra izany, mba tsy hisian’ny hadisoan-kevitra, dia hery vaovao indray no iverenantsika amin’ilay foto-kevitra nodinihintsika, dia ny hoe misy amin’ny rafi-pivavahana kristiana re­he­tra ny fahefan’ny olombelona; ary raha ny marina, dia tsy misy akory ifan­draisan’ny Eglizy romana sy ny Fiangonan’Andriamanitra, na dia si­la­ka hoho aza. Mino izahay fa izay fanahy mitady ny fahamarinana an-kitsimpo, rehefa niala tamin’ny fahamaizinan’ny fanompoan-tsampy, dia tsy afaka hijanona raha tsy mahita ny hazavana ombàn’ny fita­hian’ Andriamanitra ny amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Mety ho taona ma­ro no hizorany mitady izany, amin’io elanelana (mampisaraka ny Eglizy romana sy ny Fiangonan’Andriamanitra) io. Ela sy voadinika tsara ny dingana ataony; nefa raha manaraka ny fahazavana am-pahatsorana sy an-kitsimpo ary amin’ny fitiavam-bavaka izy, dia tsy hahita fitsa­ha­ra­na ao anelanelan’ireo tendro roa ireo. Ny Fiangonan’Andriamanitra no te­na toera-marina tokony hisy ny zanak’Andriamanitra rehetra. Indrisy, nefa, fa tsy ao daholo izy ireo; fahavoazana ho azy ireo izany, ary fa­na­làm-baraka ny Tompontsika. Tokony ho eo amin’izany toerana izany izy ireo, satria ao Andriamanitra, ary tsy izany ihany, fa ao Izy no ekena hiasa sy hitantana.

Manana ny lanjany tokoa io antony io, satria mitombina ny fanon­ta­niana ­hoe: Tsy manerana ny toerana rehetra ve Andriamanitra? ary tsy miasa eny amina toerana samihafa ve Izy? Marina izany, eny amin’ny toerana rehetra Izy, ary miasa eo anivon’ny fahadisoana sy ny faha­ratsiana azo tsapain-tanana. Saingy tsy ekena hitantana Izy, ao amin’ ny rafitra nataon’olombelona, fa ny fahefan’olombelona no omena ny toe­ra­na avo indrindra, araka ny efa nasehontsika. Ankoatra izany, raha toa hoe satria Andriamanitra nanova olona sy nitahy fanahin’olona tao ami­na rafitra iray, ka tokony hiditra ao isika, dia tokony hiditra ao amin’ ny Eglizy romana izany isika, satria maro dia maro tokoa ny olona nio­va sy notahiana tao amin’io rafitra io! Na dia tamin’ny andron’ny fi­fo­ha­za­na vao tsy ela akory aza, dia nahare isika fa nisy olona voaova tamin’ireny fiangonana katolika romana ireny. Raha be loatra ny porofo entina, dia tsy manaporofo na inona na inona intsony; koa tsy misy fana­porofoana azo afototra amin’ny toerana iasan’Andriamanitra. Tsy refesi-mandidy Izy, ary afaka miasa amin’izay toerana tiany hiasana. Tsy maintsy ma­nai­ky ny fahefany isika ary miasa amin’izay toerana nan­didiany antsika. Afaka mandeha amin’izay tiany aleha ny Tompoko, fa izaho kosa dia tsy maintsy mandeha amin’izay nasainy alehako.

Misy angamba hanontany hoe: tsy loza mitatao ve, raha toa olona tsy mahay no mampanaiky ny fanaovany fanompoana ao amin’ny Fian­go­nan’Andriamanitra? Ary raha misy izany, inona no maha-samy hafa io Fiangonana io sy ny rafitra nataon’olombelona? Ny avalinay izany dia izao: marina fa misy tokoa io loza mitatao io. Nefa raha tonga izany, dia tsy noho ny fisian’ilay foto-kevitra, fa kosa, na dia nisy aza ilay foto-kevitra. Izay no maha-samy hafa azy. Indrisy tokoa fa matetika no ahitantsika olona mitsangana ao amin’ny fiangonantsika, nefa tokony hijanona hipetraka, raha amin’ny fisainana tsotra izao, na tsy iresahana fananana aim-panahy akory aza. Matetika izahay no gaga sy variana mijery rahalahy sasantsasany, henonay miezaka hanao ny fanom­poa­na ao amin’ny fiangonana. Ny eritreritray, indraindray, dia hoe misy soka­jin’olona tsy mahalala na inona na inona, nefa te handre ny tena­ny, izay mieritreritra fa ny Fiangonana dia sehatra azon’izy ireo ise­hoa­na, na dia tsy niasa sy tsy nianatra kely akory aza izy ireo.

Mahatsiravina tokoa izany zavatra izany, ary tena mahamenatra. Raha miady ho amin’ny fahamarinan’ny Fiangonan’Andriamanitra iza­hay, aoka tsy hisy hieritreritra fa tsy raharahainay na hadinonay ny vato misakana na ny fitsapana mihatra amin’io Fiangonana io. Tsy iza­ny mihitsy. Tsy misy olona toa anay izay nandany valo amby roapolo taona teo amin’io sehatra io, ka mahatsapa kokoa ny maha-sarotra ny fiha­zonana azy. Nefa ny fitsapana, ny loza manambana sy ny faha­sa­ro­ta­na samihafa dia toy ny porofo  —sarotra zakaina, ekenay izany—, nefa porofon’ny fahamarinan’io foto-kevitra noraisina io; ary raha atao hoe tsy misy vahaolana afa-tsy ny fitodihana amin’ny fahe­fan’olom­be­lo­na  —izany hoe alain’ny olona ny toeran’i Kristy: fiverenana amin’ny zava-misy eto amin’izao tontolo izao—, dia tsy mihambahamba izahay milaza fa ho ratsy kokoa io vahaolana io noho ilay faharatsiana teo aloha. Raha sanatria isika tonga amin’ny hoe tsy maintsy manaiky io vaha­o­la­na io, dia tsy mampiseho afa-tsy ny fambara faran’izay mam­pa­la­helo ny ha­ra­tsia­na izany, dia ny fandavana tsy hisaona noho ny fa­ha­ra­tsiana, fa kosa vao mainka hirehareha hoe vokatr’ilay ihamboana ho fandaminana izany.

Isaorana nefa Andriamanitra, fa misy ny vahaolana. Inona izany? “Eo afovoan’izy ireo Aho. Ampy izany. Tsy hoe: “Misy papa iray, pretra iray, mpanao fanompoana iray na filoha iray eo afovoan'izy ireo, lohany ary mipetraka eo amin’ny sezan’ny filoha na ny mpampianatra.” Tsy misy hevitra momba izany mihitsy, manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Testamenta Vaovao. Na dia tany amin’ny fian­go­na­na tany Korinto aza, izay nanjakan’ny fisavoritahana sy ny tsy fi­la­mi­nana tena goavana tokoa, tsy nanipy hevitra kely akory ny Apos­to­ly Paoly, izay notarihin’ny Fanahy Masina, hoe tokony hisy olona atao filo­ha, na inona na inona anarana omena azy. “Fa Andriamanitra tsy tom­pon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana, araka ny fanaon’ny fian­go­nan’ny olona masina rehetra” (1 Korintiana 14. 33). Teo Andria­ma­ni­tra, hitandro ny filaminana. Izy no tokony nandrandraina, fa tsy olona iray, na inona na inona anarany. Tsy finoana tsotra izao ny fame­tra­hana olona hitandro ny filaminana ao amin’ny Fian­go­nan’An­dria­ma­ni­tra, ary fanimbazimbana mazava ny Fanatrehan’Andriamanitra.

