Inona no atao hoe finoana ?

 

S. Fayard

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

 “Ny marina amin’ny finoana no ho velona”

Romana 1:17: Galatiana 3:11; Hebreo 10:38

 

Fizahan-takila

1        Ny maha izy azy

1.1        Mino ny Tenin’Andriamanitra

1.2        Mitoky amin’Andriamanitra

1.3        Mankatoa an’Andriamanitra

2        Ny vontoatiny

2.1        Ny vontoatin’ny finoana kristiana dia ny filazantsara

2.2        Ny fototry ny finoana kristiana dia ny Tompo Jesoa

3        Ny loharano nipoirany

3.1        Ny finoana dia avy amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra

3.2        Ny finoana dia avy amin’ny asan’ny Fanahy Masina ao am-pontsika

4        Ny vokany

4.1        Ny fanamarinana

4.2        Ny fiainana mandrakizay

4.3        Ny fanomezana ny Fanahy Masina

4.4        Ny vaninandron’ny finoana kristiana

5        Ny finoana iainana

5.1        Ny finoana dia mamokatra asa tsara

5.2        Ny fiainana amin’ny finoana

5.3        Ny fahasahian’ny finoana

5.4        Ny fisedrana ny finoana

5.5        Ny tompon’ny finoana

6        Famaranana

6.1        Manapa-kevitra ho an’i Kristy

6.2        Ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana

7        Fanontaniana miverimberina matetika

7.1        Siansa sy Baiboly

7.2        Fahamarinana azo antoka lazain’ny siansa sy fahamarinana azo antoka lazain’ny finoana kristiana

7.3        Finoana sy fahendrena

7.4        Finoana sy fihetseham-po

7.5        Ampy ve ny tso-po?

 

 

Inona no atao hoe finoana (*)?

(*) Amin’ity lahatsoratra ity, dia mitovy ny dikan’ny hoe mino sy finoana

 

Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy (Hebreo 11:6).

 

Marina fa ny antom-piainan’ny olombelona dia ny hifandray amin’ireo toa azy, kanefa mialoha izany, dia ny hifandray amin’Andriamanitra, Izy izay loharanon’ny fiainana sy ny fahasambarana.

Indrisy anefa, manasaraka antsika aminy ny fahotana tany am-boalohany, tamin’ny tsy natokisantsika Azy sy ny fanandratantsika tena, mba hiezahana hiala amin’ny tsy maintsy hankatoavana ilay Mpahary. Raha tsy misy ny finoana, dia tsy afaka mihintsy ny hifandray amin’Andriamanitra isika, tsy afaka ny tena hahalala (*) marina Ilay Andriamanitra velona sy marina (1 Tesaloniana 1:9).

 

(*) Ny fahafantarana an’Andriamanitra aloha voalohany indrindra, dia fifandraisana aminy. Voalaza fa hita taratra amin’izany atao hoe fifandraisana izany ny fototry ny teny hebreo ampiasaina amin’ny hoe finoana (emûna). Io voambolana io dia avy amin’ilay teny midika hoe “fahamarinana” (amin’ny teny hebreo: émet), ary manambara ny fifandraisana iainan’olon-droa.

 

Tsy refesi-mandidy amin’ny fomba fiasan’ny fitiavany Andriamanitra, ary nanana fanafana hitsaboana ny toerana misy antsika izy, izay fiatahana sy fikomiana aminy. Indro fa misy varavarana tery, izay tsy maintsy hamelana ny hambo hiaina sy hahita fahasambarana tsy misy an’Andriamanitra, izay haroso eo anoloan’ny tsirairay. Io varavarana io no manokatra ny làlan’ny finoana, izay feno fanetren-tena sy fahatokisana tsy misy fihambahambana ny maha Izy azy an’Andriamanitra, sy ny hafatra feno fiainana nampitondrainy an’i Jesoa Kristy.

Ny mino ihany izany no hany làlana hidirana amin’ny fahamarinana, na ireo tsotra indrindra na ireo avo lenta indrindra, momba ny fiainana ao amin’Andriamanitra. Mino fotsiny ihany, eny, satria Andriamanitra dia marina. Amin’ny finoana no ahitan’ny zaza izany fifandraisana vaovao amin’ny Andriamaniny izany, toa an’ireo olona rehetra izay maniry am-panentrentena ny hanatona an’Andriamanitra, hiala amin’ny fitsarana sy hiditra amin’ny fiombonana feno fahasambarana miaraka Aminy.

 

1  Ny maha izy azy

Amin’ny lafiny iray, dia azo lazaina fa voatery hanana finoana ny tsirairay, amin’ny fahatokisany olon-kafa, amin’ny fandraisany ny fanambaràn’ny olona (1 Jaona 5:9). Tsy hisy fiaraha-monina raha tsy izany. Fa lehibe lavitra noho izany ny finoana kristiana, satria mametraka ny fitokisany amin’Andriamanitra izy. Miorina amin’izay maha Izy Azy an’Andriamanitra izy sy amin’ny zavatra nataony.

Mba hanazavana ny atao hoe finoana kristiana, dia inty misy tantara kely iray: “Misy zaza vitsivitsy tonga hihaino ny Baiboly manoloana ahy. Anio izahay dia tokony hiresaka momba ny finoana. Tsy nataoko hitany ny nanafenako teny an-tanako ny lakilen’ny fiarako. Dia nahinjitro ny tànako mihidy, sady nanontany aho hoe: Inona no ato an-tànako? Tsy nisy namaly. Dia hoy aho tamin’izy ireo: “Ato an-tànako dia misy lakile”. Niova kely indray ny fomba namerenako nametraka ilay fanontaniana: “Iza no mahalala ny zavatra ato an-tànako?” Niandry kely, dia namaly ilay zandriny indrindra hoe: “Izaho” ary nampiany hoe: “Misy lakile ao”. Novohaiko ny tànako ary hitan’ny ankizy rehetra ilay lakile. Ilay zaza namaly dia nahalala ny teny an-tànako talohan’ny hahitany azy satria natoky ahy izy. Ny sasany kosa dia mbola nanontany tena foana mandra-pahitany ilay lakile.”

