Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
Épître de JACQUES Jakoba
   
Accès direct aux chapitres de Jacques : 1, 2, 3, 4, 5 Accès direct aux chapitres de Jacques : 1, 2, 3, 4, 5
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Jacques, esclave de Dieu et du Seigneur Jésus Christ, aux douze tribus qui sont dans la dispersion*, salut ! 1 [Ny amin'ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra] Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana.
— v. 1 : voir note à Jean 7:35.  
2 Estimez-le comme une parfaite* joie, mes frères, quand vous serez en butte à diverses tentations, 2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy* samy hafa ianareo, [* Na: fizahan-toetra]
3 sachant que l’épreuve de votre foi produit la patience. 3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
4 Mais que la patience ait son œuvre parfaite, afin que vous soyez parfaits et accomplis, ne manquant de rien. 4 Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
5 Et si quelqu’un de vous manque de sagesse, qu’il demande à Dieu qui donne à tous libéralement et qui ne fait pas de reproches, et il lui sera donné ; 5 Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena*, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. [* Na: kely fahendrena]
6 mais qu’il demande avec foi, ne doutant nullement ; car celui qui doute est semblable au flot de la mer, agité par le vent et jeté çà et là ; 6 Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
7 or* que cet homme-là ne pense pas qu’il recevra quoi que ce soit du Seigneur : 7 Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:
8 il est un homme incertain dans ses pensées, inconstant dans toutes ses voies. 8 olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.
— v. 2 : litt.: toute. — v. 7 : litt.: car.  
9 Or que le frère de basse condition se glorifie dans son élévation, 9 Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
10 et le riche dans son abaissement, car il passera comme la fleur de l’herbe. 10 fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.
11 Car le soleil s’est levé avec sa brûlante chaleur et a séché l’herbe, et sa fleur est tombée, et la grâce de sa forme a péri : ainsi aussi le riche se flétrira dans ses voies. 11 Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany.
12 Bienheureux est l’homme qui endure la tentation ; car, quand il aura été manifesté fidèle par l’épreuve, il recevra la couronne de vie, qu’Il a promise à ceux qui l’aiment. 12 Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
   
13 Que nul, quand il est tenté, ne dise : Je suis tenté par Dieu ; — car Dieu ne peut être tenté par le mal, et lui ne tente personne. 13 Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
14 Mais chacun est tenté, étant attiré et amorcé par sa propre convoitise ; 14 fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.
15 puis la convoitise, ayant conçu, enfante le péché ; et le péché, étant consommé*, produit** la mort. 15 Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
— v. 15* : c. à d. : accompli, commis. — v. 15** : litt.: engendre.  
16 Ne vous égarez pas, mes frères bien-aimés : 16 Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
17 tout ce qui nous est donné de bon et tout don parfait descendent d’en haut, du Père des lumières, en qui il n’y a pas de variation ou d’ombre de changement*. 17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.
18 De sa propre volonté, il nous a engendrés par la parole de la vérité, pour que nous soyons une sorte de prémices de ses créatures. 18 Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
— v. 17 : comparer Ésaïe 37:16 ; 41:4 ; 43:10 etc.  
19 Ainsi*, mes frères bien-aimés, que tout homme soit prompt à écouter, lent à parler, lent à la colère ; 19 Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
20 car la colère de l’homme n’accomplit pas* la justice de Dieu. 20 fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.
21 C’est pourquoi, rejetant toute saleté et tout débordement de malice, recevez avec douceur la parole implantée, qui a la puissance de sauver vos âmes. 21 Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
22 Mais mettez la parole en pratique, et ne l’écoutez pas seulement, vous séduisant vous-mêmes. 22 Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
23 Car si quelqu’un écoute la parole et ne la met pas en pratique, il est semblable à un homme qui considère sa face naturelle dans un miroir ; 23 Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy;
24 car il s’est considéré lui-même et s’en est allé, et aussitôt il a oublié quel il était. 24 fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.
25 Mais celui qui aura regardé de près dans la loi parfaite, celle de la liberté, et qui aura persévéré, n’étant pas un auditeur oublieux, mais un faiseur d’œuvre, celui-là sera bienheureux dans son faire. 25 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.
26 Si quelqu’un pense* être religieux et qu’il ne tienne pas sa langue en bride, mais séduise son cœur, le service religieux de cet homme est vain. 26 Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.
