NAHUM Nahoma
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 L’oracle touchant Ninive ; livre de la vision de Nahum, l’Elkoshite.* 1 [Ny handravana an'i Ninive noho ny fandozany] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Ninive, dia ny bokin'ny fahitan'i Nahoma Elkosita.
— v. 1 : date : A.C. 730, environ (?).  
2 C’est un *Dieu jaloux et vengeur que l’Éternel ; l’Éternel est vengeur et plein de furie ; l’Éternel tire vengeance de ses adversaires et garde sa colère contre ses ennemis. 2 Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
   
3 L’Éternel est lent à la colère et grand en puissance, et il ne tiendra nullement [le coupable] pour innocent. L’Éternel, — son chemin est dans le tourbillon et dans la tempête, et la nue est la poussière de ses pieds. 3 Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin'ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan'i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
4 Il tance la mer et la dessèche, et fait tarir toutes les rivières. Basan et le Carmel languissent, et la fleur du Liban languit. 4 Miteny mafy ny ranomasina izy ka mahatankina azy Ary mandritra ny ony rehetra; Malazo Basana sy Karmela. Ary malazo koa ny vonin'i Libanona.
5 Les montagnes tremblent devant lui, et les collines se fondent ; et devant sa face la terre se soulève, et le monde et tous ceux qui y habitent. 5 Mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
6 Qui tiendra devant son indignation, et qui subsistera devant l’ardeur de sa colère ? Sa fureur est versée comme le feu, et devant lui les rochers sont brisés. 6 Iza no mahatoetra eo anoloan'ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
   
7 L’Éternel est bon, un lieu fort au jour de la détresse, et il connaît ceux qui se confient en lui ; 7 Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana,Ka mahalala izay mialoka aminy.
8 mais, par une inondation débordante, il détruira entièrement* son lieu**, et les ténèbres poursuivront ses ennemis. 8 Fa amin'ny riaka manafotra no anafoanany ny fitoerany, Ary ny fahavalony dia henjehiny ho any amin'ny* maizina.[Na: henjehin'ny; na henjehiny amin'ny]
9 Qu’imaginez-vous contre l’Éternel ? Il détruira entièrement ; la détresse ne se lèvera pas deux fois. 9 Inona no heverinareo ho enti-manohitra an*'i Jehovah ? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.[Na: ahoana no hevitrareo ny amin'i]
10 Quand même ils sont comme des ronces entrelacées, et comme ivres de leur vin, ils seront dévorés comme du chaume sec, entièrement. 10 Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton'ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina* izy.[Na: dia ho levona toy ny vodivary karankaina]
11 De toi* est sorti celui qui imagine du mal contre l’Éternel, un conseiller de Bélial**. 11 Avy tao aminao no nivoahan'ny anankiray izay misain-dratsy ho enti-manohitra an'i Jehovah Sady mamoron-kevi-dratsy.
12 Ainsi dit l’Éternel : Qu’ils soient intacts, et ainsi nombreux, ils seront retranchés et ne seront plus. Et si je t’ai affligé*, je ne t’affligerai plus. 12 Izao no lazain'i Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany izy ka ho levona Fa efa nampahory anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.
13 Et maintenant je briserai son joug de dessus toi, et je romprai tes liens. 13 Fa ankehitriny hotapahiko ny ziogany ho afaka aminao, Ary hotosako ny famatorana anao.
14 Et l’Éternel a commandé à ton* égard : on ne sèmera plus [de semence] de ton nom. De la maison de ton dieu je retrancherai l’image taillée et l’image de fonte, je préparerai ton sépulcre, car tu es vil. 14 Ary Jehovah efa nandidy ny aminao hoe: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; Hataoko tapaka tsy ho ao an-tranon'ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina; Hanao ny fasana ho anjaranao Aho, satria hita fa latsa-danja ianao.
— v. 8* : voir la note à Jér. 4:27. — v. 8**, 11* : de Ninive. — v. 11** : ou : de méchanceté. — v. 12 : c. à d. : toi, Juda. — v. 14 : l’Assyrien, la puissance assyrienne et ses idoles. *
15 Voici sur les montagnes les pieds de celui qui apporte de bonnes nouvelles, de celui qui annonce la paix ! Juda, célèbre tes fêtes, acquitte tes vœux ; car le méchant* ne passera plus par toi, il est entièrement retranché.  