Matetika izahay no angatahana andininy avy amin’ny Soratra Masi­na, manohana ny hevitra hoe Andriamanitra no mitarika eo amin’ny Fian­gonana. Ny avalinay izany dia hoe: “Eo Aho”, sy “Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana.” Ireo andry roa ireo ihany, na tsy misy hafa aza, dia ampy hanohanantsika ny fahamarinana feno voninahitra hoe An­driamanitra no mitarika eo  —fahamarinana tsy maintsy miaro ireo re­he­tra mandray azy sy manana azy avy amin’Andriamanitra—  ary ha­na­faka azy ireo amin’ny rafitra rehetra nataon’olombelona, na inona na inona anarana omena izany. Araka ny hevitray, dia tsy afaka hanaiky an’i Kristy ho ivo sy mpanjaka mpanapaka ao amin’ny Fiangonana, raha mbola manohy manaiky ny fametrahana olona. Raha nigoka indray man­deha ny hatsaran’ny fankatoavana an’i Kristy isika, dia tsy ho afaka intsony hiverina ho amin’ny fanandevozan’ny olombelona. Tsy tsi­fa­noa­va­na tsy akory izany, na tahotra tsy mahazaka izay rehetra mety ho fife­hezana. Izany dia fandavana an-kitsirano ny hiondrika eo anoloana fahefana tsy izy fotsiny  —fandavana ny hiray tsikombakomba amina fan­galaram-pahefana tsy ara-drariny. Raha vao mahita olona man­ga­la­tra ny fahefana ao amin’ny antsoina hoe Fiangonana izahay, dia ma­non­ta­ny fotsiny hoe: “Iza moa ianao?”, ary mihataka mankany amin’ izay tontolo anekena an’Andriamanitra irery. “Nefa na ao amin’io ton­to­lo io aza, misy fahadisoana, misy faharatsiana sy fanaranampo.” Mety ho marina izany; nefa na misy aza izany, dia manana an’An­dria­ma­nitra isi­ka hanarina izany sy hitondra vahaolana. Raha toa ny Fian­go­nana, voa­korontan’ny fisian’olona tsy manan-tsaina sy tsy mahalala na inona na inona, olona mbola tsy nandini-tena mihitsy teo ima­son’An­dria­ma­ni­tra, olona izay miditra tsy am-pihambahambana ao amin’ny sehatra midadasika anjakan’ny hevitra iombonan’ny maro sy izay heverina ho tsara ary ny fahamarinana ara-môraly, nefa mihambo ho tarihin’ny Fana­hy Masina, olona feno ahiahy izay te ho zavatra ary mam­pi­tain­tai­na mandrakariva ny Fiangonana, sao misy zava-dratsy mitranga  —raha izany fitsapana mahamay izany sisa no lalana izoran’ny Fian­go­na­na, inona no tokony hatao? Hisintaka ve satria tsy mahazaka, ary ma­la­helo sy diso fanantenana? Avela daholo ny rehetra, toy ny hoe angano sy nofinofy tsy ahitam-boka-tsoa? Hiverina amin’izay efa nilaozana ve? Indrisy! Izany no nataon’ny sasantsasany, ka manaporofo fa tsy nahazo mihitsy ny zavatra nataony, na, raha nahazo, tsy nanam-pinoana ha­no­hy. Hiantra azy ireny anie ny Tompo, ary hanokatra ny masony, mba hahitany hoe avy aiza izy no nianjera, ary hahazoany tsara ny atao hoe Fiangonan’Andriamanitra, mifanohitra amin’izay rafitra tena manintona indrindra ajoron’olombelona.

Fa inona no tokony hataon’ny Fiangonana, raha misy fanaranampo tafiditra ao aminy? Tsotra ihany: miandrandra an’i Kristy ho Tompon’ny tra­nony. Manaiky Azy ho eo amin’ny toerana izay Azy. Mitondra ny ana­ran’i Jesoa, mba hiady amin’ny fanaranampo misy. Misy hiteny ve hoe tsy ampy izany? Efa nampiasaina ve io fomba io ka voaporofo fa tsy ma­homby? Tsy mino an’izany izahay, ary tsy afaka hino izany. Ary am-pato­kiana tokoa no ahasahianay milaza fa raha atao hoe tsy ampy ny Anaran’i Jesoa, dia tsy hiantsampy amin’ny olombelona sy ny laminy fadiranovana izahay. Miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra, dia tsy hokosehinay mandrakizay io Anarana tsy misy toa azy io, Anaran’ny fa­ne­­va izay namorian’ny Fanahy Masina anay, ka hosoloina anaran’olo­na, izay mety maty ihany.

Diso fantatray loatra ny olana goavana sy ny fitsapana mamaivay an­da­lovan’ny Fiangonan’Andriamanitra. Mino izahay fa izany olana sy fitsapana izany dia tena mampiavaka azy. Tsy misy zavatra etỳ ambany lanitra izay halan’ny devoly toy ny Fiangonan’Andriamanitra. Hataony izay rehetra azony atao, hanakorontanany io Fiangonana io. Maro ny ohatra efa hitanay. Misy evanjelista iray eo amina toerana iray, mi­to­ri­te­ny momba ny maha-ampy tanteraka ny Anaran’i Jesoa mba hamon­je­na ny fanahy, ary an’arivony ny olona liana tokoa mihaino azy. Raha mi­ve­rina any amin’io toerana io izy atỳ aoriana, ka mitory io fila­zan­tsa­ra io ihany, nefa manampy dingana iray, ka manambara fa ampy tan­te­ra­ka io Jesoa io hamaly ny hetaheta rehetra ao amin’ny fiangonan’ny mpi­no, dia hananganana ady hatraiza hatraiza izy. Fa nahoana? Satria halan’i Satàna na dia izay fanehoana kely indrindra ny Fian­go­nan’An­dria­manitra aza. Jereo ny tanàna iray, izay nijanona nandritra ny taon­ja­to maro sy taranaka maro nifandimby, tao anatin’ny fombafomba ara-pivavahana sady bado no ketrina  —vahoaka maty mivory indray man­deha isan-kerinandro, mba hihaino olona maty manao fanompoana tsy misy aina, ary mandritra ny herinandro sisa, miaina ao anaty ota sy hada­lana. Tsy misy aina mitsoka ao, na dia kely akory aza, tsy misy ravina iray mihetsika akory. Tian’ny devoly mihitsy izany. Nefa raha mi­sy olona iray mamelatra ny faneva mitondra ny Anaran’i Jesoa  —Jesoa ho an’ny fanahy ary Jesoa ho an’ny Fiangonana, dia ho hitanao hisy fio­va­na goavana vetivety. Voakitikitika ny hatezeran’ny helo, ary mi­san­dra­tra ny onja maizina sy mampatahotra maneho ny fanoherana.

Mino tanteraka izahay fa izany no tena tsiambaratelon’ireo fana­fi­ha­na mafy natao vao tsy ela tamin’ireo mijoro eo amin’ny sehatry ny Fiangonan’Andriamanitra. Marina tokoa fa nisy fahadisoan-kevitra, zava-diso sy fahalavoana. Nanome toera-malalaka ho an’ny fa­ha­va­lo isika ta­min’ireo hadalana sy tsy fisainana nataontsika. Epistily kely efa nan­ja­vozavo isika, fijoroana ho vavolombelona malemy sy marofy, jiro ni­tsi­lopilopy. Tokony hanetry tena tanteraka eo ano­loan’Ilay An­dria­ma­ni­tsi­ka isika, noho ireo zavatra rehetra ireo. Ratsy fipetraka tokoa raha isi­ka indray no hihambo hitondra anarana mirenty sy hanan-jo ambony amin’ny fitondrana fivavahana. Ao amin’ny vovoka no toerantsika. Eny, ry rahalahy malala, mety amintsika eo imason’Andriamanitra ny miaiky ny fahotantsika sy mandini-tena.

Nefa na dia eo aza izany rehetra izany, tsy tokony havelantsika ho very ilay fahamarinana be voninahitra momba ny Fiangonan’An­dria­ma­ni­tra, satria menatra tokoa isika tsy nahatanteraka izany; tsy tokony hitsa­ra ny fahamarinana amin’izay namelabelarantsika azy isika, fa kosa hitsara ny nanaovantsika azy, araka ny fahamarinana.

Hafa ny mitoetra eo amin’ny sehatra araka an’Andriamanitra, ary hafa ny mizotra ara-dalàna eo amin’io sehatra io; ary na dia rariny tokoa aza raha ny zavatra ataontsika no itsarana ny foto-kevitra ana­nan­tsika, ny fahamarinana dia fahamarinana ho an’izany rehetra izany, ary afaka matoky isika fa halan’ny devoly ny fahamarinan’ny Fian­go­na­na. Olona vitsy mivory amin’ny Anaran’i Jesoa mba hamaky ny mofo, dia efa tsilo lehibe eo amin’ny devoly. Marina koa fa izany fivoriana iza­ny dia manetsika ny fahatezeran’ny olombelona, indrindra fa manary ny fanompoam-pivavahana sy ny fahefana najoron’olombelona izany, ka tsy tantiny. Mino nefa izahay fa ny fototr’io olana io dia ny fan­ka­ha­làn’i Satàna ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny Fiangonana, momba ny maha-ampy tanteraka ny Anaran’i Jesoa, mba hamaly ny hetaheta rehetra mety hisy eo amin’ny Fiangonan’Andriamanitra.