Io tantara kely io dia manoritra lohahevitra maromaro momba ny finoana:

  • Mino ny fanambaràn’ny olona iray

  • Matoky azy

  • Misy zavatra inoana

  • Ny finoana dia mahalala alohan’ny hahitana

  • Indray andro any, dia hovàna ho fahitana (1 Korintiana 13:12) ny finoana…

 

Alohan’ny hijerena antsipiriany ny sasantsasany amin’ireo lafiny samihafa ireo, dia ndeha holazaina fohifohy ny toetra tsy ananan’ny finoana:

Ny finoana dia tsy midika hoe minomino foana. Ny hoe mino dia tsy midika hoe mety hambakaina na tsy manan-tsaina hanadihady sy hanakiana. Ny tena finoana dia fananan-kevitra mirindra satria miankina amin’ny teny fampanantenan’Andriamanitra sy ny tsy fivadihany.

Manaraka izany, ny finoana dia tsy midika hoe fiheverana ny zava-drehetra ho tsara na fikatsahana ny tonga lafatra. Ny finoana dia tsy endriky ny saina mihevitra tsy amin’antony ny zava-drehetra ho tsara, fanantenana tsy azo hozongozonina fa, na dia eo aza ny olana, dia tsy maintsy ho tsara ihany ny fiafaran’ny zavatra rehetra. Ny hoe “manàna finoana” dia azo adika hoe “Aza manaiky ho kivy” amin’izay fomba fijery izay. Ny mpino dia tsy minia tsy mahita ny zava-misy, fa kosa matoky an’Andriamanitra.

Ny finoana dia tsy fomba fitaizana manokana, na fanekena riba na fanatontosana fombafomba ara-pivavahana. Tsy fitadiavana fihetanam-po ara-panahy na ara-pinoana koa izy.

 

1.1  Mino ny Tenin’Andriamanitra

Izay nandray ny fanambaràny (ny fanambaràn’i Jesoa) dia nanisy tombo-kase(nanamarina) fa marina Andriamanitra (Jaona 3:33)

 

“Ny finoana ny tenin’Andriamanitra, toy ny finoana ny fanambaràn’olona iray, dia azo faritana amin’ny hoe fanekena ny fijoroana ho vavolombelona iray ho toy ny marina. Fa ny maha samihafa azy amin’ny finoana ny tenin’olona iray, rehefa mandray ny tenin’Andriamanitra, dia miasa io teny io, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ary mahatonga fiovàna tanteraka ara-moraly, fahateraham-baovao, fiainam-baovao. Fiovàna toy inona re izany! Tsapa fa marina Andriamanitra. Eo amin’ny fahazavan’ny fanatrehan’Andriamanitra ny tena” (J.N.Darby).

Marina tokoa fa niteny Andriamanitra ary nampanoratra ny teniny ao anaty Baiboly, izay tenin’Andriamanitra. Noho izany, dia misy dikany lehibe tokoa ny famakiana ny Baiboly, mba handraisana ireo fanambaràna ao aminy, mino izay lazainy satria milaza ny marina izy. Amin’io teny io no tokony hiorenan’ny finoantsika, fa tsy amin’ny fihetseham-po na traikefa na oviana na oviana.

Ny finoana dia mitarika ho amin’ny zavatra azo antoka, amin’ny faharesen-dahatra am-pahatoniana fa izay lazain’Andriamanitra dia tena marina tokoa. Amin’ny fomba fiteny mahazatra, rehefa milaza hoe: “Mino aho”, dia zavatra mety ho avy no lazaina fa tsy tena azo antoka hoe ho avy io zavatra io. Ao amin’ny Baiboly kosa, ny finoana dia manambara zavatra tena azo antoka, fahatokiana tanteraka (*). “Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” (Hebreo 11:1). Ny Fanahy Masina no manome antsika io fiadanana anaty io, io fahazoana antoka io fa ny teny fampanantenan’Andriamanitra dia ho antsika, ho ahy. “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika” (Romana 8:16).

 

(*) Ny voambolana hoe “mino” amin’ny teny hebreo dia manana fototra mitovy amin’ny hoe “amen”, izay midika hoe “marina tokoa”.

 

1.2  Mitoky amin’Andriamanitra

Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Matokia an’i Jehovah mandrakizay (Isaia 26:3, 4).

Ny lafiny iray hafa amin’ny finoana kristiana dia ny fahatokiana an’Andriamanitra. Fahatokiana voadinika io, fahatokian’olona izay tsy miankina amin’ny sainy fa amin’ny fahendren’Andriamanitra, amin’ny fahatsarany sy ny tsy fivadihany. Ny fahatokiana an’Andriamanitra no vontoatin’ny finoana kristiana. Manome ny mpino ny tena hajany izany, satria ny matoky an’Andriamanitra no ahazoana mahita Azy, mifanerasera aminy, miombona aminy.

Ny matoky an’Andriamanitra, voalohany indrindra, dia mametraka ny fiainako aminy. Rehefa tsapako fa tena meloka aho, ny hany azoko hatao dia ny matoky ny fahasoavany. Rehefa tsapa fa tena very marina aho ary tsy ho tafavoaka amin’ny herin’ny tenako fotsiny, dia miandrandra ny Tompo Jesoa, Ilay Mpamonjy ahy, aho.

Ny matoky an’Andriamanitra, manaraka izany, dia ny miandrandra Azy, miandry Azy hiasa amin’ny fiainako. Ny fitadiavana fiankinana amin’olombelona dia mifanohitra tanteraka amin’ny finoana an’Andriamanitra. Aoka isika hianatra, amin’ny vavaka, hametraka ny zavatra rehetra eo amin’ny Tompo, ny zavatra diavintsika, ny fahoriantsika, ny asantsika, ny hoavintsika, ny ankohonantsika ary koa ny asan’ny Tompo. Io fitodihana feno fahatokiana amin’Andriamanitra io dia mitondra fiadanam-po, fahatoniana ao anaty fisedrana ary na dia eo anoloan’ny fahafatesana aza.

Mitoky amin’Andriamanitra ny kristiana, ary mitoky amin’i Jesoa koa (Jaona 14:1).

 

1.3  Mankatoa an’Andriamanitra

Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy (Jaona 3:36).

Ny zavatra fahatelo mamaritra ny finoana kristiana, izay angamba tsy dia fantatra loatra, dia ny fankatoavana. Raha manome fanafody ahy ny dokotera, tsy ampy ny finoana fa handaitra io fanafody io, tsy maintsy haniko koa io fanafody nandidiany ahy io, mba hahasitrana ahy. Rehefa avy niaiky fa marina ny teny fampanantenan’Andriamanitra, ary azo itokisana Andriamanitra, dia tsy maintsy mandroso, tsy maintsy mankatoa. Ankoatr’izany, raha mitoky marina amin’Andriamanitra isika, dia hanao izay lazainy amintsika. Amin’izay, ny mino dia valinteny manokana omenao ny fanasan’Andriamanitra. Izany no valintenin’olona iray izay mibebaka, izay manaiky fa tratr’ilay “aretina” mahafaty atao hoe ota ary manaiky ny zavatra atolotr’Andriamanitra hamonjena azy.

