Le PRÉDICATEUR  
   
connu sous le nom de  
   
L’ECCLÉSIASTE Mpitoriteny
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Les paroles du Prédicateur, fils de David, roi à Jérusalem. 1 [Fitarihan-teny milaza ny maha-zava-poana ny zavatra rehetra] Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
   
2 Vanité des vanités, dit le Prédicateur ; vanité des vanités ! Tout est vanité. 2 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
   
3 Quel profit a l’homme de tout son labeur dont il se tourmente sous le soleil ? 3 Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin'ny masoandro?
   
4 Une génération s’en va, et une génération vient ; et la terre subsiste toujours. 4 Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
5 Et le soleil se lève, et le soleil se couche, et il se hâte vers son lieu où il se lève, 5 Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany.
6 Le vent va vers le midi, et il tourne vers le nord ; il tourne et retourne ; et le vent revient sur ses circuits. 6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
7 Toutes les rivières vont vers la mer, et la mer n’est pas remplie ; au lieu où les rivières allaient, là elles vont de nouveau. 7 Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.
8 Toutes choses travaillent, l’homme ne peut le dire ; l’œil ne se rassasie pas de voir, et l’oreille ne se satisfait pas d’entendre. 8 Maivana* ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza**; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.[*Heb. Feno fahasasarana][**Na: Feno fahasasarana ny zavatra rehetra ka tsy hain'ny olona lazaina]
9 Ce qui a été, c’est ce qui sera ; et ce qui a été fait, c’est ce qui se fera ; et il n’y a rien de nouveau sous le soleil. 9 Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin'ny masoandro.
10 Y a-t-il une chose dont on puisse dire : Regarde ceci, c’est nouveau ? — Elle a été déjà, dans les siècles qui furent avant nous. 10 Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany.
11 Il n’y a pas de souvenir des choses qui ont précédé ; et de même, de celles qui seront après, il n’y en aura pas de souvenir chez ceux qui vivront* plus tard. 11 Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.
— v. 11 : litt.: seront.  
12 Moi, le prédicateur, j’ai été roi sur Israël à Jérusalem, 12 [Ny tsy ahitana fahafaham-po, na dia amin'ny fitadiavam-pahendrena aza] Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema;
13 et j’ai appliqué mon cœur à rechercher et à explorer par la sagesse tout ce qui se fait sous les cieux : c’est une occupation ingrate que Dieu a donnée aux fils des hommes afin qu’ils s’y fatiguent. 13 ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omen'Andriamanitra hisasaran'ny zanak'olombelona izany.
14 J’ai vu tous les travaux qui se font sous le soleil ; et voici, tout est vanité et poursuite du vent*. 14 Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra* foana izany rehetra izany.[Na: Homan-drivotra]
15 Ce qui est tordu ne peut être redressé, et ce qui manque ne peut être compté. 15 Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina*.[Na: ny tsi-fahampiana dia tsy tambo isaina]
— v. 14 : ou : se repaître de vent, ou, selon quelques-uns : rongement d’esprit.  
16 J’ai parlé en mon cœur, disant : Voici, je suis devenu grand et j’ai acquis de la sagesse plus que tous ceux qui ont été avant moi sur Jérusalem, et mon cœur a vu beaucoup de sagesse et de connaissance ; 16 Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
17 et j’ai appliqué mon cœur à la connaissance de la sagesse et à la connaissance des choses déraisonnables et de la folie. J’ai connu que cela aussi, c’est la poursuite du vent. 17 Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra* foana koa izany,[Na: Homan-drivotra]
18 Car à beaucoup de sagesse, beaucoup de chagrin ; et qui augmente la connaissance, augmente la douleur. 18 satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.
Chapitre 2 Chapitre 2
1 J’ai dit en mon cœur : Allons ! je t’éprouverai par la joie : jouis* donc du bien-être. Et voici, cela aussi est vanité. 1 [Ny maha-zava-poana ny fahafinaretana sy ny voninahitra momba izao fiainana izao, na dia omban'ny fahendrena aza] Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
2 J’ai dit au rire : [Tu es] déraison ; et à la joie : Que fait-elle ? 2 Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
3 J’ai recherché* en mon cœur de traiter ma chair avec du vin, tout en conduisant mon cœur par la sagesse, et de saisir la folie, jusqu’à ce que je visse quel serait, pour les fils des hommes, ce bien qu’ils feraient sous les cieux tous les** jours de leur vie. 3 Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.
— v. 1 : litt.: vois, ici et verset 24, etc. — v. 3* : ailleurs aussi : exploré. — v. 3** : litt.: le nombre des, ici et 5:18 ; 6:12.  
4 J’ai fait de grandes choses : je me suis bâti des maisons, je me suis planté des vignes ; 4 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
5 je me suis fait des jardins et des parcs, et j’y ai planté des arbres à fruit de toute espèce ; 5 nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
6 je me suis fait des réservoirs d’eau pour en arroser la forêt où poussent les arbres*. 6 nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;
7 J’ai acquis des serviteurs et des servantes, et j’en ai eu qui sont nés dans ma maison ; j’ai eu aussi des troupeaux de gros et de menu bétail, en grand nombre, plus que tous ceux qui ont été avant moi à Jérusalem. 7 nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
8 Je me suis aussi amassé de l’argent et de l’or, et les trésors des rois et des provinces ; je me suis procuré des chanteurs et des chanteuses, et les délices des fils des hommes, une femme et des concubines. 8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka*. [Na: fahafinaretan'ny zanak'olombelona be dia be]
9 Et je suis devenu grand et je me suis accru plus que tous ceux qui ont été avant moi à Jérusalem ; et pourtant ma sagesse est demeurée avec moi. 9 Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.
10 Et quoi que mes yeux aient désiré, je ne les en ai point privés ; je n’ai refusé à mon cœur aucune joie, car mon cœur s’est réjoui de tout mon travail, et c’est là la part que j’ai eue de tout mon travail. 10 Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra.
11 Et je me suis tourné vers toutes les œuvres que mes mains avaient faites, et vers tout le travail dont je m’étais travaillé pour [les] faire ; et voici, tout était vanité et poursuite du vent, et il n’y en avait aucun profit sous le soleil. 11 Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra* foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin'ny masoandro.[Na: Homan-drivotra]
— v. 6 : litt.: qui pousse en arbres.  
12 Et je me suis tourné pour voir la sagesse, et les choses déraisonnables et la folie ; car que fera l’homme qui viendra après le roi ? — ce qui a été déjà fait. 12 [Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny fahadalana, ary ny mahatsara ny fiononana, na dia hita aza fa misy zavatra maro itovian'ny hendry sy ny adala] Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon'ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany.
13 Et j’ai vu que la sagesse a un avantage sur la folie, comme la lumière a un avantage sur les ténèbres. 13 Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara* noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran**'ny mazava noho ny maizina.[*Heb. mihoatra][**Heb. fihoaran']
14 Le sage a ses yeux à sa tête, et le fou* marche dans les ténèbres ; mais j’ai connu, moi aussi, qu’un même sort les atteint tous. 14 Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
15 Et j’ai dit en mon cœur : Le sort du fou* m’atteint, moi aussi ; et pourquoi alors ai-je été si sage ? Et j’ai dit en mon cœur que cela aussi est vanité. 15 Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin'ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
16 Car jamais on ne se souviendra du sage, non plus que du fou*, puisque déjà dans les jours qui viennent tout est oublié. Et comment le sage meurt-il comme le fou* ? 16 Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
17 Et j’ai haï la vie, parce que l’œuvre qui se fait sous le soleil m’a été à charge, car tout est vanité et poursuite du vent. 17 Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra* foana izy rehetra.[Na: Homan-drivotra]
18 Et j’ai haï tout le travail auquel j’ai travaillé sous le soleil, parce que je dois le laisser à l’homme qui sera après moi. 18 Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro, fa havelako ho an'ny olona izay handimby ahy izany,
19 Et qui sait s’il sera un sage ou un sot* ? Et il sera maître de tout mon travail auquel j’ai travaillé et dans lequel j’ai été sage sous le soleil. Cela aussi est vanité. 19 ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon'izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin'ny fahendreko tatỳ ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany.
— v. 14, 15, 16 : ailleurs : sot. — v. 19 : comme 10:3.  
20 Alors je me suis mis* à faire désespérer mon cœur à l’égard de tout le travail dont je me suis travaillé sous le soleil. 20 Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin'ny fahakiviana ny amin'ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro.
21 Car il y a tel homme qui a travaillé avec sagesse, et avec connaissance, et avec droiture*, et qui laisse [ce qu’il a acquis] à un homme qui n’y a pas travaillé, pour être son partage. Cela aussi est vanité et un grand mal. 21 Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
— v. 20 : litt.: tourné. — v. 21 : ou : habileté.  
22 Car qu’est-ce que l’homme a de tout son travail, et de la poursuite de son cœur, dont il s’est tourmenté sous le soleil ? 22 Fa inona no azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra sy amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin'ny masoandro?
23 Car tous ses jours sont douleur, et son occupation est chagrin ; même la nuit son cœur ne repose pas. Cela aussi est vanité. 23 Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
   