Tena fijoroana ho vavolombelona ambony tokoa izany, ary satrinay raha aseho bebe kokoa am-patokiana. Tsy maintsy manampo fano­he­ra­na mafy isika. Ho toy ireo babo niverina an-tanindrazana tamin’ny andron’i Ezra sy Nehemia. Hifanenana amina Rehoma sy Sanbala maro. Ho afaka nanorina manda tany an-tany hafa i Nehemia, eran’izao ton­to­lo izao, afa-tsy ny mandan’i Jerosalema, ary tsy ho niady taminy mi­hi­tsy i Sanbala. Fa fanafintohinana tsy azo noleferina mihitsy ny na­nan­ga­nana ny mandan’i Jerosalema. Fa nahoana? Satria i Jerosalema no ivo itoe­ran’Andriamanitra etỳ an-tany, izay aniriany hanangonana ny fokon’ny Israely naverina tamin’ny toerany. Io no tsiambaratelo tamin’ ny fa­no­heran’ny fahavalo. Ary mariho anie ny fanabantiana be ange­so­ny e: “Na dia amboahaolo aza, miakatra eo amin’izay atsangany, dia haha­ra­va ny manda vato ataony.” Nefa tsy vitan’i Sanbala sy ireo namany ny nan­drava izany. Azony natao ny nampitsahatra ny asa, noho ny tsy finoa­na sy fahalemen’ny Jiosy; nefa tsy vitany ny nandrava ny manda, raha Andriamanitra no nanangana azy. Mitovy tanteraka amin’ny zava-misy ankehitriny izany. Marina fa tsy misy zava-baovao etỳ ambany maso­andro. Ankehitriny koa dia misy io fanabantiana be angeso io, nefa koa tena fanairana marina. Raha mba mahatoky am-po kokoa amin’ilay ivo ombàn’Andriamanitra mantsy ireo mivory amin’ny Ana­ran’i Jesoa, ho toa inona re ny fijoroany ho vavolombelona! Fa­he­fa­na izany! Fan­dresena izany! Hery toa inona no hiresahany amin’ny rehetra ma­no­di­dina! “Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na ny telo amin’ny Ana­ra­ko, dia ao afovoany Aho.” Tsy misy toy izany etỳ ambany masoandro, na dia malemy sy kely dia kely aza izany. Hoderaina anie ny Tompo, naha­tonga izany fijoroana ho vavolombelona ho Azy izany, amin’izao andro farany izao! Enga anie ka hitera-boka-tsoa lehibe izany, noho ny herin’ny Fanahy Masina!

3-  Tonga eo amin’ny lohahevitra fahatelo isika, dia ny hoe: inona no hery ivorian’ny Fiangonana? Eto koa dia tsy voakasika ny olombelona sy ny asany. Tsy ny sitrapo no mifidy; tsy ny fahalalan’ny olona no ma­hi­ta; tsy ny fitsaràny no mandidy; tsy ny sainy no mitaky; ny Fanahy Ma­si­na no mampivory ny olona manodidina an’i Jesoa. Toy ny maha-ha­ny ivo an’i Jesoa no maha-hany fahefana ny Fanahy Masina mba ham­pi­vory. Na ny andaniny na ny ankilany dia tsy miankina amin’ny olom­belona. Izay toerana “ivorian’ny roa na telo” no misy Azy. Tsy voalaza hoe “izay toerana ifanenan’ny roa na ny telo”. Mety hifankahita manodidina ivo iray ny olona, eo amina sehatra iray, noho firehan-kevitra iray, dia mamorona fotsiny antoko, fikambanana, fivoriana, fiombonana. Fa ny Fanahy Masina dia mamory ny olona ho ao amin’i Jesoa, eo amin’ny sehatry ny famonjena; ary na aiza na aiza misy izany, dia izay no Fiangonan’Andriamanitra. Mety ho tsy voavoriny ao avokoa ny olo-masina rehetra amina toerana iray, nefa dia Izy marina no eo amin’ny sehatra misy ny Fiangonan’Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. Mety ho “roa na telo” fotsiny ireo, ary mety ho an-jatony ny kristiana any amin’ireo rafi-pivavahana samihafa manodidina azy ireo; nefa ireo “roa na telo” ireo dia eo amin’ny sehatry ny Fian­go­nan’ Andriamanitra.

Tsotra izany fahamarinana izany. Ny fanahy izay tarihin’ny Fanahy Masina dia hampivory amin’ny Anaran’i Jesoa irery ihany; raha toa za­va­tra hafa no antony ivoriantsika, na dia foto-kevitra marina aza, na mety ho fandaminana, dia tsy tarihin’ny Fanahy Masina isika amin’iza­ny. Tsy resaka fiainana na famonjena io. An’arivony ireo voavonjy amin’ny alalan’i Kristy, nefa tsy manaiky Azy ho ivony. Mivory izy noho ny fomba fitantanana fiangonana iray, ny foto-pinoana iray ma­ha­fi­na­ri­tra, ny fandaminana manokana iray, ny olona manana fanomezam-paha­soavana iray. Tsy hamory olona noho ny olona iray na zavatra iray mihi­tsy ny Fanahy Masina. Manodidina an’i Kristy natsangana tamin’ny maty ihany no amoriany. Marina izany, ho an’ny Fiango­nan’An­dria­ma­ni­tra manontolo etỳ an-tany; ary ny fiangonana isan-toerana rehetra, na aiza na aiza ivoriany, dia tokony ho fanehoana ny Fiangonana ma­non­to­lo.

Ny herin’ny Fiangonana, nefa, dia miankina betsaka amin’ny hitsim­po ivorian’ny tsirairay manodidina ny Anaran’i Jesoa. Raha toa ma­na­to­na antoko iray aho satria maneho hevitra manokana izy, raha voa­sa­rik’ o­lona na fampianarana aho  —raha bangoina tokana: raha tsy ny herin’ ny Fanahy Masina no mitondra ahy ho eo amin’ny tena ivon’ny Fian­go­nan’An­driamanitra—, dia ho sakana fotsiny aho, ho enta-mavesatra sy antom-pa­ha­le­me­na.

Fampiharana lalina andavanandro izany rehetra izany, ary tokony ha­nefy ny fon­tsi­ka mba hahatonga antsika hitsara tena, momba izay ni­sa­rika antsika ho ao amin’ny Fiangonana sy ny fomba fizotrantsika eo ani­vony. Resy la­ha­tra tanteraka izahay fa ny fisian’ireo olona tsy ma­ha­la­la ny toerany no nahatonga ny fomba sy ny fijoroana ho va­vo­lom­be­lon’ny Fian­go­nan’An­driamanitra hihamalemy. Misy olona tonga ao, sa­tria mahita fam­pia­na­ra­na sy fitahiana tsy hitany any an-kafa, na aiza na aiza. Misy ny sa­sa­ny mankao, satria tia ny fahatsoran’ny fa­nom­poam-pivavahana. Ny sa­sa­ny indray, mitady fitiavana. Tsy misy men­dri­ka ilay Ivon’ny fivo­rian­tsika izany. Tsy maintsy ao amin’ny Fian­go­na­na isika, satria ny Ana­ran’i Jesoa no hany faneva asandratra ao, ary ny Fa­na­hy Masina no “nam­pivory” antsika manodidina Azy.

Marina fa sarobidy tokoa ny fanaovana asa fanompoana, ary tsy main­tsy ananantsika izany, amin’ny hery mety halefaka na mety hire­da­reda, raha toa ka tsara ny fandaminana. Toy izany koa ny faha­tso­ran’ny fanompoam-pivavahana: afaka matoky isika fa ho tsotra sy ma­ri­na, raha mahatsapa tsara ny fanatrehan’Andriamanitra, ny fan­ja­kàn’ ny Fanahy Masina, ary manaiky izany. Ny momba ny fitiavana indray, raha io no tadiavintsika, dia ho diso fanantenana isika; nefa raha ma­hay mamboly azy sy mampiseho azy isika, dia azo antoka fa hahita fatra be lavitra noho izay andrasantsika na mendrika antsika. Amin’ny an­ka­pobeny, ireo izay mitaraina lava noho ny tsy fisian’ny fitiavana eo amin’ny sasany, no tena tsy manana fitiavana mihitsy; amin’ny lafiny iray indray, ireo izay tena mandeha amin’ny fitiavana dia hilaza aminao fa avo arivo heny noho izay mendrika azy ny fitiavana aseho aminy. Tadi­dio fa raha te hahazo rano amin’ny paompy maina ianao, dia tsy main­tsy manisy rano kely, aloha. Hanindry sy hanainga ilay fanoitra ianao, mandra-pahareraka anao, ary dia hiala am-pahasosorana, tsy ha­ha­ritra, hitaraina noho io paompy loza io; nefa raha manisy rano kely ao anatiny ianao, dia hahazo rano mahafa-po anao, ho valin’izany.