— v. 15 : hébreu : Bélial.  
* Chapitre 2
Chapitre 2 1 Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra.
1 Celui qui brise est monté contre toi*: garde la forteresse, surveille le chemin, fortifie tes reins, affermis beaucoup ta puissance. 2 Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!
2 Car l’Éternel a ramené la gloire de* Jacob comme la gloire d’Israël** ; car ceux qui dépouillent les ont dépouillés et ont gâté leurs sarments. 3 Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr*'i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr*'Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.[*Na: miverina ho amin'ilay reharehany][**Na: toy ny amin'ny reharehany]
3 Le bouclier de ses* hommes forts est teint en rouge, les hommes vaillants sont vêtus d’écarlate, l’acier fait étinceler les chars, au jour où il se prépare, et les [lances de] cyprès sont brandies. 4 Nomenaina ny ampingan'ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.
4 Les chars s’élancent avec furie dans les rues, ils se précipitent sur les places ; leur apparence est comme des torches, ils courent comme des éclairs. — 5 Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
5 Il* pense à ses vaillants hommes : ils trébuchent dans leur marche, ils se hâtent vers la muraille, et l’abri** est préparé. 6 Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin'ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.
6 Les portes des fleuves sont ouvertes, et le palais s’effondre. 7 Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka* ny lapa.[Heb: miempo]
7 C’est arrêté : elle* sera mise à nu, elle sera emmenée, et ses servantes gémiront comme la voix des colombes, en se frappant la poitrine. 8 Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia* lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.[Na: Hozaba dia nampitanjahina ka]
— v. 1 : litt.: ta face. — v. 2* : quelques-uns : est retourné à la gloire de. — v. 2** : ou : a détourné l’orgueil de Jacob comme l’orgueil d’Israël. — v. 3 : c. à d. de l’Éternel (qui les envoie). — v. 5* : l’Assyrien, «le méchant» (1:15), ou «le roi» (3:18). — v. 5** : l’abri pour la défense des assiégés. — v. 7 : Ninive.  
8 Or, dès le jour où elle exista, Ninive a été comme une mare d’eau. Mais ils fuient… Arrêtez ! Arrêtez ! Mais personne ne se retourne. 9 Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
9 Pillez l’argent, pillez l’or ! Il n’y a pas de fin au splendide arroi de toute sorte d’objets d’agrément. 10 Mamaboa volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan'ny fanaka mahafinaritra rehetra.
10 [Elle est] vidée, et dépouillée, et dévastée ! Et le cœur se fond, et les genoux sont tremblants, et une poignante douleur est dans tous les reins, et tous les visages pâlissent. 11 Indrisy! foana, eny, foana sady lao! Kivy ny fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny valahany rehetra, Mivaloarika ny tarehiny rehetra.
   
11 Où est le repaire des lions, et le lieu où se repaissaient les lionceaux, où se promenaient le lion, la lionne, [et] le petit du lion, sans que personne les effrayât ? 12 Aiza ilay lavaky ny liona sy firemben'ny liona tanora ? Ilay nandehanan'ny liona sy ny liom-bavy mbamin'ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,
12 Le lion déchirait suffisamment pour ses petits, et étranglait pour ses lionnes, et remplissait de proie ses antres, et de bêtes déchirées ses repaires. 13 Dia ilay liona namotipotika izay ampy ho an'ny zanany Ary nanenda ho an'ny liombaviny Sady nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany.
13 Voici, j’en veux à toi, dit l’Éternel des armées ; et je réduirai tes* chars en fumée ; et l’épée dévorera tes lionceaux, et je retrancherai de la terre ta proie ; et la voix de tes messagers ne s’entendra plus. 14 Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao* Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin'ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.[Heb; kalesiny]
— v. 13 : litt.: brûlerai ses.  
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Malheur à la ville de sang, toute pleine de fausseté [et] de violence ! la rapine ne la quitte pas. 1 Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.
2 Bruit du fouet et fracas des roues, et galop des chevaux, et chars qui bondissent ; … 2 Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon'ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!