24 Il n’y a rien de bon pour l’homme que de manger et de boire, et de faire jouir son âme du bien-être dans son travail. Et j’ai vu que cela aussi vient de la main de Dieu. 24 Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra* [Na: Tsy misy tsara amin'ny olona. Ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenanay amin'ny fisasaranay dia hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra koa]
25 Car qui peut manger, et qui peut jouir plus que moi ? 25 (fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).
26 Car à l’homme qui est bon devant lui, [Dieu] donne sagesse et connaissance et joie ; mais à celui qui pèche, il donne l’occupation de rassembler et d’amasser, pour donner à celui qui est bon devant Dieu. Cela aussi est vanité et poursuite du vent. 26 Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Il y a une saison pour tout, et il y a un temps pour toute affaire sous les cieux. 1 [Ny filaharan'ny zavatra samy amin'ny fotoany avy, sy ny mbola hitsaran'Andriamanitra ny ratsy fanahy, ary ny anton'ny nanaovana ny olombelona ho faty toy ny biby] Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra:
2 Il y a un temps de naître, et un temps de mourir ; un temps de planter, et un temps d’arracher ce qui est planté ; 2 Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;
3 un temps de tuer, et un temps de guérir ; un temps de démolir, et un temps de bâtir ; 3 Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
4 un temps de pleurer, et un temps de rire ; un temps de se lamenter, et un temps de sauter de joie ; 4 Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
5 un temps de jeter des pierres, et un temps d’amasser des pierres ; un temps d’embrasser, et un temps de s’éloigner des embrassements ; 5 Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
6 un temps de chercher, et un temps de perdre ; un temps de garder, et un temps de jeter ; 6 Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
7 un temps de déchirer, et un temps de coudre ; un temps de se taire, et un temps de parler ; 7 Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
8 un temps d’aimer, et un temps de haïr ; un temps de guerre, et un temps de paix. 8 Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
   
