Tokony hitandrina ny sabata ve ny kristiana ?

 

H. Laügt

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

 

Fizahan-takila

1        Fampidirana

2        Ny foto-pampianarana kristiana momba ny sabata

2.1        Ny fahefan’ny lalàna sy ny sabata ary ny lanjany

2.2        Inona no anjara asan’ny lalàna?

2.3        Ny fomba fijery kristiana

2.4        Ny toeran’ny sabata ao amin’ny lalàna

2.5        Ny kristiana sy ny sabata

3        Ny sabata ao amin’ny Testamenta Vaovao

3.1        Ny sabata ao amin’ireo filazantsara

3.2        Ny sabata ao amin’ny Asan’ny Apostoly

3.3        Ny sabata ao amin’ireo Epistily

4        Fampitahana ny andro voalohany sy ny andro fahafito amin’ny herinandro

4.1        Ny asabotsy sy ny vaninandron’ny lalàna

4.2        Ny alahady sy ny vaninandron’ny fahasoavana

5        Valim-panontaniana sasantsasany

5.1        Genesisy 2:3:

5.2        Eksodosy 20:8:

5.3        Matio 24:20:

5.4        Hebreo 4:9:

5.5        Ny sabata sy ny fahafahana kristiana:

 

 

1  Fampidirana

Ny famakiana ireo epistily ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ampy ahitana fa ny sabata dia tsy mitana voalohan-toerana ao amin’ny foto-pampianarana kristiana, ary tsy mety raha dia mitarazoka loatra amin’io ny mpino. Ny zavatra hita anefa dia maneho fa izay tsy nahazo fampianarana tsara ny amin’io lohahevitra io, dia mahatsapa fahasarotana maro hialàny amin’ny tsy maintsy itandremana ny sabata. Na dia tsy mitandrina izany intsony aza izy, dia matetika tsy afaka ao am-pony ny fahatsapana hoe tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra. Enga anie ny olona toy izany, mba hotahian’ny Tompo amin’ny famakiana ity lahatsoratra ity, izay nosoratana mba hifanampian’ny mpirahalahy.

 

2  Ny foto-pampianarana kristiana momba ny sabata

Ndeha aloha tsahivina ny momba ny fahefan’ny lalàna sy ny tanjony, alohan’ny hanazavana ny toerana misy ny kristiana manoloana ny sabata. Ho hitan’ny mpamaky amin’izany fa tsy manamaivana na dia iray aza amin’ny Tenin’Andriamanitra isika.

 

2.1  Ny fahefan’ny lalàna sy ny sabata ary ny lanjany

Tamin’ny fomba manetriketrika indrindra no nanomezana ny lalàna an’i Isiraely tao Sinay: “… dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra, ary nisy feon’anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby… Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo” (Eksodosy 19. 16, 18). Ny Testamenta Taloha iray manontolo dia manambara ny fahefan’ny lalàna, satria izany no antoky ny voninahitr’i Jehovah izay nanome azy. Manantitra ny lafiny ara-moraly ny amin’ny lalàna ny mpaminany, ary koa ny sabata izay didy fahefatr’io lalàna io. Ny Testamenta Vaovao koa dia tena hentitra momba ny fahefan’ny lalàna:

“Mandra-pahafoanan’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra” (Matio 5:18. Jereo manontolo io andinin-tsoratra io). Ho tanteraka ny fanekena io fahefana io rehefa hitsara izay miafina any am-po Andriamanitra: “Fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna” (Romana 2:12. Jereo koa Jaona 5:45).

Tsy mahagaga izany raha toa misy kristiana tia sy manaja ny fivavahana ka mametra-panontaniana momba ny lalàna sy ny sabata. Tsy hilazana izy hoe nilaozan’ny toetr’andro na nofoanana ny lalàna. Tsy ampy izany fanazavana izany ho an’ny olona manaja ny Teny: moa ve tsy Andriamanitra no nanome ny lalàna? Aleo kokoa dinihina ny tanjona nanomezana ny lalàna, sy ny olona iantefany, izany hoe iza no tokony hitandrina azy.

 

2.2  Inona no anjara asan’ny lalàna?

Nomena an’i Isiraely ny lalàna ary nampanantenaina fiainana izay manatanteraka azy. Nefa tsy nisy olona na dia iray aza afaka nanaja azy tanteraka, afa-tsy ny Tompo Jesoa. Navelan’Andriamanitra nanandrana izany anefa ny olona mba hanaporofoana amintsika fa tsy afaka mahazo ny fiainana amin’ny fanatanterahany ny lalàna ny olombelona. Ny notadiavin’Andriamanitra, dia ny hahatonga antsika ho amin’ilay hany làlana mitondra ho amin’ny famonjena, dia i Jesoa Kristy. Ny lalàna izany no mitarika antsika mandra-pahatongantsika eo amin’i Kristy: izy no mampahalala antsika ny amin’ny ota (Galatiana 3. 24 ; Romana 3:20 ; 7:7 sy Galatiana 3:19).

