SOPHONIE Zefania
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 La parole de l’Éternel qui vint à Sophonie, fils de Cushi, fils de Guedalia, fils d’Amaria, fils d’Ézéchias, dans les jours de Josias, fils d’Amon, roi de Juda. * 1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Zefania, zanak'i Kosy, zanak'i Gedalia, zanak'i Amaria, zanak'i Hezekia, tamin'ny andro nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda.
— v. 1 : date : A.C. 630-620, environ.  
2 J’ôterai, j’enlèverai tout de dessus la face de la terre, dit l’Éternel. 2 [Ny hamaliana ny firenena rehetra noho ny ratsy nataony, indrindra fa ny Joda] Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin'ny tany, hoy Jehovah;
3 Je détruirai les hommes et les bêtes, je détruirai les oiseaux des cieux et les poissons de la mer, et les pierres d’achoppement avec les méchants, et je retrancherai l’homme de dessus la face de la terre, dit l’Éternel. 3 Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin'ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.
4 Et j’étendrai ma main sur Juda et sur tous les habitants de Jérusalem ; et je retrancherai de ce lieu le reste de Baal et le nom des Camarim* avec les sacrificateurs ; 4 Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,
5 et ceux qui se prosternent sur les toits devant l’armée des cieux, et ceux qui se prosternent devant l’Éternel, qui jurent par [lui] et qui jurent par leur roi* ; 5 Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin'izay eny amin'ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama*, [*Na: ny mpanjakany]
6 et ceux qui se détournent de* l’Éternel, et ceux qui ne cherchent pas l’Éternel et ne s’enquièrent pas de lui. 6 Ary izay nihemotra niala tamin'i Jehovah, Sy izay tsy nitady an'i Jehovah na nanontany taminy.
— v. 4 : voir 2 Rois 23:5. — v. 5 : ou : Malcam ; comparer Jér. 49:1, 3. — v. 6 : litt.: d’après.  
7 Fais silence, devant le Seigneur, l’Éternel ! car le jour de l’Éternel est proche ; car l’Éternel a préparé un sacrifice, il a sanctifié ses conviés. 7 Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
8 Et il arrivera, au jour du sacrifice de l’Éternel, que je punirai les princes et les fils du roi, et tous ceux qui se vêtent de vêtements étrangers. 8 Ary raha mby amin'ny andro hamonoan'i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak'andriana Mbamin'izay rehetra mitafy ny fitafin'ny firenena hafa.
9 Et je punirai, en ce jour-là, tous ceux qui sautent par-dessus le seuil, ceux qui remplissent la maison de leur seigneur* de violence et de fraude. 9 Ary amin'izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon'ny tompony.
10 Et il y aura, en ce jour-là, dit l’Éternel, le bruit d’un cri [venant] de la porte des poissons, et un hurlement [venant] du second [quartier de la ville], et un grand fracas [venant] des collines. 10 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin'ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin'ny havoana.
11 Hurlez, habitants de Mactesh*, car tout le peuple de Canaan** sera détruit, tous ceux qui sont chargés d’argent seront exterminés. 11 Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy*; Fa ringana avokoa ny mpandranto** rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. [*Maktesy = Laona] [**Na: vahoakan'i Kanana]
12 Et il arrivera, en ce temps-là, que je fouillerai Jérusalem avec des lampes ; et je punirai les hommes qui reposent sur leurs lies, — qui disent dans leur cœur : L’Éternel ne fera ni bien ni mal. 12 Ary amin'izany andro izany dia hotsiloviko amin'ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin'ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
13 Et leurs biens deviendront une proie, et leurs maisons, une désolation, et ils bâtiront des maisons et ne les habiteront pas, et ils planteront des vignes et n’en boiront pas le vin. 13 Ka dia ho tonga babo ny fananan'ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
— v. 9 : ou : de leurs maîtres. — v. 11* : mortier : — nom du quartier bas de Jérusalem. — v. 11** : ou : de marchands.  
14 Le grand jour de l’Éternel est proche ; il est proche et se hâte beaucoup. La voix du jour de l’Éternel : l’homme vaillant poussera là des cris amers. 14 Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
15 Ce jour est un jour de fureur, un jour de détresse et d’angoisse, un jour de dévastation et de ruine, un jour de ténèbres et d’obscurité, un jour de nuées et d’épaisses ténèbres, 15 Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
16 un jour de trompette et de retentissement contre les villes fortifiées et contre les créneaux élevés. 16 Andro fahaveloman'ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin'ny zorony.
17 Et je ferai venir la détresse sur les hommes, et ils marcheront comme des aveugles ; car ils ont péché contre l’Éternel ; et leur sang sera répandu comme de la poussière, et leur chair comme de la fiente ; 17 Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.