9 Celui qui agit, quel profit a-t-il de ce à quoi il travaille* ? 9 Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany?
10 J’ai vu l’occupation que Dieu a donnée aux fils des hommes pour s’y fatiguer : 10 Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany.
11 il a fait toute chose belle en son temps ; et il a mis le monde dans leur cœur, de sorte que l’homme ne peut comprendre*, depuis le commencement jusqu’à la fin, l’œuvre que Dieu a faite. 11 Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay* dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.[na: izao tontolo izao]
— v. 9 : ou : du [labeur] dont il se tourmente ? — v. 11 : litt.: trouver.  
12 J’ai connu qu’il n’y a rien de bon pour eux, sauf de se réjouir et de se faire du bien pendant leur vie ; 12 Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara*, raha mbola velona koa izy.[Na: mahazo soa]
13 et aussi que tout homme mange et boive, et qu’il jouisse* du bien-être dans tout son travail : cela, c’est un don de Dieu. 13 Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
14 J’ai connu que tout ce que Dieu fait subsiste à toujours ; il n’y a rien à y ajouter, ni rien à en retrancher ; et Dieu le fait, afin que, devant lui, on craigne. 14 Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
15 Ce qui est a déjà été, et ce qui est à venir est déjà arrivé, et Dieu ramène ce qui est passé*. 15 Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa*. [Heb. voaroaka]
— v. 13 : litt.: voie. — v. 15 : litt.: recherche ce qui est chassé.  
16 Et j’ai encore vu sous le soleil que, dans le lieu du jugement, là il y avait la méchanceté, et que, dans le lieu de la justice, là il y avait la méchanceté. 16 Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
17 J’ai dit en mon cœur : Dieu jugera le juste et le méchant ; car il y a là un temps* pour toute affaire et pour toute œuvre. 17 Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
— v. 17 : plusieurs lisent : car il a assigné un temps.  
18 J’ai dit en mon cœur : Quant aux fils des hommes [il en est ainsi], pour que Dieu les éprouve, et qu’ils voient eux-mêmes qu’ils ne sont que des bêtes. 18 Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra* azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra]
19 Car ce qui arrive aux fils des hommes est aussi ce qui arrive aux bêtes ; il y a pour tous un même sort : comme celle-ci meurt, ainsi meurt celui-là ; et ils ont tous un même souffle*, et l’homme n’a point d’avantage sur la bête, car tout est vanité. 19 Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby*, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan'izy rehetra; ary tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.[Na: Fa izay manjo ny zanak'olombelona dia manjo ny biby koa]
20 Tout va dans un même lieu, tout est de poussière, et tout retourne à la poussière. 20 Izy rehetra samy mankamin'ny fitoerana iray: avy tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin'ny* vovoka indray izy rehetra.[Na: hody]
21 Qui est-ce qui connaît l’esprit* des fils des hommes ? Celui-ci monte-t-il en haut, et l’esprit* de la bête descend-il en bas dans la terre ? 21 Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia*? [Na: Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona izay miakatra any ambony, na ny fanahin'ny biby izay midina amin'ny tany?]
22 Et j’ai vu qu’il n’y a rien de mieux [que ceci] : que l’homme se réjouisse dans ce qu’il fait, car c’est là sa part ; car qui l’amènera pour voir ce qui sera après lui ? 22 Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?
— v. 19, 21 : souffle et esprit sont un même mot en hébreu.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et je me suis tourné, et j’ai regardé toutes les oppressions qui se font sous le soleil ; et voici les larmes des opprimés, et il n’y a point pour eux de consolateur ! Et la force est dans la main de leurs oppresseurs, et il n’y a point pour eux de consolateur ! 1 [Ny manjo ny olona noho ny fampahorian'ny sasany azy, sy ny lolom-po, sy ny fitoerany irery ary ny ataon'ny mpitondra azy] Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro; ary indro ny ranomason'ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon'ny tanan'ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
2 C’est pourquoi j’estime heureux les morts qui sont déjà morts, plutôt que les vivants qui sont encore vivants, 2 Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,
3 et plus heureux encore que tous les deux celui qui n’a pas encore été, qui n’a pas vu le mauvais travail qui se fait sous le soleil. 3 nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin'ny masoandro akory.
   
4 Et j’ai vu tout le labeur et toute l’habileté dans le travail : que c’est une jalousie de l’un contre l’autre. Cela aussi est vanité et poursuite du vent. 4 Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
   
5 Le sot se croise les mains, et mange sa propre chair. 5 Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
   
6 Mieux vaut le creux de la main rempli, et le repos, que les deux mains pleines, avec le travail et la poursuite du vent. 6 Tsara ny eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana* sady misambo-drivotra** foana.[*Na: Tsara ny fiadanana eran-tànan'ila noho ny fisasarana,][**Na: Homan-drivotra]
   
7 Et je me tournai, et je vis la vanité sous le soleil : 7 Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin'ny masoandro:
8 tel est seul sans qu’il y ait de second : il n’a pas non plus de fils ni de frère, et il n’y a pas de fin à tout son labeur ; son œil n’est pas non plus rassasié par la richesse, et [il ne se dit pas] : Pour qui donc est-ce que je me tourmente et que je prive mon âme de bonheur ? Cela aussi est une vanité et une ingrate occupation. 8 Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
   
9 Deux valent mieux qu’un ; car ils ont un bon salaire de leur travail. 9 Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
10 Car, s’ils tombent, l’un relèvera son compagnon ; mais malheur à celui qui est seul, et qui tombe, et qui n’a pas de second pour le relever ! 10 Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
11 De même, si l’on couche à deux, on a de la chaleur ; mais celui qui est seul, comment aura-t-il chaud ? 11 Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
12 Et si quelqu’un a le dessus sur un seul, les deux lui tiendront tête ; et la corde triple ne se rompt pas vite. 12 Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
   
13 Mieux vaut un jeune garçon pauvre et sage, qu’un roi vieux et sot qui ne sait plus être averti. 13 Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;
14 Car il est sorti de la maison des prisonniers pour régner, lors même qu’il est né pauvre dans son royaume. 14 fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin'alahelo tamin'ny fanjakany aza izy*. [na: fa na dia nateraka tamin'ny fanjakany aza izy, dia tamin'alahelo ihany]
   
15 J’ai vu tous les vivants qui marchent sous le soleil, avec le jeune garçon, le second, qui occupera sa place. 15 Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin'ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.
16 Il n’y a pas de fin à tout le peuple, à tous ceux qui ont été devant eux ; cependant ceux qui viendront après ne se réjouiront point en lui. Car cela aussi est vanité et poursuite du vent. 16 Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
Chapitre 5 17 [Ny mety hatao amin'Andriamanitra na amin'ny fivavahana na amin'ny voady] Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.
1 Prends garde à ton pied, quand tu vas dans la maison de Dieu, et approche-toi pour entendre, plutôt que pour donner le sacrifice des sots ; car ils ne savent pas qu’ils font mal. Chapitre 5
   
2 Ne te presse point de ta bouche, et que ton cœur ne se hâte point de proférer une parole devant Dieu ; car Dieu est dans les cieux, et toi sur la terre : c’est pourquoi, que tes paroles soient peu nombreuses. 1 Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan'Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
3 Car le songe vient de beaucoup d’occupations, et la voix du sot de beaucoup de paroles. 2 Fa ny haben'ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben'ny teny no isehoan'ny rediredin'ny adala.
   