27 Le service religieux pur et sans tache devant Dieu le Père*, est celui-ci : de visiter les orphelins et les veuves dans leur affliction, de se conserver pur du monde. 27 Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
— v. 19 : d’autres lisent : Sachez-le. — v. 20 : ou : n’opère pas. — v. 26 : ou : paraît. — v. 27 : litt.: Dieu et Père.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Mes frères, n’ayez pas la foi de notre seigneur Jésus Christ, [seigneur] de gloire, en faisant acception de personnes*. 1 [Ny tsy mahamety ny fizahan-tavan'olona] Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny voninahitra.
2 Car s’il entre dans votre synagogue un homme portant une bague d’or, en vêtements éclatants, et qu’il entre aussi un pauvre en vêtements sales, 2 Fa raha misy olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,
3 et que vous regardiez vers celui qui porte les vêtements éclatants, et que vous disiez : Toi, assieds-toi ici à ton aise ; et que vous disiez au pauvre : Toi, tiens-toi là debout ; ou : Assieds-toi ici au bas de mon marchepied ; 3 koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,-
4 n’avez-vous pas fait une distinction en vous-mêmes*, et n’êtes-vous pas devenus des juges ayant de mauvaises pensées ? 4 moa tsy miangatra* va ianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy? [* Na: miahanahana]
5 Écoutez, mes frères bien-aimés : Dieu n’a-t-il pas choisi les pauvres quant au monde, riches en foi et héritiers du royaume qu’il a promis à ceux qui l’aiment ? 5 Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
6 Mais vous, vous avez méprisé le pauvre. Les riches ne vous oppriment-ils pas, et ne sont-ce pas eux qui vous tirent devant les tribunaux ? 6 Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?
7 Ne sont-ce pas eux qui blasphèment le beau nom qui a été invoqué sur vous ? 7 Tsy izy koa va no miteny ratsy* ny anarana tsara izay niantsoana anareo? [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]
8 Si en effet vous accomplissez la loi royale, selon* l’écriture : «Tu aimeras ton prochain comme toi-même» [Lévitique 19:18], vous faites bien ; 8 Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra* ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo. [* Gr. andriana]
9 mais si vous faites acception de personnes, vous commettez le péché, et vous êtes convaincus par la loi comme transgresseurs. 9 Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota.
10 Car quiconque gardera toute la loi et faillira en un seul point, est coupable sur tous. 10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra.
11 Car celui qui a dit : «Tu ne commettras pas adultère», a dit aussi : «Tu ne tueras pas»*. Or si tu ne commets pas adultère, mais que tu tues, tu es devenu transgresseur de [la] loi. 11 Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.
12 Ainsi parlez, et ainsi agissez comme devant être jugés par la loi de la liberté ; 12 Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana.
13 car le jugement est sans miséricorde pour celui qui n’a pas usé de miséricorde. La miséricorde se glorifie vis-à-vis du* jugement. 13 Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.
— v. 1 : c. à d. : que votre foi … soit exempte de considération de personnes. — v. 4 : ou : entre vous. — v. 8 : ou : la loi royale selon. — v. 11 : voir Exode 20:13-14. — v. 13 : ou : ne se préoccupe pas du.  
14 Mes frères, quel profit y a-t-il si quelqu’un dit qu’il a la foi, et qu’il n’ait pas d’œuvres ? La foi peut-elle le sauver ? 14 [Ny fahafoanan'ny finoana tsy misy asa] Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
15 Et si un frère ou une sœur sont nus et manquent de leur nourriture de tous les jours, 15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro,
16 et que quelqu’un d’entre vous leur dise : Allez en paix, chauffez-vous et rassasiez-vous, — et que vous ne leur donniez pas les choses nécessaires pour le corps, quel profit y a-t-il ? 16 ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany?
17 De même aussi la foi, si elle n’a pas d’œuvres, est morte par elle-même. 17 Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.
18 Mais quelqu’un dira : Tu as la foi, et moi j’ai des œuvres. Montre-moi ta foi sans œuvres, et moi, par* mes œuvres, je te montrerai ma foi. 18 Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.
19 Tu crois que Dieu est un ; tu fais bien : les démons aussi croient, et ils frissonnent. 19 Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.
20 Mais veux-tu savoir, ô homme vain, que la foi sans les œuvres est morte* ? 20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
21 Abraham, notre père, n’a-t-il pas été justifié par des œuvres, ayant offert son fils Isaac sur l’autel ? 21 Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara?