Ny mino izany dia hetsiky ny fontsika, ny tena anatintsika lalina any, mitodika amin’Andriamanitra satria ekentsika ny fanehoany fitiavana ary matoky Azy isika. Tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny àry izany, izay hoe hamirapiratra ao an-tsaintsika ao nefa tsy hanova ny fiainantsika akory. Tsia, ny finoana dia mampitodika ny maha-isika antsika tanteraka any amin’Andriamanitra. Izany dia faharesen-dahatra (eritreritro), fahatokiana (fihetseham-poko), fankatoavana (sitrapoko).

 

2  Ny vontoatiny

Amin’izao vaninandro iainantsika izao dia matetika loatra ny finoana no maka endriky ny finoana manjavozavo, tsy misy vontoatiny, fihetseham-po tsy misy rafitra. Kanefa ny finoana kristiana dia manam-pototra ary misy vontoatiny. Ny fotony, dia Jesoa Kristy; ny vontoatiny, dia ny filazantsara, ny vaovao mahafaly milaza hoe “tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15). Tsy hoe hanaikinaiky fahatany akory, fa mino izay ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Noho izany, “ny finoana dia mifamatotra lalina amin’ny Teny toy ny hifamatoran’ny tanamasoandro amin’ny masoandro izay manome azy” (Jean Calvin).

 

2.1  Ny vontoatin’ny finoana kristiana dia ny filazantsara

Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina (1 Korintiana 15:1-4).

Ny filazantsara, ny vaovao mahafaly momba ny famonjena, izany no fanambaràna fa tonga tetỳ amin’ity tany ity i Jesoa Kristy, tonga olona Izy, Ilay Zanak’Andriamanitra masina. Niaina tao amin’ny tanin’ny Isiraely Izy, tamin’ny niandohan’ny vaninandro nomena ny anarany. Dia maty noho ny fahotantsika Izy, ary nentiny ny fanamelohana tokony ho antsika. Dia nalevina Izy ary nitsangana tamin’ny maty afaka telo andro. Ankehitriny, dia velona mandrakizay Izy, nasandratra am-boninahitra eo akaikin’Andriamanitra Rainy, ary manome ny fiainany ho an’ireo rehetra mitoky aminy ho famelan-keloka. Tsy ho ela dia hiverina indray Izy haka ho eo akaikiny, any an-danitra, ireo rehetra izay nino Azy.

 

2.2  Ny fototry ny finoana kristiana dia ny Tompo Jesoa

Izaho (hoy i Jesoa) no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako (Jaona 14:6).

Ny mino izany dia mino izay ambaran’ny Baiboly momba an’i Jesoa Kristy. Andriamanitra dia naseho tanteraka tao amin’i Jesoa. Ny fototry ny finoana, dia tsy fahamarinana sasantsasany fa ny Fahamarinana niainana tamin’ny olona velona iray, dia ny Tompo Jesoa Kristy.

Ny momba ny Tompo Jesoa Olona no mameno ny Soratra Masina (Jaona 5:39 ; Lioka 24:27), hany ka rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia Izy aloha no tokony ho karohina. Ny fotom-pampianarana kristiana dia tsy fitambarana fahamarinana saro-takarina tsy misy ifandraisany amin’ny fiainantsika andavanandro tsy akory. Fa kosa fanambaràna ny fihevitr’Andriamanitra momba ny fiainantsika ary mifandray amin’ny tenan’i Kristy. Ny ivon’ny hafatra ambaran’ny Baiboly dia ny voninahitr’i Kristy. Miainga amin’izay daholo ny zavatra rehetra.

 

3  Ny loharano nipoirany

Ilaina ny manoritra fa ny finoana dia tsy avy amin’ny olombelona fa avy amin’Andriamanitra. Marina fa ny finoana dia fifandraisan’ny mpino sy Andriamanitra, kanefa Andriamanitra kosa no mitana ny voalohan-daharana amin’izany. Izy no manomboka izany amin’ny fanoratany ny teniny ao am-pontsika ary amin’ny ampiharany an’izany ao an-tsaintsika amin’ny alalan’ny Fanahiny.

 

3.1  Ny finoana dia avy amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra

Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy (Romana 10:17).

Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay ianareo dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra izay miasa ao anatinareo (1 Tesaloniana 2:13).

Efa hitantsika fa ny finoana dia azo faritana amin’ny hoe fandraisana ny Tenin’Andriamanitra, kanefa tokony ho azo koa fa ny Tenin’Andriamanitra no mampisy ny finoana. Tsy misy finoana raha tsy misy ny fanambaràn’Andriamanitra. Hany ka ny finoana mandray ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny andinin-tSoratra Masina sasany, dia raisina ho toy io teny io (Joda 3). Noho izany, ny zava-miafina ny amin’ny finoana (1 Timoty 3:9) dia manambara ny fikambanan’ireo fahamarinana azon’ny finoana kristiana. Nafenina izy ireo taloha fa ankehitriny, dia nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahiny, ao amin’ny teny voasoratra: ny Baiboly.

 

3.2  Ny finoana dia avy amin’ny asan’ny Fanahy Masina ao am-pontsika

Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakàn’Andriamanitra izy (Jaona 3:5).

Rehefa tonga kristiana isika, ny dingana voalohany ataon’ny finoantsika dia ny mandray ny Tompo Jesoa. Tena valinteny manokana tokoa izany, fanapahan-kevitra avy amintsika fa hino an’i Kristy. Nefa ambonin’izany fanapahan-kevitra izany, dia mahatsikarika ihany isika fa asan’ny fahasoavan’Andriamanitra no manintona antsika hanatona ny Zanaka (Jaona 6:44). Tsy voazavan’ny voambolana ampiasain’olombelona ihany ny finoana kristiana. Mba hinoana, dia tsy maintsy miasa ao anatin’ny fontsika lalina ao ny Fanahy Masina. Mba hamokaran’io Tenin’Andriamanitra io ny finoana, dia tsy maintsy homanin’ny Fanahy Masina isika handray azy. Izany no fahaterahana amin’ny alalan’ny Fanahy.