   
4 Quand tu auras voué un vœu à Dieu, ne tarde point à l’acquitter ; car il ne prend pas plaisir aux sots : ce que tu auras voué, accomplis-le. 3 Raha mivoady amin'Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.
5 Mieux vaut que tu ne fasses point de vœu, que d’en faire un et de ne pas l’accomplir. 4 Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.
6 Ne permets pas à ta bouche de faire pécher ta chair, et ne dis point devant l’ange que c’est une erreur. Pourquoi Dieu se courroucerait-il à ta voix, et détruirait-il l’œuvre de tes mains ? 5 Aza avela hahatonga heloka amin'ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason'ny anjely* hoe: Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho tezitra amin'ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan'ny tananao? [Na: iraka;]
7 Car dans la multitude des songes il y a des vanités, et aussi dans beaucoup de paroles ; mais crains Dieu. 6 Fa amin'ny haben'ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben'ny teny, fa Andriamanitra no atahory.
   
8 Si tu vois le pauvre opprimé et le droit et la justice violentés dans une province, ne t’étonne pas de cela ; car il y en a un qui est haut au-dessus des hauts, [et] qui y prend garde et il y en a de plus hauts qu’eux. 7 [Ny mbola hitsarana ny mpampahory sy ny mpamadika ny rariny ary ny maha-zava-poana ny harena sy ny tokony hifaliana amin'izay omen'Andriamanitra] Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga amin'izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
9 La terre est profitable à tous égards, le roi même est asservi à la glèbe*. 8 Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany ny fisian'ny mpanjaka amin'izay tany volena.
10 Celui qui aime l’argent n’est point rassasié par l’argent, et celui qui aime les richesses ne l’est pas par le revenu. Cela aussi est vanité. 9 Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.
11 Avec l’augmentation des biens, ceux qui les mangent augmentent aussi ; et quel profit en a le maître, sauf qu’il les voit de ses yeux ? 10 Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon'ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
12 Le sommeil est doux pour celui qui travaille, qu’il mange peu ou beaucoup ; mais le rassasiement du riche ne le laisse pas dormir. 11 Mamy ny torimason'ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben'ny ananan*'ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.[Na: ny fahavokisan']
— v. 9 : d’autres : Mais l’avantage d’un pays, à tous égards, c’est un roi adonné à la culture des champs.  
13 Il y a un mal douloureux que j’ai vu sous le soleil : les richesses sont conservées à leurs maîtres pour leur détriment, 12 Misy ratsy mahory efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, dia harena tehirizin'ny tompony, nefa mampidi-doza amin'ny tenany;
14 — ou ces richesses périssent par quelque circonstance malheureuse, et il a engendré un fils, et il n’a rien en sa main. 13 sady levona izany harena izany noho ny loza manjo; ary miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tànany,
15 Comme il est sorti du ventre de sa mère, il s’en retournera nu, s’en allant comme il est venu, et de son travail il n’emportera rien qu’il puisse prendre dans sa main. 14 Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.
16 Et cela aussi est un mal douloureux, que, tout comme il est venu, ainsi il s’en va ; et quel profit a-t-il d’avoir travaillé pour le vent ? 15 Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an'ny rivotra?
17 Il mange aussi tous les jours de sa vie dans les ténèbres et se chagrine beaucoup, et est malade et irrité. 16 Ary koa, homa-maizina amin'ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.
   