Ankoatra izany, dia milaza amintsika ny Soratra Masina fa ny lalàna no herin’ny ota (1 Korintiana 15:56). Mahita ny heriny manontolo ao amin’ny olombelona ny ota rehefa misy lalàna hodikaina. Izany no mahatonga ny lalàna ho fanompoana mitondra ozona sy fahafatesana.(2 Korintiana 3:7, 9 ; Galatiana 3:13): ataovy eo ambany lalàna ny olona iray, dia hanjary ozona ho azy izany, satria tsy afaka ny hanatanteraka izany izy.

Koa ahoana àry no hahafahana amin’io ozon’ny lalàna io, sady hanekena fa Andriamanitra no nanome azy ary tsy azo ovàna ny fahefany? Tsotra: tsy voafehin’ny lalàna intsony ny kristiana satria efa maty ny amin’ny lalàna (Galatiana 2:19), na dia manan-kery mandrakizay aza io lalàna io. Ndeha izany hojerena ny tena toerana misy ny mpino.

 

2.3  Ny fomba fijery kristiana

Ampianarin’ny Testamenta Vaovao antsika fa ny olombelona dia ratsy tsy misy fanafana (Romana 3:9, 20) ary very. Tsy misy afa-tsy làlana iray no ahazoany miala amin’izany toerana mahatsiravina misy azy izany: ny fahafatesana. Ary izany indrindra no miseho amin’ny mpino: maty izy, fa miara-maty amin’i Kristy (Romana 6:5-11), ka noho izany, dia maty ny amin’ny ota (Romana 6:11) sy maty ny amin’ny lalàna (Romana 7:4 sy Galatiana 2:19). Tsy ny toetrany voalohany intsony no iainany, na ny maha zanak’i Adama azy, izay tompon’andraikitra manoloana ny fieritreretany, na ny maha zanak’i Isiraely azy, izay voatery hanaraka ny lalàna. Ny hany fiainana ekeny hoe azy, dia fiainana fitsanganana amin’ny maty. Andaniny, ny fiainany dia miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra (Kolosiana 3:3), ankilany, ny fiainany dia tena ny fiainan’i Kristy. “Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” (Galatiana 2:20).

Rehefa tonga kristiana ny olona dia maty ny amin’ny toetrany voalohany, ary foana tanteraka ho mandrakizay ny famehezana azy amin’ny lalàna (Romana 7:1-4). Miray amin’i Kristy izy ankehitriny: ny hany fitsipi-pitondrantenany dia ny fanahafana an’Andriamanitra, Andriamanitra ao anatina olona, izany hoe Jesoa Kristy (Efesiana 5:1-2). Tsy miseho amina fanarahana lalàna voafaritra mazava tsy akory io fitsipika io, fa, ny marimarina kokoa, dia amina foto-pisainana: mandeha amin’ny fitiavana, amin’ny mazava, amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina…

Ny fandehanana toy izany, amin’ny lafiny ara-moraly, dia ambony kokoa noho izay takian’ny lalàna. Ohatra, hoy ny lalàna hoe: “Aza mangalatra” (Eksodosy 20:15), fa ny apostoly kosa dia mampirisika hoe: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana” (Efesiana 4:28). Ny fahasoavana dia manameloka ny fangalarana, nefa tsy izany ihany, fa, ambonin’izany, mampirisika ny hanome araka ny tora-po, fo manjary afaka mitia, sy noho ny herin’ny Fanahy Masina. Hany ka: “Izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna” (Romana 13:8, 10). Raha izany àry ny zava-misy, satria ny kristiana dia manana toetra sy hery mihoatra izay takian’ny lalàna, nahoana izy no tsy mitandrina an-tsitrapo ny sabata, nefa anisan’ny lalàna io? Ny valin’izany fanontaniana — nampieritreritra mpino tso-po maro — izany dia satria manana toerana manokana ao amin’ny lalàna ny sabata.

 

2.4  Ny toeran’ny sabata ao amin’ny lalàna

Manana toerana tena mavesa-danja ao amin’ny lalàna ny sabata. Raha jerena tsara ny didin’i Mosesy, dia hita fa mifamatotra amin’ny tsirairay amin’izy ireo ny sabata; raha ny mpaminany indray no dinihina, dia saika izy rehetra no manantitra ny momba ny sabata (Ohatra Jeremia 17:19-27). Farany, ao amin’ny Didy Folo nomena tao Sinay, dia manana toerana manokana ny sabata, satria misy lafiny mivohitra tahaka ny didy hanajana ny ray aman-dreny, dia ny fahatsiarovana ny fitsaharan’Andriamanitra tamin’ny fahariana; fa ny didy hafa dia fandraràna ranofotsiny. Koa tsy mahagaga izany raha nankamamin’ny Isiraelita tia vavaka tokoa ny nanaja azy io (Isaia 58:13).

Mbola misy toetran’ny sabata hafa koa izay mampiavaka azy tanteraka amin’ireo didy hafa: ny sabata dia mifamatotra amin’ny fahefan’Andriamanitra irery ihany. Nahoana no tokony notandremana ny sabata? Satria izany no nolazain’i Jehovah. Izay ihany no antony, fa ao amin’ireo didy hafa kosa, dia misy antony faharoa, dia ny fifandraisan’izy ireo amin’ny feon’ny fieritreretana.