Tsy tena azontsika an-tsaina ny mety ho toetran’ny Fiangonana, raha manaiky marina hotarihin’ny Fanahy Masina ny tsirairay, ary raha toa manodidina an’i Jesoa irery ihany no ivoriana. Tsy hitaraina isika hoe mavesatra ny fivoriana, tsy ahitam-boka-tsoa, mandreraka. Tsy ho hitantsika ao ny fidirana an-keriny maniratsira sy ny fiasa mikorontana ataon’olona misahy manao vavaka, miteny ho fahafinaretana fotsiny, maka fihirana mba hamenoana banga. Samy hahalala ny toerany ny tsi­rai­ray, eo amin’ny fanatrehan’ny Tompo mivantana; izay fanaka na­ha­zo fahasoavana rehetra dia ho feno, hiasa amin’ny tokony hilàna azy, am­piasain’ny tànan’ny Tompo; ny maso rehetra hitodika any amin’i Jesoa, ny fo rehetra ho feno Azy. Ho toy ny feon’Andriamanitra no hihai­noana ny Soratra Masina vakiana. Raha misy teny iray ambara, dia tena hahakasika ny fo izany. Raha misy vavaka atolotra, dia hitondra ny fanahy ho eo anatrehan’Andriamanitra mihitsy izany. Raha misy hira atao, dia hampiakatra ny fanahy ho any amin’Andriamanitra izany, ary hanakoako toy ny harpa any an-danitra. Tsy hisy ny toriteny efa no­ma­ni­na, tsy hisy fampianarana na fitoriana teny ao amin’ny vavaka, toy ny hoe hanazava foto-pinoana amin’Andriamanitra isika, na hilaza zavatra isan-karazany momba antsika Aminy; tsy hisy ny vavaka atao ho an’ ireo manodidina, na angatahana fahasoavana isan-karazany ho azy ireo, fahasoavana izay tsy ananantsika akory; tsy hisy hira atao noho ny fitiavana mozika, na manakorontana ny saintsika raha mandratra sofina. Ho azo ialàna izany fahantrana ara-panahy rehetra izany. Ha­ha­tsia­ro ho tena ao amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra isika, ary han­ka­fy sahady ilay fotoana izay hivavahantsika any an-danitra, sy tsy hia­lan­tsika any intsony.

Hisy angamba hanontany hoe: “Aiza koa no hahitanareo izany etỳ ambonin’ny tany?” Izay indrindra ilay olana. Hafa ny hoe maneho idealy tsara an-taratasy, hafa ny manatanteraka azy eo afovoan’ny faha­di­soa­na, ny fahalavoana sy ny fahalemena. Noho ny faha­soa­van’An­dria­ma­ni­tra, dia nisy sasantsasany tamintsika efa niaina kely, tsindraindray, an’ iza­ny fitahiana izany. Efa nisy fotoana nankafizantsika an’izany fiainana an-danitra izany, tetỳ an-tany. Mba hihamaro anie ireny fotoana ireny! Mba hampiakarin’ny Tompo anie ny ambaratonga misy ny Fiangonana, na aiza na aiza misy azy, noho ny famindrampony lehibe! Enga anie Izy ka mba hahatonga antsika hahay hankasitraka fiombonana feno sy fitsao­hana ara-panahy! Enga anie isika ka ho afaka miaina toy izany man­drakariva, amin’ny fiainana andavanandro, amin’ny fitsa­ràn­tsi­ka ny tenantsika sy ny lalana alehantsika eo anatrehany, mba tsy haha­tonga antsika ho enta-mavesatra ho an’ny Fiangonana.

Ary na dia tsy hahatonga antsika hahalala marina ny tena atao hoe Fiangonan’Andriamanitra aza ny traikefa ananantsika, aoka isika tsy hianina amina zavatra ambany noho izany. Katsaho hatrany ny avo indrindra, ary angataho mafy ny ho tonga amin’izany toerana izany. Mom­ba ny sehatry ny Fiangonana indray, dia amin-kasarotam-piaro tanteraka mihitsy no hihazonantsika azy, ary tsy hanaiky mihitsy isika, na dia fotoana kely fotsiny aza, ny hiala amin’izany. Momba ny am­ba­ra­ton­ga misy ny Fiangonana sy ny toetrany indray, dia mety hiovaova, ary hio­vaova be dia be io, miankina amin’ny finoana sy ny toetra ara-panahin’ireo mpivory. Raha toa ka tsapa fa mirefarefa ny Fiangonana, raha tsapa fa tsy misy tombontsoa azo, raha misy matetika teny sy za­va­tra atao hitan’ny rahalahy am-panahy fa tsy mitombina, dia tokony hian­drandra an’Andriamanitra ireo rehetra mahatsapa izany  —mian­dran­dra mandrakariva, miandrandra am-patokiana—, ary azo antoka fa hamaly Izy ary hitondra vahaolana. Amin’izay dia hisy vokany tsara ny fitsapana sy ny fanazaran-tena manavaka ny Fiangonan’Andriamanitra, ary hanosika antsika hanakaiky Azy kokoa: ka avy amin’izay nan­dra­pa­ka no hipoiran’ny sakafo, avy amin’izay matanjaka no hipoiran’ny ha­mo­ram-po. Afaka manampo fitsapana sy fahasarotana ao amin’ny Fian­go­na­na isika, satria izy irery,  etỳ an-tany, no tena zavatra marina sy avy amin’Andriamanitra. Hiezaka mafy ny devoly hanalavitana antsika amin’io sehatra masina sy marina io. Hisedra ny faharetantsika izy, hise­dra ny toetrantsika, handratra ny toe-pontsika, hanisy ratsy antsika amin’ny fomba maro samihafa  —raha lazaina indraim-bava, dia hanao izay rehetra hanadinoantsika ny Fiangonana.

Tsara ny ahatsiarovantsika izany. Ny finoana ihany no afaka mita­zo­na antsika eo amin’ny sehatr’Andriamanitra. Io no maneho ny Fian­go­nan’Andriamanitra ary mampiavaka azy amin’ny rafitra rehetra ataon’ olombelona. Tsy afaka mizotra ao ianao, raha tsy amin’ny finoana. An­koa­tra izany, raha toa ianao mahatsiaro fa tokony hanana ny maha-ianao anao etỳ an-tany, raha mitady toerana, raha mitady hisondrotra, dia tsy tokony hieritreritra ny Fiangonan’Andriamanitra. Tsy maintsy ho hita­nao ao ny toerana sahaza anao. Tsy hanan-danja mihitsy ao amin’ ny Fiangonan’Andriamanitra izay mety ho hajanao ara-nofo na eo amin’ izao tontolo izao. Lazoin’ny fanatrehan’Andriamanitra daholo ny zavatra rehetra toy izany, ary aravony izay re­he­tra hambon’olombelona. Fa­ra­ny, tsy afaka manohy mizotra miaraka amin’ny Fian­go­na­na ianao, raha miaina ao anaty fahotana an-tsokosoko. Tsy mety aminao ny fa­na­tre­han’Andriamanitra. Tsy matetika ve isika, tao am-pian­go­na­na, no tsy ma­hazo aina satria mahatsiaro zavatra isan-karazany izay tsy tan­drin­tan­drintsika, nandritra ny herinandro? Eritreri-dratsy, fite­ni­te­nenam-poana, lalana tsy dia ara-panahy loatra na tena tsy ara-pana­hy mihi­tsy: mitambesatra amin’ny saintsika daholo izany rehetra izany, ary ma­navesatra ny fiainam-panahy ao am-piangonana! Avy aiza iza­ny? Satria mampatanjaka kokoa ny rivotra iainantsika ao am-pian­go­na­na noho ny rivotra andavanandro nandritra ny herinandro. Tsy teo ima­son’ Andriamanitra isika teo amin’ny fiainantsika manokana. Tsy nitsara tena isika; ka nony maka ny toerantsika ao amina fiangonana ara-pa­na­­hy isika, dia mihanjahanja ny fontsika, miseho eo amin’ny mazava ny lalana nizorantsika; ary io fanazaran-tena tokony ho natao mano­ka­na io  —fanazaran-tena ilaina mba hitsarana tena—  dia manjary natao eo amin’ny Latabatry ny Tompo. Asa mampalahelo sy tsy misy dikany amintsika izany, nefa manaporofo ny herin’ny fanatrehan’Andriamanitra ao am-piangonana. Dia efa tena ambany dia ambany tokoa ny toetra ara-panahy ao amin’ny Fiangonana, raha toa ka tsy hihanjahanja toy izany ny fo. Fanehoana mazava sy mahatalanjona ny hery ara-panahy misy ao amin’ny Fiangonana ny mahita olona tsy manana fitsipi-pi­ton­dran­tena, tsy mivaky loha, mandeha araka ny nofo, milomano ao amin’ izao tontolo izao, tia voninahitra, tia vola, ka voailika noho ny fa­ha­tsa­pa­na ny fanatrehan’Andriamanitra, ao amin’ny rivotra iainana ao. Tsy ho an’izany olona izany ny Fiangonan’Andriamanitra. Miaina malalaka kokoa izy any ivelany.