18 Voici ce que j’ai vu de bon et de beau : c’est de manger et de boire et de jouir* du bien-être dans tout le travail dont [l’homme] se tourmente sous le soleil tous les jours de sa vie, que Dieu lui a donnés ; car c’est là sa part. 17 Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
19 Et encore tout homme auquel Dieu donne de la richesse et des biens, et le pouvoir* d’en manger et d’en prendre sa part, et de se réjouir en son travail,… c’est là un don de Dieu ; 18 Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
20 car il ne se souviendra pas beaucoup des jours de sa vie ; car Dieu lui a donné une réponse dans la joie de son cœur. 19 Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan'ny fony no avalin'Andriamanitra azy.
— v. 18 : litt.: voir. — v. 19 : litt.: et qu’il a fait maître.  
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Il y a un mal que j’ai vu sous le soleil, et qui est fréquent* parmi les hommes : 1 [Ny fahantran'ny sasany noho ny tsy ahitany soa amin'ny zavatra ananany] Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ary mitambesatra amin'ny olona izany:
2 il y a tel homme à qui Dieu donne de la richesse, et des biens, et de l’honneur, et il ne manque rien à son âme de tout ce qu’il désire ; et Dieu ne lui a pas donné le pouvoir d’en manger, car un étranger s’en repaît. Cela est une vanité et un mal douloureux. 2 dia olona izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany na inona na inona iriny, nefa tsy omen'Andriamanitra fahefana hihinana amin'izany izy, fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy ratsy mahory koa izany.
3 Si un homme engendre cent [fils], et qu’il vive beaucoup d’années, et que les jours de ses années soient en grand nombre, et que son âme ne soit pas rassasiée de bien, et aussi qu’il n’ait pas de sépulture, je dis que mieux vaut un avorton que lui ; 3 Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
4 car celui-ci vient dans la vanité, et il s’en va dans les ténèbres, et son nom est couvert de ténèbres ; 4 Fa toa zava-poana no nihavian'io, ary mandeha ao amin'ny maizina izy, sady ho voasaron'ny aizina ny anarany,
5 et aussi il n’a pas vu et n’a pas connu le soleil : celui-ci a plus de repos que celui-là. 5 ary koa, tsy nahita na nahalala ny masoandro akory izy, mahita fitsaharana bebe kokoa noho ilay teo izy.
6 Et s’il vivait deux fois mille ans, il n’aura pas vu la bonheur : tous* ne vont-ils pas en un même lieu ? 6 Eny, na dia tratra arivo taona indroa aza izy, nefa tsy nahita soa, tsy ho any amin'ny fitoerana iray ihany va no alehan'izy rehetra?
— v. 1 : ou : grand. — v. 6 : ou : et qu’il ne vit pas le bonheur, — tous … ?  
7 Tout le travail de l’homme est pour sa bouche, et cependant son désir n’est pas satisfait*. 7 Ny fisasarana rehetra ataon'ny olona dia ho an'ny vavany ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.
8 Car quel avantage le sage a-t-il sur le sot ? Quel [avantage] a l’affligé qui sait marcher devant les vivants ? 8 Fa inona no soa azon'ny hendry noho ny adala? Inona no azon'ny malahelo izay mahay mitondra tena eo imason'ny velona?
9 Mieux vaut la vue des yeux que le mouvement du désir. Cela aussi est vanité et poursuite du vent. 9 Ny fahitan'ny maso dia mahafinaritra noho ny firenirenin'ny faniriana. Zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
10 Ce qui existe a déjà été appelé de son nom ; et on sait ce qu’est l’homme, et qu’il ne peut contester avec celui qui est plus fort que lui. 10 Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin'izay mahery noho izy.
11 Car il y a beaucoup de choses qui multiplient la vanité : quel avantage en a l’homme ? 11 Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon'ny olona?
12 Car qui sait ce qui est bon pour l’homme dans la vie, tous les jours de la vie de sa vanité, qu’il passe comme une ombre ? Et qui déclarera à l’homme ce qui sera après lui sous le soleil ? 12 Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin'izao fiainana izao, dia ny andro vitsy mandalo foana izay laniny toy ny fihelin'ny aloka? Fa iza no hahalaza amin'ny olona izay zavatra ho avy any aoriany atỳ ambanin'ny masoandro?
— v. 7 : litt.: son âme n’est pas remplie.  
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Mieux vaut une bonne renommée que le bon parfum*, et le jour de la mort que le jour de la naissance. 1 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny mahasoa ny olombelona] Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
2 Mieux vaut aller dans la maison de deuil, que d’aller dans la maison de festin, en ce que là est la fin de tout homme ; et le vivant prend cela à cœur. 2 Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
3 Mieux vaut le chagrin que le rire, car le cœur est rendu meilleur par la tristesse du visage. 3 Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara* ihany ny fo.[Na: faly]
4 Le cœur des sages est dans la maison de deuil, mais le cœur des sots, dans la maison de joie. 4 Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana.
5 Mieux vaut écouter la répréhension du sage, que d’écouter la chanson des sots. 5 Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ny adala.
6 Car comme le bruit des épines sous la marmite, ainsi est le rire du sot. Cela aussi est vanité. 6 Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin'ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala; zava-poana koa izany.
— v. 1 : ou : bonne huile parfumée.  
7 Certainement, l’oppression rend insensé le sage, et le don ruine le cœur. 7 Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
8 Mieux vaut la fin d’une chose que son commencement. Mieux vaut un esprit patient qu’un esprit hautain. 8 Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
9 Ne te hâte pas en ton esprit pour t’irriter, car l’irritation* repose dans le sein des sots. 9 Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.
— v. 9 : ailleurs : chagrin.  
10 Ne dis pas : Comment se fait-il que les jours précédents ont été meilleurs que ceux-ci ? car ce n’est pas par sagesse que tu t’enquiers de cela. 10 Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.
11 La sagesse est aussi bonne qu’un* héritage, et profitable pour ceux qui voient le soleil ; 11 Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany.
12 car on est à l’ombre de la sagesse [comme] à l’ombre de l’argent, mais l’avantage de la connaissance, [c’est que] la sagesse fait vivre celui qui la possède. 12 Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena.
— v. 11 : ou : est bonne avec un.  
13 Considère l’œuvre de Dieu, car qui peut redresser ce qu’il a tordu ? 13 Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
14 Au jour du bien-être, jouis du* bien-être, et, au jour de l’adversité, prends garde ; car Dieu a placé l’un vis-à-vis de l’autre, afin que l’homme ne trouve rien [de ce qui sera] après lui. 14 Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.
— v. 14 : litt.: sois dans le.  
15 J’ai vu tout [cela] dans les jours de ma vanité : il y a tel juste qui périt par* sa justice, et il y a tel méchant qui prolonge [ses jours] par* son iniquité. 15 Izao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany.
— v. 15 : ou : dans.  
16 Ne sois pas juste à l’excès, et ne fais pas le sage outre mesure ; pourquoi te détruirais-tu ? 16 Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
17 Ne sois pas méchant à l’excès, et ne sois pas insensé ; pourquoi mourrais-tu avant ton temps ? — 17 Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
18 Il est bon que tu saisisses ceci et que tu ne retires point ta main de cela ; car qui craint Dieu sort de tout. 18 Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.
   
19 La sagesse fortifie le sage plus que dix hommes puissants qui sont dans la ville. 19 Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
   
20 Certes, il n’y a pas d’homme juste sur la terre qui ait fait le bien et qui n’ait pas péché. 20 Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
21 Aussi ne mets pas ton cœur à toutes les paroles qu’on dit, afin que tu n’entendes pas ton serviteur te maudissant. 21 Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
22 Car aussi ton cœur sait que bien des fois, toi aussi, tu as maudit les autres. 22 fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
23 J’ai éprouvé tout cela par la sagesse ; j’ai dit : Je serai sage ; mais elle était loin de moi. 23 Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin'ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.
24 Ce qui a été est loin et très-profond, qui le trouvera ? 24 Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?
   