 

Misy lafiny roa ny lalàna:

  • Lafiny ara-moraly izay mifandraika amin’ny feon’ny fieritreretana ara-boa-janaharin’ny olombelona. Araka izany, ny jentilisa tarihin’ny feon’ny fieritreretany fotsiny dia ho afaka manaraka ny ankabeazan’ny didy ao amin’ny lalàna (Romana 2:14-15).

  • Lafiny fifandraisana, izay tsy mikasika afa-tsy ny vahoaka Isiraely, vahoakan’Andriamanitra tetỳ an-tany izay nomena ny lalàna ho fanekena. Raha izay lafiny izay no jerena, dia ny sabata no didy votoatiny ao amin’ny lalàna; izy ihany dia efa fanekena, famantarana eo amin’i Jehovah sy ny vahoakany etỳ an-tany: “Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an’i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ny andro Sabata dia hatao maty tokoa. Dia hotandreman’ny Zanak’i Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. Ho famantarana amiko sy amin’ny Zanak’i Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ny henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra” (Eksodosy 31:15-17 sy Ezekiela 20. 12). Io famantarana io dia mifanaraka amin’ny fanirian’Andriamanitra handraisan’ny vahoakany etỳ an-tany anjara amin’ny fitsaharany tamin’ny fahariana.

 

Raha izay dikany izay no jerena, dia mbola talohan’ny lalàna aza ny sabata (Eksodosy 16:22-30), saingy naveriny indray tao amin’ny didy fahefatra, mifanaraka tanteraka amin’ny nanavotana ny vahoaka Isiraely avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta: “… tànana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany (Egypta); izany no nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata” (Deoteronomia 5:12-15).

Raha famantarana ny fifidianana tao amin’i Abrahama ny famoràna (Genesisy 17:11), ny sabata kosa dia famantarana ny fanekena tamin’i Jehovah, izay nanamasina ho Azy vahoaka hisitraka ny fitsaharany tamin’ny fahariana voalohany (Eksodosy 33:14). Mba hahatonga ny sabata ho tena famantarana mampiavaka, dia tsy maintsy tsy nisy ifandraisany amin’ny feon’ny fieritreretana izy.

 

2.5  Ny kristiana sy ny sabata

Ny lalànan’i Mosesy, ary noho izany, ny sabata, dia mbola voarakotry ny fahefana avy amin’Andriamanitra hatrany. Manaiky izany ny kristiana, saingy tsy eo ambanin’izany lalàna izany intsony. Afaka tamin’ny ozon’io lalàna io tokoa mantsy izy, lalàna izay ambonin’ny fahefany, satria maty niaraka tamin’i Kristy, ary indrindra indrindra maty ny amin’ny lalàna, ary niara-natsangana tamin’i Kristy: Kristy izany hatramin’izao no antony ahavelomany, omban’ny herin’ny Fanahy Masina.

Io fiainana fitsanganana tamin’ny maty io dia manatanteraka an-tsitrapo ny lafiny ara-moraly amin’ny lalàna, izay mifanaraka rahateo amin’ny feon’ny fieritreretana ara-boajanahary. Fa mifanohitra amin’izany kosa, dia tsy misy idirany mihitsy amin’ny lafiny fifandraisana ao amin’ny lalàna, izay mikasika ny vahoaka Isiraely manokana. Ny sabata, izay mariky ny fanekena sy fiombonana tamin’i Jehovah sy ny vahoakany tetỳ an-tany, dia tsy misy idiran’ny feon’ny fieritreretana, ary an’io lafiny faharoa amin’ny lalàna io ihany. Noho izany, dia afaka ny amin’ny sabata ny kristiana.

 

3  Ny sabata ao amin’ny Testamenta Vaovao

Ireo famelabelarana foto-pampianarana natao hatreto dia tokony ho ampy hanafaka ny mpino izay misalasala momba ny sabata. Ndeha anefa hojerena ny fomba nitandreman’ny Tompo sy ny Fiangonana tany am-boalohany ny sabata. In-60 any ho any (*) no voatanisa ao amin’ny Testamenta Vaovao ny sabata; ny ankabeazan’ireo filazana ireo dia ao amin’ny Filazantsara sy ny Asan’ny Apostoly; iray ihany no ao amin’ny Epistily.

 

(*) Tsy tafiditra ao amin’io isa io ny tsongandahatsoratra misy ny voambolana “sabbaton”, adika hoe “herinandro”. 9 no isan’izy ireo: Matio 28:1; Marka 16:2,9; Lioka 18:12; 24:1; Jaona 20:1,19; Asa 20. 7; ary 1 Korintiana 16:2. Marihina koa ny fampiasana teny roa mitovitovy amin’izany: “andro alohan’ny sabata” ao amin’ny Marka 15:42 sy “sabata fitsaharana” ao amin’ny Hebreo 4:9.