Tsy afaka ny tsy hitsara ianao fa maro ireo niala tamin’ny sehatry ny Fiangonana, satria ny làlany, ny fizotrany dia tsy nifanaraka amin’ny fahadiovan’io toerana io. Amin’ny zavatra toy izany, dia mora ny ma­hi­ta fialan-tsiny ao amin’ny toetra asehon’ireo izay nilaozana. Nefa raha avo­hitra ny fototry ny faharatsiana isaky ny miseho izany, dia ho hi­tan­tsika fa maro ny misintaka amin’ny Fiangonana, satria tsy ma­ha­zaka na tsy manaiky hizaka ilay fahazavana mitsikilo ny faharatsiany. ”Ny teny vavolombelonao dia marina indrindra; fahamasinana no mendrika ny tranonao, mandritra ny andro maro, Jehovah ô !” (Salamo 93. 5). Tsy maintsy tsaraina ny faharatsiana, satria tsy azon’Andriamanitra ekena. Raha mandefitra amin’izany ny fiangonana, dia tsy Fian­go­nan’An­dria­ma­ni­tra, na dia kristiana araka ny filazantsika aza no ao. Ny mitonon-tena ho Fiangonan’Andriamanitra, nefa tsy mitsara foto-pinoana diso sy làlan-dratsy, dia faniratsirana milaza hoe afaka miara-monina An­dria­ma­ni­tra sy ny faharatsiana. Tokony hiaro ny fahadiovany ny Fian­go­nan’ An­driamanitra, satria fonenany. Afaka manaiky ny faharatsiana ny olom­belona ka hiantso izany hoe fahalalahan-tsaina sy fahalalaham-po; fa ny tranon’Andriamanitra tsy maintsy mitahiry tena mba hadio. Aoka hilentika ao am-pontsika izany fahamarinana lehibe sy azo ampiharina izany, ka hamokatra fahamasinana eo amin’ny fizotrantsika sy ny toe­tran­tsika.

4- Farany, teny fohy ihany dia ampy, hilazana ny fahefana aha­zoan’ ny Fiangonan’Andriamanitra mivory. Ny tenin’Andriamanitra irery iha­ny. Ny fitsipika fototra mifehy ny Fiangonana dia ny Teny tsy miova mandrakizay, ny Tenin’ilay Andriamanitra velona sy marina. Tsy ny fom­ba nolovaina tamin’ny razana, tsy ny foto-pinoana, tsy ny didin’ny olom­belona. Andinin-tSoratra Masina iray efa niverenantsika matetika tamin’ity lahasoratra ity no misy ny faneva ivorian’ny Fiangonana, sy ny hery mamory azy, ary ny fahefana ahazoany mivory: “Ny Anaran’i Jesoa”, sy “Ny Fanahy Masina”, ary “Ny tenin’Andriamanitra”.

Ireo zavatra telo ireo dia mitovy ihany, ho an’ny olona rehetra. Na ho any Nouvelle-Zélande aho, na ho any Australie, na ho any Canada, na ho any Londra, na ho any Parisy, na ho any Geneva, na ho any Ams­terdam, ny ivo, ny fahefana mampivory sy ny fanapahana dia zavatra iray sy mitovy ihany. Tsy afaka hanaiky ivo hafa noho i Kristy isika; na hery hafa hanangona, ankoatra ny Fanahy Masina; na fa­he­fa­na hafa, ankoatra ny tenin’Andriamanitra; na toetra hafa, ankoatra ny fa­ha­­ma­sinan’ny fiainana sy ny fahadiovan’ny foto-pinoana.

Izany no atao hoe Fiangonan’Andriamanitra, ary tsy afaka hanaiky fiangonana hafa isika. Afaka manaiky sy mitia ary manaja ireo olo-masin’Andriamanitra isika, na aiza na aiza ahitantsika azy ireny; nefa rai­sintsika ho toy ny fanalàm-baraka an’i Kristy ireo rafitra nataon’ olom­belona, ary mamotika ny tena tombontsoan’ny olo-masin’An­dria­ma­nitra. Tena irintsika mafy tokoa ny hahita ny kristiana rehetra ho eo amin’ny sehatra marina misy ny Fiangonana. Mino isika fa ny Fian­go­na­na no toerana misy ny fitahiana marina sy ny fijoroana ho va­vo­lom­be­lo­na ahitam-boka-tsoa. Mino isika fa manana ny toetrany manokana ny fijo­roana ho vavolombelona aseho araka ireo foto-kevitry ny Fian­go­na­na, ary tsy hitovy amin’io toetra io ny ho hita, na dia atao hoe evan­je­lis­ta manan-kery daholo aza no ao amin’ny Fiangonana. Tsy ha­nam­ba­nia­na ny asa fitoriana ny Filazantsara, tsy akory, no ilazanay izany. Aro­­van’Andriamanitra izahay tsy hanao izany. Tianay ho toa an’i White­field da­holo ny olona rehetra. Nefa tsy afaka ny tsy hijery ny zava-misy koa iza­hay, mahita fa maro ireo manao tsinontsinona ny Fiangonana, sa­tria mandeha mitory ny Filazantsara hono izy. Ary rehefa zohina ny làlany, ka dinihina ny vokatra azony, dia hita izy fa tsy manana na ino­na na inona omena ireo fanahy niova fo tamin’ny alalany. Toa tsy hitany izay hanaovana azy ireo. Manala vato amin’ny haram-bato izy, nefa tsy arariny ho lasa trano izany. Ny vokany, dia miparitaka etsy sy eroa ny olona, misy ny mihazakazaka sy miovaova lava, misy ny mi­to­kan­to­ka­na tanteraka, izy rehetra dia tsy mahalala akory izay tena se­ha­tra ma­ri­na misy ny Fiangonana.

Mino nefa izahay fa ireny olona rehetra ireny dia tokony hanana ny toe­rany ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Tokony hanampy isa ny ao amin’ny Fiangonana ireny, mba hiombonany hamaky ny mofo sy hi­va­­vaka. Tokony hivory isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro izy ireny, mba hamaky ny mofo, miandrandra an’i Jesoa Kristy mba haoriny amin’ny alalan’ny tenin’izay olona tian’i Jesoa hanao izany. Io no lalana tsotra, hevitra araka ny tokony ho izy, avy amin’An­dria­ma­ni­tra, mety hitaky finoana bebe kokoa amin’ny fanatanterahana azy, no­ho ny hamaroan’ireo sekta mifanandrina ankehitriny, nefa na izany aza, la­la­na tsotra sady marina raha momba ny fivoriana.