25 Je me suis mis, moi et mon cœur, à connaître et à explorer et à rechercher la sagesse et l’intelligence, et à connaître que la méchanceté est sottise, et la folie, déraison* ; 25 Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
26 et j’ai trouvé plus amère que la mort la femme dont le cœur est [comme] des filets et des rets, [et] dont les mains sont des chaînes : celui qui est agréable à Dieu lui échappera, mais celui qui pèche sera pris par elle. 26 ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
27 Regarde ceci que j’ai trouvé, dit le prédicateur, [en examinant les choses] une à une pour en trouver la raison, 27 Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
28 ce que mon âme cherche encore et que je n’ai pas trouvé : j’ai trouvé un homme entre mille, mais une femme entre elles toutes, je ne l’ai pas trouvée. 28 Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo; fa tao amin'ny vehivavy arivo* dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.[Heb. teo amin'ireo dia tsy nisy vehivavy hitako,etc]
29 Seulement, voici, j’ai trouvé que Dieu a fait l’homme droit ; mais eux, ils ont cherché beaucoup de raisonnements. 29 Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.
— v. 25 : ou : la méchanceté de la sottise et la folie de la déraison.  
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Qui est comme le sage ? et qui sait l’explication des choses ? La sagesse d’un homme illumine son visage, et l’arrogance de son visage en est changée. 1 Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren'ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan'ny endriny.
   
2 Je [dis] : Prends garde au commandement* du roi, et cela à cause du serment [fait] à Dieu. 2 Hoy izaho: Tandremo ny didin'ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin'Andriamanitra.
3 Ne te presse pas de t’en aller de devant lui ; ne persévère point dans une chose mauvaise ; car tout ce qu’il lui plaît, il le fait ; 3 Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin'ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
4 parce que la parole du roi est une puissance, et qui lui dira : Que fais-tu ? 4 fa ny tenin'ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
— v. 2 : litt.: à la bouche  
5 Celui qui garde le commandement ne connaîtra aucun mal ; et le cœur du sage connaît le temps et le jugement ; 5 Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana* amin'ny fanaovan-dratsy; ary ny fon'ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;[Heb. mahalala]
6 car pour toute chose il y a un temps et un jugement. 6 fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky* ny olona.[Na: fahorian']
7 Car la misère de l’homme abonde sur lui ; car il ne sait pas ce qui adviendra ; car comment cela arrivera, qui le lui déclarera ? 7 Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
   
8 Il n’y a point d’homme qui ait pouvoir sur l’esprit pour emprisonner l’esprit, et il n’y a personne qui ait de la puissance sur le jour de la mort, et il n’y a point de dispense dans une telle guerre, et la méchanceté ne délivrera pas ceux qui la pratiquent. 8 Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin'ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny faharatsiany.
9 J’ai vu tout cela, et j’ai appliqué mon cœur à toute œuvre qui se fait sous le soleil. Il est un temps où des hommes dominent sur des hommes pour leur mal. 9 Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.
10 Et de même j’ai vu des méchants enterrés et s’en allant, mais ceux qui avaient bien fait s’en allaient du lieu saint, et étaient oubliés dans la ville. Cela aussi est vanité. 10 Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna*; zava-poana koa izany.[Na: ary tafiditra izy ka niala tamin'ny fitoeran'ny masina, ary nohadinoin'ny tao an-tanàna izay efa nanaovany izany]
   
11 Parce que la sentence contre les mauvaises œuvres ne s’exécute pas immédiatement, à cause de cela le cœur des fils des hommes est au dedans d’eux plein [d’envie] de faire le mal. 11 Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
12 Bien que le pécheur fasse le mal cent fois et prolonge [ses jours], je sais cependant que [tout] ira bien pour ceux qui craignent Dieu, parce qu’ils craignent sa face ; 12 Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an'izay matahotra an'Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
13 mais il n’y aura pas de bonheur pour le méchant, et il ne prolongera pas [ses] jours, comme l’ombre, parce qu’il ne craint pas la face de Dieu. 13 Fa tsy hisy soa ho an'ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan'Andriamanitra.
14 Il est encore une vanité qui a lieu sur la terre : c’est qu’il y a des justes auxquels il arrive selon l’œuvre des méchants, et il y a des méchants auxquels il arrive selon l’œuvre des justes. J’ai dit que cela aussi est vanité. 14 Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan'izay tokony ho valin'ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin'ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
   
15 Et j’ai loué la joie, parce qu’il n’y a rien de bon pour l’homme, sous le soleil, que de manger et de boire et de se réjouir ; et c’est ce qui lui demeurera de son travail durant les jours de sa vie que Dieu lui donne sous le soleil. 15 Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin'ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin'ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen'Andriamanitra azy atỳ ambanin'ny masoandro.
16 Lorsque j’ai appliqué mon cœur à connaître la sagesse et à regarder les choses qui se font sur la terre (car il y a tel homme qui, ni jour ni nuit, ne voit le sommeil de ses yeux), 16 [Ny tsi-fahatakaran'ny saina ny fitondran'Andriamanitra, sy ny tokony hifaliana amin'izay soa hita ary hahazotoana amin'izay rehetra azo atao] Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin'ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),
17 alors j’ai vu que tout [est] l’œuvre de Dieu, [et] que* l’homme ne peut pas trouver l’œuvre qui se fait sous le soleil : bien que l’homme se travaille pour la chercher, il ne la trouve point ; et même si le sage se propose de la connaître, il ne peut la trouver. 17 dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.
— v. 17 : litt.: et j’ai vu toute l’œuvre de Dieu, que.  
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Car j’ai appliqué mon cœur à tout cela, et pour examiner tout cela, [savoir] que les justes et les sages, et leurs travaux, sont dans la main de Dieu : l’homme ne connaît ni l’amour ni la haine. Tout est devant eux. 1 Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia samy eo an-tànan'Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
2 Tout arrive également à tous : un même événement au juste et au méchant, au bon et au pur, et à l’impur, à celui qui sacrifie et à celui qui ne sacrifie pas ; comme l’homme de bien, ainsi le pécheur ; celui qui jure, comme celui qui craint le serment. 2 Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin'ny tsara fanahy sy ny amin'ny mpanota, ary ny amin'ny mianiana sy ny amin'izay tsy sahy hianiana.
3 C’est un mal dans tout ce qui se fait sous le soleil, qu’un même événement arrive à tous ; et aussi le cœur des fils des hommes est plein de mal, et la folie est dans leur cœur pendant qu’ils vivent ; et après cela [ils vont] vers les morts. 3 Izao no fahoriana amin'izay rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin'ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny maty izy.
4 Car pour celui qui est lié à tous les vivants il y a de l’espoir, car un chien vivant vaut mieux qu’un lion mort. 4 Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina*; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.[Na: Fa iza no ho afaka? Ny amin'ny velona rehetra dia mbola misy hantenaina]
5 Car les vivants savent qu’ils mourront ; mais les morts ne savent rien du tout ; et il n’y a plus pour eux de salaire, car leur mémoire est oubliée. 5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
6 Leur amour aussi, et leur haine, et leur envie, ont déjà péri, et ils n’ont plus de part, à jamais, dans tout ce qui se fait sous le soleil. 6 Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao atỳ ambanin'ny masoandro izy.
   