22 Tu vois que la foi agissait avec ses œuvres ; et par les œuvres la foi fut rendue parfaite. 22 Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa;
23 Et l’écriture a été accomplie qui dit : «Et Abraham crut Dieu, et cela lui fut compté à justice» [Genèse 15:6] ; et il a été appelé ami de Dieu. 23 ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8).
24 Vous voyez qu’un homme est justifié par les œuvres et non par la foi seulement. 24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.
25 Et pareillement Rahab aussi, la prostituée, n’a-t-elle pas été justifiée par les œuvres, ayant reçu les messagers et les ayant mis dehors par un autre chemin ?* 25 Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa?
26 Car comme le corps sans esprit est mort, ainsi aussi la foi sans les œuvres est morte. 26 Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.
— v. 18 : ou : sur le principe de, ici, et vers. 21-25. — v. 20 : d’autres lisent : vaine ou incomplète. — v. 25 : Josué 2 et 6:22-23.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Ne soyez pas beaucoup de docteurs*, mes frères, sachant que nous en recevrons un jugement plus sévère ; 1 [Anatra ny amin'izay mety hataon'ny mpampianatra, indrindra fa ny tsy hanotany amin'ny lelany, ary ny toetry ny fahendrena avy any ambony] Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
2 car nous faillissons tous à plusieurs égards*. Si quelqu’un ne faillit pas en paroles, celui-là est un homme parfait, capable de tenir aussi tout le corps en bride. 2 Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
3 Voici, nous mettons les mors des chevaux dans leurs bouches, pour qu’ils nous obéissent, et nous dirigeons çà et là leur corps tout entier. 3 Ary raha asiantsika lamboridy amin'ny vavan'ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.
4 Voici, les navires aussi, qui sont si grands et qui sont poussés par des vents violents, sont dirigés çà et là par un très-petit gouvernail, où que ce soit que le veuille l’impulsion de celui qui les gouverne. 4 Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia ahodin'ny familiana kely foana izy ho any amin'izay tian'ny mpitondra.
5 Ainsi aussi la langue est un petit membre et elle se vante de grandes choses. Voici, un petit feu, quelle grande forêt* allume-t-il ! 5 Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon'ny antontan-kazo* arehitry ny afo kely! [* Na: ala]
6 Et la langue est un feu. La langue, un monde d’iniquité*, est établie parmi nos membres ; c’est elle qui souille tout le corps, et enflamme tout le cours de la nature, et est enflammée par la géhenne**. 6 Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo* izy; [* Gr. Gehena]
7 Car toute espèce de bêtes sauvages et d’oiseaux, de reptiles et d’animaux marins, se dompte et a été domptée par l’espèce humaine ; 7 Fa folaka avokoa ny karazan*'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; [* Gr. fomban']
8 mais pour la langue, aucun des hommes ne peut la dompter : c’est un mal désordonné, plein d’un venin mortel. 8 fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
9 Par elle nous bénissons le Seigneur et Père, et par elle nous maudissons les hommes faits à la ressemblance de Dieu ; 9 Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik'Andriamanitra.
10 de la même bouche procède la bénédiction et la malédiction. Mes frères, il ne devrait pas en être ainsi. 10 Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
11 Une fontaine fait-elle jaillir par une même ouverture le doux et l’amer ? 11 Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany?
12 Mes frères, un figuier peut-il produire des olives, ou une vigne, des figues ? De l’eau salée ne peut pas non plus faire de l’eau douce. 12 Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan'oliva, na ny voaloboka mamoa voan'aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan'ny mamy.
— v. 1 : docteur, celui qui enseigne. — v. 2 : ou : souvent. — v. 5 : ou : combien de bois. — v. 6* : ailleurs aussi : injustice. — v. 6** : lieu des tourments infernaux ; comparer l’étang de feu (Apocalypse 20:10, 14).  
13 Qui est sage et intelligent parmi vous ? Que par une bonne conduite il montre ses œuvres avec la douceur de la sagesse. 13 Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.
14 Mais si vous avez une jalousie amère et un esprit de querelle dans vos cœurs, ne vous glorifiez pas et ne mentez pas contre la vérité*. 14 Fa raha misy fialonana mirehitra* sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. [* Gr. mangidy]
15 Ce n’est pas là la sagesse qui descend d’en haut, mais [une sagesse] terrestre, animale, diabolique. 15 Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia.