3 le cavalier qui s’élance, et la flamme de l’épée, et l’éclair de la lance, et une multitude de tués, et des monceaux de corps morts, et des cadavres sans fin ! on trébuche sur les cadavres ! 3 He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan'ny voatrabaka sy ny hamaroan'ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan'ny faty ny olona,
4 À cause de la multitude des prostitutions de la prostituée attrayante, enchanteresse, qui vend les nations par ses prostitutions, et les familles par ses enchantements, 4 Noho ny habiazan'ny fijangajangan'ikala janga tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin'ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny fankatovany.
5 voici, j’en veux à toi, dit l’Éternel des armées, et je relèverai les pans de ta robe sur ton visage, et je montrerai aux nations ta nudité, et aux royaumes ta honte. 5 Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.
6 Et je jetterai sur toi des ordures, et je t’avilirai, et je te donnerai en spectacle. 6 Dia hotsipazako loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao.
7 Et il arrivera que tous ceux qui te verront fuiront loin de toi, et diront : Ninive est dévastée ! Qui la plaindra ? D’où te chercherai-je des consolateurs ? 7 Arv izay rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao ?
   
8 Es-tu meilleure que No-Amon*, qui habitait sur les canaux**, des eaux autour d’elle, — elle qui avait la mer pour rempart, la mer pour sa muraille ? 8 Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be* no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;[Heb. ranomasina]
9 L’Éthiopie* était sa force, et l’Égypte, et il n’y avait pas de fin ; Puth et les Libyens étaient parmi ceux qui l’aidaient**. 9 Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy*.[Heb. anao]
10 Elle aussi fut emmenée et s’en alla en captivité ; ses petits enfants aussi furent écrasés aux coins de toutes les rues ; on jeta le sort sur ses hommes honorables, et tous ses grands furent liés de chaînes. — 10 Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.
11 Toi* aussi, tu seras enivrée ; tu seras cachée* ; toi aussi, tu chercheras un lieu fort devant l’ennemi. 11 Hianao koa ho mamo ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao.
12 Toutes tes forteresses sont [comme] des figuiers avec leurs premières figues ; si on les secoue, elles tombent dans la bouche de celui qui les mange. 12 Ny manda mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina izy, dia hihintsana ao am-bavan'izay hihinana aza.
13 Voici, ton peuple au dedans de toi est [comme] des femmes ; les portes de ton pays sont grandes ouvertes à tes ennemis, le feu dévore tes barres. 13 Indro, vehivavy no olonao ao aminao; Hidiran'ny fahavalonao no hidananan'ny vavahadin'ny taninao; Levon'ny afo ny hidinao.
14 Puise de l’eau pour le siège, fortifie tes lieux forts, entre dans la glaise et foule l’argile, répare le four à briques. 14 Manangona rano ho anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
15 Là, le feu te dévorera, l’épée te détruira ; elle te dévorera comme l’yélek*. Multiplie-toi comme l’yélek, multiplie-toi comme la sauterelle. 15 Any no handevonan'ny afo anao Sy handripahan'ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan'ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala.
16 Tu as augmenté le nombre de tes marchands plus que les étoiles des cieux ; l’yélek se répand, puis s’envole. 16 Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin'ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka* ny valalavao ka lasa manidina.[Na: mandevona]
17 Tes hommes d’élite sont comme les sauterelles, et tes capitaines sont comme une nuée de gobs* qui campent dans les haies au frais du jour ; le soleil se lève, ils s’envolent, et on ne connaît pas le lieu où ils sont. 17 Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao* dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.[Na: mpanoratrao]
18 Tes pasteurs dorment, roi d’Assyrie ! tes vaillants hommes sont couchés là, ton peuple est dispersé sur les montagnes, et personne ne les rassemble. 18 Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy.
19 Il n’y a pas de soulagement à ta blessure ; ta plaie est très-maligne ; tous ceux qui entendent parler de toi battent des mains sur toi ; car sur qui ta méchanceté n’a-t-elle pas continuellement passé ? 19 Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?
— v. 8* : c. à d. le dieu Amon de No (Thèbes, en Égypte). — v. 8** : voir la note à Exode 7:19. — v. 9* : hébreu : Cush. — v. 9** : litt.: t’aidaient. — v. 11*: Ninive. — v. 11** : ou : tu te cacheras. — v. 15, 17 : espèce de sauterelle.