Ny Testamenta Vaovao dia mampianatra mazava fa ny finoana an’i Kristy dia tsy avy amin’ny olombelona (Jaona 1:13). Ny ota sy Satana dia nanajamba ilay olona lavo. Tsy afaka hahatsikaritra intsony izy, amin’ny fijoroana vavolombelona nataon’i Kristy sy ny apostoly, ny fahamarinan’Andriamanitra, ary tsy afaka ny hanatona an’i Kristy raha tsy hazavain’ny Fanahy masina. Ny finoana mamonjy dia avy amin’Andriamanitra (Filipiana 1:29 ; Efesiana 2:8).

Tsy azo sarahina izany ny fitoriana ny Teny sy ny asan’ny Fanahy Masina. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no hiasan’Andriamanitra ao an-tsaintsika mba hampifantoka antsika amin’ny hafatra omen’ny baiboly, mba hahazoantsika izany, mba hankatoavantsika Azy (Asa 16. 14 ; Matio 16:17 ; 1 Korintiana 12:3). Na izany aza, tsy manala ny andraikitsika handray ny Teny izay tonga amintsika amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra izany. Ny hamoram-pon’Andriamanitra no manosika antsika hibebaka (Romana 2:7); miteny indray mandeha, indroa (Joba 33:14) Andriamanitra: andraikitsika izany ny mihaino, ny mandray, ny mankatoa.

 

4  Ny vokany

Efa hitantsika izany ny maha zava-dehibe ny finoana, izay soritan’ny andinin-tSoratra Masina maro (Genesisy 15:6 ; Eksodosy 4:31 ; Marka 16:16 ; Jaona 3:16 ; 1 Korintiana 1:21 ; Hebreo 11:6 ; 1 Jaona 5:13).

Ny fahasoavan’Andriamanitra no loharanom-pamonjena ho antsika. Ny finoana no fitaovana, fantsona andraisantsika izany. Ny finoana koa no ameloman’Andriamanitra antsika isan’andro sy ampandehanany antsika manoloana Azy. Ny finoana no mampiray antsika amin’ilay Kristy natsangana tamin’ny maty, Izay manome antsika ny zavatra rehetra azony tamin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty, indrindra ny famelàn-keloka, ny fahamarinana ary ny fiainana mandrakizay. Izany fahasoavana rehetra izany dia antsika amin’ny alalan’ny finoana. Tsy azo sarahina amin’ny tenan’i Kristy izany. Ndeha hitanisa sasantsasany isika:

 

4.1  Ny fanamarinana

Mba ho marina Izy (Andriamanitra) sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesoa (Romana 3:26).

Ny manamarina ny tena, dia ny fandraisana ny famelàn-keloka ary ny fanambaràn’Andriamanitra fa marina ianao. Io toeram-baovao manoloana an’Andriamanitra io no manokatra ny varavarana ahazoana ny fitahiana rehetra ampanantenain’Andriamanitra ny mino, fitahiana izay tonga hatrany amin’ny fiaraha-mizara ny voninahiny amin’i Kristy (Romana 8:30).

Ahoana moa, isika izay mpanota, no mety ho hamarinina, nefa ny fahamarinan’Andriamanitra dia mitaky ny famaizana ireo fahadisoana nataontsika? Ny valiny, dia satria i Kristy no nandray ny fanamelohana mendrika antsika raha nisolo voina ny fahotan’ireo rehetra matoky Azy Izy, teo amin’ny hazofijaliana. Ankehitriny Andriamanitra dia manamarina maimaimpoana izay matoky an’i Jesoa, noho ny fahasoavany (Romana 3:24-26).

Ny finoana ihany no hany lalana hisitrahana izany fanamarinana maimaimpoana omen’Andriamanitra izany. Azy irery ihany ny voninahitra noho ny famonjena antsika. Ny fitiavana hanampy asa ny finoana, toy ny hoe anjara biriky mba hankasitran’Andriamanitra anao, dia fieritreretana fa tsy ampy ny nahafatesan’i Jesoa. Faniratsirana an’Andriamanitra izany!

Na i Kristy no Mpamonjy ahy manokana sy hany Mpamonjy, na tsy Mpamonjy mihitsy Izy. Raha toa aho mieritreritra fa misy zavatra ao anatiko ao ahazoako sitraka amin’Andriamanitra, na dia mahonon-tena, marina, mivavaka aza aho, dia mbola eo ambany ozon’Andriamanitra ihany (Galatiana 3:10). Tanam-poana no entin’ny finoana mahavonjy eo anatrehan’i Kristy, mba hiantehitra tanteraka amin’ny famindrampony sy ny fahasoavany. Eo noho eo dia ambaran’Andriamanitra fa marina aho. Ataony izany, raha vao mandray an’i Kristy ho Mpamonjiko aho, ary ho mandrakizay izany. “Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika” (Romana 5:1).

 

4.2  Ny fiainana mandrakizay

Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo (1 Jaona 5:13).

Ny fiainana mandrakizay dia miantomboka amin’ny fahateraham-baovao ary tsy hifarana mihitsy. Asan’ny Fanahy Masina izany ao anatin’ny olona izay mihaino sy mino. Amin’ny alalany no hizaran’ny mpino fiainana miaraka amin’i Jesoa. Jesoa Izy tenany koa no fiainana mandrakizay, ary tsy azo sarahina aminy, na amin’ny finoana Azy (Romana 6:23), izany fiainana izany.

Ny fiainana mandrakizay, dia tsy fiainana tsy misy fahataperany ihany, fa fiainam-baovao, fiainana misy fiombonana amin’Andriamanitra, fidirana any amin’ny fanjakàn’Andriamanitra, fisitrahana fahamarinana tsy hita maso, fahalalana koa an’Andriamanitra (Jaona 17:3).

 

4.3  Ny fanomezana ny Fanahy Masina

Mba horaisintsika amin’ny finoana ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy (Galatiana 3:14).

Rehefa nasandratra ho eo an-tànan’ankavanan’Andriamanitra ny Tompo Jesoa, dia nandefa ny Fanahy Masina, ny andron’ny Pentekosta (Asa 2. 33). Nataon’ny Fanahy batisa ny mpino mba ho vatana iray, mba hamorona ny Eglizy vao miforona. Hatramin’izay, izay rehetra mpino mandray ny Tompo Jesoa ho Mpamonjy azy manokana, dia mandray ny Fanahy Masina. Amin’ny fanomezana io Fanahy Masina io no mahatonga azy ho isan’ny Eglizy, izay tenan’i Kristy. Ny Fanahy Masina no manisy tombo-kase ny mpino, mba ho marika fa an’ny Tompo Jesoa ho mandrakizay izy. Ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina dia fitahiana hafa noho ny fahateraham-baovao (Efesiana 1:13), kanefa dia mifamatotra akaiky izy roa ireo.