7 Va, mange ton pain avec joie, et bois ton vin d’un cœur heureux ; car Dieu a déjà tes œuvres pour agréables. 7 Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.
8 Qu’en tout temps tes vêtements soient blancs, et que l’huile ne manque pas sur ta tête. 8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
9 Jouis de* la vie avec la femme que tu aimes, tous les jours de la vie de ta vanité, qui** t’a été donnée sous le soleil, tous les jours de ta vanité ; car c’est là ta part dans la vie et dans ton travail auquel tu as travaillé sous le soleil. 9 Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin'ny masoandro.
10 Tout ce que ta main trouve à faire, fais-le selon ton pouvoir ; car il n’y a ni œuvre, ni combinaison, ni connaissance, ni sagesse, dans le shéol, où tu vas. 10 Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita* izay alehanao.[Heb. Sheola]
— v. 9* : litt.: Vois ; comparer 2:1, etc. — v. 9** : c. à d. la vie ; d’autres rapportent le qui à femme.  
11 Je me suis tourné, et j’ai vu sous le soleil que la course n’est point aux agiles, ni la bataille aux hommes forts, ni le pain aux sages, ni les richesses aux intelligents, ni la faveur à ceux qui ont de la connaissance ; car le temps et les circonstances les atteignent tous. 11 [Ny fihoaran'ny fahendrena noho ny hery] Ary hitako atỳ ambanin'ny masoandro indray fa tsy ho an'ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an'ny mahery ny ady, ary tsy ho an'ny hendry ny hanina, ary tsy ho an'ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an'ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
12 Car aussi l’homme ne connaît pas son temps, comme les poissons qui sont pris dans le filet de malheur, et comme les oiseaux qui sont pris dans le piège : comme eux, les fils des hommes sont enlacés dans un temps mauvais, lorsqu’il tombe sur eux subitement. 12 Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon'ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan'ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak'olombelona amin'ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.
   
13 J’ai vu aussi cette sagesse sous le soleil, et elle a été grande pour moi : 13 Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin'ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
14 il y avait une petite ville, et peu d’hommes dedans ; et un grand roi vint contre elle, et l’investit, et bâtit contre elle de grandes terrasses ; 14 Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.
15 or il s’y trouva un homme pauvre [et] sage, qui délivra la ville par sa sagesse ; mais personne ne se souvint de cet homme pauvre. 15 Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.
16 Et j’ai dit : Mieux vaut la sagesse que la force ; mais la sagesse du pauvre est méprisée, et ses paroles ne sont pas écoutées. 16 Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren'ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
17 Les paroles des sages sont écoutées dans la tranquillité, plus que le cri de celui qui gouverne parmi les sots. 17 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny fahendrena sy ny fahadalana, ary ny amin'ny fanaovan-tsoa sy ny fahazotoana ary ny fahamarinana] Ny tenin'ny hendry izay re amin'ny mangingina dia mahery noho ny fitreron'izay mpanapaka adala.
18 Mieux vaut la sagesse, que les instruments de guerre, et un seul pécheur détruit beaucoup de bien. 18 Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Les mouches mortes font sentir mauvais, elles font fermenter l’huile du parfumeur ; [ainsi fait] un peu de folie, [à l’égard de] celui qui est estimé pour sa sagesse et sa gloire*. 1 Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
— v. 1 : ou : un peu de folie a plus de poids que sagesse et gloire.  
2 Le cœur du sage est à sa droite, et le cœur du sot, à sa gauche ; 2 Ny fon'ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon'ny adala kosa dia eo ankaviany.
3 et même, quand l’insensé marche dans le chemin, le sens lui manque, et il dit à chacun qu’il est un insensé. 3 Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin'ny olona rehetra izy fa adala.
   
4 Si l’esprit du gouverneur s’élève contre toi, ne quitte pas ta place ; car la douceur apaise de grands péchés. 4 Raha tezeran'ny mpanapaka ianao, aza miala amin'ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.
   
5 Il est un mal que j’ai vu sous le soleil, comme une erreur provenant du gouverneur : 5 Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon'ny mpanapaka izany;
6 le manque de sens est placé dans de hautes dignités, et les riches sont assis dans une position basse. 6 Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin'ny toerana ambany.
7 J’ai vu des serviteurs sur des chevaux, et des princes marchant sur la terre comme des serviteurs. 7 Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.
   
8 Qui creuse une fosse y tombe ; et qui renverse une clôture, un serpent le mord. 8 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana.
9 Qui remue des pierres en sera meurtri ; qui fend du bois se met en danger. 9 Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.
   
10 Si le fer est émoussé, et que [celui qui l’emploie] n’en aiguise pas le tranchant, il aura des efforts à faire ; mais la sagesse est profitable pour amener le succès. 10 Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.
   
11 Si le serpent mord parce qu’il n’y a pas de charme, celui qui a une langue ne vaut pas mieux. 11 Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?
   