Ampoizinay tsara fa holazaina hoe kiry itaomanay olona hiaraka aminay izany, fitsarana an-tendrony, fisainan’antoko; ary ny hiam­pan­ga toy izany dia ireo izay toa mihevitra fa ny fahavitana miteny hoe “Tsy ana inona na inona aho”, no tena idealy tsara maneho ny fa­ha­la­la­han-tsaina sy fahalalaham-po ao amin’ny kristiana. Fihevitra hafahafa, tsy tokony ho izy, izay azo bangoina amin’ny hoe: olona mitonona ho tsy mino na inona na inona[4], mba hialany amin’izay rehetra mety ho an­draikitra ary hiarahany amin’ny olona rehetra sy amin’ny zavatra rehe­tra. Lala-mora, ho an’ny toetra voa-janahary sy ho an’ny toetra ta hahafinaritra ny hafa, nefa ho hitantsika ny fiafarany amin’ny andron’ny Tom­po. Amin’izao fotoana izao, aloha, dia hitanay ho tena fiodinana amin’i Kristy izany; enga anie ka hanafaka ny olony rehetra amin’izany ny Tompo, noho ny famindràmpony.

Aoka nefa tsy hisy hieritreritra fa mitady ny hampifanohitra ny evan­je­lista sy ny Fiangonana izahay. Lavitra ny sainay tokoa izany. Ny evan­jelista dia tokony hivoaka avy ao amin’ny Fiangonana, ary miom­bo­na tanteraka aminy; ny asany dia ny mitarika ny olona hanodidina an’i Kristy, ary tsy izany ihany, fa mitondra azy ireo eo anivon’ny Fian­go­na­na misy mpiandry nomen’Andriamanitra fahasoavana, afaka hi­ka­ra­kara azy, ary misy mpampianatra nomen’Andriamanitra faha­soa­va­na, afaka hampianatra azy. Tsy te hanapaka ny elatry ny evanjelista veli­vely izahay, sanatria; tianay fotsiny ny hanampy amin’ny hetsika atao­ny.

Malahelo mihitsy izahay mahita hery ara-panahy marina tokoa, aria­na amina fanompoana tsy azo antoka na tsy feno. Marina fa tena zava-dehibe ny mitarika olona ho eo amin’i Kristy. Ny fiombonan’ny fanahy iray amin’i Kristy dia zava-bita ho mandrakizay. Nefa tsy tokony han­go­ni­na sy hokarakaraina ve ny zanak’ondry sy ny ondry? Misy ve olona hianina fotsiny hividy ondry ka hamela azy hirenireny any amin’izay rehetra tiany haleha? Azo antoka fa tsy misy izany. Fa aiza no tokony hanangonana ny ondrin’i Kristy? Ao amin’ireo vala nataon’olom­be­lo­na ve sa ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra? Ao amin’ity farany ity, ary tsy hisy handà an’izany, satria na dia malemy, bantiana, tene­nin-dratsy sy ampijaliana aza ny Fiangonana, dia io ihany, ary azon­tsi­ka antoka izany, no toerana mety ho an’ireo zanak’ondry sy ondry re­he­tra ao amin’ny andian’ondry tarihin’i Kristy.

Eto nefa dia hisy fandraisana andraikitra, fikarakarana, fanahiana, asa, fahamailoana sy vavaka tsy mitsahatra, dia ireo zavatra rehetra tadiavin’ny nofo aman-dra hialana, raha azo atao. Mahafinaritra sy ma­ha­sarika tokoa ny mitety izao tontolo izao amin’ny maha-evanjelista, ny mahita olona an’arivony maro mihaino izay lazainao, ary mahazo fana­hy an-jatony ho tombokasen’ny fanompoanao; nefa inona no hatao amin’ireo fanahy ireo, aorian’izay? Ny tena tokony ho izy, dia aseho amin’izy ireo fa ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra no toerana tokony hisy azy ireo; ka na dia rava sy mitsipaka ny finoana aza ny fiangonana mitonona ho kristiana, izy ireo kosa dia afaka mankafy ny fiombonana am-panahy sy ny fitsaohana ary ny fanompoana. Hitarika fitsapana betsaka sy fanazaran-tena mandreraka izany. Toy izany ny tamin’ny andron’ny Apostoly. Ireo izay tena nikarakara ny andian’on­drin’An­dria­ma­ni­tra dia tena nitomany tokoa, nanandratra vavaka miredareda, tsy natory ny alina. Nefa tamin’izany rehetra izany izy ireo dia nankamamy ny fiombonana tamin’ilay Tompo Mpiandry ondry; ary rehefa ho avy Izy, dia hahazo valisoa izy ireo tamin’ireo ranomaso sy vavaka ary fia­re­tan-tory nataony; amin’izay fotoana izay kosa, ireo mpiandry ondry san­doka izay tsy nalahelo ary tsy nandray ny tehina afa-tsy ny ham­pia­sa­na izany ho toy ny fahasiahana amin’ireo andian’ondry sy ny hita­dia­va­na tombontsoa ho azy manokana, dia hisaron-tava noho ny henatra man­drakizay.

Ho afaka nitsahatra eto isika, raha tsy nisy fanontaniana telo izay mbola tsy maintsy valiana, satria mety ho tonga ao an-tsain’ny mpa­ma­ky.

Voalohany, misy hanontany angamba hoe: “Aiza no mety hahitanay izay antsoinareo hoe Fiangonan’Andriamanitra, hatramin'ny andron'ny Apostoly ka hatramin'ny taonjato fahasivy amby folo? Ary aiza no mety hahitanay azy ankehitriny?" Tsotra ihany ny valinteninay: “Na tamin' iza­ny fotoana izany na amin'izao ankehitriny izao, ny ahitantsika ny Fiangonan'An­dria­ma­ni­tra dia ao amin'ny Testamenta Vaovao ihany. Tsy mampaninona na tsy nahita hirika akory ny amin’izany tena Fiangonan’ An­driamanitra iza­ny aza ry Néander, ry Mosheim, ry Milner, mbamin’ ireo mpikaroka mom­ba ny tantaran’ny fivavahana, nanomboka tamin’ ny fiafaràn’ny fotoa­nan’ny Apostoly ka hatramin’izao taonjato iainan­tsi­ka izao. Angamba nety nisy, tany ho any, tao anatin’ny haizina niki­tro­ka nan­dri­tra ny Vaninandro ante­na­tenany[5], ny “roa na telo” tena nivory “tamin’ny Anaran’i Jesoa”, na fara faharatsiny, nitady mafy ny faha­ma­ri­nan’izany zavatra izany. Fa na inona na inona zava-nisy, tsy mam­pi­o­va an’izany fahamarinana izany. Tsy eo ambonin’ny tantara soratan’ny mpi­ka­ro­ka ara-tantara, tsy akory, no anorenantsika, fa eo ambonin’ny faha­ma­rinana tsy mety diso ambaran’ny Tenin’Andriamanitra; ka na voa­porofo aza fa nandritra ny valonjato sy arivo taona, dia tsy nisy mi­hi­­tsy “roa na telo nivory tamin’ny anaran’i Jesoa”, tsy hahakasika ny zava-misy mihitsy izany, satria ny fanontaniana mipetraka dia tsy hoe: “Inona no lazain’ny tantaran’ny Fiangonana?”, fa ny hoe: “Inona no lazain’ny Soratra Masina?”.

Raha nisy dikany ny foto-kevitra miorina amin’ny tantara, dia tokony ham­piharina koa amin’ilay fanorenana sarobidy, dia ny Fanasàn’ny Tompo izany. Satria inona moa no nahazo io didy io, nandritra ny arivo taona sy mihoatra? Nesorina taminy ny maha-zava-dehibe azy, nofo­no­si­na tao anaty fiteny efa tsy ampiasaina intsony izy, nalevina tao anaty fasa­na mitory finoanoam-poana, mitondra izao soratra izao: “Sorona tsy andatsahan-dra ho an’ny fahotan’ny velona sy ny maty”. Ary na dia tamin’ny andron’ny Reformasiona aza, nony azon’ny Baiboly natao in­dray ny niresaka tamin’ny sain’ny olombelona sy nampiely ilay tena fa­ha­­zavana teo amin’ny fasana nandevenana ny Eokaristia, inona no za­va­tra niseho? Ahoana no fomba ankalazana ny Fanasàn’ny Tompo ao amin’ny Fiangonana loterana? Endriky ny “fisia-miaraka”[6]. Nandà i Lo­te­ra hoe niova ho tena sy ho ran’i Kristy ny mofo sy ny divay; nefa nanantitra izy, ary niady nahery vaika sy tsy azo nohozongozonina mi­hi­tsy tamin’ireo teolojiana soisa noho izany, fa misy fanatrehan’i Kristy izay saro-pantarina, niaraka tamin’ny mofo sy divay.