Mandritra ny vanim-potoana kristiana izany, dia tsy mila mangataka ny fanomezana ny Fanahy Masina isika, na hitady zavatra manokana (*) ho toy ny marika fa nandray Azy. Fa kosa, na amin’izany na amin-javatra hafa, mitoky amin’ny Tenin’Andriamanitra irery ihany, izay mampanantena ny Fanahy Masina noho ny finoana mihaino sy mandray (Galatiana 3:2).

 

(*) Toy ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra. Io fanomezana io dia tsy zaraina amin’ny mpino rehetra (1 Korintiana 12:30). Tsy azo lazaina fa ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra dia “dingana tsy maintsy atao” hanaporofoana fa nandray ny Fanahy Masina.

 

4.4  Ny vaninandron’ny finoana kristiana

Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika. Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesoa (Galatiana 3:25-26).

Tsy eo ambany lalàna intsony isika; fotoan’ny finoana izao, fa mbola tsy fotoan’ny fahitana. Vaninandro tsara dia tsara izao (fizaràm-potoana), voamariky ny maha any an-danitra an’i Kristy, ny maha etỳ an-tany ny Fanahy Masina ary ny fiandrasana ny fiverenan’ny Tompo. Io no fotoana fifamofoan’ny Eglizy sy i Kristy, ary firaisan’ain’ny voavidy tsirairay amin’ny Tompony (fanahy iray aminy (1 Korintiana 6:17)). Fotoam-pahasambarana hisian’ny fahafahana kristiana sy ny fahalalana an’Andriamanitra ho Ray amin’ny alalan’i Jesoa.

Mbola misy fitahiana hafa mifamatotra amin’ny finoana ny Tompo Jesoa: ny maha zanak’Andriamanitra, zanakalahin’Andriamanitra, mpandova (Galatiana 4:7), ny fonenan’i Kristy ao amin’ny mpino (Efesiana 3:17), ny fandresena izao tontolo izao (1Jaona 5:4)(, ny fisitrahana zavatra tsy hita maso (Hebreo 11:27)

 

5  Ny finoana iainana

Ny finoana, araka ny efa hitantsika, dia fifandraisan’aina eo amin’i Kristy natsangana tamin’ny maty sy ny mpino. Io fifandraisana vokatry ny Fanahy Masina sy kolokoloiny io dia miseho indrindra amin’ny famakiana ny Baiboly, izay fantsona hitenenan’Andriamanitra amintsika, ary amin’ny vavaka izay fomba iresahantsika amin’Andriamanitra. Ny fifandraisantsika manokana amin’Andriamanitra no ivon’ny finoantsika ary koa ivon’ny fijoroantsika ho vavolombelona. Io no mametraka sy mandamina ny fifandraisantsika hafa rehetra.

Ndeha hodinihintsika àry ny lafiny sasantsasany iainana ny finoana.

 

5.1  Ny finoana dia mamokatra asa tsara

Voaforona tao amin’i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy (Efesiana 2:10).

Efa hitantsika fa ny finoana ihany no hany afaka hanamarinana antsika, fa tsy ny fanaovana ny asan’ny lalàna akory. Kanefa ny tena finoana dia miasa, ary mamokatra asan’ny finoana (1 Tesaloniana 1:3). Ireo asa ireo no porofo eo anoloan’ny olona fa marina isika. Raha tsy misy ny asa mampiseho ny finoana, dia maty izy (Jakoba 2:17).

“Ny finoana dia feno hafanam-po, mahery amin’ny asa, mahery fo sy mafy, mamokatra lalandava. Mamokatra asa tsara mandrakariva izy, satria izay no toetrany” (Martin Luther). Miasa amin’ny fitiavana (Galatiana 5:6) izy, loharanon-kery tsy misy toa azy eo amin’ny fiainan’ny kristiana. Hery hiasana, hery hankatoavana! (Romana 16:26)

Ny finoana dia ampianarina amin’ny ohatra aloha. Fijoroana ho vavolombelona tena manan-kery izy rehefa manova ny fiainantsika. Miseho amin’ny teny koa izy: “Nino aho, ka dia niteny” (2 Korintiana 4:13).

 

5.2  Ny fiainana amin’ny finoana

Ny marina ho velon’ny finoany (Habakoka 2. 4).

Raha fantsona ahazoana ny fiainana mandrakizay ny finoana, dia izy ihany koa no fantsona hanehoana io fiainam-baovao io ho voninahitr’Andriamanitra. “Fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).

Ny miaina amin’ny finoana, dia miaina amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra andavanandro, amin’ny andro rehetra iainana. Ary koa mianatra miteny hoe “eny” amin’i Jesoa (Lioka 1:38): mamaly ny fanasany isan’andro mba hanaraka Azy, mandray ny teny fampanantenany, manaiky ny sitrapony. Io “eny” io dia fanoloran-tena mitombo hatrany hatrany.

Ny finoantsika dia fanoloran-tena, ary koa fianteherana am-pitokiana amin’Andriamanitra, satria amin’ny maha mahatoky Azy no ahitantsika hery mba ho mahatoky koa. Aoka isika tsy hieritreritra fa afaka manatanteraka amin’ny herin’ny tenantsika ihany izay takian’Andriamanitra, nefa aoka koa isika tsy hiraviravy tànana raha asain’Andriamanitra miasa. Ny finoana dia miankina amin’ny Tompo isan-tsegondra, mba hahazoana ilay hery avy aminy, izay mahatonga antsika ho afaka hanompo Azy sy hanahaka Azy.

Farany, ny miaina amin’ny finoana, dia miaina eo anatrehan’Andriamanitra, mahatsiaro fa manatrika eo Izy, fa manan-jo Izy. Tsy afaka miala tsy ho hitan’Andriamanitra ny olona (Salamo 139:7), fa ny mpino kosa dia mikatsaka ny fanatrehan’Ilay Andriamaniny sy ny fankasitrahany. Io lafin’ny finoana io dia mifanakaiky indrindra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izay averimberina matetika ao amin’ny Testamenta Taloha.

Tsy ampy ny hoe hiainan’ny kristiana tsirairay amin’ny finoana, ny fiangonana eo an-toerana koa dia tokony hanao izany. Tokony handeha am-pahamarinana amin’ny finoana sy ny herin’ny Fanahy Masina izy. Mitaky fahavononana sy faharetana isan’andro izany.

 

5.3  Ny fahasahian’ny finoana

Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany (Hebreo 11:8).