18 leur argent ni leur or ne pourra les délivrer au jour de la fureur de l’Éternel ; et par le feu de sa jalousie tout le pays sera dévoré, car il consumera, oui, il détruira subitement tous les habitants du pays. 18 Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka* tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. [*Na: mahatsiravina]
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Assemblez-vous, rassemblez-vous, nation sans honte, 1 [Anatra ho fampibebahana ny olona, dieny mbola tsy mihatra ny loza]Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra*, [*Na: tsy manina]
2 avant que le décret enfante, [avant que] le jour passe comme la balle, avant que vienne sur vous l’ardeur de la colère de l’Éternel, avant que vienne sur vous le jour de la colère de l’Éternel. 2 Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
3 Cherchez l’Éternel, vous, tous les débonnaires du pays, qui pratiquez ce qui est juste à ses yeux* ; recherchez la justice, recherchez la débonnaireté ; peut-être serez-vous à couvert au jour de la colère de l’Éternel. 3 Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.
4 Car Gaza sera abandonnée, et Askalon sera une désolation ; Asdod, on la chassera en plein midi, et Ékron sera déracinée. 4 Fa hafoy Gaza, Ary ho lao Askelona; Horoahiny mitataovovonana Asdoda, Ary hofongorana Ekrona.
5 Malheur à ceux qui habitent les côtes de la mer, la nation des Keréthiens*: la parole de l’Éternel est contre vous, Canaan, pays des Philistins ! et je te détruirai, de sorte qu’il n’y aura pas d’habitant. 5 Lozan'ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen'ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin'i Jehovah, Ry Kanana, tanin'ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,
6 Et les côtes de la mer seront des excavations pour* les bergers, et des enclos pour le menu bétail. 6 Ary ny any amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay misy zohy fialofan*'ny mpiandry ondry, Sy ho valan'ondry aman'osy, [*Na: trano-bongon']
7 Et les côtes seront pour le résidu de la maison de Juda : ils y paîtront ; le soir, ils se coucheront dans les maisons d’Askalon ; car l’Éternel, leur Dieu, les visitera, et rétablira leurs captifs*. 7 Ary ho tanin'ny sisa amin'ny taranak'i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny tranon'i Askelona no handriany amin'ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no hamangy azy Ka hampody azy avy amin'ny fahababoany.
— v. 3 : litt.: son [juste] jugement. — v. 5 : voir Ézéchiel 25:16. — v. 6 : quelques-uns : des prairies, des citernes pour. — v. 7 : voir Amos 9:14.  
8 J’ai entendu l’outrage de Moab et les insultes des fils d’Ammon, par lesquels ils ont outragé mon peuple et se sont élevés orgueilleusement contre leur frontière. 8 Efa reko ny fandatsan'i Moaba Sy ny fanaratsian'ny taranak'i Amona, Izay nandatsany ny oloko Sy nireharehany teny amin'ny sisin-taniny.
9 C’est pourquoi, je suis vivant, dit l’Éternel des armées, le Dieu d’Israël, que Moab sera comme Sodome, et les fils d’Ammon comme Gomorrhe, un lieu couvert d’orties, et des carrières de sel, et une désolation, à toujours. Le résidu de mon peuple les pillera, et le reste de ma nation les héritera. 9 Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an'i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak'i Amona ho tahaka an'i Gomora, Dia ho alan'amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin'ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin'ny oloko no hahalasa azy.
10 Voilà ce qu’ils auront pour leur orgueil, car ils ont outragé le peuple de l’Éternel des armées et se sont exaltés contre lui. 10 Izany no ho valin'ny avonavony, Satria nandatsa ny olon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy nirehareha taminy izy.
11 L’Éternel sera terrible contre eux, car il affamera* tous les dieux de la terre, et toutes les îles des nations se prosterneront devant lui, chacun du lieu où il est. 11 Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin'ny tany Izy, Mba hiankohofan'ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan'i Jehovah, Samy any amin'ny fitoerany avy.
— v. 11 : quelques-uns : anéantira.  
12 Vous aussi, Éthiopiens, vous aussi, vous serez tués par mon épée ! 12 Hianareo Etiopiana koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo*. [*Heb. izy]
   
13 Et il étendra sa main vers le nord, et il détruira l’Assyrie, et il changera Ninive en désolation, en un lieu aride comme un désert. 13 Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an'i Asyria; Ary hahalao an'i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.
14 Et les troupeaux se coucheront au milieu d’elle, toutes les bêtes, en foule ; le pélican aussi, et le butor, passeront la nuit sur ses chapiteaux ; il y aura la voix [des oiseaux] qui chantent aux fenêtres, la désolation sera sur le seuil ; car il a mis à nu les [lambris] de cèdre. 14 Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian'ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin'ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
15 C’est là cette ville qui s’égayait, qui habitait en sécurité, qui disait en son cœur : Moi, et à part moi, nulle autre ! Comment est-elle devenue une désolation, un gîte pour les bêtes ? Quiconque passera à côté d’elle sifflera, [et] secouera sa main. 15 Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian'ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Malheur à la rebelle, à la corrompue, à la ville qui opprime ! 1 Lozan'ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory!