Ka noho izany, tokony tsy hankalaza ny Fanasàn’ny Tompo eo ani­von­tsika àry ve isika, araka ny baiko voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao? Tokony hanaiky ny sorona atao amin’ny lamesa ve isika, na ny fisia-miaraka, satria ny tena dikan’ny Eokaristia dia toa narian’ireo fian­go­nana mitonona ho kristiana nandritra izay taonjato maro izay? Tsia dia tsia. Inona no tokony hataontsika? Mandray ny Testamenta Vaovao ary mijery izay lazainy, momba io lohahevitra io, manaiky am-pane­tren­tena sy am-panajana ny fahefany, mamelatra ny Latabatry ny Tom­po amin’ny fahatsorana avy amin’Andriamanitra, ary mankalaza ny Fana­sàn’ny Tompo araka ny didy navelan’ny Tompontsika sy Mpam­pia­na­tra antsika, izay nilaza tamin’ny mpianany, ary amintsika koa, noho izany, hoe: “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.”

Fa mbola hisy hanontany koa hoe: “Tsy tena zava-poana indrindra ve ny mikatsaka haneho ny tena hoe Fiangonan’Andriamanitra, ma­no­loa­na ny faharavana tanteraka hita eo amin’ny mitonona azy ho fian­go­na­na? Hamaly izahay ary hanontany hoe: “Raha rava ny Fiangonana, antony tokony tsy hanoavantsika ve izany? Satria ve tsy nahomby izao vaninandron’ny fahasoavana izao, dia tokony hikiribiby hitoetra ao amin’ny fahadisoana isika?" Tsia dia tsia. Ekentsika ny faharavana, mi­sao­na noho izany isika, miaiky izany, mandray ny anjarantsika amin' izany sy ny zava-nentiny mampalahelo, mitady hizotra am-pa­ne­tren­te­na sy tsy misy tabataba eo aminy, sady miaiky fa isika koa dia tena tsy mahatoky sy tena tsy mendrika. Na dia nivaona aza nefa isika, Kristy tsy mba nivaona. Mahatoky Izy, ary tsy handà ny zavatra efa nola­zai­ny. Nampanantena fa hiaraka amin’ny olony, mandra-pahatongan’ny fara­ny. Ny ao amin’ny Matio 18. 20 dia fampanantenana azo antoka anke­hitriny, toy ny tamin’ny valonjato sy arivo taona lasa. “Aoka Andria­manitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga.” Toherinay tanteraka mihitsy ny fisainana hoe miroso mamorona fian­go­na­na ny olombelona, na mihevi-tena ho manan-jo hanokana mpa­nom­po. Hambo ranofotsiny izany, ary tsy misy fahefana avy amin’ny Sora­tra Masina, na kely aza. Asan’Andriamanitra ny mampivory Fiangonana sy manisy mpanompo ao aminy. Tsy anjarantsika ny mamory tena ho fiangonana na ny mametraka olona amim-pomba ofisialy. Marina fa tena be famindràmpo indrindra sy feno fiantrana ny Tompo. Leferiny ny fahalementsika, feheziny ny fahadisoan-kevitra mpahazo antsika, ary ra­ha mahatoky aminy ny fontsika, na dia ao anatin’ny tsy fahalalana aza, dia tsy ho diso ny hitarika antsika ho amina fahazavana bebe kokoa Izy.

Fa tsy tokony hampiasaintsika ny fahasoavan’Andriamanitra, atao ala­olana hanaovana zavatra mifanohitra amin’ny Soratra Masina, ary tsy ny faharavan’ny Fiangonana koa no hataontsika fialan-tsiny hane­ke­na ny fahadisoana. Tokony hiaiky ny faharavana isika, tokony hatoky ny fahasoavana ary handeha am-pankatoavana tsotra ny Tenin’ny Tom­po. Izany no lalana mitondra amin’ny fitahiana, amin’ny vanim-potoa­na rehetra. Ireo sisa tavela tamin’ny andron’i Ezra dia tsy ni­ham­bo ho nanana ny hery sy ny firentirenty tamin’ny andron’i Solomona, ne­fa nanoa ny Tenin’ny Tompon’i Solomona, ka lehibe tokoa ireo fita­hia­na noraisiny, tamin’izany. Tsy niteny izy ireo hoe: “Rava daholo ny zava­tra rehetra, ka noho izany, ny mety ataontsika dia ny mijanona any Babylona, ary tsy manao na inona na inona.” Tsia, niaiky fotsiny ny fahotany sy ny fahotan’ny vahoakany izy ireo, ary niankina tamin’An­dria­manitra. Izany indrindra koa no tokony hataontsika. Tokony hiaiky ny fahalavoana isika, ary hiankina amin’Andriamanitra.

Farany, raha toa izahay anontaniana hoe: “Aiza no misy izany Fiangonan’Andriamanitra izany, ankehitriny?” dia hoy izahay hoe: “Na aiza na aiza misy roa na telo mivory amin’ny Anaran’i Jesoa.” Eo no misy ny Fiangonan’Andriamanitra. Ary aoka homarihina tsara, fa mba hahazoana ireo vokatra araka an’Andriamanitra, dia tokony ho ao amin’ ny toetra araka an’Andriamanitra. Raha manantena ny hahazo izany vokatra izany, nefa tsy manana ny toetra, dia ho fahadisoam-pa­nan­te­na­na fotsiny no azo. Raha tsy mivory marina amin’ny anaran’i Jesoa isika, dia tsy manana zo mihitsy hanantena Azy ho eo afovoantsika. Ary raha tsy eo afovoantsika Izy, dia hampalahelo tokoa ny fivoriantsika. Nefa tombontsoa mahatretrika ho antsika ny mivory mba tena ha­na­tre­ha­ny antsika; ary raha manana Azy isika, dia tsy mila mametraka olon-ko faty mampalahelo iray ho filohantsika. Tompon’ny tranony i Kristy; aoka tsy hisy olon-ko faty hisahy handrombaka ny toerany. Rehefa mi­vo­ry hanao fanompoam-pivavahana ny Fiangonana, dia mitarika azy eo Andriamanitra, ary raha tena ekena tokoa Izy, dia hikoriana tsy misy tabataba, tsy misy sakantsakana ary tsy misy fivilian-dàlana[7] ny fiom­bo­nana sy ny fitsaohana ary ny fampiorenana. Hirindra tanteraka ny zava-drehetra. Fa raha avela hiasa ny nofo, dia hampalahelo sy ha­mo­no ny Fanahy, ary hanimba ny zavatra rehetra. Tsy maintsy tsaraina ny nofo, ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra, toy ny tsy maintsy itsa­ran­tsi­ka azy isan’andro, eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Tokony hotsahivina koa fa tsy mandiso ny fahamarinan’ny Fana­tre­han’An­dria­ma­ni­tra eo amin’ny Fiangonana ny fahadisoana sy ny fahotana ataony, toy ny tsy maha-diso ny hoe fonenan’ny Fanahy Masina ny mpino tsi­rai­ray, araka ny Soratra Masina, na dia nanao fahadisoana aza.

“Ianareo ve izany no vahoakan’Andriamanitra?”, hoy ny sasany, ha­non­tany. Ny fanontaniana mipetraka dia tsy ny hoe: “Isika ve no va­hoa­kan’Andriamanitra?”, fa ny hoe: “Eo amin’ny sehatra tian’An­dria­ma­ni­tra ve isika?”. Raha tsy eo isika, tsaratsara kokoa raha miala fain­ga­na. Na dia be tokoa aza ny fahamaizinana vokatry ny fisafotofotoana, ho sarotra ny handà fa misy sehatra iray araka an’Andriamanitra. Tsy na­velan’Andriamanitra ny vahoakany ho voatery tsy hanan-tsafidy hia­ra­ka amin’ny fahadisoana sy ny faharatsiana. Koa ahoana àry no aha­fan­ta­rantsika fa eo amin’ny sehatra araka an’Andriamanitra isika? Tso­tra ihany: noho ny Tenin’Andriamanitra. Aoka hosedraina an-kitsimpo sy amin’ny saina matotra, ary hampifanatrehana amin’izay lazain’ny So­ra­tra Masina, ny zavatra rehetra ananantsika fifandraisana, ary aoka ha­ve­la eo no ho eo izay tsy mahazaka izany fisedrana izany. Eny, eo no ho eo. Raha toa isika miato kely ka misaina sy mandinika izay mety ho voka­tr’izany, dia ho very lalana eo. Mijanòna aloha, ilaina izany, mba haka toky ny amin’ny sain’ny Tompo; fa fadio kosa ny miady hevitra, rehefa mazava aminao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy hanaovana din­ga­na roa miaraka, tsy akory, no anomezan’Andriamanitra ny faha­za­va­ny. Omeny antsika aloha ny fahazavana, ka rehefa mihetsika araka iza­ny isika, dia omeny antsika indray ny fahazavana bebe kokoa. “Ny là­lan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava man­dra-pitataovovonan’ny andro.” Teny fikasana sarobidy izay mampirisika ny fanahy! Mihamamirapiratra tsikelikely ny fahazavana. Tsy misy fija­no­na­na  —tsy maintsy misy hetsika—, tsy mijanona amin’izay zavatra efa azo. “Mihamazava hatrany izany, mandra-pampandroso antsika ao amin’ny tena fahazavan’ilay andro tanteraka feno voninahitra.