 

3.1  Ny sabata ao amin’ireo filazantsara

Teraka “tao ambanin’ny lalàna” (Galatiana 4:4) ny Tompo, noforàna ny andro fahavalo, ary nitandrina ny andro sabata toy ireo fety jiosy hafa. Nefa, na dia nitandrina ny lalàna aza ny Tompo, dia nasehony fa misy fomba vaovao ifandraisana amin’Andriamanitra izay haorina. Ohatra, ao amina filazana maromaro ny sabata ao amin’ny filazantsara, dia anterina ny fanohitohinan’ny Tompo ny fihevitry ny Jiosy momba izany. Raha toa sitrapon’Andriamanitra ny hitandremantsika ny sabata, dia tsy ho toy izany mihitsy ny zava-nisy. Antony telo lehibe no omen’ny Tompo amin’ny tsy anarahany ireo fady amin’ny sabata:

1) Voalohany, Izy no “Tompon’ny sabata” (Matio 12:1-8). Nanimbazimba ny sabata ireo mpisorona tamin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly, satria ny tempoly no nanana lanja kokoa noho ny sabata. Koa mainka takona ny sabata, manoloana ny Tompo Izy tenany mihitsy, Izay lehibe lavitra noho ny tempoly. Afaka manao izay tiany amin’ny sabata Izy, satria Izy no nanao io didy io: Izy no Tompony. Ndeha horaisintsika ohatra ny tokantrano iray izay misy efitrano iray raràn’ny tompon-trano tsy hidirana. Izy irery no afaka miditra ao, ary, mazava ho azy, ireo izay miaraka aminy. Ny mpianatra dia iray niaraka tamin’ny Tompo, ka noho izany, tsy meloka raha tsy nitandrina ny sabata. Fantatsika fa isika koa dia mbola miray amin’ny Tompo lalindalina kokoa aza amin’ny zavatra rehetra (Romana 8:14-17).

2) Manaraka izany, mamaritra tsara ny Tompo fa ny sabata dia natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata [Marka 2:23-28 (vakio ilay andinin-tsoratra iray manontolo)]. Nomena ny sabata mba hahafahan’ny olona mitsahatra sy mankafỳ ny vokatry ny asany, fa tsy hahatonga ny olona ho andevony. Eto koa i Jesoa, ilay Zanak’olona, dia afaka manao izay tiany amin’ny sabata, toy ny tsy nanarahan’i Davida ireo didy raha nolavina sy nila zavatra izy. Ankilany koa, ny fitsaharana entin’ny Tompo ho an’ny mpanota dia ambony lavitra noho ny fitsaharana amin’ny andro fahafito.

3) Farany, miresaka ny amin’ny sabata ny Tompo, ary ampifandraisiny amin’ny asan’ny Ray izany: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa” (Jaona 5:17). Taorian’ny henemana nahariany, dia afaka nitsahatra Andriamanitra, nony nahita fa tena tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony (Genesisy 2:2): tomombana daholo ny zava-drehetra, tsy nisy hatao intsony. Fa hatramin’ny nidiran’ny ota tetỳ an-tany kosa, dia tsy afaka nitsahatra intsony Andriamanitra. Toy ny niverina niasa indray Izy, ary indrindra indrindra niasa momba ilay fahariana vaovao. Tsy misy fitsaharana intsony ao amin’ny fahariana voaloto… (Mika 2:10). Ny Zanaka, ilay iraky ny Ray, dia miasa tahaka Azy koa, na amin’ny andro sabata aza.

 

3.2  Ny sabata ao amin’ny Asan’ny Apostoly

Voatanisa in-9 ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny sabata. Ny filazana azy voalohany dia mamaritra ny halaviran-dàlana azon’ny Jiosy naleha rehefa andro sabata (Asa 1. 12). Ny filazana hafa (Asa 13. 14, 27, 42, 44 ; Asa 15. 21 ; 16:13 ; 17:2 ; 18:4) dia mampiseho fa nohararaotin’i Paoly sy ireo mpiara-dia aminy ny andro fahafito fitsaharana teo amin’ny firenena, mba hihaonany tamin’ireo Jiosy, na tany amin’ny synagoga, na tany amin’ireo toerana nivorian’izy ireo. Tsy tokony hahagaga antsika izany, satria ny Jiosy aloha no nitorian’i Paoly ny Filazantsara, ary amin’ny maha mpanompo mavitrika sy manan-tsaina azy, dia nataony izay hanarahana ny fomba mahazatra eo amin’ny fivavahana jiosy, mba hampahomby ny fampianarany (1 Korintiana 9:20). Koa aoka tsy hotsoahina amin’ireny andinin-tSoratra Masina ireny fa tokony hivory any amin’ny synagoga sy amin’ny andro sabata ny kristiana. Ny tokony homarihina kosa, dia ny andro Alahady izy ireo no nankalaza ny Fanasàn’ny Tompo (Asa 20. 7).

Farany, fehin’ilay fivoriana nantsoin’ny olona sasany tatỳ aoriana hoe “Konsilin’i Jerosalema”, dia nilaza tamin’ireo mpino avy amin’ny jentilisa ny apostoly, ny loholona ary ny rahalahy fa tsy misy fitsipika jiosy na dia iray aza tsy maintsy tandreman’izy ireo, afa-tsy ny mifady izay hena naterina ho an’ny sampy, ny ra, ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana (Asa 15. 28-29).

