Teny fiainana

 

Andininy sasantsasany, notsongaina avy ao amin’ny Baiboly,

izay Tenin’Andriamanitra


 

Jehovah no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.

Deoteronomia 4 and 39

 

 

 

Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fisainany.

Jeremia 51 and 15


 

Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.

Salamo 104 and 24

 

 

 

Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy.

Jaona 1 and 18


 

Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy amin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika.

Titosy 3 and 4

 

Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.

Romana 5 and 8


 

 

Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

Romana 6 and 23

 

 

Fa ankehitriny Izy (Andriamanitra) mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka.

Asan’ny apostoly 17 and 30


 

 

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.

1 Jaona 1 and 9

 

Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy. Fa Izy no fihavanantsika.

Efesiana 2 and 13-14


 

Tompo ô, Ianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Ianao.

Fitomaniana 3 and 58

 

Ary ankehitriny, inona no andrasako, Tompo ô? Ianao no antenaiko.

Salamo 39 and 7

 

Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô! Dia handeha amin’ny fahamarinana aho; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.

Salamo 86 and 11

 

Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.

Salamo 16 and 1

 

 

Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànao.

Salamo 119 and 18

 

Ampitoero eo amin’ny teninao ny diako.

Salamo 119 and 133

 

Ampianaro hanao ny sitraponao aho, fa Ianao no Andriamanitro.

Salamo 143 and 10

 

Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry feizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.

Ohabolana 1 and 33

 

Izay miray amiko, ary Izaho aminy,dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.

Jaona 15 and 5


 

 

Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren’ny famonjena sy fahendrena ary ny fahalalana; ny fahatahorana an’i Jehovah no rakitrao.

Isaia 33 and 6

 

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany.

Jeremia 29 and 11

 

Tsy ho menatra izay miandry Ahy.

Isaia 49 and 23

 

Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka aminy.

Nahoma 1 and 7

 

Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka… Miantombena tsara miandry an’i Jehovah ianao ka manantenà Azy.

Salamo 37 and 5, 7


Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina.

Romana 15 and 13

 

Mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy ain’ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra.

Kolosiana 1 and 9-10

 

Koa tahaka ny nandrasainareo an’i Kristy Jesoa Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarina anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana.

Kolosiana 2 and 6-7

 

Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesoa, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy.

Hebreo 12 and 1-2


 

Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny.

Filipiana 3 and 20-21

 

Miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesoa Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika.

Titosy 2 and 13-14


 

Fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra.

Hebreo 10 and 37

 

Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka  amin’ny fahotantsika tamin’ny rany… ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.

Apokalypsy 1 and 5-6