2 Elle n’écoute pas la voix, elle ne reçoit pas l’instruction, elle ne se confie pas en l’Éternel, elle ne s’approche pas de son Dieu. 2 Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.
3 Ses princes au milieu d’elle sont des lions rugissants ; ses juges, des loups du soir : ils ne laissent rien jusqu’au matin. 3 Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia* hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela** ho tra-maraina. [*Lopa] [**Na: tsy mamela taolana]
4 Ses prophètes sont des vantards, des hommes perfides ; ses sacrificateurs profanent le lieu saint, ils font violence à la loi. 4 Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.
5 L’Éternel juste est au milieu d’elle ; il ne commet pas l’iniquité ; chaque matin il met en lumière son juste jugement ; il ne fait pas défaut ; mais l’inique ne connaît pas la honte. 5 Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.
6 J’ai retranché des nations, leurs créneaux sont dévastés ; j’ai rendu désolées leurs rues, de sorte que personne n’y passe ; leurs villes sont ravagées, de sorte qu’il n’y a plus d’homme, point d’habitant. 6 Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.
7 J’ai dit : Crains-moi seulement, reçois l’instruction ; et sa demeure ne sera pas retranchée, quelle que soit la punition que je lui inflige. Mais ils se sont levés de bonne heure [et] ont corrompu toutes leurs actions. 7 Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao*, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao**; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.[*Heb. fonenany] [*Heb. azy]
   
8 C’est pourquoi, attendez-moi, dit l’Éternel, pour le jour où je me lèverai pour le butin. Car ma détermination* c’est de rassembler les nations, de réunir les royaumes pour verser sur eux mon indignation, toute l’ardeur de ma colère ; car toute la terre sera dévorée par le feu de ma jalousie. 8 Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.
9 Car alors, je changerai la [langue] des peuples en une langue* purifiée, pour qu’ils invoquent tous le nom de l’Éternel pour le servir d’un seul cœur**. 9 [Ny amin'ny hibebahan'ny jentilisa, sy ny hanomezam-boninahitra ny Isiraely] Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina*. [*Heb. soroka iray]
10 D’au delà des fleuves de l’Éthiopie*, mes suppliants, la fille de mes dispersés, apporteront mon offrande. 10 Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy*. [*Na: hitondran'ny mpivavaka amiko ... ny fanatitra ho ahy]
11 En ce jour-là, tu ne seras pas honteuse à cause de toutes tes actions par lesquelles tu t’es rebellée contre moi ; car alors, j’ôterai du milieu de toi ceux qui s’égaient en ton orgueil, et tu ne seras plus hautaine à cause de ma montagne sainte. 11 Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao.
12 Et je laisserai au milieu de toi un peuple affligé et abaissé, et ils se confieront au nom de l’Éternel. 12 Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran'i Jehovah no hialofany,
13 Le résidu d’Israël ne pratiquera pas l’iniquité, et ne dira pas de mensonge, et une langue trompeuse ne se trouvera pas dans leur bouche ; car ils paîtront et se coucheront, et il n’y aura personne qui les effraye. 13 Ny sisa amin'ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
— v. 8 : litt.: mon jugement. — v. 9* : litt.: lèvre. — v. 9** : litt.: d’une même épaule. — v. 10 : hébreu : Cush.  
14 Exulte, fille de Sion ; pousse des cris, Israël ! Réjouis-toi et égaye-toi de tout ton cœur, fille de Jérusalem ! 14 Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.
15 L’Éternel a éloigné tes jugements, il a écarté ton ennemi. Le roi d’Israël, l’Éternel, est au milieu de toi : tu ne verras plus le mal. 15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.
16 En ce jour-là, il sera dit à Jérusalem : Ne crains pas ! Sion, que tes mains ne soient pas lâches ! 16 Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona.
17 L’Éternel, ton Dieu, au milieu de toi, est puissant ; il sauvera ; il se réjouira avec joie à ton sujet : il se reposera dans son amour, il s’égayera en toi avec chant de triomphe. 17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana* amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [*Heb. hangina]
18 Je rassemblerai ceux qui se lamentent à cause* des assemblées solennelles ; ils étaient de toi ; sur eux pesait l’opprobre. 18 Hangoniko izay manina* ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy**. [*Na: efa lavitra] [**Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny]
19 Voici, en ce temps-là, j’agirai à l’égard de tous ceux qui t’affligent, et je sauverai celle* qui boitait, et je recueillerai celle* qui était chassée, et je ferai d’elles une louange et un nom dans tous les pays où elles étaient couvertes de honte. 19 Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra*. [*Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra]
20 En ce temps-là, je vous amènerai, dans ce même temps où je vous rassemblerai, car je ferai de vous un nom et une louange parmi tous les peuples de la terre, quand je rétablirai vos captifs*, devant vos yeux, dit l’Éternel. 20 Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.
— v. 18 : ou : étant privés. — v. 19 : c. à d. la brebis. — v. 20 : comme 2:7 ; Amos 9:14.