Ry mpamaky, eo amin’izany sehatra avy amin’Andriamanitra izany ve ianao? Raha eny, dia hazòny mafy mihitsy, amin’ny fanahinao ma­non­tolo, izany. Ao amin’izany lalana izany ve ianao? Raha eny, dia miro­soa hatrany, amin’ny herin’ny fanahinao manontolo. Aza mety hio­no­na amin-javatra ambany noho ny fonenan’i Kristy ao anatinao, sy ny fahatsapanao fa akaiky Azy ianao. Aza avela hanala ny anjaranao i Sa­tà­na, amin’ny fitazonany anao ao anatin’izay tsinontsinona fa anarana ihany. Aza avela haka fanahy anao i Satàna, ka hoheverinao ho tena ny maha-izy anao ny toetra hita misy anao. Katsaho lalandava ny fiom­bo­na­na lalina, ny vavaka mangina, ny fitsaran-tena tsy an-kijanona. In­drin­dra indrindra, mitandrema ianao sao lasa miavonavona am-panahy. Tadiavo ny fanetrentena, ny fahamoram-po, ny fanahy torotoro, ny toe-panahy malina, amin’ny fandehanao manokana. Tadiavo izay ham­pi­arahana ny hatsarana faran’izay malefaka, amin’ny hafa, sy ny herim-pon’ny liona, rehefa mikasika ny fahamarinana. Dia ho heni-pitahiana ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra ianao, ary ho va­vo­lom­be­lona ma­hom­by manambara ny maha-ampy tanteraka ny Anaran’i Jesoa.



[1] Tsy hita ao amin’ny Soratra Masina mihitsy ny hevitra hoe isana fiangonana iray, na fikambanana iray. Izay mpino marina dia isan’ny Fiangonan’Andriamanitra  —izay tenan’i Kristy—, ary noho izany izy dia tsy afaka ny ho isana zavatra hafa, toy ny tsy mampety ny tanako ho isana tena hafa.

Ny sehatra tokana sy marina ahazoan’ny mpino mivory, dia voalaza amin’izao fanambaràna lehibe izao: “Iray ny tena, ary iray ny Fanahy”. Ary koa: “Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika, na dia maro aza” (Efesiana 4. 4; 1 Korintiana 10. 17). Raha manambara Andriamanitra fa “iray ihany ny tena”, dia mifanohitra amin’ny eritreriny ny fisian’ny tena, na sekta na anaram-piangonana maro­maro.

Na dia marina aza, nefa, fa tsy izay mpino voafaritra ny isany, any amina toerana voafaritra, no azo antsoina hoe “tenan’i Kristy”, na “Fiangonan’Andriamanitra”, dia tokony hivory mifototra amin’io Tena io sy io Fiangonana io izy ireo, fa tsy hitady fanorenana hafa. Tsipihinay manokana amin’ny mpa­ma­ky io foto-kevitra io, izay mitoetra hatrany, na inona na inona vaninandro, na aiza na aiza toerana, ary na inona na inona zava-miseho. Tsy mahakasika an’io foto-kevitra io ny faharavan’ny mi­to­nona ho Fiangonana, amin’izao fotoana izao. Marina nanomboka tamin’ny andron’ny Pen­te­kos­ta, marina amin’izao fotoana izao, ary mbola ho marina mandra-pampiakatra ny Fiangonana hitsena ny Lohany sy Tompony eny amin’ny habakabaka, ny fanambaràna hoe: “Iray ny Tena.” Ny mpino re­he­tra dia isan’io Tena io; ary io no fototra tokony hivoriany, fa tsy fototra hafa, na inona na inona.

[2] antsoina amin’ny teny frantsay hoe “moyen âge” (anelanelan’ny taona 476 sy 1453)

[3] Tokony hanamarika ny mpamaky fa ao amin’ny Matio 16 no misy ny fanambaràna voalohany in­drin­dra ny amin’ny Fiangonana, ary eo ny Tompo dia milaza izany toy ny zavatra mbola ho avy. Hoy Izy: “Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako.” Tsy milaza Izy hoe: “naoriko”, na “aoriko”. Tsy nio­rina ny Fiangonana, talohan’ny nitsanganan’i Kristy Tompontsika tamin’ny maty sy nanandratana Azy ho eo an-tànan-kavanan’Andriamanitra. Tamin’izay fotoana izay vao nirahina ny Fanahy Ma­si­na, mba hanao batisa ny mpino, na Jiosy, na jentilisa, ho vatana iray, sy hampiray azy amin’ilay Loha, Izay efa natsangana tamin’ny maty sy nasandratra ho any an-danitra. Io vatana io dia etỳ am­bo­nin’ny tany, hatramin’ny nidinan’ny Fanahy Masina; mbola etỳ an-tany izy, ary ho etỳ an-tany am­ba­ra-piavin’i Kristy haka azy ho eo anilany. Zavatra tena tokana tanteraka izany. Tsy hita ao amin’ny Testamenta Taloha. Lazain’i Paoly mazava fa tsy naseho tamin’ireo olona taloha; nafenina tao amin’ Andriamanitra, ary tsy naseho mihitsy io zava-miafina io ambara-pa­nan­ki­na­na azy tamin’i Paoly apos­toly (jereo tsara ny Romana16. 25-26; Efesiana 3. 3-11; Kolosiana 1. 24-27). Marina  —ary soa indrindra fa marina—  fa nanana vahoaka Andriamanitra, tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Tsy ny firenen’ny Israely ihany, fa vahoaka ara-panahy, voavonjy ary no­me­na aina vaovao, izay niaina tamin’ny finoana, tonga tany an-danitra ary lasa “fanahin’ny olona marina izay efa natao tanteraka”. Mbola tsy notenenina kosa ny Fiangonana, talohan’ny Matio 16; ary na teo aza, dia mbola toy ny zavatra mbola ho avy ihany. Ny teny nampiasain’i Stefana kosa, hoe “fian­go­na­na tany an’efitra” (Asan’ny Apostoly 7. 38), dia eken’ny be sy ny maro fa manondro ny fiangonan’ny Israely. Ny fiandohana sy ny fiafaràn’ny fisian’ny Fiangonana etỳ an-tany dia ny Pentekosta (Asan’ny Apostoly 2) sy ny fampiakarana (1 Tesaloniana 4. 16-17).

[4] Fihevitr’ireo olona tia ny tsy ho ana inona na inona

[5] antsoina amin’ny teny frantsay hoe “moyen âge” (anelanelan’ny taona 476 sy 1453)

[6] Ny maha-Andriamanitra an’i Kristy miaraka amin’ny mofo sy divay. Fanamarihan’ny mpandika

 

[7] Tsy maintsy tsahivina fa misy tena maha-samy hafa tanteraka ny fotoana ivorian’ny fiangonana hanaovana fitsaohana, sy ireo fanompoana samihafa ataon’ny rahalahy. Amin’ireto farany ireto, ny evanjelista na ny mpampianatra  —ny mpitoriteny na izay mampianatra—  dia manompo araka ny fahaizany avy, ary tompon’antoka eo anatrehan’ny Tompony. Tsy maninona na ao amin’ny toerana mahazatra ivorian’ny fiangonana izy ireny no atao, na any an-toeran-kafa. Mety hanatrika eo na tsia ny olona isan’ny Fiangonana, arakaraka ny fahavononany. Nefa rehefa mivory ho amin’ny ftsaohana ny Fiangonana, ka misy olona maka toerana hafa ankoatra ny maha-rahalahy azy, na dia manana fanomezam-pahasoavana be tokoa aza izy, dia mamono ny Fanahy izany.