Ny finoana dia mianatra mitoky amin’Andriamanitra, na dia misy olana aza, na koa tena tsy fetezan-javatra mihitsy. Tsy mikaroka momba ny fomba hanatanterahana izany ny mpino; matoky an’Andriamanitra izay fantany fa mahefa ny zavatra rehetra izy; matoky ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra izy, na dia heverina fa sahisahy loatra aza izy. Ny fahasahian’ny finoana dia mitarika handroso hatramin’ny farany. Ny Tompo Jesoa dia tonga hatramin’ny fanomezana ny ainy noho ny tsy fivadihany amin’Andriamanitra, ilay Rainy. Mandroso, satria tsy matoky afa-tsy Andriamanitra, satria tia Azy, satria izay antony hafa dia zava-poana ihany. Ny finoana dia mahari-pery satria fantany mialoha ny vokatra. Ny mpamafy dia efa mijery sahady ny vokatra. Amin’ny tomany no hamafazana, satria na aiza na aiza hanaovana asan’Andriamanitra izay tahiana, dia misy aloha ny fangirifiriana, kanefa dia hijinja amin’ny hiram-pifaliana (Jaona 4:35 ; Salamo 126:6).

 

5.4  Ny fisedrana ny finoana

Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy (1 Petera 1:6-7).

Ny finoana, — ary hita mandrakariva ao amin’ny Baiboly sy ny traikefan’ny mpino izany —, dia mandalo, na ho ela na ho haingana, fisedrana, fitsapana. Io fisedrana io dia miseho amin’ny fomba samihafa. Voalohany aloha, ny mpino dia matetika mifanena amin’ny fankahalana, ny fanaovana tsinontsinona, ny fanarabian’ireo izay tsy mino an’Andriamanitra, raha tsy hilaza ny tranomaizina sy ny fampijaliana (Genesisy 22:1 ; Hebreo 11:36).

Ny mpino koa dia voazaha toetra amin’ny toa tsy famalian’Andriamanitra ny vavaka ataony, na koa amin’ny fangirifiriana, ny aretina, ny famoizana olon-tiana. Raha zohina, ny misedra antsika dia ny elanelana misy eo amin’ny lafin’ny finoana (izay fanjakàn’ny fahamarinana tsy hita maso), sy ny tontolo hita maso. Satria ny finoana dia ny masom-panahy mibanjina ny fahamarinana any an-danitra.

Izany fizahan-toetra rehetra izany, eo am-pelatànan’Andriamanitra, dia fomba hanadiovana ny finoantsika tsy hisy taim-piraka (Malakia 3:3). Inona moa izany taim-piraka izany? Ny fahatokisan-tena (2 Korintiana 1:9), karazana tsy finoana, ny fizahozahoana indraindray. Ny fizahan-toetra koa dia maneho ny fisian’ny finoana; manamafy azy izy satria ny mpino voazaha toetra dia mahatsapa fa mahatoky Andriamanitra ary mitana ny teny nolazainy. Farany, ny fizahan-toetra dia mamokatra faharetana. “Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po” (Jakoba 5:11).

Amin’ny andro fisedrana, dia aoka isika hahay hanovo hery amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fihainoana ny teniny. Aoka isika hianatra hankatoa azy am-pahatokiana, na inona na inona miseho, tsy ho resin’ny fahasarotana, ny fitebitebena sy ny firaviravian-tànana. Ny finoana dia maharitra amin’ny fizahan-toetra. Mitombo izy amin’ny fandiavany fizahan-toetra: ho an’ny mpino, dia miaina (2 Tesaloniana 1:4 ; 1 Petera 1:7 ; Isaia 38:16) izany.

 

5.5  Ny tompon’ny finoana

Mijery an’i Jesoa, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy (Hebreo 12:2).

Ho fampirisihana antsika amin’ny làlan’ny finoana, dia tsy maintsy mijery an’i Jesoa isika. Izy no ilay olona tanteraka. Nandritra ny fiainany iray manontolo, dia nitoky tamin’Andriamanitra Izy, ary nitoky hatramin’ny fahafatesana (Salamo 16:1 ; Salamo 40:1-2) Izy. Feno tanteraka ny fankatoavany ny Andriamaniny, ary ny fahafatesany no fanehoana (Jaona 10:18) lehibe indrindra an’izany; nivelona tamin’ny tenin’Andriamanitra rehetra izy, tamin’ny fiankinan-doha tanteraka (Matio 4:4). Noho izany, dia Izy no tompon’ny finoana, Izy izay nialoha làlana tamin’io làlan’ny finoana izay alehantsika io, ary hisedrana antsika matetika. Ny Tompo Jesoa dia nandia io làlan’ny finoana io, nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ary nentiny ho amin’ny fahatanterahana ny finoana. Efa tratrany ny tanjona, ny fanatrehan’Andriamanitra Rainy am-boninahitra. Ankehitriny, any ambony any, ao amin’ny voninahiny, no hitondran’ny Tompo Jesoa ho antsika ny fampaherezany mba hahafahantsika mihazakazaka, am-paharetana sy ho voninahiny, ao amin’io làlana io. Mandra-pahatongan’ilay andro be voninahitra izay hahatratrarantsika koa, miaraka amin’ireo olona marobe vavolombelon’ny finoana, ny hafaliana noho ny fanatrehany.

 

6  Famaranana

Ny finoana dia mitoetra ho zava-miafina satria fanomezan’Andriamanitra izany. Izay zavatra rehetra avy amin’Andriamanitra — ny zavatra ataony, ny eritreriny — dia mihazona foana lafiny tsy ahatakarantsika azy, zavatra miafina sy be voninahitra.

Eto am-pamaranana, dia tianay ny hanome fampirisihana roa loha:

Ny voalohany ho an’izay olona mbola tsy nanaiky an’i Jesoa ho Mpamonjy azy;

Ny faharoa hoa an’ireo olona rehetra izay nino ny Tompo Jesoa, noho ny fahasoavana.

 

6.1  Manapa-kevitra ho an’i Kristy

Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako (Marka 9:24).

Manolo-tena, mandray an’i Kristy ho ao amin’ny fiainana, manaiky ny fahefany feno fitiavana, izany no dingana voalohany amin’ny finoana. Nisy olona afaka nanoratra hoe: “Tsy fitsambikinana any amin’ny zavatra tsy fantatra akory izany, satria Andriamanitra tsy mangina. Manasa ahy hametraka fanontaniana mafonja Izy momba ny fisian’izao tontolo izao, ny fifamahofahony, ny fisian’ny olombelona. Manasa ahy hametraka izany fanontaniana izany Izy, dia hihaino Azy, hino Azy ary hiondrika eo anatrehany. Noho ny fahadisoako, dia mila an’i Kristy izay maty nisolo toerana ahy aho, mba hamafana ny fahotako”.