 

3.3  Ny sabata ao amin’ireo Epistily

Indray mandeha ihany ny teny hoe sabata no lazaina ao amin’ireo Epistily rehetra, izay mamaritra ny foto-pampianarana kristiana. Tokony ho ampy izany hanehoana fa tsy tokony homena lanja manokana tsy akory ny sabata. Ambonin’izany aza, ny andininy mitanisa azy dia mampirisika ny mpino hiala amin’ireo fombafomba fanao, indrindra ny momba ny sabata: “Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’i Kristy” (Kolosiana 2:17). Noho izany, tsy tokony hatao antony hiadian-kevitra na hifampitsarana mihitsy eo amin’ny samy kristiana ny sabata na ireo fomba hafa eo amin’ny fivavahana jiosy. Tokony havela ho laharana aoriana ireny ankehitriny, amin’ny soatoavina ara-panahy, satria aloky ny zavatra tsy maintsy ho avy ihany. Aoka àry havela ny aloka fa aoka kosa isika hifantoka amin’ny tena zava-misy, dia i Kristy Izy tenany mihitsy.

Ao amin’ny Epistily ho an’ny Hebreo dia mbola ahitantsika koa ny fitenenana hoe “sabata fitsaharana” (Hebreo 4:9).

Araka ny hanazavana azy ao aoriana, dia tsy ilay fitsaharana amin’ny andro fahafito izany, fa fitsaharana mbola ho avy ho an’i Isiraely, ary fitsaharana ao amin’ny finoana ho an’ny kristiana.

 

4  Fampitahana ny andro voalohany sy ny andro fahafito amin’ny herinandro

Ny fizaràna ny fotoana ho herinandro misy andro fito dia vokatry ny asan’Andriamanitra tamin’ny fahariana. Tsy miankina amina zava-miseho ara-boajanahary tokoa mantsy io, toy ny fizaràna ny fotoana ho volana sy taona.

Ny andro voalohany sy ny andro farany amin’ny herinandro, ny alahady sy asabotsy, dia manana lanja an’ohatra manokana, ary ny tsirairay amin’izy ireo dia manamarika vaninandro iray voafaritra amin’ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olombelona.

Raha ara-tantara, dia ny andro farany amin’ny herinandro aloha no nanan-danja manokana.

 

4.1  Ny asabotsy sy ny vaninandron’ny lalàna

Zavatra maromaro no mampiavaka ny asabotsy:

a) Io no andro farany amin’ny herinandro

b) Io no andro mifandray amin’ny iray amin’ny Didy Folo, dia ny fahefatra

c) Ho an’i Isiraely, dia io no andro fitsaharana amin’ny asa fanao andavanandro (tsipihina fa ny voambolana hoe sabata dia tsy midika ho “asabotsy” na “andro fahafito”, fa “fitsaharana”, ary nisy andro sabata hafa izay tsy andro fahafito (Levitikosy 23. 30-32).

Azo ampitahaina ireo zavatra telo loha ireo sy ny zavatra mampiavaka ny vaninandron’ny lalàna:

a) Ao amina fiaraha-monina fehezin-dalàna, ny fitahiana dia azo amin’ny fiafaran’ny fotoana nanaovana ezaka, ohatra ny fitsaharana dia amin’ny faran’ny herinandro iasana.

b) Tamin’io vaninandro io, ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona dia voalamina tamina didy napetraky ny fahefan’Andriamanitra, ary tsy afaka nanatanteraka izany tamin’ny herin’ny tenany ny olona.

c) Farany, tamin’izany vaninandro izany dia ny firoboroboana ara-materialy no tena natao hoe fitahiana. Nampanantenaina an’izay mahatanteraka ny lalàna ny fiainana (Ohatra : Levitikosy 18. 5), nefa ny nantsoina hoe fiainana tamin’izany, dia ny fifandraisana mirindra amin’Andriamanitra, momba ny zavatra etỳ an-tany. Firaisana tamin’ilay Andriamanitra Mpahary izany; ny fiantsoana an’i Isiraely, na tamin’izany na amin’ny hoavy, dia fiantsoana etỳ an-tany. Marihina fa tsy ho ela Andriamanitra dia hiresaka fitahiana etỳ an-tany indray, rehefa voaverina amin’ny laoniny ny fifandraisana amin’i Isiraely, noho ny ran’i Kristy: hiverina hahazo ny toerana sahaza azy indray, amin’izay, ny sabata (Isaia 66. 23 sy Ezekiela 46. 3).

 

4.2  Ny alahady sy ny vaninandron’ny fahasoavana

Ny alahady koa dia manan-toetra mampiavaka azy:

  • Andro fiaingana io, andro voalohany amin’ny herinandro.

  • Io no andro nitsanganan’ny Tompo Jesoa tamin’ny maty.

  • Farany, io ilay “andro fahavalo”, hanamarihana izay hita ao amin’ireo didy momba ny fisoronana, izany hoe andro fanavaozana, andro tsy voafehin’ny fahariana voalohany, andro izay nandatsahana ny Fanahin’Andriamanitra (*).