16 Car où il y a de la jalousie et un esprit de querelle, là il y a du désordre et toute espèce de mauvaises actions. 16 Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
17 Mais la sagesse d’en haut est premièrement pure, ensuite paisible, modérée, traitable, pleine de miséricorde et de bons fruits, sans partialité*, sans hypocrisie. 17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana* na mihatsaravelatsihy. [* Na: miangatra]
18 Or le fruit de la justice, dans la paix, se sème pour ceux qui procurent la paix. 18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana*. [* Na: Izay mampandroso ny fihavanana no mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana]
— v. 14 : contre la vérité se lie à glorifiez, comme à mentez. — v. 17 : ou : pas contentieuse.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 D’où viennent les guerres, et d’où les batailles parmi vous ? N’est-ce pas de cela, de vos voluptés qui combattent dans vos membres ? 1 [Fananarana ny tia ady sy ny mpisintaka sy ny manendrikendrika ary ny tsy manaiky ny fitondran'Andriamanitra] Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo?
2 Vous convoitez, et vous n’avez pas ; vous tuez et vous avez d’ardents désirs, et vous ne pouvez obtenir ; vous contestez et vous faites la guerre ; vous n’avez pas, parce que vous ne demandez pas ; 2 Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra* ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. [*Na: mialona]
3 vous demandez, et vous ne recevez pas, parce que vous demandez mal, afin de le dépenser pour vos voluptés. 3 Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.
4 Adultères*, ne savez-vous pas que l’amitié du monde est inimitié contre Dieu ? Quiconque donc voudra être ami du monde, se constitue ennemi de Dieu. 4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.
5 Ou pensez-vous que l’écriture parle en vain ? L’Esprit qui demeure en nous, désire-t-il avec envie ? 5 Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina*? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika** dia iriny amin'ny fahasaro-piaro***. [* Na: ny Soratra Masina hoe] [** Na: izay mitoetra ato anatintsika] [*** Na: Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fahasaro-piaro; na: Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fialonana]
6 Mais il donne une plus grande grâce. C’est pourquoi il dit : «Dieu résiste aux orgueilleux, mais il donne [la] grâce aux humbles» [Proverbes 3:34]. 6 Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34].
7 Soumettez-vous donc à Dieu. *Résistez au diable, et il s’enfuira de vous. 7 Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
8 Approchez-vous de Dieu, et il s’approchera de vous. Nettoyez vos mains, pécheurs, et purifiez vos cœurs, vous qui êtes doubles de cœur*. 8 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
9 Sentez vos misères, et menez deuil et pleurez. Que votre rire se change en deuil, et votre joie en tristesse. 9 Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.
10 Humiliez-vous devant le *Seigneur, et il vous élèvera. 10 Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
— v. 4 : infidèles à Dieu (le mot est au féminin) ; comparer les nombreux passages des prophètes où l’Éternel stigmatise, sous cette comparaison, l’infidélité de son peuple (Ézéchiel 16 et 23, Osée 1 et 2 etc.). — v. 7 : plusieurs ajoutent : Mais. — v. 8 : vous à l’âme double.  
11 Ne parlez pas l’un contre l’autre, frères. Celui qui parle contre son frère ou qui juge son frère, parle contre la loi et juge la loi. Or si tu juges la loi, tu n’es pas un observateur de la loi, mais un juge. 11 Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara.
12 Un seul est législateur et juge, celui qui peut* sauver et détruire ; mais toi, qui es-tu qui juges ton prochain ? 12 Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?
— v. 12 : ou : juge qui peut.  
13 À vous maintenant, qui dites : Aujourd’hui ou demain nous irons dans telle ou telle ville, et nous y passerons une année, et nous trafiquerons et nous gagnerons, 13 He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,
14 vous qui ne savez pas ce [qui arrivera] le jour de demain ; (car qu’est-ce que votre vie ? car elle n’est qu’une vapeur paraissant pour un peu de temps et puis disparaissant ;) 14 kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona.
15 au lieu de dire : Si le Seigneur le veut et si nous vivons, nous ferons aussi ceci ou cela. 15 Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.
16 Mais maintenant vous vous glorifiez dans vos vanteries. Toute jactance* pareille est mauvaise. 16 Fa izao dia mirehareha amin'ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
17 Pour celui donc qui sait faire le bien et qui ne le fait pas, pour lui c’est pécher*. 17 Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
— v. 16 : ou : vanterie. — v. 17 : litt.: péché.  