Raha fintinina, dia tsotra ny fanontaniana mipetraka: Hanaiky an’i Kristy ve aho sa handa Azy? Tianay ny hampirisika ny tsirairay: “Raiso ny fitiavan’Andriamanitra; fidio ny fiainana! Manapaha hevitra ho an’i Kristy. Aza mijanona eo amin’ny fisalasalanao eo!”

 

6.2  Ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana (1 Korintiana 13:13).

Matetika no nosoritana ny fifamatorana lalina eo amin’ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, izay ampiarahina imbetsaka ao amin’ny Soratra Masina (Kolosiana 1:4). Ireny toetra tsara kristiana rehetra ireny dia nipoitra sy tanteraka ao amin’i Jesoa. Ireny no manome ny kristiana ny tena maha izy azy ary tsy azo sarahina izy ireo. Ny finoana no mampitsimoka ao am-pontsika ny fanantenana ny fiverenan’ny Tompo Jesoa, Ilay tia antsika. Izy no ahafahantsika mandray ny fitiavan’Andriamanitra. Ny fanantenana no manazava sy mampahery ny finoantsika. Ny fitiavana no mampamokatra ny finoana.

Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika (1 Jaona 4:16).

Ho antsika mpino, io fanambaràna tsara dia tsara nataon’ny apostoly Jaona io momba ny fitiavan’Andriamanitra no milaza amintsika ny tsiambaratelo sy ny dikan’ny finoana mandresy. Raha fintinina, ny mino, dia ny mahatsapa fa tia antsika Andriamanitra, ianao sy izaho. Tia antsika ho mandrakizay Izy ary isan’andro.

Handresy ny fitiavany.

 

7  Fanontaniana miverimberina matetika

Izao, dia ndeha handinika fanontaniana sasantsasany izay matetika apetraka momba ny finoana, ary mazava ho azy fa tsy mihambo hitondra valiny voafaritra tanteraka akory, fa kosa manolotra làlana sasantsany ho saintsainina.

 

7.1  Siansa sy Baiboly

Inona no ifandraisan’ny siansa sy ny Baiboly? Tsy mihevitra ve ianao fa amin’ny farany, dia ho hazavain’ny siansa daholo ny zavatra rehetra, ka ho lany andro ny Baiboly?

Ny maha siansa ny siansa dia ny famaliana ny hoe “ahoana”. Manazava ny fizotran’ny zavatra hita maso izy. Ny Baiboly kosa dia manazava ny fiaviany sy ny antony hisiany. Ndeha alaintsika ohatra ny fiara. Ny siansa dia manazava hoe ahoana no fomba hanaovana azy ary ahoana no fomba mampandeha azy. Fa tsy afaka hilaza amintsika kosa izy hoe inona no atao aminy, na aiza no toerana aleha. Ny siansa dia tsy afaka na oviana na oviana hilaza amintsika hoe nahoana no misy izao tontolo izao. Tsy ao anatin’ny zavatra sahaniny ny nipoiran’izao tontolo izao sy ny tanjona nisiany.Tsy afaka koa izy hanome antsika toro-làlana moraly ho an’ny fiainantsika.

Izany fanontaniana rehetra izany dia valian’ny Baiboly, ary be noho izany aza no ataony. Manambara amintsika izy hoe iza Andriamanitra ary ahoana no fomba hifandraisana aminy. Mampiseho amintsika koa izy hoe inona moa isika, izay manana ireo filàna moraly sy ara-panahy. Raha ny marina, dia matetika izy no mamoha ireo filàna ireo amin’ny fampisehoany ny tena haja amin’ny maha olombelona antsika. Afaka mamaly izany koa izy, raha vohaintsika amin’ny hafatra entiny ny saintsika.

Etsy andaniny, ny Baiboly dia mitondra valiny tena mitombina ho amin’ireo fanontaniana navoitran’ny zava-baovao hitan’ny siansa moderina. Io siansa io tokoa mantsy no “nampiseho” fa misy lamina azo fantarina sy fifandanjana amin’ny kely indrindra. Ambonin’izany, io lamina io, io fandaminana ny tontolo io, dia takatry ny saintsika izay voafetra ihany. Nahoana? Avy aiza ny fandaminana izao tontolo izao? Ary nahoana isika no afaka mahazo io lamin’izao tontolo izao io?

Ny valiny omen’ny Baiboly dia izao: Andriamanitra Izay namorona ny tontolo no nanome antsika koa fisainana sy fahaizana, toy ny fitiavana hahafantatra. Io Andriamanitra izay nanome ahy saina io no nanao izay hahafa-po ilay saina. Nanambara ny tenany Izy, ary, ambonin’izany rehetra izany, manolotra ny fitiavany sy ny famelan-kelony, ny fiainana mandrakizay, ho an’ny olona mpanota. Izany no antony tokony hamakiana ny Baiboly, izany no antony tokony hinoana azy.

 

7.2  Fahamarinana azo antoka lazain’ny siansa sy fahamarinana azo antoka lazain’ny finoana kristiana

Tsy heverinao ve fa afaka manambara fahamarinana azo antoka ny siansa nefa ny finoana dia milaza hevitra tsy maharesy lahatra fa marina tanteraka?

Ny fomba fiasan’ny siansa dia mifototra amin’ny vinavina maromaro izay ekena ho marina tsy iadian-kevitra. Ambonin’izany, afaka mandini-javatra isika noho ireo fitaovana namboarintsika sy ny fomba amintinan’ny saintsika izay hita. Noho izany, ny fahalalan’ny olombelona dia tsy maintsy misy lafiny tsy azo antoka foana. Tsy manambara fahamarinana azo antoka izany ny siansa, fa kosa fahalalana marina amin’ny fotoana sy toerana voafaritra. Satria tokoa mantsy, izany fahalalana izany dia miankina amin’ny volavolan-kevitra efa nekena ho marina tany aloha.