12 Les paroles de la bouche du sage sont pleines de grâce, mais les lèvres d’un sot l’engloutissent. 12 Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.
13 Le commencement des paroles de sa bouche est folie, et la fin de son discours* est un mauvais égarement. 13 Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
14 Et l’insensé multiplie les paroles : l’homme ne sait pas ce qui arrivera ; et ce qui sera après lui, qui le lui déclarera ? 14 Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?
15 Le travail des sots les lasse, parce qu’ils ne savent pas aller à la ville. 15 Ny fisasaran'ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.
— v. 13 : litt.: de sa bouche.  
16 Malheur à toi, terre qui as pour roi un jeune garçon, et dont les princes mangent dès le matin ! 16 Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!
17 Bienheureuse toi, terre qui as pour roi le fils des nobles, et dont les princes mangent au temps convenable, pour [réparer] leurs forces, et non pour le [plaisir de] boire ! 17 Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
   
18 À cause de la paresse, la charpente s’affaisse ; et à cause des mains lâches, la maison a des gouttières. 18 Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan'ny tanana no mampitete ny trano.
   
19 On fait un repas pour s’égayer, et le vin rend la vie joyeuse ; mais l’argent répond à tout. 19 Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.
   
20 Ne maudis pas le roi, même dans ta pensée, et ne maudis pas le riche dans la chambre où tu couches, car l’oiseau des cieux en emporterait la voix, et ce qui a des ailes en divulguerait les paroles. 20 Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.
Chapitre 11 Chapitre 11
1 Jette ton pain sur la face des eaux, car tu le trouveras après bien des jours. 1 Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
2 Donne une portion à sept, et même à huit ; car tu ne sais pas quel mal arrivera sur la terre. 2 Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin'ny tany.
3 Si les nuées sont pleines, elles verseront la pluie sur la terre ; et si un arbre tombe, vers le midi ou vers le nord, à l’endroit où l’arbre sera tombé, là il sera. 3 Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin'ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany.
   
4 Celui qui observe le vent ne sèmera pas ; et celui qui regarde les nuées ne moissonnera pas. 4 Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy* ny rahona tsy hijinja.[Heb. mijery]
5 Comme tu ne sais point quel est le chemin de l’esprit, [ni] comment [se forment] les os dans le ventre de celle qui est enceinte, ainsi tu ne connais pas l’œuvre de Dieu qui fait tout. 5 Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
6 Le matin, sème ta semence, et, le soir, ne laisse pas reposer ta main ; car tu ne sais pas ce qui réussira, ceci ou cela, ou si tous les deux seront également bons. 6 Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
   
7 La lumière est douce, et il est agréable pour les yeux de voir le soleil ; 7 Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;
8 mais si un homme vit beaucoup d’années, [et] se réjouit en toutes, qu’il se souvienne aussi des jours de ténèbres, car ils sont en grand nombre : tout ce qui arrive est vanité. 8 fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin'ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.
9 Réjouis-toi, jeune homme, dans ta jeunesse, et que ton cœur te rende heureux aux jours de ton adolescence, et marche dans les voies de ton cœur et selon les regards de tes yeux ; mais sache que, pour toutes ces choses, Dieu t’amènera en jugement. 9 [Anatra ho an'ny tanora fanahy mba hanampoizany ny hihavian'ny fahanterana sy ny fahafatesana] Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany.
10 Ôte de ton cœur le chagrin, et fais passer le mal loin de ta chair ; car le jeune âge et l’aurore sont vanité. 10 Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
Chapitre 12 Chapitre 12
1 Et souviens-toi de ton Créateur dans les jours de ta jeunesse, avant que soient venus les jours mauvais, et avant qu’arrivent les années dont tu diras : Je n’y prends point de plaisir ; 1 Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao;
2 avant que s’obscurcissent le soleil, et la lumière, et la lune, et les étoiles, et que les nuages reviennent après la pluie ; 2 dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana;
3 au jour où tremblent les gardiens de la maison, et où se courbent les hommes forts, et où chôment celles qui moulent, parce qu’elles sont en petit nombre, et où ceux qui regardent par les fenêtres sont obscurcis, 3 fa amin'izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely,
4 et où les deux battants de la porte se ferment sur la rue ; quand baisse le bruit de la meule, et qu’on se lève à la voix de l’oiseau, et que toutes les filles du chant faiblissent ; 4 ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon'ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely*, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;[ Na: ka tsy mafy noho ny an'ny voron-kely aza ny feony]
5 quand aussi on craint ce qui est haut, et qu’on a peur sur le chemin, et quand l’amandier fleurit*, et que la sauterelle devient pesante, et que la câpre est sans effet** ; (car l’homme s’en va dans sa demeure des siècles, et ceux qui mènent deuil parcourent les rues ;) 5 ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony* fa mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe [Na: hitsaha-panirian-javatra izy]
6 — avant que le câble d’argent se détache, que le vase d’or se rompe, que le seau se brise à la source, et que la roue se casse à la citerne ; 6 dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano,
7 et que la poussière retourne à la terre, comme elle y avait été, et que l’esprit retourne à Dieu qui l’a donné. 7 ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.
— v. 5* : ou : l’amande est méprisée. — v. 5** : ou : le désir est anéanti.  
8 Vanité des vanités, dit le prédicateur ; tout est vanité ! 8 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
   
9 Et de plus, parce que le prédicateur était sage, il a encore enseigné la connaissance au peuple ; et il a pesé et sondé, [et] mis en ordre beaucoup de proverbes. 9 [Teny farany] Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy.
10 Le prédicateur s’est étudié à trouver des paroles agréables ; et ce qui a été écrit est droit, des paroles de vérité. 10 Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin'ny fahamarinana.
   
11 Les paroles des sages sont comme des aiguillons, et les recueils*, comme des clous enfoncés : ils sont donnés par un seul pasteur. 11 Ny tenin'ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen'ny mpiandry iray izy;
12 Et de plus, mon fils, laisse-toi instruire par eux : à faire beaucoup de livres, il n’y a point de fin, et beaucoup d’étude lasse la chair. 12 ary he koa, anaka! minoa anatra ianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.
— v. 11 : selon quelques-uns : ceux qui rassemblent.  
13 Écoutons la fin de tout ce qui a été dit : Crains Dieu, et garde ses commandements ; car c’est là le tout de l’homme, 13 Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.
14 car Dieu amènera toute œuvre en jugement, avec tout ce qui est caché, soit bien, soit mal. 14 Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny* zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.[Na: mbamin'ny]