 

(*) Ao amin’ny lalàna, dia ny hoe “ampitson’ny sabata” no ahalalàna io andro fahavalo io: Levitikosy 23. 11-16; jereo koa Levitikosy 9. 1,23-24

 

Mazava ny dikany raha ampitahaina amin’ny vaninandron’ny fahasoavana:

  • Mandritra io vaninandro io, dia omena ho fiaingàn’ny fiainana kristiana ny aina: “Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra” (Jaona 3:3).

  • Rehefa fiainana no resahina, dia fiainana fitsanganana amin’ny maty no tiana hambara, zavatra tena tsy misy ivelan’ny ara-boajanahary mihitsy: “Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (2 Korintiana 5:17).

  • Ny vaninandron’ny fahasoavana dia voamariky ny fahatongavan’ny Fanahy Masina, tamin’ny andro alahady, tamin’ny andron’ny Pentekosta (Asa 2. 1). Tetsy andaniny, “Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa” ny mpino rehetra “ho tena iray” (1 Korintiana 12:13), dia ny vahoakan’Andriamanitra any an-danitra, tetsy ankilany, “ny herin’ny fiainana ho avy” (Hebreo 6:5) niseho tamin’io andro io dia efa nialoha sahady ilay andro lehibe fahavalo etỳ an-tany, dia ny andron’ny fanjakana arivo taona.

 

Satria izany ny andro voalohany amin’ny herinandro no manamarika ny vaninandron’ny fahasoavana, dia mety hahagaga ihany ny tsy fisiana fampianarana mazava momba ny fitandremana io andro io. Ny zava-misy, dia mampiseho fifanoherana hafa koa eo amin’ny andro voalohany sy ny andro farany amin’ny herinandro izany: tsy “sabata kristiana” velively ny alahady, satria tsy mitandrina andro, na volana, na fotoana, na taona ny kristiana (Galatiana 4:10-11). Tsy manampatra ny fahefany amin’ny olom-boavidiny ny Tompo, tsy mamerimberina aminy izay faniriany, mba tiany ny fontsika hahay mifantoka amin’ny zavatra kely indrindra maneho ny sitrapony: marina izany, na ny amin’ny fomba ivavahana amin’ny Ray, na ny amin’ny andro tsara anaovana izany ao amin’ny fiangonana. Noho izany, dia raisintsika ho tombontsoa, fa tsy didy, ny fahafahana mivory ho fiangonana isaky ny alahady mba hivavahana sy hankalazana ny Fanasàn’ny Tompo.

Mba hampazava tsara amintsika ny heviny momba izany, dia niaraka tamin’ny mpianany ny Tompo ny alahady roa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty (Jaona 52:19-26). Ambonin’izany, andro alahady no nivorian’ireo kristiana voalohany mba “hamaky ny mofo” (Asa 20. 6-7 sy 1 Korintiana 10:16 ; 11:23), ho fahatsiarovana ny asan’ny Tompo Jesoa. Farany, marihina fa ny rakitra ho an’ireo mpino nila izany dia natao koa tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro (1 Korintiana 16:2) , ary io andro io ihany koa no nofidin’ny Tompo hanomezany farany ho an’ny apostoly Jaona (Apokalypsy 1:10) ny fanambaràna raketin’ny Soratra Masina.

Fehiny, ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia ny alahady izany, no tena “andron’ny Tompo” marina tokoa (*). Toy ny efa nohamasinina io ho an’ny kristiana izay mahatsiaro fa rehefa avy tao am-pasana ny Tompo tamin’ny andro sabata, dia nitsangana ho mpandresy tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro. Mahakasika lalina ny fon’ny mino izany, ary mampahatsiahy izany ireo hira kanto maro:

 

(*) Ny hoe alahady, na “dimanche” amin’ny teny frantsay, dia avy amin’ny teny latina hoe “dies dominica”, na “andron’ny Tompo”; jereo koa Apokalypsy 1:10

 

Nandresy an’i Satana sy izao tontolo izao

Ilay Zanak’Andriamanitra ka nivoaka ny fasana:

Ny hovitra noho ny haizin-kitroka

Dia voasolon’ilay andro tsara indrindra”(*).

 

(*) Fihirana 124 amin’ny “Antsa sy hira fiderana”

 

5  Valim-panontaniana sasantsasany

5.1  Genesisy 2:3:

“Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy”. Tsy mampiseho ve io andininy io fa tsy azo ovàna ny sabata ary natao ho an’ny olona rehetra?

Io andininy notanisaina io dia tsy misy baiko na inona na inona: nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ary nanamasina azy ho Azy manokana, tamin’ny fomba tsy azo ovàna angamba, nefa tsy misy na inona na inona angatahina amin’ny olombelona ao amin’io andininy io. Tsy fantatra rahateo ny sabata nandritra ireo taonjato maro talohan’i Mosesy. Tsy vitsy ny antsipiriany voatantara momba ny fiainana ara-pivavahan’ireo patriarka: nisy ny alitara, ny sorona, ny ampahafolon-karena, ny fety, ny famorana, nefa tsy misy teny indraim-bava akory mampihevitra ny tokony hitandremana ny sabata.