Ny fanambaràna azo antoka entin’ny finoana kosa dia mipoitra avy amin’ny fihainoana an’Ilay Andriamanitra velona mandrakizay, izay miresaka amintsika ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Amin’ny alalan’ny Fanahiny no hanamarinan’Andriamanitra ao am-pontsika fa azo antoka ny fanambaràna ao amin’ny Soratra Masina. Ny fanambaràna azo antoka entin’ny finoana dia mihoatra noho ny fijerena ny lafiny ara-tsaina fotsiny, satria nipoitra avy amin’ny fifankahitana tamin’Andriamanitra. Ny fanambaràna ao amin’ny Baiboly dia mahakasika antsika lalina kokoa noho ny rijankevitra siantifika, satria ny maha isika antsika tanteraka no tafiditra ao, indrindra fa ara-moraly.

 

7.3  Finoana sy fahendrena

Tsy mifanohitra ve ny finoana sy ny fahendrena?

Nisy afaka nanoratra momba izany hoe: “Ilay Andriamanitra velona mandrakizay, tsy manam-petra, no tonga zazakely, avy eo dia mpandrafitra mahantra, nijaly tamin’ny fahafatesana mahamenatra teo amin’ny hazofijaliana, tena niverina ho velona marina, ary noho izany dia ambaran’Andriamanitra fa marina izay mino an’i Jesoa”, ireo zavatra manan-danja rehetra amin’ny finoana kristiana ireo dia tena fahadalana mihitsy ho an’ny olombelona (1 Korintiana 1:18). Ny marina anefa, dia mampiseho indrindra ireo fa misy Andriamanitra mendrika izany anarana izany. Tsy Andriamanitra araka ny famerako Azy, vokatry ny fisainako. Fa Andriamanitra tsy misy fetrany, izay manana fihevitra mihoatra tanteraka izay mba mety ho takatry ny saiko. Avelako eo izany ny hamboko hitoky fa ny saiko no hany mpitsara farany. Manetry tena aho hihaino an’Andriamanitra. Miteny ao amin’ny Baiboly Izy ary manolotra porofo aza hodinihin’ny saiko: ny fahagagana momba ny Fahariana, ny fahagagana momba ny nananganana an’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ary ireo faminaniana marobe tanteraka…”

Noho izany, ny finoako no manazava ny saiko. Volavolainy indray ireo fihevitro fahiny, ireo zavatra ninoako an-tsokosoko, ary ovàny ny fomba fitiavako na ny fomba fisainako. Tsy hoe mino tsy mahafantatra aho fa kosa mahafantatra satria mino sy manaiky ny fihevitr’Andriamanitra. Amin’izay dia mihetsika ny saiko hahalala bebe kokoa ny lamina napetrak’Andriamanitra izay mifantoka amin’i Jesoa Kristy, Izy izay “ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana” (Apokalypsy 22:13).

 

7.4  Finoana sy fihetseham-po

Ahoana no ahazoako antoka fa manana finoana aho? Tsy tokony hahatsapa zavatra sasantsasany ve, na miaina fanandramana sasantsasany?

Fakam-panahy mandrakariva, nandritra ny vanim-potoana nifandimby, ny fitadiavana hanorina ny fiadanan’ny tena amin’ny fihetseham-po na ny traikefa. Raha tena dinihina, tsy mitoky amin’Andriamanitra izany fa amin’ny tena. Izay no lalan-diso amin’ny olona vontom-pinoana, ary mbola loza mananontanona mandraka ankehitriny izany. Kanefa ny fototry ny finoana kristiana dia tsy ny “izaho” velively, na koa ny asan’ny Fanahy Masina ato anatiko, fa kosa ny Tenin’Andriamanitra. Ny iantefany koa dia tsy ilay “izaho” fa i Jesoa Kristy.

Tsy iadian-kevitra fa ny finoana dia mety hiteraka fihetseham-po ahatsiarovana ho sambatra ao anaty ao, nefa tsy izany no tokony ho fototry ny fiadanantsika. Raha toa ny fihetseham-po no omentsika ny loha-laharana, ny finoana sy ny fisalasalana dia tsy inona akory fa anarana omentsika ny toe-pontsika miovaova. Tsy ny ao anatintsika velively akory no ataon’ny finoana ho fototry ny fitsaharana. Tsotra ihany no ahazoantsika ny fiadanana, dia ny mino izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina, ary tsy mitady hanamarina ny fisian’ny finoantsika amin’ny fihetseham-po sasantsasany. Tsy tokony hitoky am-pahiny amin’i Kristy isika, ary am-pahiny amin’ny finoantsika. Ny zavatra takiana amintsika dia, voalohany indrindra, ny mino tsotra izao, amin’ny fontsika manontolo, fa tanteraka ny asam-pamonjena nataon’i Kristy tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Manaraka izany, dia miaina amin’io fototra io, amin’ny fankasitrahana an’Andriamanitra.

 

7.5  Ampy ve ny tso-po?

Tsy heverinao ve fa ny zava-dehibe dia ny mino sy ny tso-po, fa tsy dia ilaina loatra ny mifantoka amin’ny vontoatin’izay inoantsika?

Ny fisainana toy izany, izay mateti-pitranga, dia mety ho hita hoe malalaka, kanefa dia diso sy mamoa-doza izany. Ndeha isika haka ohatra tsotra iray: Tsy satria akory mino ianao fa mafy ny tohatra iray no tsy hahatapaka azy rehefa iakaranao! Ny zavatra manan-danja, dia tsy ny hoe mino, fa ny mino izay lazain’Andriamanitra amintsika, ary mahatoky Azy mba ho famonjena antsika. Tsy azo sarahina amin’ny loharano nipoirany ny finoana: ny Tenin’Andriamanitra. Raha jerena aza ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny voambolana hoe “finoana” dia milaza na ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra, na io Teny io mihitsy.

Izany koa no antony tsy ampifangaroana ny finoako amin’ny faniriako manokana (milaza fa marina ny faniriako), na amin’ny fanapaha-kevitra tsy marim-pototra. Ny finoako dia tsy maintsy faharesen-dahatra ateraky ny famakiako ny Baiboly, sy ny fanambaràna ao anatiny, izay tsy miankina amiko, ary marina tanteraka satria Andriamanitra no nanao izany.

“Ny teny vavolombelonao dia marina indrindra… Jehovah ô” (Salamo 93:5).

 

***

Mifandraika amin’io lohahevitra io, dia mampirisika ny famakiana ireto asa soratra ireto izahay:

  • Miteny Andriamanitra, mino isika, Ph. Fournier- H. Laügt

  • Ny hevi-baventy ao amin’ny Baiboly, F. Gfeller

  • Miara-dia amin’i Jesoa Kristy, H. L. Heijkoop

  • Mifandray amin’Andriamanitra, F. Gfeller

  • Abidian’ny kristiana, W. Gschwind