Chapitre 5 Chapitre 5
1 À vous maintenant, riches ! Pleurez en poussant des cris, à cause des misères qui vont venir sur vous. 1 [Fanamelohana ny mpanankarena ratsy fanahy] He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
2 Vos richesses sont pourries et vos vêtements sont rongés par les vers ; 2 Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao.
3 votre or et votre argent sont rouillés, et leur rouille sera en témoignage contre vous et dévorera votre chair comme le feu : vous avez amassé un trésor dans les derniers jours. 3 Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin'ny andro farany ianareo.
4 Voici, le salaire des ouvriers qui ont moissonné vos champs et duquel ils ont été frustrés par vous, crie, et les cris de ceux qui ont moissonné sont parvenus aux oreilles du *Seigneur Sabaoth*. 4 Indro, ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro.
5 Vous avez vécu dans les délices sur la terre, et vous vous êtes livrés aux voluptés ; vous avez rassasié vos cœurs [comme] en un jour de sacrifice ; 5 Efa velona tamin'ny fy tetỳ ambonin'ny tany ianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana ianareo.
6 vous avez condamné, vous avez mis à mort le juste : il ne vous résiste pas. 6 Efa nanameloka namono ny marina* ianareo; fa tsy manohitra anareo izy. [* Na. Ilay marina . . . Izy]
— v. 4 : c. à d. : de l’Éternel (Jéhovah) des armées.  
7 Usez donc de patience*, frères, jusqu’à la venue du Seigneur. Voici, le laboureur attend le fruit précieux de la terre, prenant patience* à son égard, jusqu’à ce qu’il reçoive les pluies de la première et de la dernière saison. 7 [Toky ho an'ny Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
8 Vous aussi, usez de patience* ; affermissez vos cœurs, car la venue du Seigneur est proche. 8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.
9 Ne murmurez* pas les uns contre les autres, frères, afin que vous ne soyez pas jugés : voici, le juge se tient devant la porte. 9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana.
10 Mes frères, prenez pour exemple de souffrance* et de patience** les prophètes qui ont parlé au nom du *Seigneur. 10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
11 Voici, nous disons bienheureux ceux qui endurent [l’épreuve avec patience]. Vous avez ouï parler de la patience de Job, et vous avez vu la fin du *Seigneur, [savoir] que le *Seigneur est plein de compassion et miséricordieux. 11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
— v. 7, 8, 10** : patience, ailleurs : constance, longanimité, comme en Hébreux 6:12. — v. 9 : litt.: gémissez. — v. 10* : ou : mauvais traitement.  
12 Mais avant toutes choses, mes frères, ne jurez pas, ni par le ciel, ni par la terre, ni par aucun autre serment ; mais que votre oui soit oui, et votre non, non, afin que vous ne tombiez pas sous le jugement. 12 Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.
   
13 Quelqu’un parmi vous est-il maltraité, qu’il prie. Quelqu’un est-il joyeux, qu’il chante des cantiques. 13 Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
14 Quelqu’un parmi vous est-il malade, qu’il appelle les anciens de l’assemblée, et qu’ils prient pour lui en l’oignant d’huile au nom du Seigneur ; 14 Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon*'ny fiangonana**; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [* Gr. presbytera] [** Gr. eklesia]
15 et la prière de la foi sauvera le malade, et le Seigneur le relèvera ; et s’il a commis des péchés, il lui sera pardonné. 15 ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
16 Confessez donc vos fautes* l’un à l’autre, et priez l’un pour l’autre, en sorte que vous soyez guéris : la fervente** supplication du juste peut beaucoup. 16 Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
17 Élie était un homme ayant les mêmes passions que nous*, et il pria avec instance** qu’il ne plût pas, et il ne tomba pas de pluie sur la terre durant trois ans et six mois ; 17 Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
18 et il pria de nouveau, et le ciel donna de la pluie, et la terre produisit son fruit*. 18 Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
— v. 16* : plusieurs lisent : péchés. — v. 16** : ou : opérante. — v. 17* : ou : des passions semblables aux nôtres. — v. 17** : litt.: avec prière. — v. 18 : voir 1 Rois 17:1 ; 18:41-45.  
19 Mes frères, si quelqu’un parmi vous s’égare de la vérité, et que quelqu’un le ramène, 19 Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,
20 qu’il sache que celui qui aura ramené un pécheur de l’égarement de son chemin, sauvera une âme de la mort et couvrira une multitude de péchés. 20 aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.