Tsy nahafantatra ny sabata i Mosesy raha tsy taorian’ny nanafahana ny vahoaka avy tany Egypta, ka ny voalohany tamin’izany dia tamin’ny fanangonana ny mana (Eksodosy 16:23, 29-30), ary manaraka izany mazava kokoa, dia tamin’ny nanambaràna ny lalàna tao Sinay (Eksodosy 20:1, 2, 8-11). Teo vao nampifandraisina tamin’ny asan’Andriamanitra tamin’ny fahariana ny dikan’ny sabata, araka ny voalazan’i Nehemia hoe: “Efa nidina tao ambonin’ny tendrombohitra Sinay Ianao… ary nampahalala azy ny Sabatanao masina” (Nehemia 9. 13-14).

Fehiny, na dia voalaza aza ny momba ny andro fahafito dieny amin’ny fanombohan’ny Genesisy, dia tsy fantatra talohan’i Mosesy (Deoteronomia 5:2-3) ny sabata, ary tsy mahakasika afa-tsy ny vahoaka Isiraely, satria io no mari-panekena ho azy, araka ny efa voazava.

 

5.2  Eksodosy 20:8:

“Mahatsiarova ny andro sabata hanamasina azy”. Anisan’ny Didy Folo io, fa tsy lalàna momba ny fisoronana, koa tsy tokony hotandreman’ny kristiana ve ny sabata?

Marina tokoa fa mampiavaka ny Didy Folo amin’ny didy hafa rehetra ao amin’ny lalàna ny fomba manetriketrika nanambaràna azy ireo (Eksodosy 19 sy 20), satria ny rantsantànan’Andriamanitra mihitsy no nanoratra azy (Eksodosy 31:18), ary napetraka tao anatin’ny fiaran’ny fanekena izy ireo (Deoteronomia 10:5). Nilaina ho an’ny vahoaka izany fanavahana izany, hatahorany an’Andriamanitra (Eksodosy 20:20). Na izany aza anefa, tsy navelan’Andriamanitra ho voatahiry ireo vato fisaka nirakitra ny Lalàna, angamba mba tsy hahatonga azy ireo ho sampy, toy ilay menarana varahina (2 Mpanjaka 18. 4).

Aorian’ny bokin’i Mosesy, dia tsy misy filazana manokana momba ny Didy Folo intsony ao amin’ny Teny.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia jerena amin’ny maha manontolo azy ny lalàna, ary tsy misy fanamarihana manokana mihitsy momba ny Didy Folo. Mifanohitra amin’izany aza, ny Tompo Jesoa dia nilaza fa ny lehibe indrindra amin’ny didy dia ny fitiavana an’i Jehovah, ary ampiany hoe ny manaraka izany dia ny fitiavana ny namana tahaka ny tena (Matio 22:36-39); ireo didy roa ireo dia tsy ao amin’ny Didy Folo. Ny faharoa moa dia lazaina fa mamintina didy maromaro ao amin’ny Didy Folo (Romana 13:9).

Na dia azo avahana aza ny “fitsipika ny amin’ny fanompoam-pivavahana” (Hebreo 9:1) sy ny fampianarana ara-moraly, dia diso ny filazana hoe azo avahana amin’ny lalàna hafa ny Didy Folo, ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny fomba fiteny toy ny hoe “Izao no didin’Andriamanitra” na “Izao no nolazain’i Mosesy” dia tsy voafidy manokana ny ampiasana azy (Matio 15:4 sy Marka 7:10-11. Ampitovio ireo andininy mira-zotra), ary matetika ny hoe “lalànan’i Mosesy” dia mirakitra miharihary ny fampianaran’Andriamanitra manontolo ao amin’ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly (na Pentateoka) (Lioka 24:44 sy Asa 28. 23).

Na inona na inona toeran’ny sabata ao amin’ny lalàna, aoka hotsaroana fa ny fahafahan’ny kristiana momba ny sabata dia tsy avy amin’ny fanafoanana ny lalàna tsy akory, na ampahany na izy manontolo, fa kosa satria efa maty ny amin’ny lalàna ny kristiana (Jereo ny fizarana 1. 5amin’ity asasoratra ity).

 

5.3  Matio 24:20:

“Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina na ho amin’ny Sabata no handosiranareo”. Ireo tenin’ny Tompo ireo ve manaporofo fa hotandremana ny sabata any aoriana any?

Marina tokoa izany, saingy amina andro mbola ho avy. Hangonina amin’izay ny vahoaka Jiosy niodina tamin’ny fivavahana marina, ary ny tempoly narenina dia holotoin’ilay “fahavetavetana mahatonga fandravana”. Amin’izay fotoana izay, dia ho efa ho nalaina ny Fiangonana (1 Tesaloniana 4:15-18 ; Apokalypsy 3:10).

Azo eritreretina fa hotandremana ny sabata any Isiraely, toy ny itandremana azy ankehitriny eo anivon’ny vahoaka jiosy, ary hanelingelina ny fandosiran’ny vahoaka izany, vahoaka izay iresahan’ny filazantsaran’i Matio.

Anterina ihany fa hotandremana ara-dalàna ny sabata mandritra ny fanjakana arivo taona (Isaia 66:23 sy Ezekiela 46. 3). Ho tanteraka etỳ an-tany ilay fanirian’Andriamanitra, dia ilay faniriany tsy miova mba hidiran’ny olona ao amin’ny fitsaharany, noho ny asa fanavotana, mandritra ny fanjakan’i Kristy.

 

5.4  Hebreo 4:9:

“Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.” Inona no dikan’io andininy io?

Ny fiafaràn’ny toko fahatelo sy ny fiandohan’ny toko fahefatry ny bokin’ny Hebreo dia sarotsarotra raisina ihany. Araka ny eritreritray, dia izao ny ambangovangon’ny tian’ny mpanoratra ny epistily holazaina: nanavotra vahoaka iray Andriamanitra, hisitraka ny fitsaharany etỳ an-tany, ary nanome azy io — raha azo ambara — ny sabata, ho santatr’izany fitahiana izany (Eksodosy 33:14 sy Nehemia 9. 14). Noho ny tsy finoany, dia maty tany an’efitra avokoa ny ankabeazan’ireo vahoaka, ary na ireo nentin’i Josoa niditra tany Kanana aza dia tsy nisitraka ny fitsaharan’Andriamanitra, satria ny fampirisihana hiditra amin’izany dia natao tamin’i Davida, efa tatỳ aoriana lavitra: “Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra…” Ao amin’ity toko ity, dia tsy marihina ny toerana hitsaharana, nefa fantatsika etsy andaniny, fa ho an’ny vahoakan’Andriamanitra etỳ an-tany, dia mandritra ny Fanjakana arivo taona any Isiraely izany, fa ho an’ny kristiana kosa, dia ny tranon’ny Ray no fitsaharana andrasan’ny Fiangonana. Fa voafaritra mazava kosa ny fepetra hidirana amin’izany fitsaharana izany, dia ny finoana sy ny fankatoavana. Amin’ny finoana no idirantsika dieny ankehitriny amin’ny fitsaharan’ny feon’ny fieritreretana; amin’ny fankatoavana ny Tompo no andraisantsika anjara dieny izao amin’ny asan’ny fahasoavany sy iomanantsika hanana anjara koa amin’ny fitsaharana ao amin’ny fitiavany any an-danitra, toy ny hataon’i Isiraely etỳ an-tany (Zefania 3. 17). Ny sabata fitsaharana resahina eto izany dia tsy ilay fitsaharana indray mandeha isan-kerinandro amin’ny andro fahafito, fa fitsaharana maharitra ary mbola ho avy, izay tsy azo idirana raha tsy amin’ny alalan’ny finoana.

 

5.5  Ny sabata sy ny fahafahana kristiana:

Noho io fahafahana io, moa ve isika afaka mitandrina ny sabata, nefa tsy very na inona na inona amin’izay entin’ny fahasoavana?

Tsia, azo antoka fa tsia, satria ny fahafahana kristiana dia midika indrindra fa afaka amin’ny asan’ny lalàna ny kristiana, mba hanompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy: “Ny zavatra rehetra azoko atao, … nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona” (1 Korintiana 6:12). Ny epistily iray manontolo ho an’ny Galatiana dia manameloka mafy indrindra ireo izay mampifangaro ny fahasoavana sy ny lalàna. Ndeha isika hitanisa andininy vitsivitsy: “Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony” (Galatiana 5:1). “Fa raha izaho, dia tamin’ny lalàna no nahafatesako ny amin’ny lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho” (Galatiana 2:19), izay midika hoe “efa maty ny amin’ny sabata aho, mba ho velona ho an’Andriamanitra”; satria, raha tsy izany, tsy afaka ho velona ho an’Andriamanitra aho, hitia Azy sy hanompo Azy an-kalalahana.

Mbola andininy iray amin’io epistily io ihany: “Ary lazaiko marina indray — hoy ny apostoly Paoly — amin’ny olona manaiky hoforana rehetra, fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy” (Galatiana 5:3). Raha ampiharina amin’ny sabata izany, dia azontsika atao hoe: “Ary lazaiko marina indray amin’ny olona rehetra manaiky hitandrina ny sabata, fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy”. Manampy izany ny apostoly Jakoba hoe: “Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray loha, dia meloka amin’izy rehetra” (Jakoba 2:10). Mahatahotra indrindra ny fahamontsanana vokatry ny fitadiavana hanampy didy avy amin’ny Lalàna amin’ny filazantsaran’ny fahasoavana! Teny faran’izay henjana no ampiasain’ny apostoly Paoly mba hisokatra ny mason’ireo zanany “izay aharariany indray amin’ny fiterahana” (Tarazon-dahatsoratra anaovana ny Galatiana 4:19). Enga anie mba hisokatra toy izany ny mason’ny mpamaky tsirairay!

Ho an’ny apostoly, ny fampifangaroana ny lalàna sy ny fahasoavana dia :

 

Ny epistily ho an’ny Kolosiana koa dia miresaka betsaka io lohahevitra mahakasika ny fototra fifandraisantsika amin’Andriamanitra io, nefa tsy hivalampatra amin’izany isika. Ndeha fotsiny hofehezina amin’ny ohatra nomen’ny apostoly Paoly miresaka ilay fahamarinana mahagaga izay ananantsika ao amin’i Kristy irery ihany: “Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra… ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy; ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ny lalàna, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana” (Filipiana 3. 8-9).